Tsy eken'ny EKAR ny...

21. prime ( 23/04/2007 10:43)
ikaretsaka:
iny indray samy manana ny fandraisany azy! (ny ahy aloha io ny sens an\'ny reformist amiko e) io le samy afaka miteny fa ara tenin\'andriamanitra sy araky ny fanahy masina aby.. fa ny vokany no mitondra e..
... Ekena, fa fotsiny hoe tsy izay fandraisanao azy izay no izy fa io ambarako io, reformé 100% aho no miteny aminao...
22. ikaretsaka ( 23/04/2007 12:35)
ok ary... dia ny vokatra eo amin'ny fiaraha monina zany jerena..

"ankoatran'ny fiangonana, qu'est ce qu'un reformiste avait vraiment formE?"
Ho'zy P.Monier zay.
23. prime ( 24/04/2007 13:20)
Ika> Ny tena fanontaniana angaha dia hoe "qu'est-ce qu'un reformiste a apporté pour le salut?"
Ika:
ny katolika tsy manao intsony ilay heo raha homo ianoa dia bedemony.. fa miteny hoe tsy mahazo manambady ny lahy samy lahy
...:-D Ka izay indrindra no mampazava azy, ny katô mijanona eo amin'ny ara-nofo dia ampy rehefa mandinika sy mandray fanapahan-kevitra raha izany fa ny protestant miditra lalina hatrany @ ara-panahy...:lol:

24. ikaretsaka ( 24/04/2007 15:36)
prime> nofo sy fanahy ny katolika ka .. ny protestant no hoe fanahy fotsiny.
zahay tsy tonga de ilay mitsara hoe bedemony, fa mijery aloha hoe sao azo avotana, ny anay ilay Andriamanitra mpamindra fo, nahatonga anay mino hoe mbola misy ny afo fandiovana mbola misy ny kofesy, mbola misy ny fanosorana ny marary, ny fiahiana ny mahantra amin'ny asa sosialy sns...
zahay le hoe raha mbola misy ao dia aza ravana aloha (tahaka an'i sodoma sy gomoro) ....
fa ny anareo rehefa tsy manaraka anareo dia antikristy! Vitao any!
25. prime ( 25/04/2007 06:40)
pimaso:
mendri-piderana ny loha hevitra nentin'ise io, tena fiarovana ny taranaka any aoriana rehetra,
Misaotra betsaka,
tohizo fa Homba anao ny lanitra
... Ho an'Andriamanitra anie ny fisaorana feno...^:^
Ika> Ny tena marina sao dia efa tsy mino ny fisian'ny demony intsony ny katô...
ikaretsaka:
nofo sy fanahy ny katolika ka .. ny protestant no hoe fanahy fotsiny.
... Izany moa izy io???:-D
26. johnnyandri ( 25/04/2007 09:49)
Tsy dia tsara ny mifampitsara, tsara ny miady hevitra fa raha misy ny resaka ifanaiken ny besinimaro fa ratsy , dia izay adala ihany no miziriziry amin ny heviny. Samy hafa fomba fisainana avokoa ny olona rehetra ary samy manana ny marina heveriny. Foto-pinoana ny Christianisme kanefa mbola nozarazarain ny hevitra ho katolika sy protestanta sy ny karazany marobe, nohon ny tsy fitovian-kevitra. Efa mazavabe fa betsaka ny tsy fitovian-tsaina ka raha mbola terena ho masaka ny voaloboky ny zaza dia taraiky eto isika. Rehefa lasa resaky ny marenina dia ady no hiafarany. Ny hitako fa mety dia ny miezaka mivavaka ny mba hiverenan ny ondry nania ho ao am-bala indray.
27. prime ( 25/04/2007 12:23)
johnny: iza ireo nania? aiza ilay vala tena izy?...:lol:
ika: Raha nofo sy fanahy ny katô ka maninona no tsy mino ny ady amin'ny satàna?...:lol:
28. ikaretsaka ( 25/04/2007 12:40)
Prime>
Hoy i ikaretsaka:
nofo sy fanahy ny katolika ka .. ny protestant no hoe fanahy fotsiny.
... Izany moa izy io???

