Miaramila tsaran'i Kristy ???

1. niryna ( 28/04/2007 00:26)
2Tim2:3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i kristy Jesosy.
Inona no hevitra fonosin'io fehiteny io?
novalian'i niryna ny 02/05/2007 06:29
2. ikaretsaka ( 28/04/2007 00:36)
arakarak'ilay mafy..
andraso aloha hoe anontaniako i Paoly?
Miandry kely an;i Paoly daholo aloha ary miandry ny fanazavany!
3. sweetlove ( 28/04/2007 00:59)
miaramila tsaran i Kristy dia ireo zay vonona @ iraka rehetra ndrindra ny mission principale mitry ny filazantsara @ olombelona rehetra
4. johnnyandri ( 28/04/2007 10:17)
arakarak'ilay mafy..
andraso aloha hoe anontaniako i Paoly?
Miandry kely an;i Paoly daholo aloha ary miandry ny fanazavany!
Kobon ikaretsaka angaha i Paoly?
zah koa miandry azy amizao...:-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 28/04/2007 12:08)
dia andraso eo i Paoly aloha raha misy tsy mazava ko
ie.. koboko i Paoly, tany Tarsius lery no nipetraka taloha!
6. majesty ( 30/04/2007 06:36)
hoy niryna:

2Tim2:3 Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i kristy Jesosy.
Inona no hevitra fonosin'io fehiteny io?


"Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao,dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana" Apok 2:10:D
7. niryna ( 30/04/2007 06:46)
Mila miaritra amin'ny zavatra rehetra isika satria izay no maha miaramilan'i kristy antsika.Koa na betsaka aza ny mety ho fahavalo,na lavitra aza ny lalana dia tsy ho kivy na ho ketraka.Mila mijoro sy tsy miverin-dalana hatrany isika.
Ny fahalalana ny tenin'Atra no mahatoga antsika hanana famonjena ka:
Miaritra amin'ny ady
Maro ireo olona niteny sy tsy menatra ny zavatra nahazo azy na nataony taloha rehefa mitsangana ho vavolombelona izy.Mpisotro toaka mamo an-tatatra,olona tsy manana fo faly,nijaly am-panambadiana izay niova taty aoriana rehefa nandray an'i Kristy tao am-pony avy izy ireo.
Miaritra eo am-perin'asa:miaramila mitondra ny fiadiana ka manantena fa haresy foana(baiboly no ampinga hoenty miady noho ny teny izay am-piharina)
Miaritra eo amin'ny fiainana ao an-trano
Mila mampiasa ny tenin'Atra ao an-trano isika eny fa na mafy aza izany satria ny mpaminany tsy masina an-taniny.
Miaritra eo amin'ny fahafatesana:vonono ny hiaritra ny fangirifirina rehetra,latsa ary eso fa tsy maintsy mandresy amin'ny farany.
Rehefa miaraka amin'i kristy isika dia ho mpandresy ary ahatohitra ny rehetra satria tsy hamelantsiky ho irery Izy
8. prime ( 30/04/2007 11:00)
niryna> Misaotra mampatsiahy...

Teny notsongaina tao amin'ny taratasin'ny Apostoly Paoly ho an'i Timoty mpianany sady mpitandrina ny fiangonana io ho fankaherezana azy noho ny hamafin'ny asa miandry azy...

Amiko manokana dia mizara roa tsara io teny notsongainao io :


  1. "Miaraka miaritra ny mafy amin'i Paoly Apostoly" (i Timoty sy ny mpino izay mandray izany teny izany ankehitriny)... tsara ho fantatra izany eo hoe inona ilay mafy niaretan'i Paoly?
  2. "tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy", inona no atao hoe miaramila tsara araka an'i Kristy? dia inona ilay miaritra ny mafy tahaka ny miaramila tsara?...


Ny azo ambara eto am-panombohana dia, izany miaramila izany dia tafika hiady no ilàna azy... ary manam-pahavalo ka na miaro tena na manafika na izy roa tonta... nefa mila matanjaka ara-pitaovana sy ara-stratejia sy ampy fanazaran-tena ary tsara ara-mpitari-tafika fa raha tsy izany dia ho lavon'ny fahavalo na ho haingana na ho ela...

Soa fa Jesosy Kristy no mpitari-tafika sady Mpanjaka rahateo... "ary avy amin'i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin'ny maty ary Lehiben'ny mpanjaka amin'ny tany. Ho an'izay tia antsika ka namaha* antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny, [* Gr. nanasa]" Apokalypsy 1:5
9. Rasiligaoma ( 30/04/2007 14:31)
hafa indray ity.. i paoly sy i Timoty no resaka..
apokalipsa no hanamarinana azy!
10. prime ( 30/04/2007 15:23)
rasily> Mifanohitra angaha izany? sa ny baibolinareo (oops hay moa ianareo tsy mila an'izany loatra satria tsy io "ihany" no tenin'Andriamanitra) dia boky samihafa tsy misy ifandraisany?:lol::-D:-D
11. Rasiligaoma ( 30/04/2007 16:01)
gaga fotsiny aho ka.
mbola ho avy koa ny hoe silamo sy jiosy no resaka.. dia tao no manamarina azy!
12. niryna ( 02/05/2007 06:29)
Izany atao hoe miaramila izany dia mety hiatrika ady sarotra na amin'ny manodidina na amin'ny tena ihany ka mila miambina sy mailo hatrany.Arahina vavaka matetika
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.039