Androngo ve ianao sa sokatra?

1. soanja ( 01/05/2007 15:52)
Ny androngo na ny karazana reptile hafa dia tsy azo safosafoana na kasihana amin'ny tanana fa tonga dia manaikitra na miketoka. Efa normal izany satria izay no maha-reptile azy. I Crocodile hunter taloha rehefa mitazona ireny voay ireny de sady mibeda mafy miaro tena no miteny hoe:" ianao anie ka tsara tarehy tokoa e. Tiako be na dia izany aza!" satria mitady hanaikitra foana ilay biby.

Ny sokatra kosa na kapohana tahaky ny inona aza dia tsy haheno izany satria voaaro amin'iny karapasy lamosiny iny izy. Milamina lalandava sady biby tsy be tabataba. Rehefa omena zavamaintso toy ny salady tonga mihinana moramora rehefa elaela.

Ahoana ny fomba fifandraisanao amn'ireny olona manana toetra androngo ireny? Indrindra ka raha olona tsy miantsy ifaneraserana izy.
Ohatra iray hitako:
"Nanontany aho hoe hisotro divay ve ianao?" teo ampisakafoanana indray andro.
Ny valiny tonga de hoe:
"Mpisotro toaka angaha ny fahitanao ahy?" sady mivindavinda be. :D:D
Ahoana ny ataonao mba tsy ho hihanaka ilay hatezerana satria areti-mifindra mantsy ny hatezerana rehefa tahak'izay amin'io fotoana io. satria ianao tsy manampo hiteny zavatra hafa nefa hafa ny fandraisan'ny hafa azy.
Mba resaho hoe azafady!
novalian'i niryna ny 02/05/2007 05:25
2. Fiffi ( 01/05/2007 15:58)
ireny le olona tsy mba manao tolérance na am inn na inn.....mpandray an-tendrony....tena sarotra be ny mihaina miaraka am ireny olona ireny....
3. menalamba ( 01/05/2007 16:20)
Matetika dia olona manana olana eo @ fiainany,na somary misy tsy mety kely ao anaty atidohany,na izy izay mihevi-tena ho faran'izay ambony na mahatsiaro ho
voatsindry dia manambony vato no manao toy izany.Tena mahazendana tokoa fa
mahalala olona vitsivitsy aho toy izany nifanerasera tamiko.Mora tohina @ zavatra tsisy dikany,na teny tsy noeritreretinao hanafintohina azy akory aza.Tamin'ny voa
lohany dia noleferiko ihany satria nieritreritra aho hoe hiadyy @ adala ve na hana
mbany tena hifamaly @zavatra tsisy fotony,anefa toa voa maika mampibontsina
ny vatakorony izany.Ny niafarany dia nampetrako tsara t@ toerany mazava izy irao ,ka avy dia tankina tsy manoy intsony sy niala bala raha vao mahita ahy.Raha
mangina manko ianao dia mihevitra ho manana ny marina hatrany izy ireo ,sa
ahoana?
:D
4. booboo ( 01/05/2007 16:26)
Ahoana ny ataonao mba tsy ho hihanaka ilay hatezerana satria areti-mifindra mantsy ny hatezerana rehefa tahak'izay amin'io fotoana io. satria ianao tsy manampo hiteny zavatra hafa nefa hafa ny fandraisan'ny hafa azy.
Mba resaho hoe azafady!

-Na zà miala tsiny satria tsy tafitra tsara izany ny tena tiako ambara dia tsy azon'ilay iraika, dia hazavaiko kokoa ny tiako tenenina dia ovaiko ny "ton"-ko ..
-Na zà tezitra kounkou dia ovaiko ny resaka mba tsy hihitatra ny raha.

Na izany na tsy izany, ny fahatezerana amiko tsy aretina fa fihetsem-po natoraly tahaka ny hafaliana, ny fahalelovana sns ...
5. marindra ( 01/05/2007 17:22)
Ahoana ny fomba fifandraisanao amn'ireny olona manana toetra androngo ireny? Indrindra ka raha olona tsy miantsy ifaneraserana izy.
Ohatra iray hitako:
"Nanontany aho hoe hisotro divay ve ianao?" teo ampisakafoanana indray andro.
Ny valiny tonga de hoe:
"Mpisotro toaka angaha ny fahitanao ahy?" sady mivindavinda be.
Ahoana ny ataonao mba tsy ho hihanaka ilay hatezerana satria areti-mifindra mantsy ny hatezerana rehefa tahak'izay amin'io fotoana io. satria ianao tsy manampo hiteny zavatra hafa nefa hafa ny fandraisan'ny hafa azy.
Mba resaho hoe azafady!

raha za no t@ toeran'i soanja t@ io , de tsy niteny fotsiny za alou fa dinihiko tsara daholo ze fihetsiny rehetra we, tena manana toetra ohtr'zany ve io oul io , sa t@ io andro io fotsiny izy no nisy nahasorena azy ka nahatonga azy hanao toetra ohtran'io :lol:
6. soanja ( 01/05/2007 20:16)
marindra:

An an misy olona mihitsy manana toetra kizitina ka. Io le toetra androngo. Vao kitihina tonga dia mi-react be na tsara ny tianao atao aminy na ratsy.

