Finoana, fanahy, nofo...

41. prime ( 27/04/2007 14:53)
xxx:
prime a, izaho tsy dia mahay fivavahana izany, simple ny fiainako, rehefa tsy manao ratsy olona fotsiny izaho dia izay ny fivavahako. Mazotoa ianareo tia mianatra sy mamaky baiboly fa ny fiainana efa sarotra vao miasa komplikéna @ fivavahana indray.... an2
... Misaotra xxx a, tena zavadehibe izany ambaranao izany... fa ilay resaka eto moa dia fandinihana lohahevitra fa dia ialàko tsiny raha lasa lavitra loatra indray2 ka toa komplike tokoa no fahitàna azy... fa ny irariako fotsiny dia mba hahita ny voninahitr'Andriamanitra isika tsirairay avy ka omeny ny fitiavany sy ny fahasoavany feno mba hiainantsika ao amin'ilay fiadanany amin'ny anaran'i Jesosy Kristy...

Ao amin'i Jesosy no tena misy fiadanana dia izay no mba ezahina ampitaina...
42. prime ( 30/04/2007 08:38)
Raha ny fahitàko azy dia tokony hanamora ny fanafoanana ny fomba toy izao tokoa ny fivavahana (kristiana aloha no tena tiako ambara)... mandrak\'ankehitriny nefa dia mbola ady mafy atrehina izy io... eo no tiako iaingan\'ny adihevitra manao hoe, raha tena fivavahana miorina amin\'i Kristy tokoa no iainan\'ireto kristiana any erythrée ireto maninona no sarotra ny manafongana ny fomba toy izao?
43. Rasiligaoma ( 30/04/2007 16:28)
madagasikara, frantsa aloha banjinina.

raha tena kristianina miorina amin'i kristy ny any madagasikara .. ahoana no maniry sy miady ny mpino? ary rehefa sorena dia manangana fiangonana ho azy manokana?
raha milaza ho kristianina ny reny malala, maninona no ampijaliany ny zanataniny fahiny?
44. prime ( 02/05/2007 13:15)
rasily> Madagasikara dia ekeko fa raha i frantsa dia aoka aloha handeha isan\'ambaratongany... fa aoka tsy hadino fa manomboka amin\'ity taona 2007 ity ny mission évangélique lehibe ankehitriny antsoina hoe JKM tarihin\'ny FJKM...
rasily:
raha tena kristianina miorina amin\'i kristy ny any madagasikara .. ahoana no maniry sy miady ny mpino?
... Maniry sy miady ahoana indray izany? hafa indray izany fahitànao azy izany...:lol:
rasily:
ary rehefa sorena dia manangana fiangonana ho azy manokana?
...:-D:-D Midira lalindalina kokoa dia mety ianao ihany dia hahavaly ny mahatonga izany...:-D:-D
rasily:
raha milaza ho kristianina ny reny malala, maninona no ampijaliany ny zanataniny fahiny?
... Frantsa renimalala tsy kristiana izany fa sao diso lalana aza ianao... sao hadinonao ny fototra niorenan\'ny \"révolution française\"... ary @ samy pays européens dia Frantsa no lohalaharana amin\'ny tsy finoana intsony an\'i Kristy fa mampiorina ny fahalalàna araka ny \"raison\"... any Frantsa anie ny fiangonana à 75% efa \"musée\" sisa e... ary raha misy mpivavaka aza dia \"par traditions et coutumes\" fa raha anontanianao marina dia tsy misy finoana an\'i Kristy izany intsony ao...
45. Rasiligaoma ( 07/05/2007 14:38)
Hoy i rasily:
ary rehefa sorena dia manangana fiangonana ho azy manokana?


prime:
... Midira lalindalina kokoa dia mety ianao ihany dia hahavaly ny mahatonga izany...


ny ahy tsotra ihany ny fandraisako an\'io. Raha mandeha lalindalina na ara-tantara na ara baiboly, dia tokana ihany ny fiangonana naorin\'i Jesoa ary i Piera no nataony ho nitarika izany ary na i paoly na iza na iza ..hatramin\'ny taonjato faha 15 na tsy nitovy hevitra aza, dia nankato an\'io rafitra io foana.
raha tsy nety ilay izy ohatran\'ny hoe miady i dadanareo sy i mamanareo, raha tena kristianina dia tsy ny fanaovana divorsa no vahaolana fa ny fitadiavana ny zavatra hifandraisan\'ilay tokantrano foana!

raha vao hafa dia amiko tsy naorin\'i Kristy fa nanorin-tena manokana fa mody i kristy fotsiny no atao bouclier sy tohatra fiakarana.

ary raha raisina ny dikan\'ny propesta dia manohitra
ka tsy maintsy \"hanohitra\" izay lazaiko izay ihany foana izao fa hitako eto
46. prime ( 09/05/2007 15:30)
Sady eny no tsia... i Petera no notendreny ho vato iorenan\'ny fiangonana...
eny ary izy no Mpitarika ireto mpianatra rehefa tsy teo intsony Jesosy niakatra handray ny fahefàny feno...
eny ihany koa raha ny fiangonana kristiana tao Roma voalohany no atao referansa...

