hanana amin'zay ny gasy
1. apache
(
21/04/2007 06:17)
Tanteraka ihany iny ny fitsapan-kevi-bahoaka. Hihatsara @zay ve zany ny farim-piainan'ny Malagasy?satria nahoana? Ary manomboka rahoviana? Sao mba misy mahalala!?
répondu par Jeankely le 03/05/2007 14:00
2. Fiffi
(
21/04/2007 06:53)
ka vao vita kosa iny de aleo aloha araha-maso zay tena fandehany....iza moh no afaka mamaly an'io zao dien'zao ? miandry ny concrétisation ohatranao zao daholo angamba ny rehetra ô ? de ho hita eo ny manaraka.......
3. 147
(
21/04/2007 10:38)
hanana inona moa ny gasy?isika Malagasy tsy dia "d'action" loatra,mihemotra fisainana,sarotra asondrotra,mpanimba zavatra,ory hava-manana,kamo velona,mila "miracle"fa tsy mihezaka mivoatra,tokony miaraka miasa daholo anefa,manampy ny fitondrana,sady be taimbava nefa iza no maharina firenena ohatran'i Mdagasikara antin'ny taona vitsy?iza no mahavita izany?na ny toe-tsaina aza dia mivarina be,
4. 147
(
21/04/2007 10:46)
ny tsy fifanajana,fanesoana,fanakorontanana,fanimbàna;izany no manjaka,dia rehefa misy tsy araky ny eritreritra dia avy dia manakiana,ka isika na eto Madagasikara na any ivelan'ny riaka dia tokony miray hanondrotra ny toetsaina,isika koa raha hanakiana ny filoha?heverintsika izy daholo no responsable @ izay tsy mety,ary ny ministera atao manao inona eo?ny hanoanana sy fahantrana no tatatataina nefa isika tena kamo miasa.ny vita tokony hajaina,karakaraina haharitra ela.ny loza voajanahary betsaka,ny fisondrotry ny petrole tahaka ny inona,isika mitaty fotsiny ny onjany fa ny firenena matanjaka misondrotra foana.
5. bazylou
(
21/04/2007 15:28)
efa fantatra ny fandehany e! miliara hoahy dia ianareo no mandoa ny trosa rehetra!! deba koa naie ry tsamy ka nanao lalana sy hopitaly sy lycee, sy akanainjaza fa vita natavy tao ihanye!! izay le8 ve!! tsss asidin'ny ronono antavy ilay io fa jereo tsara anie!!:-P:-P
6. 147
(
22/04/2007 14:42)
mahavariana be ny famalinao ry bazylou!adinonao angaha ny fifanarahan'i deba sy ra8?ary vita natavy aiza moa deba?zao izy tasra fiafarana satria manana nationalité frantsay koa,ny namany rehetra koa!isika foana no vaky loha fa ry zareo mitsotsotra!
7. xxx
(
23/04/2007 01:44)
Ie rizalahy ireo ange ka nationalité doly, même Roland. Jereo ny forum assidu ao fa dia teny frantsay ranofotsiny. Menatra @ tenindrazana tokoa rizalahy ao. Na mety ilay malagasy ofisialy koa angamba no tsy lanin'ny vavoniny?
8. Jeankely
(
23/04/2007 06:21)
147:
hanana inona moa ny gasy?isika Malagasy tsy dia "d'action" loatra,mihemotra fisainana,sarotra asondrotra,mpanimba zavatra,ory hava-manana,kamo velona,mila "miracle"fa tsy mihezaka mivoatra,tokony miaraka miasa daholo anefa,manampy ny fitondrana,sady be taimbava nefa iza no maharina firenena ohatran'i Mdagasikara antin'ny taona vitsy?iza no mahavita izany?na ny toe-tsaina aza dia mivarina be,
Aty "Malaysia" aho no manoratra. Liana dia liana amin'ny resaka ka mba hanome izay takatro. Voalohany indrindra ny hoe "HANANA" amiko dia teny tokony hazavaina tokoa. Mila manana toetsaina tia mivoatra. Rehefa miteny izany matetika dia ny vahoaka madinika no lazaina tsy mivoatra. Tsipihiko mazava fa ireo mihevitra ho vaventy no tena namotika ny toetsaina Malagasy. Ohatra vitsy no resahiko. Ireo olona voalza ho olokendry, nahavitabe tamin'ny firenena, manatsaina sy nandia fianarana avo ary ireo mpitondra na mpanao politika nifandimby dia nanome ohatra ratsy ary nanimba ny toetsaina Malagasy. Olona tsotra aho miteny ary tsy mambra politika an'iza iza. Tsy tia politika ny vahoaka fa refotry ny adimpiainana ary na ny fifidianana aza saika tsy ao andoha ny hoe ankaiza fa dia tsapatsapa satria efa hiaramahita ny nataon'ny mpitondra nifanesy. Amiko ny ohatra velona ataon'ny TOMPON'ANDRAIKITRA isan-tokony no HARENA sy FANANANA lehibe ary arahan'ny vahoaka. Raha mbola ao ny hoe "Izay ampanaoviko atao fa tsy izay ataoko" dia tsy hanaraka mihintsy ny vahoaka fa lany andro eto fotsiny. Ny vahoaka no miasa sy manatanteraka ny fampandrosoana fa tsy ny mpitondra. Koa raha tsy miaraka aminao izy fa refotra amin'ny zavatra hafa tsy misy vokatra azo raisina eo. Amiko izany ny fanomezana lanja ny vahoaka no tokony hizahavana hevitra. Vahoaka finaritra sy mirehareha ho Malagasy no zahavina. Aza kiviana ny vahoaka fa harena be ireo.
