Ravalo dehors rehefa tsy hampihaina malalaka ny vahoaka

1. Lalah ( 07/05/2007 15:28)
Nanao fanadihadihana tamina olona 20 aho, tao ny mpiasam-panjakana, tao ny mpianatra, tao ny olon-tsotra, tao ny mpiasan-tena, collecteur, tantsaha. Zao ny bilan azoko:
- mihalafo ny fiainana
- ametrahan-drafanja sakana daholo ny sehatra rehetra: fanagonam-bokatra (vary, vanille,etsetra), fanan-gonana ronono, sy ny tariny ataon ny olon-tsotra.
- ny mpiasam-panjaka rehefa tsy manaiky hiditra TIM dia affectena any @ faritra dezaka.
- Ny avy aty ivelany indray dia hampandoavina tax ambony ny olona mieritreritra hanangana asa eo antanana.
-ny tanora manotany tena hoe inona marina no mba avenira eto madagasikara?
- tsy misy tsy mikaikay fa tena lasa mafy tsy misy hoatran zany ny fiainana.
Nisy olona niteny tamiko hoe sao dia ozona aza izao mahazo ny malagasy zao? Asa anjaranao ny mandinika.
Nisy olona hafa indray niteny hoe " le bandy io mintsy no tsy mamely, fohy hoatran azy ihany ny fisainany, tsy mahataka-davitra sy ny sisa"
Tsy haiko zay marina fa zao ny ahy mijaly ny vahoaka, raha mbola hanampitrotraka ny fahorian ny vahoaka zay 40 taona lasa zay miala fa tsy ilainay. Au moins mba avelao ny olona mba hiaina tsy amin-teritery, avelao ny olona hanangom-bokatra, avelao ny olona hanagana societe zay tiany, avelao ny olona hiaina malalaka, fa aza hanaparana ny fisainana fohinao arakin ny voalazan ny sasany.
répondu par Jeankely le 10/05/2007 03:33
2. energye ( 07/05/2007 15:45)
ory nama?
tsy tsika ihany ve no nifidy azy, efa tonga @ tanjona nirin-tsika isika zao de mba mifalia @ zay, io no izy satria lanin'ny maro ,
io ny antsika ka mba asadrato,
na hanao ratsy izy na hanao tsara fa safindim-bahoaka io ka fiaretana no sisa atao
izy no mba hitan'ny vahoaka hahavita azy,
ary ny zavatra tokony ho haintsika kosa anie misy fahatsarany ihany le fahasarotam-piainana,
@ zao sika mahay tsara ny valeran'ny vary sy ny henakisoa sns..
3. boubounezy ( 07/05/2007 16:35)
za mifidy ra8 alefaso ny éléksiô fa izy iany no ho lany eo:roll:=))
4. hery ( 07/05/2007 16:39)
Hadalan'ny mpanohitra ihany no mahatonga an'izao.

Raha ohatra ka olona azo nitokisana sy nahay tsara no naroson'ny mpanohitra tamin'ny fotoanan'ny fifidianana dia tsy ho Ravalo no lany.

Efa nolazaiko hatrany amboalohany anie, nandritra ireny fifidianana ireny, fa tsy dia hoe fitiavana Ravalo no tena nahatonga ny olona nifidy Ravalo e. Fa tsy misy olona hafa azony hametrahana ny fitokisany dia naleony nifidy Ravalo...

