izany ve?

1. ravakamalala ( 19/04/2007 22:21)
miala tsiny hery fa amin ny teny frantsay a!
"Dieu permet le mal pour un grand bien"
io angamba no eritreretiko hoe valin ilay fanontanian ny olombelona manao hoe : "raha tena nisy izao Andriamanitra izao dia nahoana no mbola misy foana izay fijaliana mianjady amin izao tontolo izao?"
Misy zavatra tadiaviny amintsika olombelona manoloana ireo fijaliana ireo! fa anjarantsika ny mieritreritra satria isika dia nomeny saina hieritreritra koa fa tsy nateraka ho bonaika!
novalian'i niryna ny 26/04/2007 18:00
2. fijo ( 19/04/2007 22:23)
fialana bala izany.fa aza minomino foana.raha hamono andry ve aho de mboal hoe misy antony tsara ao matoa ataoko.ny integrista no misaina izany
3. ravakamalala ( 19/04/2007 22:35)
tsy ilay fihetsikao namono ahy no tsara amin izay fotoana izay fa mety hoe ny fahafatesako!
4. nikopol ( 19/04/2007 22:50)
tsy mime loza za an :-D:-D
5. kiranil ( 20/04/2007 05:27)
Izao no hevitro::

Jehovah Andriamanitra dia tsy tia ny fahafatesan\'iza na iza; na sinoa na vazah na afrikana; rehefa taranaky Adama sy eva,
fa tsy taranaky Satana [izay lazain\'ny Tenin\'Andriamanitra hoe ratsy fanahy, tahaka ny fariseo t@ andron\'i Jesosy Kristy].

Fa tsy sitrako ny fahafatesan\'izay maty, hoy Jehovah Tompo...


Fa ny zavatra tiany hataon\'ny olona kosa dia ny fibebahana [fialana amin\'ny ratsy] sy ny fiverenana Amin\'Andriamanitra indray.


....Koa mibebaha ianareo mba ho velona. Ezek 18:32





>>> Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan\'ny ratsy fanahy, fa ny hialan\'ny ratsy fanahy amin\'ny lalany, mba ho velona izy. Mialà, mialà amin\'ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty ianareo, Ezek 33:11


Ho an\'ireo izay efa nibebaka, miala amin\'ny ratsy [manaja ny Tenin\'Andriamanitra], ary manaiky an\'i Jesosy Kristy ho Tompo sy ho Mpamonjy dia izao:

Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana Romana 8:10

misaotra.
6. routa ( 20/04/2007 05:40)
:):):)
7. rakaroka ( 20/04/2007 07:36)
nikopol:

tsy mime loza za an :-D:-D

mampimé tokoa =))=))=))=))

8. ravakamalala ( 20/04/2007 10:12)
ny tena tiako apetraka dia ilay hoe
"Dieu permet le mal pour un grand bien"

indraindray mantsy isika manontany tena hoe fa nahoana ary no misy izao toe javatra ratsy izao, manontany tena isika hoe "nahoana ary no tsy nosakanan Andriamanitra izao toe javatra ratsy izao dia izay no valiny, avelany hitranga ny zavatra ratsy mba hitondra zavatra tsara ho antsika, asa : fibebahana, fiovana amin ny toetra ratsy, fahatongavan-tsaina....

nikopol> mihomeza tsara eo....:twisted::twisted:
9. lapino ( 20/04/2007 10:59)
ravakamalala, http://lapino.blaogy.com/post/7/613 :)
10. ikaretsaka ( 20/04/2007 12:41)
ny tena tiako apetraka dia ilay hoe
"Dieu permet le mal pour un grand bien"


