maha tia tanidrazana anao ve ny

21. malalatinasoa ( 27/04/2007 03:30)
bazylou:

kibo noana sy ny tsy fananana ???

Miezaka ny hiteny gasy ranao ray fa ialako tsiny dieny mieloha raha misy vary amin\'anana.

Angamba ny olona tsirairay (sy fianakaviana tsotra dia samy tia ny tanindrazany (tanin\'ny razany) daholo, tsy voatery akory hoe madagasikara iray manontolo fa na dia ilay trano bongo na ny toerana nipetrahany fony mbola kely aza dia tsy hohadinoiny. Ka raha gasy teraka sy lehibe tany alaska ohatra ianao dia mazava ho azy somary somary latsa-danja kely ny fahatsiarovana momba an\'i dago any anatinao.

Faharoa, eo @ fiainana dia tsy maintsy misy laharampahamehana apetraka. Tsy maintsy tinao aloha ny tenanao sy ny vady aman-janakao, ny fianakavianao, manaraka ny taninao, izay vao ny tanindrazanao (ireo rehetra ireo dia samy tinao avokoa fa ny degre-ny no tsy mitovy). Dia arakarak\'izany koa ny asa ataonao:
- miasa isan\'andro hamelomana ny vady aman-janaka, ny ecolazy sns...
- mamangy ny RAD na ny rafozana
- mandeha mamangy any am-banivohitra tsindraindray
- manao adidy @ fiaraha-monina.
Olona 2-5 mameno fianakaviana 1, Fianakaviana be dia be no mitambatra ho Malagasy. Velona ny fianakavianao dia velona ny tanindrazanao.

Izaho anefa izao sady noana indraindray no tsy manana n\'inoninona mihintsy.Mazava ho azy fa miasa sy milofotra aho hamelomana ny tenako. Tiako nefa ny tanindrazako, inona anefa no atao ho fanampiana azy? izaho mahantra dia mahantra? Izao ny valiny:
- rehefa miasa aho dia atao am-pahazotoana sy am-pamendrehana izay andraikitra kely napetraka amiko(Mba tsy hitenenana hoe ny Malagasy dia kamo sy voretra).
- manana fahalalana kely momba an\'i Madagasikara nefa aho karehefa misy olona manontany hoe aiza i Madagasikara dia atoroko ary zaraiko aminy ny maha-tsara azy (tora-pasika, tsingy, gidro, ala mando, aloalo, vanille, cafe, cacao, ny zafimaniry...), sy ireo kolo-tsaina manokana ananany (fihavanana, famadihana,...),ny kilalao (katro, fanorona...). Liana izy dia mankany madagasikara avy eo mandany vola any.
Sanatria izay hanaratsy sy hifosafosa na dia marina ary hoe isika Malagasy dia ory hava-manana ka ny ambony ihany no alentika hidina. Ka ajanony @ izay io toetra mifanenjika io hoe za no marina ianao diso. Efa samy hiaraha-mahalala fa sady marina no diso daholo isika.

Farany, na tsy tianao aza ny tanindrazanao fa mahantra, aza alanao baraka etsy sy eroa fa ataovy izay mahatafita anao. Rehefa tafita ianao, efa Malagasy xmillion-1 izay no afaka t@ fahantrana.
22. Jeankely ( 27/04/2007 04:29)
malalatinasoa:

Tsy manana alahatra aho fa mitovy ny fijery ary mendrika ho anao ny omena fisaorana. Misaotra betsaka ary samy mitondra ny kely vitantsika ho an'i Madagasikara isiaka.
23. xxx ( 27/04/2007 14:34)
Tia tannindrazana ny ankamaroan'ny malagasy na aiza izy na aiza,
Ny tokony hofantara fotsiny dia tokony hampieritreritra antsika ny tenin'i Bay2 hoe : Aza manantena fa tsy ny fanjakana daholo akory no hisahana ny zavatra rehetra izao fa ny privé indrindra indrindra. Ny dikany angamba dia hoe aza miandry fanjakana fa ataovy izay mety hovitanao dia hofoana ny hanoanana. Surtout aza miandry an'i Lahiniriko et consort fa vita matavy.
24. toovs ( 27/04/2007 14:44)
xxx:

voatery tsy maintsy manaratsy sy manonona olona mpanao pôlitika ve rehefa mandroso sosokevitra eto e. efa nahita an'i lahiniriko nitondra ve enao. mety hampandroso izy mety tsy hampandroso koa fa aza tonga de tsaraina ivelany ny olona r'ise ah.
maninona rah mijanona ho objectif de tsy momba ny mpitondra ary tsy momba ny mpanohitra e.

