Fitsarana: Resy Rolland Ratsiraka, mikorontana i Toamasina.

21. piste ( 26/04/2007 20:16)
Tsy ny ratsy ry zandry no ifaninana fa matoa ny olona niala t@ Ratsiraka dia efa leo ny nataony. Kanefa dia izao diso fanantenana izao. Ary ny loza dia ratsiratsy kokoa noho ny an-Dratsiraka no nataon'ity raika lahy ity.
22. paris10 ( 27/04/2007 15:26)
fa inona marina no ataon'i ra8 e?ny hita zao dia mahavita fivoarana izy,mampandroso ny orin'asany izy sady manome asa ho an'ny gasy, manosotra savoka ny fireneny fa tena vasoka be le izy nandritran'ny firy taona!ny zaza mianatra avy no holavina nefa bado be ny gasy?
23. TFP ( 28/04/2007 06:48)
mim:

ary ahoana ko leity ireo vola nanjavona ireo?ny tanana navelan'lery feno fako,ny haretina tonga d nitsaoka leiry lé!ary fa nahoana leity no aty andafy no nanaovana ny fiterahan'ny vadiny?vola taiza daholo ireny leity?

Ny olana anie tsy i Roland Ratsiraka e! Manana ny mpisolo vavany izy ary miaro ny tenany arak'izay azony atao fa tsy anjarako no mamaly izany. Fa i Roland tsy i Didier ka aza enjehina ambolony fotsiny izy ary manaova ianareo famotorana sy fanontaniana tsara vao mitsara fa aty anie ka izay tsy andevon'dRa8 dia mangina raha tsy te higadra'e!. Ka hoy aho hoe aoka isika ho malina sy objectif sa raha vao voadaka eo koa i Ra8 dia hatrany @ zafikelin'i Sarah mbany ry Josoa dia ho gadraina ambolony fotsiny koa satria hoe manam-bola sy nifolaitra ny babany?
Tsy asiako resaka intsony ny @ iny satria tsy i R. Ratsiraka no harovako fa fanaparampahefan'i Ra8 no kianiko. Samy manana ny fijeriny ny olona, ary milaza aminareo fotsiny aho fa ny akamaroan'ny olona an-tampon-tananan'i Toamasina dia mahita sy mahatsapa fa mihetraketraka ny fitondrana @ io raharaha R.Ratsiraka io. Ary izay tsalo rehetra aty zao dia efa misy "marika" toy ny jiosy tao Parsa t@ andron'i Hitler.
piste:

Tsy ny ratsy ry zandry no ifaninana fa matoa ny olona niala t@ Ratsiraka dia efa leo ny nataony

Mihombo-kevitra 100% @ Piste aho, ary tsy misy miteny anie aho hoe avereno i DD Rastiff na i Roland atao filoha e! Fa hoy fotsiny aho hoe aza enjehina ambolony ny olona ahafahanao manapatra ny sitraponao ary Ra8 anie ka tsy i Andriamanitrareo kristiana ka hoe "atao ny sitrapony ety an-tany tahaka ny any an-danitr'e". Izaho aloha tsy nanao faneke-pinoana t@ iny e!
paris10:

...ny hita zao dia mahavita fivoarana izy,mampandroso ny orin'asany izy sady manome asa ho an'ny gasy, manosotra savoka ny fireneny fa tena vasoka be le izy nandritran'ny firy taona!

I Paris10 a! diso ianao raha milaza fa "manome asa ny gasy izy" satria manome asa ny gasy manaiky ho mpiasany sy alikainy izy fa ny sisa rehetra dia na ny apango hoanina (@ ilay hoe mihinan'ny apangony) aza tsy misy. Ary ity savoka lazainao anie ka "make-up" abony tsikoko e! Nareo any Parsa sy any ampita mantsy tsy mahita hafa tsy ny voalazan'ny gazety fa aty anie ka enjana dia enjana ny fiainan'e! Ary ny kolikoly izay dradradraina fa henjehana tsy mbola nirongatra tahak'izany!
paris10:

ny zaza mianatra avy no holavina nefa bado be ny gasy?

Tandremo, tsy milaza aho hoe ratsy avokoa ny nataon-dRa8 fa na i Zafy koa aza anie ka mba namela ny tena atao hoe fanaovan-gazety hisokatra fa tsy milaza izany fa filoha tsara izy. Ity anareo iray ity dia kapoka iray @ Deba @ rehetra :fanaparam-pahefana, fanitsakitsahana ny olona sy ny lalàna, sns... ka tokony hijanona @zay koa e! Tsy tokony mahazo miverina mihitsy izany ny mandat présidentiel fa mampipoaka ny lohan'ireo « misy saina » rehetra ireo e!
Mba azonareo veroka ve hoe gadrain'ilay kely-kizitina iny i Ségolène na i Bayrou raha lany eo izy, dia hanaiky izany ny frantsay? Isika anefa dia manaiky satria minono fotsiny ihany.
24. paris10 ( 28/04/2007 07:42)
aiza kosa ry tfp dia izay miasa rehetra ao @tiko ve dia andevon'i ra8 daholo?misy lalàna ny toeram-piasana rehetra ary izy tsy manaraka izany dia voasazy,zà tsy mino ny gazety,fantatra fa mpanitatra ireo,scoop daholo na ny tsy marina aza,fa momba ny zaza mianatra ange ka misy ny niteny hoe"tambazana @ kitapo kely, tablier, trousse kely" izy ireo,naroso ho "obligatoire" ny mianatra antsekoly eny @ epp,iza sy aiza no tsy hanekena izany?fa izay rehetra ataon'ny fitondrana dia kianina daholo ve?ny zanakin'ny mpanampinay aza nalefako,voatery ny reniny miasa no manatitra sy maka azy ary mijanona tontolo andro ao aminay izy, satria ilaina ny fahaizanao manoratra ny anaranao sy manao sonia.marina ange fa isika tena mibaby e!ny fahitako azy dia ny fahalalahana miteniteny foana no eto.
25. tamberina ( 28/04/2007 11:36)
iza koa no andevon'i ra8?sanatria izany!ianareo angamba !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0565