Ie zany izy io...
aminay miara mamindra ny nofo sy ny fanahy..mifameno, ( fa raha mandeha ilany dia kiraron'i beminaha hoy ilay mompera izay)
izay ny mahatonga anay hoe sady aroborobo ny fiangonana no aroborobo ny asa soa @ mpiara belona @ sekoly katolika sy ny hopitaly sy ny centre sociaux atsy sy eroa.. fa tsy mionona amin'ny eo ampiangonana sy ny asa fitoriana fotsiny
29. johnnyandri ( 25/04/2007 15:09)
Afaka faritana ho ondry nania rehefa nihoatra ny didin ny eglizy. Malalaka be, fa raha tondroina dia ireo izay mivily fitondran-tena eo amin ny fiaraha-monina ka hita fa tsy rariny ny lalam-piainany.
Amiko tsy hoe tsy mino amin ny ady amin ny satana izy ireo fa mety tsy ilaina ny miady amin i Satana rehefa eo foana Andriamanitra, ka raha tiana ny mahaeo mandrakariva an'Andriamanitra dia ny mivavaka sy ny manaraka ny tiany no lalana manakaiky azy indrindra. Andriamanitra no mandresy an i Satana koa miankina amintsika no iasan ny fanahin Andriamanitra eo anivontsika.:arrow:
30. dailynews ( 25/04/2007 16:24)
Ka tsy maintsy mijoro ny eglizy eo anatrehan ny zavatra tahaka an io tahaka ny fijoroan ny andaniny ihany koa.
Ny fiangonana dia natao hijoro eo anivon ny daholobe fa tsy hialangalana eny antsisiny ka izay izany ny heviny ary marina izany.

Raha ny resaka homo indray dia nisy fiantombohany daholo ary azo omena excuse daholo fa tsy any ny olana. Fa rehefa Atra no milaza hoe tsy tiany izany dia izay izany no marina.
Koa raha tsy tiany io dia anjaran ilay olona no mangataka amin Atra ny hiova.
Eny afaka ny miova tokoa izy, mahafantatra pasitera aho homo taloha ary efa niova fo izy ary pasitera mahery fo tokoa sy mitondra olona maro ao @ Tompo @ izao fotoana izao. Manambady ary manajanaka roa izao.

Ny mampihomehy ihany koa dia miresaka ity matetika aho ka farany nametrahan Atra olona homo miara miasa akaiky amiko amin izao fotoana izao ary lasa namako izy 8)
Tam mbola kely hono izy nanantena vavy ny reniny anefa tsy nahazo ary vavikely no fomba nitondrandreniny azy.
MIresaka aminy matetika momba an Atra aho izao ary nilaza izy fa manomboka mamaky baiboly izao ary interesse ny lazain ny baiboly ny momba ny homo sns...nilaza izy fa tsy hiova fa efa izany izy.. ary hoy aho hoe hiova ianao satria aho mivavaka ho anao ary tsy izaho ihany fa ny olona ao amin ny etude biblique ko ary nilaza taminy aho fa Jesoa manova no hinoako fa tsy ny situation nao izao. fa Atra mahay manova olona sy mamaha ny fatotra amin ny olona.
NIlaza izy fa mety handeha hivavaka hiaraka amiko. ary nanontany izy raha afaka manao jean sy T shirt mandeha any ampiangonana dia hoy aho hoe tsy olana izany.
asa rahoviana izy no handeha fa h@ izao aloha mbola toa mitaraikiraiky izy.