25. paris10 ( 27/04/2007 15:14)
miresaha ianao sy bazyl @ io ry toovs a!izy no tokony lazainao io,sendra manonona ny sasany dia avy ery nefa jereo ange ty ataonareo e!tsisy mahita arina amin-tavany marina !:lol::lol:
26. bozyboleta ( 28/04/2007 08:28)
Ny ahy le lohateny mitsy no mapme ahy. Raha noana sy tsy manana ve enao de fahadisoan'le tanindrazana izany ka mampihena na mahafoana ny fitiavanao azy?
Io r'zalà tsy ny tanindrazana mitsy no mampahantra sy mampanoana ny gasy fa ny toe-tsaina a!
Raha manao ezaka, miasa tsara, manara-dalàna, tsy tia tena ny rehetra de tsy hisy noana zany mitsy ary samy hanana ny tandrifiny avy.
Za de mahita fa misy gasy tena mifidy ny hahantra mitsy satria de mitehi-kiho sy milalao tanana fotsiny tontolo andro fa sady tsy mampiasa kôkô no tsy mampiasa vatana. Ary tsy vitsy an!
Ho ana, rariny reny olona reny raha noana sy tsy manana. Ka an'iza ny tsiny ary?
27. bazylou ( 28/04/2007 22:51)
ts ia,ao ry bozyboleta izany miasa gratos ho an'ny MAdagasikara satria efa mazana be ny toe tsainao an!!
Mba ahoana no hahazoana vokatra tsara rehefa miasa amin'ny kibo noana???ary hieritreritra ho an'ny Madagasikara ve ianao rehefa noana sy tsy mitafy???
:lol::lol::lol::lol::-D:-D:-@:-@
28. Jeankely ( 29/04/2007 03:23)
Izay noana ry Bazylou dia izay hanina haniny tsy ahafaty azy aloha no hataony. Fa ny anao indray rehefa voky dia ny manaratsy an'i Madagasikara no ataonao. Izahay tsy mangataka amin'ny olona vendrana sahala anao. Any andafy ianao fa malemy loha mpanaratsy Madagasikara. Tsy mitady na maniry anao hanao asa maimaimpoana ho an'i Madagasikara koa izahay fa betsaka ny mpianatra mianatra tsara ao ary hantenainay fa ahavita be tsy manaratsy sy mifaly amin'ny fahavoazan'ny firenena.
29. xxx ( 30/04/2007 03:00)
Inona ny problemanao ry Toovs?
30. Jeankely ( 30/04/2007 03:56)
The right name for Bazylou and consort is "MPAMOSAVY". Mianara ry tanora ary hasoavy ny tenanao sy ny fianakavianao fa ampy izay. Raha ny famosaviana saina ataon'ny sasany no arahinareo dia efa niteny izy fa tsy hanome anareo ka asakasakareo izay manaraka "MPAMOSAVY".
31. bozyboleta ( 30/04/2007 07:16)
ts ia,ao ry bozyboleta izany miasa gratos ho an'ny MAdagasikara satria efa mazana be ny toe tsainao an!!
Mba ahoana no hahazoana vokatra tsara rehefa miasa amin'ny kibo noana???ary hieritreritra ho an'ny Madagasikara ve ianao rehefa noana sy tsy mitafy???

Ny ahy de zay ihany: tsy noana zany mitsy refa miasa sy manao ny tsara. Matoa zay noana de enao no nisafidy ny ho noana satria tsy niasa enao fa nilaozanao nanjeny andro lava fotsiny. Firifiry ny gasy nanam-bola tsy nihevitra ny ampitso fa nohanina daholo ze azo, normal raha noana avy eo satria tsisy tsony. A qui la faute??? Io tsy fandraisana andraikitra @ tenany io koa no mahavoa ny gasy maro. Hatrany an-trano ka hatrany @ sehatra mivelatra kokoa.

Za aloha de mahatsiaro fa tena nanao ary mbola hanao ho an'ny fireneko e! Na vola io na zavatra hafa. Mandoa hetra ara-dalàna za isam-bolana, de efa izy zay fa mbola tsy ampy. Tsy afaka hamahana ny vahoaka malagasy isam-baravarana kosa anefa za satria ny tsirairay no mila miantoka ny fiainany aloha voalohany indrindra fa fanampiana anga no azon'ny hafa atao.
Ho ana ny fampianarana ataoko ny tanora ny hahazotoan'izy ireo hianatra mba ho lasa lavitra @ fiainana ka tsy ho noana sy reraka any aoriana de hitako fa tena zava-dehibe tsy voavidy vola. Efa betsaka ny tanora nobeaziko ary mbola manao izany foana aho izao. Sahy mirehareha za fa tsisy noana ireo efa nampianariko ary tsisy menatra @ maha-malagasy azy sy @ Madagasikara sal@ sasany.

Tsy voatery vola foana no resaka ry bazyl ka hoe hiasa gratos fa na de ny hevitra tsara entinao aza de efa fitiavan-tanindrazana zay.
Ny fanaratsiana ataonareo ny tanindrazanareo tokoa de hilazana anareo ho "MPAMOSAVY" ka ny ao an-trano ihany no haripaka. Tsy ho vaza na oviana hoa!
32. Jeankely ( 30/04/2007 08:56)
Tsara amintsika mbola mitia an'i MADAGASIKARA ny manokatra lohahevitra hafa ary mandingana fotsiny ny resakin'ny "MPAMOSAVY" fa sao izy indray no molaza fa nahita valiny betsaka ny loha-hevitra famisaviany. Mamorona loha-hevitra maro hiavanana ary handosiro ny "MPAMOSAVY"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0524