9. 147
(
23/04/2007 06:41)
tsy mandà ny lazainao aho ry jeankely fa ny toetsaina ange no efa vita matavy e!jereo ny feux tricolores, nakaiza?ny cabine telephonique?izay vita dia ravàna, simbaina,angalarina ny panneaux rehetra eny @ làlana nasionaly atao angady,ny halatra famakina lakozia,fa hanaovana vilany ny aluminium,zany ve dia aona?tokony averina ny "instruction civique" any ampianarana,moa ny fako dia atsipy etsy sy eroa,feno lalimanga ny tanàna rehefa vokatra ny paoma ,letchis,fary etc...mampalahelo anie e!jereo fotsiny ireo avy any ambanivohitra miakatra eto tana,hitady vola hono,tsy mahita asa dia mirenireny ,avy eo manendaka sy mamaky trano,tsy maitsy minana stria ny sasany misipa dia miteraka;ahoana daholo zany? zahay mpiasa birao no mandoa hetra manana ny tady kirarony!
10. Jeankely
(
23/04/2007 07:43)
Tena marina ireo volazanao ireo. Na ny tenako koa aza tena nianjadian'ny zavatra maro. Ny trano vaky, ny entana very, ny ten anefa tsy mpanana fa ny kely hananana no very sy lasan'ny sasany. Izaho dia manatintrantitra fa ny LEHIBE no modely sy arahin'ny madinika. Eto Madagasikara ohatra, ny Tompon'andraikitra avobe amin'ny Ministera miampy ireo namany migalabona sy mampiasa ny fananampanjakana amin'ny izay hilainy amin'ny fiainany. Amin'ny fomba ahoana no hiasan'ny mpiasa madinika mijery izany. Ny karamany kely tsy ampy koa ho an'ny fohy fisainana dia ny mangalatra sy manimba koa no ataony. Tsy manome vahana ny mpanao kitoatoa aho fa kosa milaza ny fototra. Avy eo ilaina koa ny fifampifehezana mafy. Miverina ihany aho ny amin'ny hoe tsy ny vahoaka ihany no fehezinao fa samy voafehy amin'ny ambaratonga misy azy. Ny fahalalahana dia natao hampivoatra saingy eto ny fahalalahana ahafahana miteniteny foana. Tompon'andraikitra miteniteny foana amin'ny Fahita lavitra na Radio dia mampianatra ratsy ny vahoaka nefa tsy hainy fa raha hitondra aza izy manaraka avy eo efa simba ny sain'ny olana ka samy mihodikodina fotsiny. Ilaina ny mifampifehy ary samy ambany lalana ny rehetra. Miala amin'ny fomba ratsy ary mivadika ho fomba tsara sarotra noho izany fandrisihana no atao fa tsy fitanisaina ny hoe: tsy mivoatra, lo morina, tia mihemotra, tsy misy saina. Harena ny vahoaka ka izay mahavita miaramiasa aminy no ahatafita ny firenena.