5. bonazy ( 07/05/2007 17:13)
maninona moa raha i Lalah no andao hasolo azy é!,@izay hiadana sy halalaka ny vahoaka ,sa ahaona hoy ny hafa?,ny tokantrano aza indraidray mahavaky loha , na dia ny fokontany fotsiny aza manahirana ,koa indrindra moa fa firenena sahia mijoro izay tena vonona ,fa izahay vonona hanohana sy hanaraka é raha tena matotra fa tsy vavan'ny mpamendrofendro sy mpanao ronono an- tavy ...
6. pissoa ( 07/05/2007 18:13)
Hery, raha azoko tsara ny lazain'i Hery dia "misy fahamarinany" betsaka ny tenin'i Lalah (araka ny hevitry i Hery). Ka rehefa fôkasy ve ny mpanohitra dia tsy maitsy manararaotra manao an'ireo nolazain'i Lalah ireo i Ravalo ?! Amiko tsy hadisoan'ny mpanohitra izay tsy mety ataon'i Ravalo, raha tsy hoe olona tsisy saina i Ravalo ! :-D:-D:-D
za aloha mitovitovy hevitra amin'i energye e ! ka io no nofidian-dry zareo koa, akory atao ! Ankoatra ny hoe patience fa refa tena "mafy ny ataky" na izy tsy lany tsony amin'ny fifidianana manaraka na tsy maitsy "hanapoaka sarom-bilany" daholo ndray ny gasy e (maty aho fireneko)! :-D:-D:-D
7. simplex ( 07/05/2007 20:52)
Lalah:
Nanao fanadihadihana tamina olona 20 aho, tao ny mpiasam-panjakana, tao ny mpianatra, tao ny olon-tsotra, tao ny mpiasan-tena, collecteur, tantsaha.
marina alou fa 20 efa azo lazaina hoe ngoza eo @ distribution d'echantillonage fa na izany aza, ra jerena @ lojika tsotsotra 20 kosa v d hi-representer-na ny 18.5M gasy? :°)
Lalah:
- mihalafo ny fiainana
techniquement parlant kou io tsy zava-baovao fa na aiza na aiza d mihalafo doly ny vidim-piainana. Any @ tany mandroso eo @ 1-3% eo ho eo ny inflation. Etazonia zao en moyenne nihoatra ny 3% ny taux d'inflation t@ 2006. Na izany na tsy izany kosa anefa d ny antsika dia "a deux chiffres" izay faran'izay mifanohitra @ le tarigetra hoe "fandrosoana haingana sy maharitra". Izany hoe tsika mbola tsy dia mandroso loatra sy tsy miasa tsara ny systeme bancaire k manasarotra ny fitantana ny resaka ara-bola. Tena mbola archaiq be zany e, ny famokarana mbola otran'ny hoe raharam-pianakaviana zany doly. Efa niova alou ny gouverneur an'ny BC k asa ra mba hiova kou ny politika monetera... otran'ny mba azo hiafiana ihany ny fitantanana ny ariary ataon'zala @ zao, asa anefa.

Lalah:
- ametrahan-drafanja sakana daholo ny sehatra rehetra: fanagonam-bokatra (vary, vanille,etsetra), fanan-gonana ronono, sy ny tariny ataon ny olon-tsotra.
Azoko ny tian'i toi lazaina fa izany hoe na aiza na aiza tsy maintsy misy fepetra doly ny fanaovana zavatra @ firenena iray. Ny tokony ho izy fotsiny tsy tokony natao hi-freiner-na ny sehatra tokony hiroborobo izany. Na izany na tsy izany anefa asa ra fantatr'i toi fa misy orinasa hafa (fa majinika alou e) manao yoghurt, fromazy, jus,... manangona/manao distribution vary, menaka... Ny an'lery alou ny ngoza indrindra ary tena hoe efa eo @ frontiere an'ny capacite-ny mintsy ny famokarany fa mahazo manao doly ze te hanao, refa mahafeno ny fepetra. Dynatec sy Qmm aza mbola nila naka permis tany @ ONE kou hehe.
Lalah:
- ny mpiasam-panjaka rehefa tsy manaiky hiditra TIM dia affectena any @ faritra dezaka.
Ny cadre ngamba no tena misy an'zay fa ny majinika tsy dia misy loatra. Zany hoe tsy ho azon'i toi henjehina @ zany izy satria qualification mitovy ihany k anjarany ary asany ny mandrindra ny toerana tokony hisy azy. Ny tsy mety kosa anefa ohatra le hoe manasaraka mpivady na hoe mandefa ol efa ho retirety any @ dezaka be loatra...
Lalah:
- Ny avy aty ivelany indray dia hampandoavina tax ambony ny olona mieritreritra hanangana asa eo antanana.
mitovy doly rehefa ol te hanangana orinasa ao Madagasikara. Tsy misy hoe tax natokana hoan'ny gasy avy any ivelany. Efa ampikarakarana (tsy haiko tsara an) ny reforme an'ny systeme fiscal mintsy zao ry zareo. Ny detaxation alou tsy hisy intsony e. Ny exoneration kou tokony tsy atao be loatra fa zany hoe miady @ mpadoa-bary ve moa. Ra ohatra ka tena mila faveur special toi d grand investissement manana lalana manokana mifehy azy hanomezana "incentive" azy ireny. Tongasoa avy hatrany toi (surtt ra TIM :°)).
Lalah:
-ny tanora manotany tena hoe inona marina no mba avenira eto madagasikara?
Efa tsara alou ra manotany tena izy @ ny hoaviny. Tena tsara ra miezaka ny manao zavatra izy ireny fa tsy mitady solution de facilite a tt bout de champ akory. Miasa mafy zay vao mahazo vokatra, izay ihany fa ny ankoatr'zay tsy natao hoan'ny olon-drehetra. Ekena alou fa tena misy responsabilite ngozabe an'ny fanjakana eo fa ilaina ny fiezahan'ny tsirairay ihany kou. Ny Zone franche mou no tena hoe nianteherana @le creation d'emploi nefa toa tsy mahomby tsony io satria efa ho tapitra, asa ze ao anatin'ny MAP ao momba anio.