31. prime ( 27/04/2007 14:53)
Ika> Tsy dia izany loatra ny fahitàko azy fa miorina kokoa amin\'ny fiainam-panahy angaha no azo ilazàna ny protestanta... ary tsy azo lavina mihitsy koa ny fiainana ara-tsôsialy sy ny asa soa maro ataon\'ny katôlika...
johnny:
Afaka faritana ho ondry nania rehefa nihoatra ny didin ny eglizy. Malalaka be, fa raha tondroina dia ireo izay mivily fitondran-tena eo amin ny fiaraha-monina ka hita fa tsy rariny ny lalam-piainany.
... Misaotra amin\'ny fanazavàna... fa raha ny ara-tsoratra masina dia tsy misy resaka eglizy ny ondry mania fa ny ondry mihoatra ny vala ka tsy manara-dia intsony an\'i Kristy no tiany ambara... nefa dia ireny indrindra aza no tena tian\'Andriamanitra araka ny fanoharana nataony nanao hoe :

\"Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?\" Matio 18:12
johnny:
Amiko tsy hoe tsy mino amin ny ady amin ny satana izy ireo fa mety tsy ilaina ny miady amin i Satana rehefa eo foana Andriamanitra, ka raha tiana ny mahaeo mandrakariva an\'Andriamanitra dia ny mivavaka sy ny manaraka ny tiany no lalana manakaiky azy indrindra. Andriamanitra no mandresy an i Satana koa miankina amintsika no iasan ny fanahin Andriamanitra eo anivontsika.
... Ekena fa ny fanontaniako tsy hoe tsy mino amin\'ny ady amin\'ny satàna fa efa tsy mino mihitsy ny fisiany ka tsy dia ilaina intsony ny mandany andro amin\'izany... maro no efa hitako no miteny hoe tsy satàna izany iny indray maka iny fa olona sendra nisy problème angamba dia novonoiny fotsiny fa tsy zakan\'ny lohany... tsy demonia izany iny fa aretina mifandrirotra vokatry ny tsy faampian\'ny rivotra any amin\'ny atidohany... tsy demonia izany no olana fa efa hatrany an-kibondreny no efa sarimbavy izy... efa endrika tsy finoana koa nefa izany...:)
32. ikaretsaka ( 27/04/2007 23:46)
prime:
Ika> Tsy dia izany loatra ny fahitàko azy fa miorina kokoa amin'ny fiainam-panahy angaha no azo ilazàna ny protestanta... ary tsy azo lavina mihitsy koa ny fiainana ara-tsôsialy sy ny asa soa maro ataon'ny katôlika...


ka izay ange ny averina foana amin'i prime hoe tsy mety izany e, hoe amin'ny ara panahy fotsiny izany e! tsy mety ny mampisaraka ireo fa miara mandeha ireo manjary mandeha ilany.


... Ekena fa ny fanontaniako tsy hoe tsy mino amin'ny ady amin'ny satàna fa efa tsy mino mihitsy ny fisiany ka tsy dia ilaina intsony ny mandany andro amin'izany... maro no efa hitako no miteny hoe tsy satàna izany iny indray maka iny fa olona sendra nisy problème angamba dia novonoiny fotsiny fa tsy zakan'ny lohany... tsy demonia izany iny fa aretina mifandrirotra vokatry ny tsy faampian'ny rivotra any amin'ny atidohany... tsy demonia izany no olana fa efa hatrany an-kibondreny no efa sarimbavy izy... efa endrika tsy finoana koa nefa izany...


Mino ny fisiany ireo ka.. matoa misy mitady ny hanamasinana ny mariaziny any ampiangonana protestanta!
33. dailynews ( 28/04/2007 14:13)


Mino ny fisiany ireo ka.. matoa misy mitady ny hanamasinana ny mariaziny any ampiangonana protestanta!
[/quote]

marina izany hoe mino ny fisian Atra izany ary tsara izany saingy tsy ampy satria hoy ny baiboly hoe: ny devoly koa hono mino ny fisian Atra ka mba mangovitra ( misy aza olona resin ny devoly satria dia efa tena tsy mino mihitsy hoe misy Atra ...)anefa finoana tsy hahavonjy azy mandrakizay izany na hiodinkavia izy na hiodinkavanana.
jak 2:19=> ianao mino fa iray ihany no Atra koa tsara izany ataonao izany, ny devoly koa mino izany ka mangovitra.

