fanafarana taxi mauricien :

21. sympa ( 13/05/2007 22:34)
:?: fa iza aloa no nanafatra ireny ary eee :?: 8O
22. Jeankely ( 14/05/2007 02:39)
Ny dikan'ny fanalalahana ry havana manandoha rehetra dia na iza na iza ary na avy aiza na avy aiza ka afaka hanome fahafahampo ny "MPANJIFA" dia mahazo miasa. Ny mampiomehy kely dia saika manao resaka mifanohitra ny sasany. Ny samy Malagasy lazain'ilay iray tsy tononiko hoe aleo roahan'ny sasany any amin'ny faritany, etsy ankilany miresaka "Globalisation" sy fivoarana any amin'ny andafiny nefa avy eo indray milaza hoe "Raha tia hanary vola dia mankanesa any Madagasikara". Maninona tsy asin'ileiry hentina any andafy ny 2CV sy 4L fa tsy tsara hanaovana asa any Madagasikara?
23. kally ( 14/05/2007 07:57)
Marina izany Ra-Jean kely fa ny fanalalahana tsy misy fandraràna hoe ny anona tsy mahazo miasa intsony fa ny izao irery no miasa.
Nosokafana ny fivarotana lehibe ohatran'i Leader Price, Jumbo Score tsy nisy resaka hoe tsy maintsy akatona daholo ny fivarotana enta-madinika rehetra.
Nahoana rehefa nafarana ny taxi môrisianina dia hoe tsy mahazo miasa intsony ny 2CV sy ny 4L? Aiza ilay fanalalahana sy fahalalahana.
Nahoana no vonoina fa tsy avela ho faty ho azy raha ny hamono azy no tanjona?:?:
24. Jeankely ( 15/05/2007 04:06)
Mety misy tsy ampy kely ny fahalalanao mikasika ilay hoe "fanalalahana" ara-toekarena sy ny andraikitry ny Mpitondra. Mpitondra hoy aho fa tsy "President" an. Teneniko mazava amin'izany ny Ben'ny tanana. Efa niteny aho tery ambony hoe mendrika ny toerana sasany satria voafetra hoe Fiara sahala izao no azo atao Taxie ary misy izao sy izao ao anatiny sy mombamomba azy. Izany tsy midika fa misy olona manokana mahazo miditra. Mahazo manao daholo saingy ao anatin'io fepetra io no mifaninana malalaka. Izay no dikany fa tsy hoe Fanalalahana dia mahazo mnao izay sai-patany. Tsy midika mihintsy hoe fanalalahana mira tsy misy fitondrana sy lalana fa mifandrombaka ao daholo dia izay maty maty.
25. kally ( 15/05/2007 12:43)
Taxi ra-Jean kely fa tsy taxie a!

Tongava ianao mampianatra ahy mihitsy Rajeankely fa toa ianao irery ihany no tena azo lazaina ho mahay sy sangany eto an!:-D tsy misy fahadisoana mihitsy na ny kely aza izany fomba fijerinao izany an! marina e!:lol:
Dia tapi-pahaizana sy fara-tampony ianao dia mirifatra ery handroso fa ny fitiavana ny mpiray tanindrazana tsy misy. Nahoana raha fandrosoana marina no tadiavina no tsy misy planina misokatra ho an'ny rehetra hanomezana vintana azy hitondra an'ireto taxi d'ôkazy môrisianinao ireto?
26. Jeankely ( 16/05/2007 05:13)
Misaotra anao nanoro ny fomba fanoratra aloha ary na teny Malagasy aza samy mifamadika sy diso betsaka nohon'ny resaka fitapitapizana amin'ny Clavier ka jereo ny daty fa imbediabe aho nanoratra taxi fa ity farany ity no sahala io. Na izany aza rehefa diso dia diso e. :lol:Izay tratra mianatra sy manintsy fa dia misaotra. Ankoatr'izay azoko atao tsara ny mijanona tsy manohy saingy tsy mety kosa raha sesefana resabe koa ny sasany ka mba manana ny anjaranay izahay. F'angaha tsy atao malalaka indray fa atao ho anareo ihany indray ny fanoratana e? Asiana fepetra sa tsia ny fanoratana e?
27. pimaso ( 16/05/2007 07:59)
MAndeha ny resaka izao fa hatramin'ny taxibe koa ho solina daholo,
tsy contre aho , fa manontany tena hoe : iza ny firenena hanaiky handray ireny occasion de madagascar ireny?
sa handrendrika metal lourd isika : dia aiza ny haut fourneau @ izany?
sao dia ny projet d'éléctrification des régions aloa ny laharam-pahamehana, satria raha deplacement eto @ ville anie tsy dia tokonyu ho olana loatra e! rouler à 40km/h
ny taxibrousse no ekeko hoe , mila qualité be, sy assurance ny mpandeha;
Ny ahiako fotsiny dia sao dia ny sarety no lasa aloa,
matoa anie ireo union européenne sy usa ireo afaka mise permettre @ qualité ny taxi ville , efa ampy ara-tsakafo sy ara-pitaovana izy ireo,
efa besoin de satisfaction ny degrén-dry zareo,
tsy afaka ny hifaninana aminy mihitsy aloa isika,
sady ny plan d'urbanisation ny paris ireny anie efa t@ 1800 no vita e!
malalaka ny ady hevitra,
tsy misy bedy
;-)
;-)
;-)
28. kally ( 16/05/2007 17:11)
Jeankely:

Misaotra anao nanoro ny fomba fanoratra aloha ary na teny Malagasy aza samy mifamadika sy diso betsaka nohon'ny resaka fitapitapizana amin'ny Clavier ka jereo ny daty fa imbediabe aho nanoratra taxi fa ity farany ity no sahala io. Na izany aza rehefa diso dia diso e. :lol:Izay tratra mianatra sy manintsy fa dia misaotra. Ankoatr'izay azoko atao tsara ny mijanona tsy manohy saingy tsy mety kosa raha sesefana resabe koa ny sasany ka mba manana ny anjaranay izahay. F'angaha tsy atao malalaka indray fa atao ho anareo ihany indray ny fanoratana e? Asiana fepetra sa tsia ny fanoratana e?


Ilay fanontaniako valiana fa aza ahodina ry anona a!

29. Jeankely ( 23/05/2007 07:07)
Ny fanontanianao tsy haiko valiana fa na tany aiza na tany aiza misy fivoarana daholo ary vao avy tany "BALI" Indonesia aho izao ary nieritreritra ny taxi "BlueBirdGroup"-ndreo dia mahatsiaro ilay aleoha hiasa any Madagasikara ny 2cv sy 4L. Ny olona manana sy mahita ny andafy indray sady any Europe no manao hazakazaka miverina. Sarotra io ary tena sarotra satria mifandrirotra ny sasany tia handroso ny sasany manao hoe aleo hiverina ka dia samy mioty eto izany kano
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3066