fahafatesana

1. nathie86 ( 23/04/2007 12:01)
"Ny fahafatesana no tambin'ny ota"
Eh d efa maty daolo zany isika ra izany. Sa misy olona mbola tsy nanota mintsy?:cry:
2. mamzelkely ( 23/04/2007 12:34)
ka ts maints andalo fahafatesana dôly ange tsisy akanavaka ee ny ftôna ftsn no samy hafa :lol:
3. cutie ( 23/04/2007 14:30)
Sa misy olona mbola tsy nanota mintsy?

le efa reny niakatra any an-danitra reny :lol:
4. diamondra27 ( 23/04/2007 14:34)
ka izay ilay tsy mampety @ famakiana baiboly ho an'izay mamaky toy ny ataonao ry nathie satria tsy tokony ho nijanona t@ io phrase io fa mbola ùmisy tohiny ilay izy izay TENA IMPORTANT dia hoe: "FA FIAINANA MANDRAKIZAY no fanomezam-pahasoavana , avy @ ATRA Aao @ JESOSY KRISTY."

Raha tapatapaha ilay phrase dia miova be ny heviny


Hitanao @izao aza ny fiovany fa fiainana mandrakizay fa tsy fahafatesana akory...


Jesosy dia efa maty indray mandeha noho ny otantsika, koa raha manaiky Azy ianao dia hanana io fiainana mandrakizay io

(tena lasa ato indray ilay resaka azo antoka ny fiainana mandrakizay ...atsy amnbadika; mitohy daholo moa le resaka sy mifameno fa tsy maninona e!)
5. piste ( 23/04/2007 20:52)
Vakio ao @Evanjelin'ny Joany fa misy toy izao, hoy Jesoa : " Izao no no Fananganana sy ny Fiainana, izay mino ahy na dia maty aza dia mbola ho velona ".
Ny fahafatesana dia tsy fiafaran'ny fiainana fa dingana tsy maintsy andalovana hidirana @ fiainana hafa. Ka ny tian'ny soratra masina lazaina eto dia ny fahafatesan'ny tsy mpino sy ireo tsy manaiky hibebaka.
6. nathie86 ( 24/04/2007 06:35)
piste:

Vakio ao @Evanjelin'ny Joany


Aiza kosa r'se no avakiako an'io reetra io an zany ane no mba andehanako ato:wink: anitatra fahalalana
7. lancia ( 24/04/2007 08:52)
Aaaaaaaamen
8. niryna ( 24/04/2007 13:03)
piste:

Vakio ao @Evanjelin'ny Joany fa misy toy izao, hoy Jesoa : " Izao no no Fananganana sy ny Fiainana, izay mino ahy na dia maty aza dia mbola ho velona ".
Ny fahafatesana dia tsy fiafaran'ny fiainana fa dingana tsy maintsy andalovana hidirana @ fiainana hafa. Ka ny tian'ny soratra masina lazaina eto dia ny fahafatesan'ny tsy mpino sy ireo tsy manaiky hibebaka.

Misaotra piste a.Araka ny voalazan'ny baiboly dia mbola andalo fitsarana daholo isika rehetra.Misy ny fiainana aorian'ny fahafatesana ary ny vatana no maty sy ho loa ary hiverina ho vovoka indray fa ny fanahintsika dia tsy ho faty mihitsy fa ho mandrakizay.Izany no antony hikolokoloantsika azy dieny mbola velona ny nofontsika satria na isika miaraka amin'i Jesosy na isika very any amin'ny afo, izay mbola misy hatramin'izao no tsy mino an'io.
Ny fanahintsika izany dia tsy ho faty mihitsy fa ho mandrakizay ka na izy hifaly sy ho ravo na izy hijaly any amin'ny farihy mirehitra afo.

