Tsy eken'ny EKAR ny...

41. prime ( 03/05/2007 08:30)
ikaretsaka:
ka ilay fomba amam-panao anie nolovaina t@ Kristy sy ny dimbiny fa tsy namboarin\'i lotera sy i kalvino e! izay ny olana
Ny tompo no namorona azy nanoro aantsika hoe izao no atao, dia avy eo nampitainy t@ apostoly sy ny dimbiny .. ka atao ahoana ny tsy hanao ny zavatra nasain\'ny tompo natao sy noforoniny?
sa ny an\'i Lotera sy kalvino mbola avo lavitra?
... Ny fifohazam-panahy tsy resaka fomba amam-panao fa fifohazana amin\'ny torimasom-pinoana sy torimasom-panahy ka iverenana amin\'Izy Kristy feno... Raha ny eto Madagasikara dia toby 4 ihany no tobim-pifohazana lehibe... efa nolazaiko indray mandeha ary nataoko tsy lian-tsofina ao ambony ao, fa raha ny Katôlika dia Pretra 1 sy relijiozy 13 (Pretra ao amin\'ny EKAR Faravohitra ary eken\'ny rehetra fa tena Mpiandry nahafeno ny fepetra) ihany ankehitriny no Mpiandry nahavita fiofanana feno tamin\'ny iray tamin\'ireo toby ireo teto Madagasikara...

Mila mamaky ny tantàran\'ny tobim-pifohazana ise raha izany fa ny toby dia tsy nandalo an\'i Lotera sy Calvin ny niaingàny raha ny eto Madagasikara aloha fa niainga avy amin\'ny fifandraisan\'ireo Mpaminany mivantana tamin\'i Jesosy Kristy, nisy tamin\'ireo niofana tany an-danitra mivantana, nisy tamin\'ireo nitsangana tamin\'ny maty imbetsaka, nisy tamin\'ireo niofana teto an-tany mivantana tamin\'i Jesosy... ny tokana itoviany dia Jesosy Kristy ilay nanosotra azy ireo mivantana ho Mpaminany no nanorina ny toby ary mampiely ny asan\'Andriamanitra isam-piangonana...
toby # centre de recollection, toeram-panasinana, centre de retraite, centre de reclusion, monastère, faculté... ny fiangonana protestanta ihany koa na ny FJKM aza dia manana toerana fitokanana fandinihan-tena fa tsy izany no antsoina hoe toby... na ny FJKM aza ankehitriny dia tsy manana toby...
ikaretsaka:
ary ny fombafomba anie ry prime ka tsy hoe teny ratsy ary voalaza tsara ao anaty baiboly koa ny tokony hanarahana azy ee
Korintianina voalohany toko faha 11,2 miteny hoe aza miala amin\'ny fombafomba
ary averimberin\'i paoly rehefa manafatra an\'i timoty izy!
... Averiko fa raha ny fombafomba dia samy manana ny azy ary samy manana ny mahaizy azy araka ny zava-nisy t@ andro fahiny niangàny ka nanoroan\'i Kristy ny Apostoly... fa ny resahiko tsy fombafomba fa fiainana sy fanahy... ny lohalaharana amin\'Andriamanitra dia tsy ny fombafomba fa ny fibebahana (miaraka amin\'ny vavaka sy ny fifonana) sy ny finoana ary ny fanajàna ny didiny maneho ny tena fitiavana Azy... araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

« Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin\'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. » (1 Jaona 2:15)
« Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an\'Andriamanitra* izany no ahafantarantsika fa ao aminy isika. [* Na: ny fitiavan\'Andriamanitra] » (1 Jaona 2:5)
« Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian\'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. » (Jaona 14:21)
ikaretsaka:
.. samy mivavaka no atao any ary samy fikolokoloana ny fanahy !
sa le rehefa tsy ireny le an\'ny fifohazana ireny dia tsy izy?
... Ekena, fa ny toby tsy izany ihany no asany...

