Mivavaka amin'ny fomba kristianina ........

21. ikaretsaka ( 03/05/2007 02:12)
ao amin'ny tenin'andriamanitra.. fia nisy an'ilay Mohabita nilevina teo akaikin'i Elisea mpaminany dia hoe raha nikasika ny taolan'i Elisea ilay ranamana dia velona
2Mpanjaka 13:20-21

dia ahoana indray io ramose?8O
22. ikaretsaka ( 03/05/2007 03:15)
voalazan'ny "Soratra masina" koa ny fanajana ny taolambalon'i Josefa mpanjaka
Exodosy 13:19; Josoa 24:32.

Ny "alok'i masindahy piera" koa aza nifandrombahana
euh ny nanitsaka azy fa mitondra fahasoavana hono ... asan'ny apostoly 5:15-16 izy izay

Ny mosoaran'i Paoly koa nentina nanasitrana ..... Asa 19:11-12

Dia ahoana ny momba ireny?


mba Mahay mitsipona ihany kay za ty rehefa tena ilaina!:wink:...
23. Rasiligaoma ( 03/05/2007 03:55)
LazaDaddy:

Jesosy ao @ Apokalipsy 2:20;24:
Kanefa manan-teny aminao Aho, satria hianao mandefitra amin'ilay vehivavy Jezebela, izay milaza ny tenany ho mpaminanivavy ka mampianatra sady manoloky ny mpanompko hijangajanga sy hihinana hena aterina tamin'ny sampy...

Fa aminareo izay sisa any Tyatira, dia izay tsy manana izany fampianarana izany sady tsy mba mahalala ny ataon'ireo hoe 'sain-dalin'i Satana', dia izao no lazaiko: tsy hovesarako entana hafa hianareo;



fanamarihana kely: tsy niloa bavatao @ apokalipsa i Jesosy.. i Jaona no nanoratra an'io fony izy nahita fahitana.

aza afangaro moa ny trondro sy ny akondro ary ny tarondro sy ny fanondro e!



24. majesty ( 03/05/2007 06:32)
Efa nanaraka akaiky an'ireny fomba ireny aho fahiny,ary tsy dia mahagaga loatra izany satria na ny fiangonana aza anie ka mankasitraka ny toe-javatra toy ireny amin'zao fotoana e,raha tsy hilaza afa tsy ny nanokafan'ny fiangonana iray ny fankalazana ny Alahamady be teny Ambohitrimanjaka taona vitsivitsy lasa izay,izay natomboka tamin'ny lamesa ary notohizana tamin'ny fampihetsehana tromba teo amin'ny Doany anankiray teny amin'iny faritra iny,eo ihany koa ny fankanesan'ny filoha lefitry ny fiangonan-dehibe iray ary tsy vitsy ireo pasitera izay hita maso ho mpamonjy ireny toerana fanasinana,sy mpisikidy na mpanandro sns eny Ambohimanga.Fa tsy izay ataon'izy ireny akory no marina,fa anjaranao ny mandinika sy mandanjalanja

"Ho amin'ny lalàna sy ny teny vavolombelona ihany,raha tsy miteny arak'izany izy,dia olona izay tsy iposahan'ny fahazavan'ny maraina" Isa 8:20

"Indro ny faharetan'ny olona Masina,dia izay mitandrina ny didin'Atra sy ny finoana an'i Jesosy" Apok 14:12