9. prime ( 24/04/2007 13:45)
nathie86:
"Ny fahafatesana no tambin'ny ota"
Eh d efa maty daolo zany isika ra izany. Sa misy olona mbola tsy nanota mintsy?
... Eeee, indrisy fa izany tokoa, saingy tsy mijanona eo akory ny planin'Andriamanitra fa ny hamonjy ary hamelona ho any amin'ilay tena fiainana, ilay fahavelomana mandrakizay ao amin'i Kristy... sa ts'izany?:lol:
10. fijo ( 25/04/2007 05:01)
laviko tanteraka izany.ny fahafatesana dia vokatry ny fahanteran'ny sela fa tsy tambin'ny ota sy inona izany.inona koa anefa ilay lazaina fa ota e?????
11. majesty ( 25/04/2007 05:34)
hoy fijo:

laviko tanteraka izany.ny fahafatesana dia vokatry ny fahanteran'ny sela fa tsy tambin'ny ota sy inona izany.inona koa anefa ilay lazaina fa ota e?????


Maro ny tanora vao eritrerony,ny zaza madinika,no maty midika ve izany fa hoe antitra ny sela ao aminy,ary raha mahita fanafody hiarovana amin'ny fahanteran'ny sela ve dia azo antoka fa tsy ho faty intsony ny olona iray:D
12. tsiafoi1 ( 25/04/2007 09:15)
fijo : ny OTA = FANDIKAN-DALANA = ELOKA
Ny OLO-MELOKA no entina TSARAINA ENY @'NY FITSARANA, zany hoe ny MPANOTA. Tsy izany ve!

13. prime ( 25/04/2007 13:00)
tsiafo1,majesty: =D
fijo: tsy hoe izany no marina araka ny fahitàna azy fa izany no marina araka ny tenin'Andriamanitra...
14. fijo ( 25/04/2007 22:50)
ny zaza maty dia vokatry ny aretina,ary matoa marary dia vizana izay ny sela mpiahy.vokany vita ny aminy.

tsiafoy1,ny ota dia olo meloka izay voatsara.ekena re,ary rajesosy kay moa inona no nahafaty azy???? tsy voatsara noho ny fahotana vitany ve??? ary meloka izany izy tao sa tsia???hay nareo izany mino sy mivavaka amin'ny mpanota????? mahalian aizy ity ka
15. Rasiligaoma ( 25/04/2007 23:18)
rehefa maty dia izay ny anjara ka..
omanina ny fandevenana
16. niryna ( 26/04/2007 17:42)
fijo:

ny zaza maty dia vokatry ny aretina,ary matoa marary dia vizana izay ny sela mpiahy.vokany vita ny aminy.

tsiafoy1,ny ota dia olo meloka izay voatsara.ekena re,ary rajesosy kay moa inona no nahafaty azy???? tsy voatsara noho ny fahotana vitany ve??? ary meloka izany izy tao sa tsia???hay nareo izany mino sy mivavaka amin'ny mpanota????? mahalian aizy ity ka

Eo aminy ara-nofy no lazain'i fijo eto fa eo amin'ny ara-panahy dia tsy ho faty mihitsy ny fanahintsika fa na mifaly na mijaly rehefa tonga ny fahafatesan'ny vatana.
Jesosy ? Maty tokoa izy ary nahatohitra ny fahafatesana Izy ka izany no nahatonga Azy nitsangana tamin'ny maty indray,tsy naharesy Azy ny fahafatesana satria tsy nanana ota Izy.

17. Rasiligaoma ( 26/04/2007 19:48)
ka rehefa mitsangana @ maty any aoriana any dia mitsangana fanahy fotsiny sa mitsangana vatana sy fanahy?
dia mankaiza ilay fanahy aloha mandra pa ?... afo fandiovana sa ambondrombe?
18. cutie ( 26/04/2007 23:03)
iza no mahalala an'zany
efa nisy nitsangana t@ maty nga :-D
19. Rasiligaoma ( 27/04/2007 14:09)
asa ko..sao misy efa!
20. cutie ( 27/04/2007 20:06)
:-D:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0415