Ho an'ny olona tsy zatra sy tsy mahalala ilay olona dia sahirana tokoa ary matetika tonga dia tezitra koa. Io le resahiko hoe aretimifindra amin'ily fotoana eo, tsy hoe aretina akory fa "contagious" ilay emotion eo no ho eo. Nefa ny azy efa toetra fa ny anao mety mandalo fotsiny amin'iny.

Matetika be mpankahala ny olona kizitim-belona nefa dia efa izay ny toetrany. Izay no mahatonga ahy miteny hoe ahoana ny ifandraisanareo aminy satria sarotra ovana ry zareo fa ianao no mila manana "toetra sokatra" rehefa manantona ireny olona manana "toetra androngo" ireny.

Raha olona tsy fantatra indray dia tsy tsara ny mitsaratsara avy hatrany fa mila mi-observe foana aloha. Noho izany tsy afaka tonga dia hiteny hoe manana toetra androngo ilay olona fa mety tratran'i PMS izy ohatra rah vehivavy.

7. kally ( 01/05/2007 21:14)
Ny ahy tsy ifaneraserako akory fa tonga dia hoy aho hoe ipitsiiiiho! Fiainana fohy ity tsy asiako taria lava fa rehefa sarotra raisina dia avelako eo, izaho hiraharaha?:lol:
8. sakaizakely ( 01/05/2007 21:26)
Iza no hanana faharetana am zany ry Soanja fa raha za no sendra olona kizitinjitina am tsy napany zany de lasa koa izy a !

Zany hoe za tsy hamaly azy fa hialako fotsiny de bastà, za ndray tsy hisahirana aminy eo.

Raha hoe olona am fianakaviako indray aloha de tsy maintsy miezaka aho mi-comprendre sy manana faharetana fa raha olona hafa kosa de anjaso eo pôly ^^
9. salmo1 ( 01/05/2007 21:44)
soanja:
Androngo ve ianao sa sokatra?
:-D
Izaho olona alou hatramzao, ary ianao:?:
;-)
10. hery ( 01/05/2007 22:42)
Tena tsy takatr'i salmo1 indray le resaka :-p

soanja> ho anah "Itsikiko fotsiny dia ampy"...
Non, fa tena mandaitra be mihitsy io "tsiky dia ampy" io. Ary indraindray mandaitra noho ny hatezerana. Eritrereto fotsiny hoe ianao tezitra sy miakatra afo be amin'ny olona iray... dia ilay olona mitsiky fotsiny... tena mampite hamono mihitsy :-)
Raha vao tezitra ianao dia vao mainka mirefotra.

11. sakaizakely ( 01/05/2007 22:52)
Soanja,

ny androngo tokoa dia mirifatra mandositra raha vao kasihina, dia ilaozany eo ny rambony raha iny no voasambotrao. Dia mihetsiketsika tapak'andro manontolo ilay rambo sisa tavela. Fa maniry ihany hono io fa tsy mahararyy na mahafaty azy :°)

za angamba ry Soanja tsy androngo satria tsy misy rambo ho avela eo izany ka

nefa koa tsy sokatra ;-)
12. marindra ( 01/05/2007 22:56)
Raha olona tsy fantatra indray dia tsy tsara ny mitsaratsara avy hatrany fa mila mi-observe foana aloha. Noho izany tsy afaka tonga dia hiteny hoe manana toetra androngo ilay olona fa mety tratran'i PMS izy ohatra rah vehivavy.

De @ io njay mety ihany le navaliko ery ambony.:wink:
An an misy olona mihitsy manana toetra kizitina ka. Io le toetra androngo. Vao kitihina tonga dia mi-react be na tsara ny tianao atao aminy na ratsy.

Ho an'ny olona tsy zatra sy tsy mahalala ilay olona dia sahirana tokoa ary matetika tonga dia tezitra koa. Io le resahiko hoe aretimifindra amin'ily fotoana eo, tsy hoe aretina akory fa "contagious" ilay emotion eo no ho eo. Nefa ny azy efa toetra fa ny anao mety mandalo fotsiny amin'iny.

Matetika be mpankahala ny olona kizitim-belona nefa dia efa izay ny toetrany. Izay no mahatonga ahy miteny hoe ahoana ny ifandraisanareo aminy satria sarotra ovana ry zareo fa ianao no mila manana "toetra sokatra" rehefa manantona ireny olona manana "toetra androngo" ireny.

hay ve e
Marina zany , tena misy de misy tokoa io , fa miaina @io mitsy za zao , fa de hihomehezana fotsiny sisa , de ialana moramora, atao ze tsy hifampiseraserana aminy matetika.