koa eto ilay na iza na iza hino ny fisian Atra( efa tsara saingy tsy ampy)anefa tsy manao ny sitrapony na mihevitra hiala amin ny fianana tsy ankasitrahan Atra eo amin ny fiainany na inona io na inona dia izay ilay olana.
Raha tia ahy ianareo hoy Izy dia hanao ny sitrapoko na hitandrina ny didiko.




34. johnnyandri ( 29/04/2007 06:24)
prime:

Ika> Tsy dia izany loatra ny fahitàko azy fa miorina kokoa amin\'ny fiainam-panahy angaha no azo ilazàna ny protestanta... ary tsy azo lavina mihitsy koa ny fiainana ara-tsôsialy sy ny asa soa maro ataon\'ny katôlika...
johnny:
Afaka faritana ho ondry nania rehefa nihoatra ny didin ny eglizy. Malalaka be, fa raha tondroina dia ireo izay mivily fitondran-tena eo amin ny fiaraha-monina ka hita fa tsy rariny ny lalam-piainany.
... Misaotra amin\'ny fanazavàna... fa raha ny ara-tsoratra masina dia tsy misy resaka eglizy ny ondry mania fa ny ondry mihoatra ny vala ka tsy manara-dia intsony an\'i Kristy no tiany ambara... nefa dia ireny indrindra aza no tena tian\'Andriamanitra araka ny fanoharana nataony nanao hoe :

\"Ahoana no hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka mania ny anankiray moa tsy hamela ny sivy amby sivi-folo eny an-tendrombohitra va izy ka handeha hitady ilay nania?\" Matio 18:12
johnny:
Amiko tsy hoe tsy mino amin ny ady amin ny satana izy ireo fa mety tsy ilaina ny miady amin i Satana rehefa eo foana Andriamanitra, ka raha tiana ny mahaeo mandrakariva an\'Andriamanitra dia ny mivavaka sy ny manaraka ny tiany no lalana manakaiky azy indrindra. Andriamanitra no mandresy an i Satana koa miankina amintsika no iasan ny fanahin Andriamanitra eo anivontsika.
... Ekena fa ny fanontaniako tsy hoe tsy mino amin\'ny ady amin\'ny satàna fa efa tsy mino mihitsy ny fisiany ka tsy dia ilaina intsony ny mandany andro amin\'izany... maro no efa hitako no miteny hoe tsy satàna izany iny indray maka iny fa olona sendra nisy problème angamba dia novonoiny fotsiny fa tsy zakan\'ny lohany... tsy demonia izany iny fa aretina mifandrirotra vokatry ny tsy faampian\'ny rivotra any amin\'ny atidohany... tsy demonia izany no olana fa efa hatrany an-kibondreny no efa sarimbavy izy... efa endrika tsy finoana koa nefa izany...:)

Marina fa maro no efa hitanao fa saingy tsy izy rehetra fa angamba ny isan ny katolika hitanao niteny izany tsy midika akory fa ny fomba fisainana katolika no miteny izany. Nomen Andriamanitra saina isika mba hoampiasaina sy hitadiavana ny miafina rehetra eto amin izao tontolo izao koa angaha...Ho an ny olona manana fahalalana azo hamaritana ny trangan-javatra dia miezaka izy aloha hanazava io amin ny mahaolombelona fizika sy miaina ary afaka manaporofo, izay vao mety hirona any amin nny finoanoam-mpoana. Misy tokoa ny devoly ary tsy kely lalana fa izay ilay efa noreesahako tery ambony hoe arakaraky ny olona ihany io no mety hiasan ny devoly bebe kokoa aminy sy ny tsy ahasahian ny devoly manatona azy satria eo anilany mandrakariva Andriamanitra ka Izy no vatolampy Tsy mikoro Afaka hiateherany tsy ho azon ny fitapitak i satana.