ireo ihany no isedrana azy dia tsy ho voafitaka mihitsy isika na iza milaza azy ho manana ny marina na iza?
25. bobone ( 03/05/2007 08:22)
Fiffi: ny mivavaka @ fomba kristiana de tsy manafangaro zavatra hafa izany fa rehefa Atra nahary ny tany sy ny lanitra sy mino ny zanany lahitokana nihombohana teo ambony hazo fijaliana ary nitsangana t@ maty ! mino an\'ireo ihany ankohatr\'izay de fitaka amiko , ilao lavitra sa karakôry
26. cristal ( 03/05/2007 10:02)
(l)(l)(l)Salama indray ianareo!Iza no atao hoe Kristianina?Ary raha niady hevitra i KRISTY sy ny devoly ka raha naka fanahy azy ity farany moa tsy ny Teny Soratra Masina ve no namalian'ny santana azy mahay ary miaky ny devoly fa misy ANDRIAMANITRA izay tsy resin'izy ireo,fa efa maro ny teny nolazain'ANDRIAMANITRA t@tsika ny mba hitandremantsika,fa ny amboadia mitafy volon-janak'ondry ireny!Tsy azo afangaro @ ratsy ANDRIAMANITRA ny fahazavana tsy mitoetra ao @ maizina fa manazava ny maizina ary hoan'ireo zay manaraka ny hoe kristianisme nefa mbola mankany @reny dia ahazo famaizana lehibe izy satria voasoratra hoe Andriamanitra dia mamela izay vitan'olona tao anaty ny tsy fahalalana fa raha ny mahalala no minia mandika ny didy sy ny tokony ho fitondran-tena dia hotsaraina izy ka tsy hisy famindram-po ho azy!Tano mafy ny finoanao aza miova mahareta,fa ny trano ahorina amin'ny alalan'ANDRIAMANITRAdia tsy hirodana fa izay nahorina t@ sampy dia ho arodan'ANDRIAMANOTRA!(l)(l)(l)
27. prime ( 03/05/2007 11:17)
ika:
rehefa tsy mamono olona re izy dia avelao a.. tsy hijoro ho mpisolovavany akory ianao rehefa ratrizay any aoriana any
... Indrisy... fanahin\'olona maro no ho very raha izany filazanao izany no arahina...
28. ikaretsaka ( 03/05/2007 11:30)
prime:
.. Indrisy... fanahin'olona maro no ho very raha izany filazanao izany no arahina..
.
prime>ka i prime ve hoa no handeha hisolo vava azy any @ fitsarana farany??
ka ao amin'ny soratra masina ange hoa misy manao an'ireo koa e!

zahako tery ambony:
voalazan'ny "Soratra masina" koa ny fanajana ny taolambalon'i Josefa mpanjaka
Exodosy 13:19; Josoa 24:32.

Ny "alok'i masindahy piera" koa aza nifandrombahana
euh ny nanitsaka azy fa mitondra fahasoavana hono ... asan'ny apostoly 5:15-16 izy izay

Ny mosoaran'i Paoly koa nentina nanasitrana ..... Asa 19:11-12



nareo miteny hoe tsy miala ao amin'ny baiboly ireo... misy an'izany ange r'ise ao anaty baiboly e!
29. LazaDaddy ( 03/05/2007 13:37)
ikaretsaka:
nareo miteny hoe tsy miala ao amin'ny baiboly ireo... misy an'izany ange r'ise ao anaty baiboly e!
cristal:
Ary raha niady hevitra i KRISTY sy ny devoly ka raha naka fanahy azy ity farany moa tsy ny Teny Soratra Masina ve no namalian'ny santana azy?
30. ikaretsaka ( 03/05/2007 15:01)
LD> satria ny devoly no nampiasa Soratra masina dia soratra masina no nampiasain'i kristy.:wink:

efa voalaza teto ilay hoe rehefa miady amin'i satana dia ny fitaovana nampiasainy ihany no iadiana aminy:wink: ohatran'io case 1 io
31. LazaDaddy ( 03/05/2007 22:28)
ikaretsaka> tsy hisakana ny fandehanan-drangahy mankany amin'ny mpanandro aho fa rangahy aza moa sahy milaza fa ara-tsoratra masina izany :)
32. ikaretsaka ( 03/05/2007 22:44)
tsy hoe tsy sahy milaza aho fa tena misy ao io ary azonao hamarinina! ireo nomeko anao tia toko sy andininy ireo ny misy azy raha kamo hamadibadika . Dia izao hita miharihary koa fa ny ahy tsy hoe izay andalana hisintonako olona hanaraka ahy sy izay inoako ihany no tsiponiko ao fa ny zavatra rehetra ..

fa saingy za le tsy mi rely amin'ny ilay fisainana hoe ' izay ao anaty baiboly ihany' :wink: ohatranao!