Lalah:
Au moins mba avelao ny olona mba hiaina tsy amin-teritery, avelao ny olona hanangom-bokatra, avelao ny olona hanagana societe zay tiany, avelao ny olona hiaina malalaka, fa aza hanaparana ny fisainana fohinao arakin ny voalazan ny sasany.
Io zao jugement personel an'i toi. @ 2011 ny fifidianana. Dieny zao d efa manomana programa matanjaka, ary mahazaoa poids politika.
simplex:
Hadinon'i toi ny corruption
io no tena anisan'ny faran'ze tsy mampandroso indrindra. Asa ra mba misy fivoarana, indrindra ireo haut fonctionnaires. Ny nepotisme sy ny favoritisme mou tsy lazaina tsony. Ireny no tena tsara miova.

Mitovy hevitra @ hery, tsy misy mba azo jerena ankoatr'i ra8 t@ le fifidianana teo. Sady zay kou namboarin'lery hoany aminy doly ny chance handresena. Tsy hifandirana mou iny fa @ 2011 ndray mihaona. ny elections kely majinijinika no tokony hifantohana. Ary ra tena mpanohitra mendrika ireo mpanohitra gasy ireo, tokony hiezaka ny hahazo deputes sy senateurs bedabe hahafahany mi-contrebalance an'ze adalan'i ra8 eo.

Za manokana, i Rajemison no hitako mety kokoa ra hoe president na i Haja Razafinjatovo. Mba ouvert @ dialogue no intellectuel, mahay mihaino fa tsy manao ze illumination mitranga rehetra izao. Nefa otran'ny impossible be.

peace,

8. bazylou ( 07/05/2007 21:28)
aoka marina re ry lalahh, aiza i rajeankely be mpanabe..... amin'io lazainao io?? aza atao hitany fa tapaka lalan-drivotra eo ilay iny
:lol::lol::lol:
9. Jeankely ( 08/05/2007 03:27)
Tsy miova ny fijeriko ry nama ary nianatra aho ka tsy sahala anareo no hampianatra ahy. Ny hiaro ny fitondrana tsy anjarako fa an'ny mpitondra ary ny zavatra ataoko tsy miakina amin'ny politika. Raha mahay i "Lalah" sy "Bazylou" ary ny tariny ka handrombaka fahefana tsy mampaninona fa rombahy raha azonao fa ny ahy tsy miova MIASA FOANA NO ANARAKO VAO MIHINANA AHO ARY TSY MBOLA NANGATAKA ARY TSY HANGATAKA. Ny filazana hoe be resaka dia ianareo no tena loza. Aiza ve ry manantsaina ka ny vatan'ny olona ho "FOHY" no lazaina izao sy izao. Izaho dia tsy mino fa LAVABE daholo ireo miteny ireo saingy ny "Chinese" fohy nahoana no lasa alavitra ary ireo asiatika ireo tsy lavabe sahala aminao mihevitra ho lava nefa fohy fisainana. Maro ireo ao afrika lavabe nefa lasa aiza? Ny atidoha no miresaka fa tsy ny vatana. Ianareo ve dia nahavita ny vitan'io olona lazainareo fohy io. Izaho aloha tsy manampahaizana sahala anareo. Ny fantako dia sahirana ny fitondrana amin'ny fizahavana lalana hivoahana ary tsy izaho mihintsy no nilaza fa efa tafita ny Malagasy saingy io tsy tafita izany raha tsy mihezaka. Hazakazaka arahantosika midoboka ka asakasak'izay hanaraka ny mpanosika sy manampahaizana.
10. mamy23 ( 08/05/2007 05:58)
Dia mahaiza mionona ry zareo a! Io aloha no eo dia araho ambokony ary ataovy izay mahavelona ny tena.
Raha mahita lalana hanalana azy moa dia izay no tsy fantatro

