Isan'andro dia fetin'i neny na mama.
1. niryna
(
03/05/2007 05:46)
Isan'andro isika dia tokony hisaotra ireo rar nahitana masoandro indrindra ny reny.Raha tsy manana intsony moa ianao dia ho fahatsiarovana ho azy sisa soratana fa vao maika ary ho faly ianao ahatsiay azy.:P
Fisaorana? Fahatsiarovana?Fitiavana? Indro kely?
Fisaorana: Misaotra anao aho ry mama fa tsy toy izao aho raha tsy nisy anao nikolokolo ,nitaiza, lany andro ary tsy reraka mihitsy ny nanoro ahy ny tokony nataoko ary nampianatra ahy ny lalam-piainana.
Fahatsiarovana:Tsaroako izany isika mianaka fahiny mifoha vao maraina andeha hanasa lamban-tsika.Tiako ery ilay nividiananao mofo kely sy dite alohany hanomboana ny sasa lamba:D
Fitiavana:fitiavana feno no natolotrao ho ahy,nanoro ny tokony ho mety sy ny tsia ianao noho ny fitiavanao ihany izany.Tsy mba nitaraina na niepa-tanana aza ianao nanalehibe ahy.Hisaorako anao koa izany.Nampianarinao ahy daholo izay fahaizana kely nanananao ka azoko noentiko tamin'ny fiainako izany.
Ny fiarahako anao nandritra ny iray volana tany dago teo dia tsy ho hadinoko ary tsy ho voavidy vola ny fitiavana natolotrao ahy.
Indro kely
Tsy mba tianao ny niresaka mivantana mikasika ny fahatanorana na ny zavatra mety hitranga ho anay tanora kanefa tsy naninona izany fa nahatsara zavatra ihany sady tsy omeko tsiny koa ianao.
Eny fahatsiarovana daholo ireny ary sambatra aho manana anao nitaiza ahy ho olombanona
Ny zanakao tianao niryna.
Anareo indray izao8)8):D

répondu par sympa le 11/05/2007 17:02
2. fasaly
(
03/05/2007 06:15)
niryna: tena tsy ho vita kosa ny hanao anzany isan'anjo klou! marina e! betraka ihany mantsy ny zvtr sahanina ny journée de hadino ilay izy! tsy hoe tsy fitiavana na fanadinoina ny soa vita nataon'i reo nahitàna masoanjo fa ilay fiainana no mahatonga izany.....reha misy moa occasion hanehoana azy dia tsara loatra...fa ny annif sy ny fete de mère ary ny noel alou tena tsy hadino kosa e!;-)
4. xxx
(
03/05/2007 06:36)
mba indramina kely aza ny tononkalon'i hery e, tsiky dia ampy :)
Ny neny tena tiako indrindra
...
Raha nandinika ny lasa
Zay mba efa niainako aho
Dia nahatsapa sy nahita
Fa ny zavatra izay vita
Izahay no tafita
Dia ianao no nahafoy
Zay rehetra tratry ny aina
Ianao no nanome
Ny fitaovana nilaina
Ary raha mba nitaraina
Izato menaky ny aina
Dia ny hany anjaranao
No nafoinao hozaraina
Raha sendra narary aho
Ny masonao no nitraho
Tsy nahita izay horaisina
Raha izaho no oriory
Ianao no tonga nankahery
Nahavita niari-tory
Sy niady mafy irery
Raha lavo ireny aho
Ianao no nampitraka
Sy niaraka nizaka
Ny vokatry ny hadalàko
Tsy nampaninona anao
Ny niezaka nitolona
Niaritra ny henatr'olona
Ho an'ilay sombinaina
Tsaroako etoana ihany koa
Ny adidy maro tsy hay takonana
Nentinao nanasoa
Sy nanampy ny ankohonana.
Tsy voavaliko ry neny
Raha ireny vita ireny
Fa ny azoko atao
Dia ny mivavaka ho anao
Sy miezaka ho hendry
Amy lalana voatendry
Sy voatokana ho ahy
Reniko ianao ka tiako
Rehareha sy fifaliako.
:wink:
Ny neny tena tiako indrindra
...
Raha nandinika ny lasa
Zay mba efa niainako aho
Dia nahatsapa sy nahita
Fa ny zavatra izay vita
Izahay no tafita
Dia ianao no nahafoy
Zay rehetra tratry ny aina
Ianao no nanome
Ny fitaovana nilaina
Ary raha mba nitaraina
Izato menaky ny aina
Dia ny hany anjaranao
No nafoinao hozaraina
Raha sendra narary aho
Ny masonao no nitraho
Tsy nahita izay horaisina
Raha izaho no oriory
Ianao no tonga nankahery
Nahavita niari-tory
Sy niady mafy irery
Raha lavo ireny aho
Ianao no nampitraka
Sy niaraka nizaka
Ny vokatry ny hadalàko
Tsy nampaninona anao
Ny niezaka nitolona
Niaritra ny henatr'olona
Ho an'ilay sombinaina
Tsaroako etoana ihany koa
Ny adidy maro tsy hay takonana
Nentinao nanasoa
Sy nanampy ny ankohonana.
Tsy voavaliko ry neny
Raha ireny vita ireny
Fa ny azoko atao
Dia ny mivavaka ho anao
Sy miezaka ho hendry
Amy lalana voatendry
Sy voatokana ho ahy
Reniko ianao ka tiako
Rehareha sy fifaliako.
:wink:
5. niryna
(
03/05/2007 07:02)
xxx a tsy ratsy ilay izy :* fa maninona ianao no miafona ao kanefa manja be ilay ilay fitiavan-dreny? misaotra na izany aza.
7. bobone
(
03/05/2007 08:33)
:*Niryna an! hmmm hafa kely ty marina !
mankasitraka fa tena fiainantsika tokoa izany!
misaotra indrindra Tompoko! ho ela velona anie Neny sy papa :-*:wink:
mankasitraka fa tena fiainantsika tokoa izany!
misaotra indrindra Tompoko! ho ela velona anie Neny sy papa :-*:wink:
8. niryna
(
03/05/2007 17:11)
bobone:
:*Niryna an! hmmm hafa kely ty marina !
mankasitraka fa tena fiainantsika tokoa izany!
misaotra indrindra Tompoko! ho ela velona anie Neny sy papa :-*:wink:
tsy misy fisaorana aky a,fialamboly no jerena ka tsy ho hadinoana tokoa ny rar,maro ny ankizy tsy manandray kanefa na izany aza raha fantatra ilay ray dia ny mivavaka azy mba ho voavonjy ny fanahiny no zavatra iray fanafodin'ny fankahalana sy fanasitranana ny fo.
Ho ela velona koa indry bobone a (l) niryna
9. Stretch
(
03/05/2007 19:00)
NENY
Ilay niankinako, nanome ny aiko
Nitondra hafaliana, nampandry ny saiko
Ilay nanitsy ny lalako :
Neny !
Hany afaka niaritra ilay mangidy
izay niseho rehetra : tsy olo-voavidy
Hany harena fananako :
Neny !
Ianao ilay harena tsy izay azo atakalo
Fitiavana mamy izay tsy mifangaro
no azoko havaly aminao re ry Neny !
Ianao ilay « iray » tsy voasolo toerana
Fitiavana ambony tsy azoko ferana
no avaliko anao ombieny ombieny.
Neny !
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Amour/3d-Amoureux2.gif[/IMG]