Tsia satria rehefa antitra i Petera dia i Paoly no nandray an-tanana ny fitandremana ny fiangonana rehetra tany Roma, Korinto, Efesosy, Galatia, Tesalonika, Jerosalema, Jodia sy Samaria... sy ny rehetra niely eran-tany ka nanendreny Mpitandrina tamin\'ny sasany tamin\'ireo toa an-dry Timoty sy ry Titosy...
tsia satria na mbola teo aza Petera dia efa nahitsin\'i Paoly ny fampianarana sasany nentin\'i Petera mikasika ny fampianarana rehetra avy amin\'i Kristy ho an\'ny jiosy irery ihany ary nanitsian\'i Paoly izany fa ny filazantsara dia natao ho an\'ny jentilisa ihany koa ka niantsoana an\'i Paoly ho Apostolin\'ny jentilisa...
tsia satria tsy niady velively i Petera sy Paoly sy Jaona ary Matio, izay tena Apostoly nanana fahendrena ka nihazona an-tsoratra ny ankamaroan\'ny fampianaran\'i Kristy... ka na dia samihafa aza ny fomba nitondran\'izy ireo ny fampianaran\'i Kristy dia hita ho mafonja ny herin\'ny Vaovao Mahafaly izay niorina tamin\'Izy ilay tena Mpampianatra marina nidina tety an-tany hamonjy izao tontolo izao, fa tsy tamin\'ny fomba amam-panao...
47. niryna ( 10/05/2007 07:03)
prime:

. fa ny irariako fotsiny dia mba hahita ny voninahitr'Andriamanitra isika tsirairay avy ka omeny ny fitiavany sy ny fahasoavany feno mba hiainantsika ao amin'ilay fiadanany amin'ny anaran'i Jesosy Kristy...

Ao amin'i Jesosy no tena misy fiadanana dia izay no mba ezahina ampitaina...

prime>misaotra betsaka nandany andro sy fotoana nanazava anay.Ny faniriako koa dia ny ahavonjy antsika rehetra sy ny hitaona ny namana mba hanantona sy hanaradia an'i Kristy.Izy ity moa tsy antery kanefa manana adidy sy andraikitra izay mahafantatra na dia kely sy bitika aza ny zavatra fantany dia efa tena zava-dehibe izany.Raha mahalala mantsy ny tena kanefa tsy mampahafantatra dia ny tena indray no hadinina amin'izany.
Ho Azy irery ihany anie ny dera sy ny laza ary ny voninahitra.^:^^:^

48. prime ( 10/05/2007 11:09)
Tsy misy fisaorana ry niryna... ianao koa no tena isaorana tsy mitsahatra mitondra amim-pahasahiana hatrany ny hafatr'Andriamanitra etoana... Mahereza hatrany...

Ho an'Andriamanitra irery tokoa anie ny dera sy laza ary ny voninahira...
49. Rasiligaoma ( 10/05/2007 22:48)
Jesus avait formé une église pas 2! ary tsy izy no ni reformé azy fa olona hafa sorena t@ ilay naoriny
dia iza no inoana kokoa .. Izy sa ilay olona hafa?8O

Tsia satria rehefa antitra i Petera dia i Paoly no nandray an-tanana ny fitandremana ny fiangonana rehetra tany Roma, Korinto, Efesosy, Galatia, Tesalonika, Jerosalema, Jodia sy Samaria... sy ny rehetra niely eran-tany!


Poy! i Linus no nandray ny fitandremana! dia avy eo i Clement, Evariste.........dia nitohy dia nisy an'i Jean paul 2, Benoit16...

Misionera i Paoly ka!:lol:
50. prime ( 11/05/2007 11:16)
rasily:
Jesus avait formé une église pas 2!
... dia iza no inoana kokoa .. Izy sa ilay olona hafa? Non, Jésus n\'a pas formé mais BATI, non une église mais une assemblée... araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Kristy :