Nareo mpampifandraika izay tranga @ baiboly sy voalaza ao aza ny tokony hanaraka... fa mba gaga aho t@ ity indray mitoraka ity! :wink:

izay no nahatonga ahy niteny tatsy ambony tatsy hoe
Voalohany indrindra aloha, ny ankamaroan'ny gasy dia mahay mihatsaraivelantsihy bbe mihitsy.
indrindra ilaymiseho ho kristianina fanatika ireny ("freako" hoy i cutie izay)
33. LazaDaddy ( 04/05/2007 05:09)
cristal> manana ny fomba fampiasany ny Soratra masina tokoa i Satana.
34. scorpion ( 04/05/2007 07:58)
LD> ary sahala amin'ny fampiasanao azy mihitsy no anaovany azy satria izay mety aminy sy mahafinaritra azy ihany no tsimponiny sy tapatapahiny. Mitovy ianareo!
35. Zina ( 04/05/2007 21:44)
scorpion,
Tsy ekeko ny lazainao. I LD mampiasa ny baiboly izay voasoratra ao fa tsy mampiasa izay tiany...:wink:
36. fijo ( 04/05/2007 22:08)
ikaretsaka marina be ary tena izay voazava ery ambony ery izay no zavamisy any amintsika.
37. ikaretsaka ( 04/05/2007 22:36)
Zina:

scorpion,
Tsy ekeko ny lazainao. I LD mampiasa ny baiboly izay voasoratra ao fa tsy mampiasa izay tiany...:wink:

ekena mba tsy hifandirana:wink: sady ratsy izay mitsara olona izany..
saingy ny nahagaga ny olona teto dia tsy hitany na niniany tsy nojerena ireo andalana ireo raha tsy nomeko azy... izay no nahagaga ahy "tsy baibolistra" taminy.
sy inoako fa nahagaga koa an'i Scorp...
fa misy indray tena tadidiny be mihitsy, indrindra rehefa resaka amin'ilay reviny izay..draissss! mino aho fa vitany Fluo tsara mihitsy ao @ baiboliny!
tsy maka lavitra isika hanamarinana izany fa izay mitranga eto @ forum fivavahana sy finoana ihany! "tetsy sy teroa" hoy i pissoa izay!
zany moa Laza o?



38. niryna ( 06/05/2007 06:08)
Aiza kosa dia ny gasy irery no mihatsaravelatsihy?Misy foana io ,ny ao anatin'ny fony tsy mitovy ny fihetsika ety ivelany.Tsy ny malagasy irery ihany koa no manao hoe kristiana kanefa maka fomba hafa.Ohatra misy ireny mijery tanana,mijery volana ireo olona mamaky gazety mamaky horoscope ireo!Efa naheno hoe "vodoo" ianareo,fampijaliana ataon'ny olona vahiny fa tsy gasy a.Nanontaniako ny olona aty aminay io ary izao no fanazavany Zavatra amin'ny herin'ny maizina ka manao saribakoly hono izy mitovy ilay olona tsy tiany ary dia iny no hivavahany ka tsindro2miny amin'ny fanjaitra hono izay toerana sy vatana tiany ho marary.Tsy fantatro aloha raha misy fanafody miaraka aminy fa io no voalazany .Rehefa tsy mahay manavaka ny hinoany dia mivoana foana.Firifiry akory ny olona mivavaka kanefa mandeha manao fanatitra eny Ambohimanga? Misy rano maloto be eo ary misy mandro eo hono ny olona,manatitra vatomamy ary maka an'iny mihitsy ho sotroina:evil:.Miditra ny rova ny tena dia ny tongotra havia sa havanana izy izay no nasian'ilay olona alefa aloha :roll:io no tsy maintsy mandroso aloha ary mandeha ka ny lamosina no mialoha:roll:fa efa miamboho hono ny mpanjaka ka manaja azy.ohatra2 izay ilay izy fa variana fotsiny aho ary lasa saina hoe fa maninona no mbola mino an'izany foana ny olona fa tsy manantona an'Atra?
Tsy anjarako na isika no mitsara a fa ny zava-misy no lazaiko a:D
Izany dia porofo mivaingana fa mbola betsaka ny olona ao amintsika milaza fa hoe mpivavaka kanefa manao ny fomban-drazana sy manana finoana hafa izay ny razana no hajainy sy arahiny.Manaja ny finoan'ny tsirairay aho fa ny faniriana dia ny ahalalany ny tena Mpamonjy azy.
39. ikaretsaka ( 06/05/2007 16:33)
aleo soloina ilay adjectif ary e... atao hoe "ny gasy dia tsy mba honest"
40. Zina ( 06/05/2007 21:29)
oy i ikaretsaka,
saingy ny nahagaga ny olona teto dia tsy hitany na niniany tsy nojerena ireo andalana ireo raha tsy nomeko azy... izay no nahagaga ahy "tsy baibolistra" taminy


aleo ekena mba tsy ho ifandirana satria betsaka ny tsy manaiky ny baiboly...:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0464