10. Stretch
(
03/05/2007 19:28)
RAHA FANTATRAO RY NENY…
Raha fantatrao ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko ;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.
Raha hitanao ny dinitra mirotsaka ny tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama.
Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehef’izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany !
Kanefa anie dia ferako ny foko ts’hitomany.
Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidin’any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbol’ato am-poko ato, tadidiko avokoa.
Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratr’aho : “mazava ny marainako”
“Sambatr’aho ry neny… milamina ny fiainako !”

11. nikopol
(
03/05/2007 22:39)
ie, raha za no mahazo an'i neny dia ataoko fetiny foana isanandro :-D
12. niryna
(
04/05/2007 05:49)
strech>misaotra nandefa io raha fantatrao ry reny.Anisany zavatra hiainana io indrindra raha lavitra aminy isika :*
Ny reny dia mandefitra foana ary na inona na inona manjo azy dia tsy mba mitaraina izy.
Ny lehilahy dia vitsy foana no mijanona ho tokana rehefa tsy mety ny fanambadiana fa ny reny kosa dia matetika mananontena eny,tsy mba misy hitarainana ny havizanana.Tsy maitsy mikaroka izay atao sakafo sy mitady ny hoe inona indray no ataoko androany.Manana saina maro misampana izy kanefa vitany ao anaty fotoana fohy daholo ny zavatra rehetra ao an-trano.
Mitsinjo ny ho avin-janany foana izy ary dia faly ery izy mitanisa na mitantara ny olona ny zanako ...toy izao na tahaka izao.
Feno fitiavana mitafotafo foana izy ary vitsy ny reny no manoro na mampianatra mandainga ny zanany.
Ny reny dia miasa 24/24.Antoandro variana amin'ny fikarakarana ny tokan-trano sy ny ankizy,amin'ny alina ihany koa mbola mijery sy manara-maso ny zaza rehefa tsy salama.Fara-fahoriana ho an'ny reny mihitsy izany mandevin-janaka izany.
Eny mbola fitiavana mitafotafo ihany koa izany rehetra izany.
I (l) YOU MOM :*:*:*

13. linarako2
(
10/05/2007 14:43)
Midera ny reny rehetra aho ary toy izany koa ny ray izay mandray adidy.Ny mandositra moa dia mba jereo ny ankizy fa mijaly.
14. niryna
(
11/05/2007 16:09)
Stretch:
RAHA FANTATRAO RY NENY…
Raha fantatrao ry neny, ny ady izay atrehiko
Aty an-tany lavitra, ny mafy tsy voafehiko ;
‘Reo olana mitranga sedraiko isan’andro,
Ny vatako efa trotraka raha mody ny masoandro.
Raha hitanao ny dinitra mirotsaka ny tavako,
Ireny manaintaina manenika ny vatako,
Nataoko toa tsy nisy, niaretako mazàna,
F’izany no safidiko… ny lalana malama.
Tsy mba fantatrao … ireny alahelo,
Rehef’izaho mahatsiaro sy mba mamelovelo
Ny tranokelintsika…fahiny mantsy izany !
Kanefa anie dia ferako ny foko ts’hitomany.
Fa toy ny vao omaly ‘reo teny nomenao
An-taona maro izay, fony izaho handao,
Hisidin’any lavitra, hikaroka ny soa,
Mbol’ato am-poko ato, tadidiko avokoa.
Fa saingy horovitiko ity taratasy ity,
Ts’izany no andrasanao avy amiko aty,
F’handeha hanoratr’aho : “mazava ny marainako”
“Sambatr’aho ry neny… milamina ny fiainako !”
Mamerina ny fisaorana indray ry strech a,nampitomany ilay izy ary ity koa misy hira iray .Asa na Victore Solo hono no nihira azy fa tsy fantatro.Mety misy mahatadidy angamba
Ry neny o ry neny tiako
Lazaiko anao fa tsy afeniko
Ny tenako 'zay mbola kely
Tsy manam-bola velively
Aza dia homena tsiny
Ilay nitrotro ahy fahiny
Fa ny azoko omena!
Dia ny foko volamena.
(l)niryna