Misy zavatra enina mety hanala ny adi-tsaina isan-karazany .

1. niryna ( 27/04/2007 19:32)
Six tips to reduce stress!!!

Rehefa tsy voavaha ny olana sy ny disadisa isan-karazany dia mety hiteraka tsy fahampi-torimaso sy mety hiafara ny aretina sy tsy fahasalaman'ny vatana maro samihafa izany.

Inona ary ny zavatra efa nataonao ka manampy anao eo amin'ny fanalana io sorisory io?
Alefaso aza izay toro-hevitra mahasoa sy mety hanampy ny namana fantatrao ka nahomby teo aminao ary mba ahafahako milaza izay kely fantatro rehefa avy eo .
(l)niryna
novalian'i linarako2 ny 31/05/2007 12:48
2. xxx ( 27/04/2007 20:05)
zah tsy mety sorena zany dia ampy ahy fa tsy mila zavatra hafa!Faly foana dia ampy !Dakako izay mahasosotra ahy dia mipitika ery:idea::idea:
3. mandrak ( 27/04/2007 21:26)
niryna>nena tsikivy de ampy :)
4. cutie ( 27/04/2007 22:14)
nyrina
heveriko fa we efa ato le izy enina zany , kay tsy nisy na iray aza :-w
5. maditra ( 28/04/2007 00:24)
Toaka sy sipa ve anatiny ry Niryna? Haha, vazivaziko izany! Fantatro hoe serieuse be enao amin'ny resaka ato! Miandry an'ilay six tips izany zahay e!
6. niryna ( 28/04/2007 01:01)
cutie:

nyrina
heveriko fa we efa ato le izy enina zany , kay tsy nisy na iray aza :-w


=))=))kouklou kely ny namana mba hiasa saina kely vao omena fa aiza dia hotolorana sahadyo^o
7. niryna ( 28/04/2007 01:03)
maditra:

Toaka sy sipa ve anatiny ry Niryna? Haha, vazivaziko izany! Fantatro hoe serieuse be enao amin'ny resaka ato! Miandry an'ilay six tips izany zahay e!

Mety manala aditsaina ireo kanefa tsy maharitra fa mety manaraka ao andamosinao ao foana ilay izy:roll:

8. cutie ( 28/04/2007 01:47)
Misy zavatra enina mety hanala ny adi-tsaina isan-karazany .

ka io ny hitako koa :-D
9. watafon ( 28/04/2007 06:26)
apetako ny écouteurs d mihaino "Norah jones " a !:)
10. watafon ( 28/04/2007 06:32)
1 - mivavaka
2 - mihaino hira
3 - miresaka @ namana
4 - stretching , yoga
5 - mihazakazaka
6 - tsy hitako tsony fa mba atoroy amzay !
11. sitlo ( 28/04/2007 06:55)
Mandroso sakafo any amin'ny hotely dia miandry olona enina hanome tips.
12. diamondra27 ( 28/04/2007 10:55)
ny ahy le ady saina toa tsy misy mintsy fa mbola la vie est belle aloha izao e!

fa ny hitako fotsiny de io voalazan'i wata io

*vavaka
*mihaino hira sy mihira (ankoatran'ilay hira gidragidra be reny)
*miresaka
*matory tsara
*mihinakanina tsara
*iasa (tokatrano sy any @ birao)
*de sport....

7le izy fa tsy mety 6 'zany

makaiza mifaly @ izay hananana na kely na lehibe io de mandeha ho azy ny fiainana e!
Matokia an'Atra ,araho ny teniny de fifaliana lalandava ny fiainanao
13. mavokely ( 28/04/2007 13:18)
tena ao anatiny adintsaina mafy aho ka efa tonga @ tsy fahitako tory tena ilaiko koa zany toro hevitra izany ka mila fanampiana ka mba lazao ilay izy.misaotra betsaka
14. niryna ( 28/04/2007 13:33)
xxx:

zah tsy mety sorena zany dia ampy ahy fa tsy mila zavatra hafa!Faly foana dia ampy !Dakako izay mahasosotra ahy dia mipitika ery:idea::idea:

Tsara tokoa izany ary io teninao io no tadiavintsika rehetra.Mifaly lalandava arahina tsiky kely eny.:D
Mipitika aiza?Afaka atao ihany koa ny tena mamela azy amin'ny fonao tanteraka na inona fahasorenana nataony taminao.Andramo ange e.8)

15. niryna ( 28/04/2007 13:35)
cutie:

Misy zavatra enina mety hanala ny adi-tsaina isan-karazany .

ka io ny hitako koa :-D

Eny aky cutie a omeko andry izay tsy voatenin'ny namana, kely izay mba fantatro a8)8)

16. niryna ( 28/04/2007 13:52)
watafon:

1 - mivavaka
2 - mihaino hira
3 - miresaka @ namana
4 - stretching , yoga
5 - mihazakazaka
6 - tsy hitako tsony fa mba atoroy amzay !

Bravo watafon.Raiso an-tsoratra ry ireto ireo a raha toa ka tsy tadidy a .Mitombona daholo ireo.
cutie> aiza aky indry fa ireo misy tombotsoa vaovao ilaina amin'ny adin-tsaina madinidinika a mety hanampy antsika na ny namana hafa a

17. niryna ( 28/04/2007 13:54)
sitlo:

Mandroso sakafo any amin'ny hotely dia miandry olona enina hanome tips.

Dia mody am-pilaminana e

18. niryna ( 28/04/2007 13:55)
diamondra>=D=D=D
19. niryna ( 28/04/2007 14:02)
mavokely:

tena ao anatiny adintsaina mafy aho ka efa tonga @ tsy fahitako tory tena ilaiko koa zany toro hevitra izany ka mila fanampiana ka mba lazao ilay izy.misaotra betsaka

Misaotra anao tsy nisorona.Eny mety mandalo adin-tsaina isika rehetra arakaraky ny zavatra mitranga.Ny fiarahana ny namana ato amin'ny serasera sy ny famakiana ny olana na ny vahaolana mety mianjady ny tsirairay dia hanome hery anao fa tsy irery ianao.
Efa misy ireo toro-hevitra nolazain'ny namana ireo ary dia hisaorana ho azy rehetra izany.
Raha misy ihany koa moa mahita hevitra hafa mety hanampy antsika ato dia mbola raisina an-tanandroa.
Ny fizarana izany dia hery iray lehibe ho ahy sy ho anao.Misy ampiko izay tsy voatenin'ny namana eto.
Mety tonga dia ho fantatrareo aloha ny vahaolana voalohany raha ny amiko manokana,inona ary izany o?:roll:

20. niryna ( 28/04/2007 14:14)
Raha tsy voatandrina ny adin-tsaina dia mety hitarika antsika ho rera-dava ka tsy mahavita na inona na inona.Tsy mamokatra izany raha ny tena marina.Ny fandaminana ny zavatra tokony atao anefa dia anisany zavatra hanampy antsika handanjalanja izany adin-tsaina izany.
Jereo ireto toro-hevitra kely ireto sao dia mba hanampy anao hananana fiainana miadana sy tsy ho hisy tebiteby eo amin'ny fotoana mafy mety mianjady anao.
1-Mandany andro miaraka sy miresaka amin'Atra.
Izy irery ihany no mahalala ny ao am-ponao,ny tahotrao,ny fahavoazanao,ny zavatra ilainao.Izy no nifidy hiaraka aminao amin'ny fiainana ka hanome anao tanjaka.Izy no nampianatra ahy sy ianao hamakivaky ny lalan-tsarotra ka ahatonga ahy sy ianao hanampy ny manodidiny.Jereo ary ataovy fianarana ho ahy sy ianao ny zavatra mitranga amintsika noho ny voninahiny sy ny fitsinjovany antsika satria Izy tsy hanome zavatra izay tsy ho zakan-tsika.Ireo zavatra rehetra ireo dia hanampy ahy sy ianao tokoa eo amin'ny fo, vatany ary ny fanahy sy ny tanjaka.Ho antsika izay tsy mino azy dia andramo zahana izy fa ahita tombotsoa tokoa ianao raha miaraka aminy.Izy no fanalahidin'ny fiainantsika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.561