35. prime ( 30/04/2007 08:30)
daily> Tena azonao tsara ny tiako lazaina...
ika:
ka izay ange ny averina foana amin\'i prime hoe tsy mety izany e, hoe amin\'ny ara panahy fotsiny izany e! tsy mety ny mampisaraka ireo fa miara mandeha ireo manjary mandeha ilany.
... Ekena ny fanamarihanao fa ny filazàna hoe mety na tsy mety dia zavatra hafa mihitsy... (fitsaràna mantsy izany nefa moa tsy fahadisoana koa ny manao izany raha manana porofo sy manana ny fahamarinana)

Averiko vety2, tsy fanamarinana no ilazàko hoe mirona any amin\'ny fiainam-panahy kokoa... tsy fanamarinana toy izany ihany koa ny ilazàko fa ny katôlika dia mirona misimisy kokoa any amin\'ny ara-tsôsialy sy asa soa... ary izany indrindra no mahavitsy ny congregasiôna katôlika miaina ny fifohazam-panahy... mety hoe hery izany, mety ho fahalemena kokoa fa \"constat\" tsotra... an\'ny tsirairay no maka lesona araka izay hitany fa tsara araka ny voasoratra hoe :

\"Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara.\" I Tesaloniana 5:21

johnny> Misaotra, mazava tsara... ny tiako marihina tamin\'ny voalazanao mantsy dia ilay hoe \"tsy ilaina ny miady amin\'ny satàna\", izany hoe raha adika (ahitsio aho raha diso) dia tsy ilaina ny miambina dia mazava ho azy tsy ilaina ilay ny fanahin\'ny fiambenana, raha toa ka hafa ny fampianaran\'i Kristy araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany;\" I Petera 5:8...

Tsara ny fifikirana amin\'Andriamanitra ary tena izany tokoa no izy, saingy tsy ampy... fa raha tsy fantatra ilay fahavalo sy ny fanaony dia hisy fotoana (sanatria anie izany) variana amin\'ny fiainam-pinoana ny mpino ka rehefa mety ny fiainam-panahiny dia milamina izany, ka na efa hita aza fa mandrava sy manimba satàna dia tsy ilaina ny miady aminy... izany nefa no zavatra mitranga matetika fa eny anivon\'ny fiangonana sy ny eglizy indrindra no tena mafy ny ady amin\'ny satàna...

Moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpamonjy doany? moa va tsy milaza ho mpino ihany no mpanao famadihana? moa va tsy ny mialza ho mpino ihany no mpitahiry biby sy zavatra maro ho fiarovan-tena eo anivon\'ny fiaraha-monina sy ny atao (asa, fianarana, tokantrano, harena...)? moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpandainga (misy aza sahy miteny hoe mety ny \"lainga masina\", \"mensonge pieux\" hono)? moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpijangajanga???...

Ady mafy io, fa santionany ihany ireo ka izay no nitondràna fanamarihana fa isaorana ianao fa tena izany ambaranao izany tokoa no tena fiainam-pinoana fototra dia ny fahatokiana an\'Andriamanitra feno...
36. Rasiligaoma ( 30/04/2007 14:20)
prime.. inona ary ny maha olombelona kosa? tsy ny vatana SY ny fanahy ve?

ahitsiko kely na tsy katolika (romanina) aza aho : ny congregation katolika (na romanina na ortodoksa) raha ny hitako manodidina fotsiny dia betsaka koa ny mirona any @ fifohazam-panahy ry prime an, jereo fotsiny ireo monastere sy centre de retraite betsaka , fa ny azy mandeha double arak'io tenin'Ika io foana.

