Seho Teny Kalo - STK Grands Champs Paris

1. hery ( 01/05/2007 07:49)
Miarahaba antsika rehetra,

Ho fanohanana ny saran-dalana sy ny saran-dasiny , amin'ny fankalazana ny fahafolo taonan'ny Zaikabe Nasionalin'ny Sampana Tanora kristiana izay atao any Lille ; ny Sampana Tanora Kristiana ao amin'ny Tafo Paris - Antsahabe dia mikarakara seho malagasy afantoka amin'ny kalon'ny fahiny, dihy mirindra, ary antsan-teny ,


Loha-teny : Seho Teny Kalo ( seho faharoa )
Daty : Asabotsy faha 26 may 2007
Fanombohana : 07 .30 ora hariva
Toerana : Grande salle Etienne Pernet
Adiresy : 15 Place Etienne Pernet
Paris 75020
Metro Felix Faure
Fandraisana anjara : 10 Euros

Koa manasa antsika rehetra hifampizara aminay izany koranam-pirahalahiana izany

Ny biraon'ny STK Grands-Champs
Haja RAMANANJATO

PS : AZA MISALASALA MANAPARITAKA IZAO FAMPILAZANA IZAO AMIN'NY TAPAKA SY NAMANA REHETRA



novalian'i rakaroka ny 20/05/2007 20:36
2. hery ( 01/05/2007 07:51)
Hovakiana amin'io ny sasany amin'ireo Tononkalon'i Raozy
http://vetso.serasera.org/index.php?rub=vetso/vetso&poeta=Raozy
3. katiaa ( 01/05/2007 08:47)
Mahazo mamaky ve ze te handray anjara? Sa..? Otran n mba misy tiko le izy d mino za fa mety tsara be raha olona afaka miaina an' le tononkalo no mamaky azy.
K
4. Fiffi ( 01/05/2007 09:01)
hery:
Hovakiana amin'io ny sasany amin'ireo Tononkalon'i Raozy
humm....tena misy tononkalony tena milay be an ! :)

Fa am-io ve de azo hoe vakian'ny mpandray anjara ? tsy ry zareo mpikarakara hiany ve no afaka mamaky an'ireo tsy maintsy efa nomanina mialoha izay ho vakiana....


5. katiaa ( 01/05/2007 09:15)
Fiffi:

hery:
Hovakiana amin'io ny sasany amin'ireo Tononkalon'i Raozy
humm....tena misy tononkalony tena milay be an ! :)

Fa am-io ve de azo hoe vakian'ny mpandray anjara ? tsy ry zareo mpikarakara hiany ve no afaka mamaky an'ireo tsy maintsy efa nomanina mialoha izay ho vakiana....





De tsy mahazo mamaky ve? Afaka kou ne we zao le hovakina e, d azo lazaina mialou we rah tena faran ze faran ze te hamaky ary enao de reto le azon n oull hafa ivelan n pikarakara vakina.
Tsy misy fiangavina mintsy ve zany?
:oops::cry::oops::cry:
6. Fiffi ( 01/05/2007 13:15)
de tsy aiko akia an ! ny tsara angamba de rehefa eny an-toerana no mametraka ny fanontaniana koh.....

Heu....efa nandeha tam-ireny manko zah de hoe efa vita ny répértoire-n'zareo de tsy azo hovaina ka asa nefa an !
7. pissoa ( 01/05/2007 17:53)
zah koa te hamaky ... de raha zah no afaka mamaky tononkalon'i Raozy dia ilay Andao ho tonga saina no isan'ny hidongiako ! mbola misy hafa an, fa io anaty lisitra fotsiny ! :oops:
8. hery ( 01/05/2007 22:49)
Azonareo andefasana hafatra i raozigasy fa izy angamba no afaka mamaly mivantana
9. Fiffi ( 02/05/2007 05:54)
hery: misoatra anao ! :)
10. raozigasy ( 17/05/2007 14:13)
miarahaba antsika rehetra,

misaotra antsika rehetra tamin'ny fankasitrahana ny asa soratr'i Raozigasy e ,

ny amin'io andro io dia anisan'ny mpikarakara i raozigasy ka izany no nanolorany ny tonokalony hovakiana enti-manaingo ny seho ,

fa ny soso-kevitra ho antsika rehetra dia hoe andao hanao fihaonana ohatra dia hikarakara antsan-tononkalo .....

i Raozigasy afaka mijery toerana eto paris

dia mametraka ny veloma ihany koa dia manantena ny hahita anareo ny asabotsy 26 mai 2007 izao amin'ilay seho teny kalo e

Raozigasy
11. katiaa ( 18/05/2007 08:26)
D raha tsy maay manoratra v d maazo tonga kou? sa wany le panoratra reny ihany le izy?

d maazo mamaky v?

:oops::P
12. rakaroka ( 20/05/2007 20:36)
raozigasy:

miarahaba antsika rehetra,

misaotra antsika rehetra tamin'ny fankasitrahana ny asa soratr'i Raozigasy e ,

ny amin'io andro io dia anisan'ny mpikarakara i raozigasy ka izany no nanolorany ny tonokalony hovakiana enti-manaingo ny seho ,

fa ny soso-kevitra ho antsika rehetra dia hoe andao hanao fihaonana ohatra dia hikarakara antsan-tononkalo .....

i Raozigasy afaka mijery toerana eto paris

dia mametraka ny veloma ihany koa dia manantena ny hahita anareo ny asabotsy 26 mai 2007 izao amin'ilay seho teny kalo e

Raozigasy


Dia tena tsara mihitsy ilay hevitra ka, am-pandreneso aza aho rehefa hikarakara antsan-tononkalo
afaka andraisana anjara, misaotra:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3153