\"Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera*, ary ambonin\'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako**; ary ny vavahadin\'ny fiainan-tsi-hita*** tsy haharesy azy. [*Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [**Gr. eklesia] [***Gr. Hadesy]\" Matio 16:18
\"Et moi aussi, je te dis que tu es Pierre ; et sur ce roc je bâtirai mon assemblée, et [les] portes du hadès ne prévaudront pas contre elle.\" Matthieu 16:18
rasily:
ary tsy izy no ni reformé azy fa olona hafa sorena t@ ilay naoriny
... Tena diso tanteraka izany fampianarana izany fa tsy nisy resaka fahasorenana na dia kely aza ny fototra niaingàn\'ny reformasiôna fa ny fametrahana rafitra sy lalàna teo anivon\'ny fiangonana katôlika t@ fotoan\'androny izay sady tsy ara-tsoratra masina intsony no nanohitra ny tenin\'Andriamanitra rahateo ary lasa nametraka olona mihitsy aza ambony noho i Kristy...:wink: ny fanarenana sy ny fanavaozana (refôrmasiôna) dia teo anivon\'ny fiangonana katôlika ihany (fa tsy olona hafa izany tsy akory), no niaingàny fa rehefa niziriziry t@ heviny ny \"eglizy\" dia tsy maintsy notoriana Kristy sy ny tsy fahamarinana rehetra teo anivon\'ny fiangonana katôlika... ka aza avadika ny tantara fa izay tena zava-nisy jerena... \"soyons honnête!!!...\"
rasily:
dia iza no inoana kokoa .. Izy sa ilay olona hafa?
...:-D:-D Iza no hafa ankoatran\'i Kristy? ny Papa? sa i Maria?:-D
rasily:
Poy! i Linus no nandray ny fitandremana! dia avy eo i Clement, Evariste.........dia nitohy dia nisy an\'i Jean paul 2, Benoit16...
... fampianarana katôlika izany fa ny Apostoly dia 12 ihany ara-tsoratra masina... ary mbola nifandimby ireo vao niampita ny fitondràna ny fiangonana, tsy nisy Linus izany ao anatin\'ny soratra masina fa mbola tao aloha ny Apostoly Paoly sy Barnabasy... tao ry Lioka sy ry Marka... ry Titosy...
rasily:
Misionera i Paoly ka!
... Fa ny Apostoly angaha moa tsy Misiônera?:wink::-D
Izay ilay resahiko hoe aza izay fampianaran-diso any amin\'ny fiangonana any ambara fa izay marina...

Izao no voasoratra amin\'ny anaran\'i Kristy :

\"Fa nony nahare izany ny Apostoly, dia Barnabasy sy Paoly, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitsarapaka nankeo afovoan\'ny olona sady niantso nanao hoe:\" Asan\'ny Apostoly 14:14

\"[Fitarihan-teny] Paoly, mpanompon\'i Jesosy Kristy, voantso ho Apostoly, voatokana ho amin\'ny filazantsaran\'Andriamanitra,\" Romana 1:1

\"[Teny nentin\'i Paoly namaly izay nanohitra sy nanevateva ny fahefany ka azy tsy ho Apostoly marina] Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin\'ny hamoram-panahy sy ny fandeferan\'i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.\" II Korintiana 10:1

\"[Fiarahabana] Paoly Apostoly - tsy avy tamin\'olona, na tamin\'ny alalan\'olona, fa tamin\'ny alalan\'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin\'ny maty -\" Galatiana 1:1

\"[Fananarana ny Galatiana noho ny fivadibadihany, sy ny fanambarana ny mah\'Apostoly an\'i Paoly] Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin\'izay efa niantso anareo tamin\'ny fahasoavan\'i Kristy ho amin\'ny filazantsara hafa,\" Galatiana 1:6

\"[Ny nandeferan\'i Paoly tsy hovelomin\'ny fiangonana tao Korinto] Tsy olona afaka va aho? Tsy Apostoly va aho? Tsy efa nahita an\'i Jesosy Tompontsika va aho? Tsy asako ao amin\'ny Tompo va ianareo?\" I Korintiana 9:1

... Ka aoka etsy ka ianao indray rasily no hamorona sy hamerina ny tantara ho mpanenjika ny Apostolin\'Andriamanitra a...:)
51. ikaretsaka ( 11/05/2007 19:24)
Hoy i rasily:
Jesus avait formé une église pas 2!
... dia iza no inoana kokoa .. Izy sa ilay olona hafa? Non, Jésus n'a pas formé mais BATI, non une église mais une assemblée... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :


ka na forme io na bati na tolana na varavana (azafady fa kay moa resaka fivavahana ny ato fa tsy trano) UNE ilay izy fa tsy 2 na 10 na 100 na bedebe ohatran'ny anana!

ny ahy rankizy tsotra ihany an, rehefa eritreretinao hoe simba ilay izy na tsy mety, dia hivavaho mba tsy ho simba na hiety, na amboary , fa tsy isintahana!
52. prime ( 15/05/2007 09:29)
Ika: Tsy ny Pretra Lotera no te-hisitaka fa ny eglizy no nandà ny fanatsaràna ary ny famerenana ny fiangonana tamin'ny lalana marina... rehefa tsy nety nandray azy ny Papa ary namotsitra azy ho tsy ho fiangonana intsony (ex-communiation) ka nilaza t@ lotera fa ny eglizy mbola ambonin'ny soratra masina (baiboly) dia tsy nijanona teo izy fa nitory tany @ fiangonana izay nanaiky niara-nahita ny fahamarinana ara-tsoratra masina nataon'i Lotera no sady nanatonta (édition) ny baiboly mba ho azon'ny olona tsotra vakiana... (satria t@ izany fotoana izany ny baiboly dia ny Pretra sy ny mpandraharaham-pivavahana ary ny Eveka sy ny kardinaly ihany no mahazo mamaky ny baiboly...)

Misy dikany ny teny ry Ika fa tsy tenitenenina araka izay tianao ilazàna azy a... misy antony ny nilazàna ny fanorenana ny fiangonana fa tsy hoe terena fahatany hoe former=batir... Jesosy no miteny fa aza adino... izay ilazàny azy no tena heviny fa tsy izay fiheverana sy interprétation mety2 amin'ny olona...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6856