Ny fanambadiana sy ny Didy faha-4 & 5

21. majesty ( 30/04/2007 06:53)
didy faha-4 "Mahatsiarova ny andro sabata..." Eks 20:8-11


didy faha-5 "Manaja ny rainao sy ny reninao..."Eks 20:12

dia mba te hanontany kely an'i zoky simplex za hoe inona ny ifandraisan'io lohateny io hoe didy faha 4 & 5 (sao dia tokony hoe didy faha-5 sy faha 6:D)

Marina ireo voalazanao reo razoky,fa ilaina fandinihana tsara ireo cas ireo,misy fotoana ny ray aman-dreny manana ny rariny ary misy fotoana koa ny zanaka mahita fa azy ireo ny rariny sns.

Zava-nisy teny amin'ny manodidina anay teny izy ity,nosakanan'ny ray aman-dreniny tsy hivady izy roa,tsy neken'izy roa kely izany fanakanana izany satria noheveriny fa tsy fanajana ny safidin'izy ireo satria efa nivonona ny tsy hisaraka mandrakizay ry zareo,ary vonona ny hamono tena raha tsy tanterahana ny safidiny,dia nanaraka ambokony ihany ny ray aman-dreny avy eo,kinanjo roa taona taty aorina,dia heno fa nisaraka izy roa satria diso safidy hono ka tsy hety hiara-dalana mihitsy.(dia raha atao hoe nosakanana teny am-boalohany zao ireo,ka namono tena dia an'iza ny tsiny,ary iza no diso!!!)
22. prime ( 30/04/2007 13:48)
xxx:
toa samy manana ny tena iziny izany raha azoko tsara. Haiko aloha hoe Didy 5 : Aza Mamono Olona, Didy 3 : Mankamasina ny andron\'ny Tompo
... Tsy hoe samy manana ny azy fa tena didy fahadimy io na amin\'ny dikan-teny inona na amin\'ny dikan-teny inona, na baiboly katôlika na protetanta...

    Ireto ny didy folo :
  1. \"2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin\'ny tany Egypta, tamin\'ny trano nahandevozana.3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.\" Eksodosy 20:2-3
  2. \"4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin\'ny lanitra ambony, na izay ety amin\'ny tany ambany, na izay any amin\'ny rano ambanin\'ny tany.5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin\'ny zanaka hatramin\'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin\'izay mankahala Ahy;6 nefa kosa mamindra fo amin\'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.\" Eksodosy 20:4-6
  3. \"Aza manonona foana ny anaran\'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon\'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.\" Eksodosy 20:7
  4. \"Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy.\" Eksodosy 20:8
  5. \"Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin\'ny tany izay omen\'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.\" Eksodosy 20:12
  6. \"Aza mamono olona.\" Eksodosy 20:13
  7. \"Aza mijangajanga.\" Eksodosy 20:14
  8. \"Aza mangalatra.\" Eksodosy 20:15
  9. \"Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.\" Eksodosy 20:16
  10. \"Aza mitsiriritra ny tranon\'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin\'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an\'ny namanao akory aza.\" Eksodosy 20:17

majakely:
azonao koa nge ny manda ny ray amndreninao refa hitanao hoe fanambadiana ts ho zakanao ilay izy ee ,mila miresaka tsara fotsiny,,manda ianao fa manda amim-panajana sy ampitiavana anireo nahitanao masoandro , de tsitako ze olana amizay zaoo ?\' sa rah vao manda ve de midika hoe tsy manaja izay ?? hazavao ??????
... Mitovy hevitra tanteraka... ny fandavana dia tsy midika mihitsy hoe tsy fanajàna... ary averiko indray hoe, fitiavana avokoa no fototra ka ny zanaka manaja ny RAD moa ny RAD mitia ny zanany tsy hamoifo... fa raha vao ny iray fotsiny no mitompo teny fantatra manana ny rariny sy ny hitsiny sy ny marina dia eo no fototry ny disadisa...
23. Rasiligaoma ( 30/04/2007 13:54)
ahoana kay ilay hoe sarin-javatra voasikotra?
24. prime ( 30/04/2007 14:36)
rasily> Izay rehetra mety sary sikotra maneho zavatra eny amin'ny lanitra, ety amin'ny tany sy ny ambanin'ny rano...zava-boahary sns... (ao anatin'izany ny sarim-biby sy ny sarin'olona...) io dia tsy mijanona eo fa miampy ilay hoe aza miankohoka aminy na manompo azy...
25. xxx ( 09/05/2007 11:32)
prime:

    Ireto ny didy folo :
  1. "2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Eksodosy 20:2-3
  2. "4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy;6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko." Eksodosy 20:4-6
  3. "Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany." Eksodosy 20:7
  4. "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy." Eksodosy 20:8
  5. "Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao." Eksodosy 20:12
  6. "Aza mamono olona." Eksodosy 20:13
  7. "Aza mijangajanga." Eksodosy 20:14
  8. "Aza mangalatra." Eksodosy 20:15
  9. "Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao." Eksodosy 20:16
  10. "Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza." Eksodosy 20:17


Io no manaporofo fa samy manana ny azy ! :wink:
Maninona ohatra ny sasany eo amin'ireo no nataon'i Prime red moa ny hafa tsia ? Maninona ohatra ny aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao no tsy natao red, na dia voasoratra mivantana eo aza ! Toy izany ny AZA sy ny tsy aza hafa. Satria ireny red ireny angamba no ampiasaina sy tanisaina any ampiangonan'i Prime ! Fa tsy ireny akory no "formel" any ampiangonan'ny hafa :wink:
26. prime ( 24/05/2007 10:05)
xxx: Miverena aloha mianatra katesizy na sekolin'ny tenin'Andriamanitra na sekoly alahady r'ise a... notsipihina manokana ny mena ireny ho famehezana ny atao hoe didy folo, ny andininy ankoatr'ireo dia tohiny sisa fa tsy didy hafa tsy akory... ohatra io notsongainao io, ny didy fahafolo dia ny hoe "aza mitsiriritra", ka na ny tranon'ny namanao io, na ny vadin'ny namananao, na ny zanaky ny namanao io, na mpanampy ny namanao io, na ny ombiny, na ny borikiny na izay rehetra mety an'ny namanao dia didin'Andriamanitra tsy azo tsiriritina...

Mitandrema r'ise rehefa mamaky raha izany fa mifampitohy ireo andininy ireo fa tsy didy marobe atambatambatra akory... 10 ihany no isan'ny didy, fanazavàna sy fanampim-panazavàna ny tohiny...:wink:

Ka na fiangonana katôlika, na fiangonana advantista, na fiangonana protestanta, na jesosy mamonjy, na pentekôtista na iza fiangonana kristiana na iza dia tokana ny didy folo ary io ambaran'ny eksodosy toko 20 and. 2-17 io no ventiny... fa tsy mijanona eo ny fiainana izany fa mbola hazavain'ny lalànan'i Mosesy lavitra kokoa amin'ny fiainana andavanandro mihitsy aza...

Ialàna tsiny raha miverina lavitra eto mikasika izany ho an'ny namana rehetra fa tsy izany moa no tena lohahevitra eto nefa tsy maitsy hazavaina fa andrao avilana ny atao hoe didy folo ka lazaina ho samy manana ny azy indray... Tokana Jehovah Andriamanitra nanome ny didy folo ary vato roa no nanoratany ireo tamin'ny lelafo ka nomeny an'i Mosesy izany... Ka raha misy sahy miteny ho manana didy folo hafa dia mitandrema ihany fa tsy ilay didin'i Jehovah nomeny ny zanak'Israley tany an-tendrombohitra Sinay izany fa avy amin'ilay mpisandoka...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009