fahafatesana

21. niryna ( 27/04/2007 23:46)
Rasiligaoma:

ka rehefa mitsangana @ maty any aoriana any dia mitsangana fanahy fotsiny sa mitsangana vatana sy fanahy?
dia mankaiza ilay fanahy aloha mandra pa ?... afo fandiovana sa ambondrombe?

Rasily a samy efa nanota daholo isika rehetra ary ny fahoriana nianjady an'i Jesosy dia noho ny fitiavany antsika ka nahatonga azy hanavotra antsika teo amin'ny hazo fijaliana.Vita hoy Izy.Nanaiky ny Rainy Izy mba hisolo sy hanavotra antsika amin'ny ota.Maty Izy kanefa ny fahafatesana dia tsy nahatohitra Azy satria Izy tsy nanantsiny.Nitsangana tamin'ny maty izy ary mbola hiverina indray.Rahoviana? Samy mbola tsy mahalala isika satria na Izy aza dia tsy mahafantatra.Ka izany no mahatonga antsika mihomana.
Rehefa maty isika dia ny vatana no ao am-pasana fa ny fanahy no miakatra any an-danitra na mandeha any amin'ny afobe.Samy mila miomana ny amin'izany isika.Izany no antony hiresahantsika lava eto satria samy mitady sy hanavotra ny fanahin'ny rehetra izay mahafantatra ny tenin'Atra.Tsy afaka ny hanavotra ny fanahintsika anefa ireo izay manoro sy mampianatra antsika ny tenin'Atra saingy kosa manoro antsika ny tokony aleha sy ny tokony ho arahinao dia i Jesosy irery ihany.Fitaovana ihany ny mpilaza sy mpitory ny filazan-tsara fa izaho sy ianao no mandray na tsy mandray izay lazainy.Tsy izy ireo akory hoy aho no arahinao na arahintsika fa Jesosy irery ihany
22. ikaretsaka ( 28/04/2007 00:34)
dia ahoana ilay fitsanganan'ny tena @ maty sy ny fiainan-ko avin'i niryna vetesina rehefa manao fiekem-pinoana raha io voalazanao io ambony io?

dia ahoana ilay hoe mbola ho avy am-boninahitra indray Izy hitsara ny velona sy ny maty??
23. niryna ( 28/04/2007 04:07)
ikaretsaka:

dia ahoana ilay fitsanganan'ny tena @ maty

Rehefa tonga ny fotoana hidinan'i Kristy dia hitsanga daholo ny maty rehetra ka amin'izay fotoana izay dia tsy ny vatana toy ny taloha intsony.Izany hoe raha misy olona malemy ara-batana dia tsy tokony halemy toy izany koa ny fanahiny fa fanahy feno:roll:

dia ahoana ilay hoe mbola ho avy am-boninahitra indray Izy hitsara ny velona sy ny maty??

Efa voasoratra ao anaty bokin'ny fiainana ny anaran'ny olona rehetra izay noraisin'ny Tompo,rehefa tonga ny fitsarana dia ho tsaraina daholo na ny efa maty na ny mbola velona.
Ao anaty baiboly daholo anie izany ry ika e fa tsy hoe taty amiko manokana e

24. ikaretsaka ( 28/04/2007 11:49)
ka ilay afobe lazainao mihitsy no tsy azoko ka.. angaha tsy rehefa voatsara ny velona sy ny maty vao hay hoe ity mankany an-danitra dia ity mankny @ afobe?
25. Zina ( 29/04/2007 04:19)
oy i nirina
Rehefa maty isika dia ny vatana no ao am-pasana fa ny fanahy no miakatra any an-danitra na mandeha any amin'ny afobe

ny tian-njy lazaina eto ve aky dia amin'izao fotoana izao?
26. Rasiligaoma ( 30/04/2007 13:56)
dia ahoana ny amin'ny andro farany? ilay hoe ho avy izy hitsara ny velona sy ny maty?
kay izany rehefa maty (miala aina dia efa voatsara)?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0085