13. salmo1 ( 01/05/2007 22:58)
hery:-D:-D
hazavao kely alou, zay mahay fa tena tsy azoko mihintsy ny tinareo lazaina eto:roll::?:
^:^
14. cutie ( 01/05/2007 23:05)
i salmo zany tsy androngo e
efa mazava zay :-D
15. karinah ( 01/05/2007 23:16)
salmo> ny hoe androngo izany lay olona tsy kitihana ireny fa kizitona; na manjay ratsy faona ny zavatra lazaina azy, na koa izy mba anatonana injay no mandositra.....; ny sokatra indray izany le oul malefaka, mora hifandraisana,tsy saro-sarotiny, etc, (izany tkoa ve alou; Soanja? ) sao dia manondro vohana aho :lol:

raha izaho aloha ny sendra ny oul hoatr'ireny dia mihanahana be eo aloha aho, indray2 ao toran'ny hehy :lol:, satria ny any an'eritreritro manao hoe f'in ny manjo an'ty :-D:-D:lol::oops:; ny manaraka an'iny fifandraisana iny avye eo, dia tsy hifampikasokasohako intsony koa ilay olona, izy aza malay2 fonosana izany koa, sady kizitina, tsy zaka izany toetra izany kalou e :lol::oops::wink::wink:
16. cutie ( 01/05/2007 23:19)
Mpandefa : karinah [ Valio ] 02-05-2007 01:16:10
Lohateny : Re : Androngo ve ianao sa sokatra?
salmo> ny hoe androngo izany lay olona tsy kitihana ireny fa kizitona; na manjay ratsy faona ny zavatra lazaina azy, na koa izy mba anatonana injay no mandositra.....; ny sokatra indray izany le oul malefaka, mora hifandraisana,tsy saro-sarotiny, etc, (izany tkoa ve alou; Soanja? ) sao dia manondro vohana aho

mody fanina fotsiny i salmo fa mahazo io :-D
17. sitlo ( 02/05/2007 05:06)
Ampahafantarina azy fa tsy sitraponao ny hahatezitra azy.
Ny fikako: mangina kely aloha. Dia amin\'izay manontany tena izy hoe nisy inona. Dia avy eo avadika ny resaka fa tsy atao alavitra be miala amin\'ilay resaka nahatezitra azy. Izay raha ohatra hoe ianao sy izy fotsiny no eo.
Fa raha misy olon-kafa, tahaka izany eo ampisakafohanana izany, dia mangina kely aloha (fa saingy somary rapida kokoa). Dia avadika ny resaka. Dia any aoriana kely any dia apetraka aman\'olon-kafa ilay fanontaniana. Hisotro divay?
Na tonga dia borikena be fotsiny izao le resaka eh. Ohatra hoe tonga dia tohizana ny resaka talohan\'ny nanontanianao azy hoe hisotro divay...
Be dia be ny fika
Fa ny tena fototra fotsiny dia hoe: marina fa mifindra ny fihetseham-po, fa mifindra any amin\'ny faible ilay izy. Misy hoe potentiel izay amin\'ny olombelona,... aleo milam fa lasa lava be koa.:-D
18. Rasiligaoma ( 02/05/2007 05:24)
booboo:

Na izany na tsy izany, ny fahatezerana amiko tsy aretina fa fihetsem-po natoraly tahaka ny hafaliana, ny fahalelovana sns ...

saingy azo atao tsara ny mifehy ny hatezarana
"anger management"

19. niryna ( 02/05/2007 05:25)
Mora hono ny mitondra tehina fa sarotra ny mitondra tena.Matetika ireny olona mora tezitra ireny dia tsy avy aminao mihitsy fa avy aminy.Indraindray anefa dia mila mahafantatra ilay olona ny tena fa izy mety tsy mahatsapa izany.Toy ny olona tia mitsiky lava dia efa ao anatin'ny fony ilay fitsikiana ka mivoaka ety amin'ny endriny.Ny olona tia dia mampiseho fitiavana,ny olona faly dia mampiseho fifaliana.Ny olono mototra sy konjo dia mivoaka toy izany ihany koa.Izay zavatra ananao ao anatinao dia mivoaka daholo na tsara na ratsy.Raha manao tanalahy moa ianao dia vao maika loza,tsy mena mivadika.Mila ahitsy kely izy ireny saingy amin'ny fo feno faharetana fa tsy taitra miaraka aminy eo.Izaho indray tsy haiko fa fantatro foana ny miresaka ny olona na ahoana fomba fihetsiny na ahoana.Manana faharetana aho ary tsy dia mora tezitra fa mitsiky foana ka izay zavatra izay dia mifindra eo amin'ny manodidina anao rehefa hainao ny mifandray ilay olona.Matetika dia isika mihitsy no manao pas voalohany manontany ny antony fa raha izy no hiandrasanao hiteny eo dia miandry an'i paoly ianao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689