Iza no mpanasitrana ary iza no sitranina?

1. niryna ( 25/04/2007 11:53)
Raha resaka fanasitrana marary na ara-batana na ara-tsaina dia samy mahalala izany isika.Ity resaka ity indray anefa dia resaka ara-panahy no tiako tenenina eto.Maro ny aretina izay mety tsy ho vitan'ny dokotera kanefa vita sy sitran'ny fivavahana.
Iza no mpanasitrana ary iza no sitranina?
Moa ve ny jentilisa ihany no misy herin'ny devoly sa na kristiana aza izy dia misy an'io koa.Eny fa na pasitera na diakonina na monpera na ny hafa ihany koa,ka mila sitranina sy hametrahan-tanana toy ny rehetra ihany koa ve izy ireo sa ?
Alefaso ary ny resaka ahafahantsika mifampianatra eto.
(l)niryna
novalian'i niryna ny 28/04/2007 03:56
2. prime ( 25/04/2007 12:07)
Kristy no mpanasitrana, ny dokotera sy ny mpitsabo mitsabo...:lol:
3. ikaretsaka ( 25/04/2007 12:11)
aza tonga aloha de faritana be aloha ilay izy hoe:
Aretina, jentilisa,devoly.
Andriamanitra irery no manasitrana, mampitsimoka, manangana.. miasa fotsiny ny dokotera , ny mpametra tanana raha tsy ny Tompo ihany no mampitsimoka sy manangana (Korintianina voalohany toko faha 3 manomboka eo @ 5 /salamo 127)...
ary mety ho voan'io tokoa ny kristianina
ary tsy hoe ny fametraha tanana na "onction"(ho an'ny katolika) na exorcism no fanafody fa indraindray aza misy mipetraka ho azy eo dia sitrana, nisy ny atao aby zao rehetra rehetra izao nefa tsy sitrana...
4. prime ( 25/04/2007 12:20)
Kristy no mpanasitrana, ny dokotera sy ny mpitsabo mitsabo...:lol:
5. piste ( 25/04/2007 20:09)
Misy ny Acteur principal ary misy ny participant
6. diamondra27 ( 25/04/2007 20:55)
misy an'io daholo raha mbola olombelona saingy samy manana ny aretiny io e!

tsy hoe refa pasitera de we masina be, mety misy faiblesse ao( hakiviana, tolona etc...)
7. fijo ( 25/04/2007 22:39)
enao ihany no manasitrana ny sainao,fa rehefa tsy te hositrana enao dia tsy sitranaka.mila filaminan afotsiny io de izay
8. Rasiligaoma ( 25/04/2007 23:11)
alamino mihitsy ra fijo an.
de ahoana ny fandaminana ny sain'ialahy izao ohatra?
9. niryna ( 26/04/2007 05:45)
piste:

Misy ny Acteur principal ary misy ny participant


piste a mba hazavao hoe ny hevitrao :P
10. niryna ( 26/04/2007 05:45)
prime:

Kristy no mpanasitrana, ny dokotera sy ny mpitsabo mitsabo...:lol:

prime dia ahoana ny amin'izany?

11. niryna ( 26/04/2007 05:47)
Rasiligaoma:

alamino mihitsy ra fijo an.
de ahoana ny fandaminana ny sain'ialahy izao ohatra?


fijo>ahoana tokony izany?
12. niryna ( 26/04/2007 13:30)
niryna:


Iza no mpanasitrana ary iza no sitranina?
Moa ve ny jentilisa ihany no misy herin'ny devoly sa na kristiana aza izy dia misy an'io koa.Eny fa na pasitera na diakonina na monpera na ny hafa ihany koa,ka mila sitranina sy hametrahan-tanana toy ny rehetra ihany koa ve izy ireo sa ?
Alefaso ary ny resaka ahafahantsika mifampianatra eto.
(l)niryna

Ahoana ny hevitrao?

13. fijo ( 27/04/2007 22:08)
mitsako siligaoma dia milaminaiooooooo
14. niryna ( 27/04/2007 23:05)
niryna:

Ity resaka ity indray anefa dia resaka ara-panahy no tiako tenenina eto.Maro ny aretina izay mety tsy ho vitan'ny dokotera kanefa vita sy sitran'ny fivavahana.

Ny tenin'Atra no fiasana tokana sady mahery eo am-pelantanan'ny mpanasitrana.
Ny famporisihana ny olona hanantona an'i Jesosy dia lalana iray hanasitranana ny olona(rehefa mahatsiaro tena fa mpanota mahantra/mitondra ny tsy mety rehetre eo Aminy.)Ny fahatsiarovan'ny olona tena dia mahatonga azy hanaiky ny famoahana demonia ao aminy.
Efa hatramin'ny andron'i Jesosy izany famoahana demonia izany ka hatramin'izao andro hiainantsika izao.Andro aman'alina no hanaovana izany satria miriorio toy ny angidina sy mandripaka ny olona izy ireo ka izany no antony hamoahana azy amin'ny olona.

Iza no sitranina?
Moa ve ny jentilisa ihany no misy herin'ny devoly sa na kristiana aza izy dia misy an'io koa.Eny fa na pasitera na diakonina na monpera na ny hafa ihany koa,ka mila sitranina sy hametrahan-tanana toy ny rehetra ihany koa ve izy ireo sa ?

Misy zavatra maro mikasika izany,misy ny milaza fa ny jentilisa ihany no misy an'io ary misy ny milaza fa ny kristiana dia tsy manana demonia intsony.
Toa sarotra ihany ny hanaiky izany satria tsy ho voatery hisy anio daholo ny jentilisa ary raha tena kristiana izy dia tsy hisy demonia izay hahatoetra ao aminy saingy misy ny kristiana na mandray ny fanasan'ny tompo aza dia mbola misy an'io ny antony dia noho izy manompo sampy na manana andriamanitra hafa ihany koa.


Iza no mpanasitrana sy afaka manasitrana na afaka mamoaka ny demonia?

Manaiky aho fa Jesosy Kristy no mpanasitrana.
Ny Marka 16:17 milaza fa "izay mino dia nomeny fahefana hamoaka demonia."ka ilaina finoana sy firaisana tanteraka amin'i Jesosy io fanaovana ny asa io fa zavatra tsy mora.Ny antony dia ny fisarahana aminy dia tsy ahafahantsika manao na inona na inona.Jaona 15:5"Fa raha misaraka amiko ianareo dia tsy mahay na inona na inona."
niryna
15. ikaretsaka ( 28/04/2007 00:37)
dia ahoana ny fomba firaisana tanteraka amin'i jesoa
16. niryna ( 28/04/2007 03:56)
ikaretsaka:

dia ahoana ny fomba firaisana tanteraka amin'i jesoa

Miara-miasa amin'i Jesosy no dikan'izany ry ika a,amin'ny anarany no hanasitranana sy hanalana ny herin'ny maizina satria izy no mpanasitrana.Ny olona dia fitaovana fotsiny fa ny fahefana rehetra hanasitranana dia avy amin'ny heriny.:roll:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3718