Mpivavaka mihambahamba

41. ikaretsaka ( 04/05/2007 12:43)
ka jiosy Mazesty sa kristianina?:roll:
42. cutie ( 04/05/2007 20:17)
Efa fantatra kosa akia io fa mety hoe ny olona no tsy te ahalala na mody tsy mahalala a,ohatra fotsiny,manontania amin'ny namana izay mipetraka any Palestina any,satria ny Jiosy no efa nitandrina azy io hatrizay ka hatr'zao,dia lazao azy hoe andro inona ny Sabata hoe fa tonga dia omeny valin-teny mahafa-po njiko

nga tsy efa silamo zao ny palestine ?:roll:
43. majesty ( 08/05/2007 14:22)
hoy ikaretsaka:

ka jiosy Mazesty sa kristianina?


Kristy ange ka Jiosy e,ary nikasa hanitsy ny lalan-ndison'ireo Raby sy Mpanora-dàlàna ary Fariseo kanefa tsy neken'ireo noho ny tsy finoana dia naleony nifidy mpianatra 12 hafa mihitsy mba ahafahany manitsy izay fahadisoana teo amin'ny finoana Jiosy izay,donc mazesty manaraka an'izay fanitsiana nataon'ilay Kristy Jiosy izay:D


hoy cutie:

nga tsy efa silamo zao ny palestine ?



tsy dia izy rehetra no silamo ka,:D
44. cutie ( 08/05/2007 18:08)
fa iza avy :D
45. niryna ( 09/05/2007 06:36)
cutie:

fa iza avy :D

Tena feno ary mianaka erak'izao tontolo izao ny silamo.Toy ny rehetra ihany dia misy ry zareo tsara ary misy tena mamono olona maro ka ny kristiana no vonoiny sy izay tsy mitovy fivavahana aminy.Tsy dia atao mahagaga io satria na samy kristiana koa aza dia nifamono taloha na hatramin'izao.

46. cutie ( 09/05/2007 20:26)
ohtran'ny we efa tany ery anie ry majesty @ zany e :-D
47. majesty ( 10/05/2007 08:44)
cutie:amin'izao andron'ny fanatontoloana izao kosa ve akia dia mbola tsy aharaka an'izany ihany njy,aleo atao ary hoe any Israel e,dia amin'zay angamba moramora amin'njy ny mandray azy:D:D
sa hiaraka ho any angah ntsika?
48. cutie ( 11/05/2007 01:29)
ho faty any ko a
ndana majesty rery mandeha any :-D
49. Rasiligaoma ( 11/05/2007 01:50)
majesty> Nihambo ny tenany ho mpanjakan'ny jiosy hono .... fa ho'zy i Pilatus hoe izay voasoratra dia voasoratra
50. majesty ( 11/05/2007 08:07)
cutie:ary matahotra ny ho faty kay njy an,fa angah tsy mbola azo antoka ny ho avy,minoa fotsiny wa :D

Ka tsy neken'ndry zalahy mpiray tanàna hoe Mpanjaka izy dia nolazain-ndry zalahy i Pilato hoe aleo ovaina le soratra fa tsy atao hoe Mpanjakan'ny Jiosy.

"Ary noho izany ny lohan'ny mpisorona tamin'ny Jiosy dia nanao tamin'ny Pilato hoe,Aza soratana hoe Mpanjakan'ny Jiosy,fa izao izy no nilaza hoe Mpanjakan'ny Jiosy aho" jao 19:21:D
51. cutie ( 11/05/2007 20:51)
Mpandefa : majesty [ Valio ] 11-05-2007 10:07:38
Lohateny : Re : Mpivavaka mihambahamba
cutie:ary matahotra ny ho faty kay njy an,fa angah tsy mbola azo antoka ny ho avy,minoa fotsiny wa

majesty :D:D:D:D:D:D
52. ikaretsaka ( 11/05/2007 20:57)
le loandohan'ny mpisorona no tena mpamaky baib..... oooooops "soratra masina" be t@ izany fa tandremo an
53. majesty ( 14/05/2007 09:33)
Ié,marina izany fa ny tena nampalahelo ny Tompo dia ny fahitany fa fahalalana ara-tsaina fotsiny ny fandinihan'ireo lohandohan'ny mpisorona ireo ny tenin'Atra fa tsy hampihariny amin'ny fiainany,ka na dia efa naminany ny hiavian'ilay Mpamonjy aza ny bokin'Isaia,izay boky famakin'izy ireo dia mbola ry zareo ireo mihitsy no nikotrika ny fanomboana an'ilay Mpamonjy teo amin'ny hazo fijalina,dia mba eritrereto amin'zany ny fomba fiainan'ireto grand @ tanana taloha ireto:D
54. xxx ( 06/07/2007 12:30)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 11-05-2007 22:57:13
Lohateny : Re : Mpivavaka mihambahamba
le loandohan'ny mpisorona no tena mpamaky baib..... oooooops "soratra masina" be t@ izany fa tandremo
an

Ikaretsak>>> : t@ izany fotoana dia tsy ny mpisorona ihany fa na i Jesoa koa aza ange mba mpamaky Soratra Masina be mihitsy é. Raha tsy izany ve hahay tsianjery an'izao toko sy andininy rehetra izao. :D:D:D:D
Ireo mpisorona aza no tsy dia mpamky ka ampatsiahivin' i Jesoa azy ireo foana hoe " Fa voasoratra hoe , fa tsy mbola novakianareo ve, sy ny sisa ...." . Ireo mpisorona manko miseho hoe mpivavaka kanefa TSY MPAMAKY NY SORATRA MASINA akory;
DE IZA ARY NO MITOVY AMINTSIKA : KRISTY MPAMAKY SORATRA MASINA VE ( KA ISAKY NY MIHETSIKA DIA TOKO SY ANDININY ) SA NY MPISORONA MISEHO HO MPIVAVAKA KANEFA TSY MAHAY NY SORATRA MASINA ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.11