"fa tsy mitondra antsika misedra izay tsy zakantsika ny tompo" (st Francois de Sales)
11. piste ( 23/04/2007 00:20)
Amiko aloha dia tsy sitrak'Andriamanitra ny hahafatesantsika sy ny hijaliantsika. Fa matoa misy ny ny fijaliana sy ny fahoriana isan-karazany dia avy amintsika olombelona no ankamaroany. Ary ny fitiavan-tena sy ny fialonana no ambadik'izay rehetra izay.
Fehiny, miendrika fanontaniana angamba no hanehoako azy : inona no sitrapon'Andriamanitra amiko manoloana izao zvtr mitranga izao ?
Tsy ilay loza no sitrany fa ny fihetsiko manoloana izay
Raha Tsunami ohatra, dia hitolefika ve sa hiady, hiavo-tena( court terme), ary sao dia vokatry ny pollution be loatra ataon'ny zanak'olombelona izao.
12. ravakamalala ( 23/04/2007 19:49)
io voalazan i piste io mihitsy!

fa ilay hoe tsy sitrak Andriamanitra ny fahafatesana, ilay fahafatesana ara-panahy io teneniny io fa tsy ny fahafatesana physique, fahafatesana tsy irian Andriamanitra dia ilay ataohoe "mort spirituelle", izany hoe ny fialana Aminy.
13. fijo ( 25/04/2007 05:16)
fialana bala wa izany.rehefa ratsy dia ratsy ,fa tsy ahodina hoe avelany indray aloha satria misy tiany sy takiany.ny zaza maty any irak ve de avelany???? raha izay dia minoa tahaka ahy fa fopla io
14. majesty ( 25/04/2007 05:45)
hoy ravakamalala:

"Dieu permet le mal pour un grand bien"


tsy ao anatin'ny soratra masina io teny io fa fomba fiteny tsotra fotsiny araka ny fahendren'olombelona,tahaka an'ireny loha-hevitra any amin'ny filôzôfia ireny dia azo atao tsara ny mamaly azy araka ny fijery maha olombelona ihany koa,ny volamena rehefa sedraina amin'ny afo dia maika mamiratra,ny fomba fiteny malagasy indray dia hoe ao anatin'ny mangidy no misy ny mamy,dia anjaranao ny maka izay mahasoa anao amin'ireo:D
15. prime ( 25/04/2007 13:25)
Marina tokoa izany, tsy ao anatin'ny soratra masina io...
16. Rasiligaoma ( 25/04/2007 23:35)
ikaretsaka:

"Dieu permet le mal pour un grand bien"

"fa tsy mitondra antsika misedra izay tsy zakantsika ny tompo" (st Francois de Sales)

ekena


17. ravakamalala ( 26/04/2007 13:16)
prime sy majesty > f'angah nisy niteny hoe tao amin ny soratra masina io?

eritreritrin ny mpandinika io, azo mbola alalinina tsara, azo toherina azo ekena, araka ny fahalalana sy ny traikefan ny tsirairay.:wink:
18. niryna ( 26/04/2007 18:00)
kiranil>misaotra nizara.Tsy ny soa ihany no azo avy amin'Atra fa misy ihany koa zavatra izay noheverintsika fa ratsy kanefa misy antony tian'ny Tompo ampiova antsika ao.Izay no mahatonga ny teny hoe mivavaha mandrakariva na amin'ny inona izany na zavatra inona no mety hitranga amin'ny fiainana.Ny fahoriana sy ny adin-tsaina mangirifiry no matetika mitady an'Atra ny olona rehefa mandeha tsara ny fiainany dia somary manadino ny fahasoavana nomeny ny olona.
fijo>variana ny manohitra ny tenin'ny Tompo foana ianao,tsy manery anao ny hino azy aho kanefa malahelo anao aho fa tsy mety miova fo ianao.Inona ny zavatra tena mikiky ao am-ponao ka mahatonga ny fankahalanao ny Tompo?Efa nitolona na niady mafy tamin'ny fiainana ve ianao ka tsy nahita valiny?Manantona Azy fa hitany isan'andro anie izay ataontsika e.:*
(l)niryna
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0423