autohypnotisme

1. xxx ( 10/05/2007 19:22)
Miala tsiny tsy maintsy fa nataoko xxx.

Misy toetrako tiako ovana be izay. Dia tsy mety afaka mihitsy ilay izy fa efa raiki-tapisaka.
Dia namaky boky aho dia hoe "autohypnotisme" no fomba ahafahana ialana aminy, satria efa any amin'ny "inconscient" mihitsy ilay izy.
Dia nanandrana ary izaho omaly alina. Narahiko ny fomba fanaovana azy. Ary hoe mila tohizana mandritra ny erinandro eo ilay izy.
Tsy haiko anefa fa lasa adiny 5 fotsiny aho omaly no natory dia taitra. Dia tsy nasiako olana aloha. Fa namerina namaky ilay soratra indray aho tandroany. Dia nanomboka narary ny andohako. Dia avy eo ohatra ny mihetsiketsika izany daholo izy jereko. Dia sitrana. Dia notohizako ny fiainako isan'andro. Nony atoandro amin'izay dia tsy nahalany vary aho. Dia lasa te hatory be. Ohatra ny hikipy foana ny masoko. Mandeha matory aho anefa tsy mahita tory fa ny masoko fotsiny no mikipy. Dia avy eo marary be ny lohako. Amin'izao manoratra izao aho mbola manaintaina foana ny lohako.
Tokony ho ajanoko ve sa izany no atao hoe miova ny "inconscient"?
2. mirana5 ( 11/05/2007 19:34)
mampatahotra kos'zany raha zà aloha dia avelako eo zany é, nandrasana anirina vao mé mampivandravandra lay " autohypnotisme" :cry:
3. Fiffi ( 13/05/2007 19:47)
autohypnotisme ? raha zah enao de hajanoko aingana any zany !
4. xxx ( 14/05/2007 19:54)
Tena efa najanoko ilay izy fa enjana loatra.
5. diamondra27 ( 14/05/2007 20:05)
Azo lazaina ve le toetra?
Mety afaka hanampy anao ihany @ torohevitra raha hazavainao bebe kokoa ny mahazo anao.

Fa iza aloha no niteny aminao we manaova an'izany e!

Zao an! ny toetra de azo ovaina, miankina @ volonté io fa miandry ny fanazavanao vao afaka manome toro-hevitra

En attendant de aza manao na inona na inona aloha.

Mety tsy solution koa zany autohypno zany

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0967