Tena lasa HS be izaho teto fa tsy maninona... angamba tsara anokafana lohahevitra mihitsy ny atao hoe fifohazam-panahy sy ny tobim-pifohazana...
42. ikaretsaka ( 04/05/2007 04:35)
eha nivalana sy HS ihany moa izy ity, na saika hafindrako sy taritiko @ lohahevitra hafa , saingy efa ato ka dia andao ary!:wink:

.. Ny fifohazam-panahy tsy resaka fomba amam-panao fa fifohazana amin\'ny torimasom-pinoana sy torimasom-panahy ka iverenana amin\'Izy Kristy feno...


iza no nifoha dia iza no natory aloha, dia ahoana ny ilazana hoe ity nifoha dia ity natory (efa haiko fa andeha indray eo ilay principe hoe rehefa tsy zahay dia tsy izy)

Mpiandry nahafeno ny fepetra

fepetra ahoana? fepetra avy aiza, fepetra namboarin\'iza? dia iza no nanao hoe izao avy no fepetra vao izy?

Mpaminany mivantana tamin\'i Jesosy Kristy, nisy tamin\'ireo niofana tany an-danitra mivantana, nisy tamin\'ireo nitsangana tamin\'ny maty imbetsaka,


Mila mamaky ny tantàran\'ny tobim-pifohazana ise raha izany

efa namaky aho ka.. dia ise koa mila mamaky tataran\'olomasina raha izany
Samy manana koa manko , ny an\'ny katolika io dia bedebe koa ny \"niofana tany an-danitra imbetsaka sy nitsangana t@ maty imbetsaka..\" (st padre pio, st francois d\'assise, Md Dominika, sns...)

ary nisy koa hoe jesoa kristy no nampanangana ireny monastera ireny amin\'ny Katolika, ary tsy efatra ihany ny toby( aleo atao hoe sanctuaire fa sao mifangaro) fa maro tokoa ary erak\'izao tontolo izao fa tsy madagasikara fotsiny.

fa ny resahiko tsy fombafomba fa fiainana sy fanahy... ny lohalaharana amin\'Andriamanitra dia tsy ny fombafomba fa ny fibebahana

Tian\'i prime mihitsy ity mandeha ilany ity:wink:
Marina .. saingy io ilay tenenina foana an\'i prime hoe miaraka sy mifameno ireo fa tsy afaka mandeha ila (tahakan\'ny kiraron\'i beminaha) , . jereo fa Ny Tompo koa dia nanaraka ny fomba tokoa, ohatra...natao batemy, natolotry ny ray amandreniny tao an-tempoly...
ary voalaza ara tsoratra masina fa na nibebaka ara panahy koa aza ny olona, dia nisy fomba nataony sy narahiny koa nanaraka izany [lavenona ohatra]
43. prime ( 09/05/2007 09:00)
ika:
iza no nifoha dia iza no natory aloha, dia ahoana ny ilazana hoe ity nifoha dia ity natory (efa haiko fa andeha indray eo ilay principe hoe rehefa tsy zahay dia tsy izy)
... Ny olona mila mibebaka mbola miaina ao anatin\'ny ota sy ny kristiana \"tsy mafàna no sady tsy mangatsiaka\" voalazan\'i Kristy manao hoe :

\"15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao.16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan\'ny vavako ianao;\" Apokalypsy 3:15-16

...sy ireo kristiana mbola voafatotra ao sy mbola tia ary mifikitra amin\'izao tontolo izao na dia efa vita batisa sy mpandray aza, eny mety efa manana andraikitra ambony mihitsy eo amin\'ny fiangonana aza araka ny voasoratra hoe :

\"15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin\'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.16 Fa ny zavatra rehetra eo amin\'izao tontolo izao, dia ny filan\'ny nofo sy ny filan\'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin\'ny Ray, fa avy amin\'izao tontolo izao ihany.\" Jaona 2:15-16
ika:
fepetra ahoana? fepetra avy aiza, fepetra namboarin\'iza? dia iza no nanao hoe izao avy no fepetra vao izy?
... Fepetran\'i Kristy r\'ise a...
ika:
efa namaky aho ka.. dia ise koa mila mamaky tataran\'olomasina raha izany
Samy manana koa manko , ny an\'ny katolika io dia bedebe koa ny \"niofana tany an-danitra imbetsaka sy nitsangana t@ maty imbetsaka..\" (st padre pio, st francois d\'assise, Md Dominika, sns...)
... Efa imbetsaka aho no mamerina ary tsy ifaninana io fa rehefa tsy manana dia tsy manana rehefa manana dia manana...