Ny zavatra ahiko dia izao ny omaly tsy miova ihany. Raha tsy mirotsaka hofidiana intsony ra8 @ 2011 dia mety ho kandida suprise no lany eo satria ilay mpanohitra samy honolotra ny azy ary avy eo dia hiady sy hanohitra fitondrana miaraka indray.

mazotoa e
11. bazylou ( 08/05/2007 08:56)
efa mazava ny fika amin'ilay 8, fa hanao 25 taona koa i lery izay koa no irian'ndry rajeankely sy ny forongony, ka aleo hohita eo fa jereo anie fa tsy maintsy mbola ho eo io amin'ny 2011 e!! raha tsy hoe....
12. Jeankely ( 08/05/2007 09:14)
Bakany Bakany io
13. mandrak ( 08/05/2007 11:04)
@ sisa atovy tsara ny safidy "rah milatsaka de zah fidina " :°)
14. Jeankely ( 08/05/2007 11:12)
I Mpams no manaraka ka. Asiana 2 eme tour ny anao sy Bazylou Mpams.
15. lamie ( 08/05/2007 12:18)
inona zany no tianareo?esorina teo ra8,iza no hasolo azy?tsy maitsy manao izao izy satria mamerina ny toetsain'ny malagasy ho: mpandinika,mafy toto,maharaka ny fandrosoana,tsy hiverina @ baranahiny,tia fifanajana,fihavanana,ho tia haroso fa tsy miembotra,mifanohana @ samy malagasy,ary tokony efa ela no natao ny dictature fa nivaro-lavo isika,tia tena,kamo,mandrava efa,sarotra asondrotra,mpanimba zavatra,be menomenona!tsy ilaina ny manao politika @ zany,io fahalalahana tadiavinao io ve mendrika anao?sa fahalalahana t@ ratsy?eran'ny zao tontolo zao no misondrotra ny vidin'ny petrole fa tsy eto madagasikara irery akory,mandehana kely mivoaka any andafy any dia ho hitanao ny fiaianana any,dia hiteny ianao hoe aeoko mahantra eto antaniko!
16. Lalah ( 08/05/2007 14:20)
Hery a! misy problem angaha ny site no rehefa milog aho dia afaka 2 min tonga dia maty, zah omaly hariva saika hamaly an i Simplex dia efa vita doly le izy, nampiditra username sy ny tariny, tonga de nanjavona avy eo. Nefa lava zany zavatra voasoratro zany an!
Aleo fa valiako eo ihany simplex.
17. Jeankely ( 09/05/2007 05:16)
Nivadika ny resak'i Lalah na izany aza Many thanks for you "lamie", you know the truth.OK. Misimisia ny sahala izany eee
18. Lalah ( 09/05/2007 05:52)
Ary toa mila ady aman olona ato fotsiny ity Jeankely, ahoanao inona zay lazaiko eto koa anefa e, ary adi-hevitra no atao eto fa tsy adi-olona, fa rehefa tsy mahazaka ady hevitra fa ny fo no mivonto aloha dia mandana aloha mitsabo-tena, fa mampitombo isa ny adala tsy sitrana mazava a! Ary za koa tsy miadi-hevitra aminao fa ohatran ny miresaka amin ny olona coince. raha te-hiady mafy mandana makeny @ 18 fa eny tsy misy resaka fa tonga dia rombo.
19. Jeankely ( 09/05/2007 06:41)
I don't find 18 here. There is no debate here but "Washing Brain". Oh Very weak. Improve your knowledge and write much after. ohohohoh:lol:
20. Jeankely ( 09/05/2007 07:34)
Lalah said:"Nanao fanadihadihana tamina olona 20 aho". Oh my dear, is it survey or what? 20 people is representative for you. Malagasy population is now more than 18 Million, so 20 people with your way of understanding things is enough for analyse or what? Like this debate as you said:"aza hanaparana ny fisainana fohinao arakin ny voalazan ny sasany". Ohohohoh. :lol: Very sorry
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0631