11. bazylou
(
23/04/2007 07:55)
izy anie nationalite e, marina io kanefa jereo fa iza no milalao ny baolina ao an-tanana ao iza no mamporisika izatsy sy zaroa , ???? misy tokoa ny fifanarahana ra8 sy deba fa ianao no tsy maharaka , porofo, :: efa hita poko hitam-pirenena aty france i deba nefa nahoana no tsy nataon'ny le8 daholo ny moyen rehetra hitsarana azy ?? fa nalefa nandehandeha fotsiny.... tssssss, ianarro no tsy maharaka
12. Jeankely
(
23/04/2007 08:38)
Misoatra. Raha ny resaka momban'ny DEBA sy ny PRESIDENT amperin'asa aloha dia marina ny anao fa tsy maharaka aho. Ary efa voalazako mazava fa olotsotra aho ary tsy miezaka ny ahafantatra ireo. Ny hany nahatonga aho nandray anjara dia ny fitanisaina ny saina simba sy tsy mety ataon'ny vahoaka. Aty "Asie" no misy ahy amin'izao fotoana izao. hezahiko ny ahita ireo firenena izay vitako aty. Ny fantantro na tsy tafita be sahala ny any Europe aza ny firenendreo dia mahatsapa aho fa tsy menatra ny MAHA-OLOMPIRENENY azy ny tanora sy ny vahoaka ary tena mirehareha sy tia hampiakatra sy hanatsara ny azy. Isiaka moa dia menatry ny ho Malagasy ary mitanisa ny tsy fetezana sy ny fiheveran-tena ho VAZAHA no tsapako. Amiko tokony atao sahala ny ady amin'ny SIDA ny fandrisihana ny olona hitia ny TANINDRAZANY ary hampandroso azy fa tsy ny hitanisa ny tsy mety avy lavitra.
13. 147
(
23/04/2007 09:46)
tena maharaka tokoa zahay e!fa tsy azo enjehina ny vazaha, izany anie no namotsirana an'i tantely e!notakian'ny vazaha fa tsy manana droit mitazona vazaha ny Malagasy,ry zareo no manasazy azy raha toa ka mitombona ny hanenjehina azy ireo,sady aleo koa izay fa nanakorontana teto fotsiny e!avy taiza zao ireo miliara tratra tao antranon'i tantely ireo?ary hoy aho hoe tokony tezaina sy ampianarina ny zaza dieny any @ epp @ fanimbàna, fanipazana fako etsy sy eroa,ampianarina ny fifinajana,ny fahalalam-pomba,sy ny sisa e!taloha r'ise nisy 1 ora fampianarana izany rehetra izany vao miditra ao andakilasy,izao ka baranahina be,mampalahelo e!ny fototra mihitsy no tokony amboarina fa mampahonena.
14. nathie86
(
23/04/2007 12:53)
147-> masiaka fiteny indraindray nefa milaza ny marina, miainga any @ tsirairay ny fandrosoana fa tsy miandry an'R8 ftsny na tsy aiko. Na iza na iza ane tonga eo na inona na inona plan d'action eo refa tsy vonona ny vahoaka tsy hisy ny fivoarana, refa tsy hiova ny toe-tsaina de any ankady iany no iafarana:cry:.
15. 147
(
23/04/2007 14:18)
miala tsiny fa miaramila afaka e!tena mahakivy anie ny mahita ny Malagasy e!raha mba miaraka mifanome tànana isika rehetra dia ho lasa alavitra anie e!jereo ny firenena sasany toy maurice e!dia isika ve ambakaindry zalahy!
16. Jeankely
(
24/04/2007 03:17)
Misaotra hatrany aho. Raha nandalo tany "India" aho tamin'ny taona 2002 nandeha "train" niala "Hyderabad" hakany "Maharastra" dia nahita Raimpianakaviana efa ampy taona ary nilaza izy fa miaramila taloha. Mirehareha fatratra izy fa ny totohondriny efa nahafaty anglisy ary naresy aza ireo dia tsy maniry ny ho anglisy mihintsy izireo. hita mazava izany fa tsy potika ny fomba amampanaony na ny fitafiny na ny finoany. Aty "Malaysia" dia mampiasa ny "Bahasa Malaysia" ireo ary ny "University" rehetra dia mampiasa io fa tsy ny teny anglisy mihintsy no teny malaza eran'ny lalana. Vao miditra ny tanana aho dia teny Malagasy no hitako. Ohatra: "Laluan" na "Jalang" na "LALANA" hoy isiaka. Tsy mitomany ho angilsy ireo ary nametraka zavatra maro ireo nanjanaka azy. Ny zava-misy amin'ny Malagasy kosa dia tia heverina ho VAZAHA ireo ataon'ny vahoaka tsotra hoe "MAHITAHITA" sy "NIANATRA AVO" ary dia manaratsy sy mitanisa ny fihemorana. Ny fijeriko kosa dia isiaka ihany no