Ireo olo-masina resahin\'ise ireo, fototry ny franciscain sy ny capucins sy ordre des frères prêcheurs mpanenjika ny kristiana tsy mitovy hevitra aminy na tsy katôlika (hérétique)... dia aoka aloha marihina fa mbola olombelona ohatr\'ahy sy ianao ireo nanao asa soa mihoatra noho ny hafa, mety ho nanao fahagagàna koa angamaba fa tsy voatonona ao amin\'ny fahagagàna nataon\'ny sasany na dia indray mandeha aza ny anaran\'i Kristy... ary mbola olombelona ihany koa no no manendry azy (canonisation) ho olontsambatra na ho olomasina...

Ny noresahiko mikasika ireo toby ireo sy ny Mpaminany tamin\'izany toby izany dia Kristy velona tao amin\'ireo Mpaminany ireo ary nitory an\'i Jesosy ary niady tamin\'i satàna mivantana... fa tsy resaka canonisation ho olomasina akory... samihafa mihitsy ny resaka resahinao sy resahiko izany...
ika:
ary nisy koa hoe jesoa kristy no nampanangana ireny monastera ireny amin\'ny Katolika, ary tsy efatra ihany ny toby( aleo atao hoe sanctuaire fa sao mifangaro) fa maro tokoa ary erak\'izao tontolo izao fa tsy madagasikara fotsiny.
... Averiko indray tsy monasitera na karazana centres ny tobim-pifohazana... ary eto Madagasikara ny foiben\'ireo maneran-tany...
ika:
Marina .. saingy io ilay tenenina foana an\'i prime hoe miaraka sy mifameno ireo fa tsy afaka mandeha ila (tahakan\'ny kiraron\'i beminaha) , . jereo fa Ny Tompo koa dia nanaraka ny fomba tokoa, ohatra...natao batemy, natolotry ny ray amandreniny tao an-tempoly...
... :-D:-D Mamorona sisa no azonao atao an... taiza koa i Kristy no natao batemy natolotry ny RAD tao an-tempoly izany? omeo ny toko sy andininy azafady... sa baiboly hafa tokoa angamba no vakianao an...:-D
Ika:
ary voalaza ara tsoratra masina fa na nibebaka ara panahy koa aza ny olona, dia nisy fomba nataony sy narahiny koa nanaraka izany [lavenona ohatra]
... Izay ilay lazaiko hoe aza afangaro ny fomba amam-panao sy ny tenin\'Andriamanitra... ny lavenona dia fomba jiosy tamin\'ny andro fahiny, sa ianao jiosy fahiny? Kristy tsy niteny mihitsy ohatra rehefa nibebaka ilay vehivavy azo nijangajanga hoe miosora lavenona fa hoy Izy \"...Izaho koa dia tsy manameloka anao; mandehana, ary amin\'izao sisa izao dia aza manota intsony]\" Jaona 8:11

Na tamin\'ny andron\'i Kristy aza ny olona dia tsy nihosotra lavenona intsony rehefa nibebaka... izay ilay lamban-jaza lasa lehibe noho ilay Kristy miteny...
44. rrgmt ( 12/05/2007 01:22)
Ny homosexualité, izay tsy vaovao ara-tantara fa fomba sodomita, anisan'ny nandevonana an'i Sodoma sy Gomora,ary efa nisy koa tamin'ny andron'i Paoly Apostoly, izay nanarany ao amin'ny taratasy ho an'ny Romana fa fahavetavetana eo antrehan'Andriamanitra dia heveriko fa tsy hiadian-kevitra lava ary momba ny katolika aho amin'izany fa ny zavtra iray tokony hojeren'ny katolika koa izay mila vahana dia ny relijiosy tsy mahafe-tena fa mangala-pihinana na miteraka any ambadika, efa maro ao amin'ny Vatkana aza no mangataka ny hanambadian'ny pretra fa mbola be no vitsy.
57.000 pretra niala mba hanam-bady.
http://www.topchretien.com/topinfo/default.php?/12609/
45. prime ( 15/05/2007 09:12)
rrgmt: Misaotra amin'ny fampahafantarana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4146