tena nampihemotra antsiaka. Nandritra ny andro nianarako dia nahatsapa aho nisy tokoa ny "RISORISO" tamin'ny fitondrana teo aloha. Ireo nianatra lasa Miaramila Manamboninahitra dia maro ny nampidirina fotsiny tany amin'ny "ACADEMIE MILITAIRE". Tsy milaza aho fa tsy misy risoriso ankehitriny fa mampalahelo kosa raha ny fisian'ny risoriso ataon'ny sasany no hanamarinantena amin'ny tsy nety nataonao. Ny vahoaka Malagasy rehetra tsy mpanao risoriso tompoko ary miady sy mifofotra izy vao mihinana ka laviko ary tsy miray saina amin'ny fanaratsiana sy fanesoana ny Malagasy aho. Izaho tsy miditra amin'ny resaka fitsarana satria sady tsy haiko no tsy anjarako. Raha hanamarina izay tratra nangalatra nohon'ny halatra ataon'ny sasany kosa dia tsy mankasitraka izany aho. Tokony heloina daholo izay manao tsy mety na izaho manoratra aza. Jereo ny tenanao, izay vitanao sy ataonao hampandrosoana ary ahitsiho ny tsy mety nataonao. Samy mitsara sy manitsy ny tenany fa tsy ny ratsy ataon'ny sasany no tanisainao sy hanamarinanao ny fahadisoana sy ny risoriso nataona na hataonao. Ny vahoaka dia miasa sy mitady ny hanina sahaza azy na iza na iza mitondra. Raha ny vahoaka no homenao tsiny nohon'ny tsy fankasitrahanao ny fitondrana dia tsy mendrika izany amiko. Vahoaka Malagasy ho an'i Madagasikara ary mendrika loatra ny fampiakarana ny sainy sy ny fanatenany fa tsy ny fanapepoana sy fanesoana no tanisaina fa "HANANA AMIN"IZAY NY MALAGASY". Tianao ve sa mahafinaritra sy rehareha ho anao ny fahantran'ny Malagasy?
17. 147
(
24/04/2007 06:32)
eny ry namana,raha misy azotsika atao dia tsy tokony hijery fotsiny isika,tsy tokony hifanaratsy sy hifanenjika,fa ny hetahetako dia averina ahofana ny mpanabe rehetra,miankina betsaka amin'izy ireo ny ho avin'ny ankizy vao misondrotra,ireo no hitondra ny firenena any aoriana,ny herana ankibon'ny tany ananantsika be dia be fa ny vahiny no mahazo bahana @ exploitation,zany ve dia rariny?betsaka no tokony banjinina e!
18. Jeankely
(
24/04/2007 08:06)
Misaotra anao betsaka. Izaho koa dia manaiky ny fihofanan'ny mpanabe ary ny olona rehetra dia tokony omena fahalalana ny andinika amin'ny alalan'ny heno amanjery fa tsy ny resaka rendrarendra no atao be sy handaniana andro. Fitsikerana ny mpitondra mandeha ho azy izany ary ny vahoaka ampy fahalalana mahalala ny tokony ataony na hitazona na hanala ny mpitondra izay hitany fa tsy mamokatra izy. Mifanome hery, mifampiofana satria ny hain'ny sasany tsy takatry ny sasany. Vola daholo ny rehetra saingy misy ny torohevitra izay na eny ambony bus aza azo atao. Tsy kiviana ny olona efa reraka fa taritina. Ary manomboka amin'ny tenantsika ny ezaka voalohany.
19. 147
(
24/04/2007 08:45)
marina izany ry namana,mahavariana ny andry zalahy fa maimaimpoana ny fitsikeràna sy fanaratsiana,misy Mlagasy anie tonga saina fa tsy afa-manoatra e!soa fa efa misy ny fandriampahalemana eto tanà,ny mpivarotra sy birao eto @ avenue izao nesorina daholo ireny vy ireny fa manaratsy ny endriky ny tanàna,tsy manintona ireny,ny làlana peripherique tena miasa fa manal ny fitohanana mandrivo lanitra,efa mba niova e!fa ny toetsaina no inoako hiova.
20. Jeankely
(
24/04/2007 10:53)
Manomboka eo amin'ny tenanao ny ezaka. Izaho tsy tonga lafatra ary tsy manana ny ampy fa tena sahirana. Mpanabe aho ary mifandray amin'ny tanora mpanao fanatanjahantena satria mpitarika. Ny zavatra resahiko matetika dia ny hoe " Porofoy fa olona hendry ny Malagasy ary aza mifaninana amin'ny ady sy tsikera fa manaova ary hezaho hatsaraina hatrany izay vitanao. Endrika ivelany ny fanatanjahantena fa ny fiainana no dikan'io hazakazaka io". Mahalala ahy ireo mpianatro ireo raha mamaky ity serasera ity.