tsy vitan'ny "mitanintanina" ara -panahy sy misentosento araka ny baiboly fotsiny ny fiambenana aminy! manao an'izany tokoa izy, fa tsy voafetra ho amin'izany ihany. fa mino aho fa vonona koa izy ireo rehefa tonga ny "lera"

Ilaina tokoa ny miady amin'i satana, fa tsy biby fampitahorana koa anefa i satana amiko. Izany hoe tsy hoe ny fatahorana terorista ny fiadivana @ terorista sy ny fanehoana ny hery (tahakan'ny ataon'ny Amerikanina @ izao ) no tena fiadiana fa ny fahalalana hoe ao izy ary iadivo @ fampanjakana fitiavana izy. ilay miady mivantana manko vao mainka mandrangitra azy!

Moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpamonjy doany? moa va tsy milaza ho mpino ihany no mpanao famadihana? moa va tsy ny mialza ho mpino ihany no mpitahiry biby sy zavatra maro ho fiarovan-tena eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny atao (asa, fianarana, tokantrano, harena...)? moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpandainga (misy aza sahy miteny hoe mety ny "lainga masina", "mensonge pieux" hono)? moa va tsy ny milaza ho mpino ihany no mpijangajanga???...


aoka samy handinika ny tenany.. dia izay tena tsy manao izany tokoa no aoka hitoraka vato voalohany sady mijery ny Tompo ihany!

37. prime ( 30/04/2007 15:14)
rasily:
prime.. inona ary ny maha olombelona kosa? tsy ny vatana SY ny fanahy ve?
... Tsy haiko na mamaky tsara ianao na tsia vao mamaly fa tsara mamaky tsara vao mamaly... fa tsy niteny mihitsy aho hoe ny olombelona dia vongam-panahy na vatana fotsiny...
rasily:
ahitsiko kely na tsy katolika (romanina) aza aho : ny congregation katolika (na romanina na ortodoksa) raha ny hitako manodidina fotsiny dia betsaka koa ny mirona any @ fifohazam-panahy ry prime an, jereo fotsiny ireo monastere sy centre de retraite betsaka , fa ny azy mandeha double arak'io tenin'Ika io foana.

tsy vitan'ny "mitanintanina" ara -panahy sy misentosento araka ny baiboly fotsiny ny fiambenana aminy! manao an'izany tokoa izy, fa tsy voafetra ho amin'izany ihany. fa mino aho fa vonona koa izy ireo rehefa tonga ny "lera"
... Aza manao izay mampihomehy r'ise a, io tsy ifaninana ka ny isan'ny monasitera no ilazàna fa misy fifohazam-panahy...:-D:-D lazaiko anao fa na ny FJKM koa aza (izaho FJKM) dia amin'izao ankehitriny izao vao manomboka (kely) ny fifohazam-panahy fa efa lasa lavitra ny Loteràna amin'io... ary amin'ny toby lehibe 4 misy dia tsy misy katôlika ao na iray aza fa Loteràna 3 sy FJKM iray (nefa moa ity farany dia efa rombahan'ny FPVM indray... izany no mahatonga ankehitriny ny relijiozy katôlika sy ny pretra vitsivitsy vao manomboka miofana amin'ireo toby lehibe efatra ireo... fa ny tena miaina fifohazam-panahy isanandro isanandro dia ireto antsoin'ny maro hoe sekta ireto...
rasily:
Ilaina tokoa ny miady amin'i satana, fa tsy biby fampitahorana koa anefa i satana amiko. Izany hoe tsy hoe ny fatahorana terorista ny fiadivana @ terorista sy ny fanehoana ny hery (tahakan'ny ataon'ny Amerikanina @ izao ) no tena fiadiana fa ny fahalalana hoe ao izy ary iadivo @ fampanjakana fitiavana izy. ilay miady mivantana manko vao mainka mandrangitra azy!
... Io tsy fomba fiady araka ny sain'olombelona r'ise a ka hoe ataoko an'izatsy sy zaroa...
rasily:
aoka samy handinika ny tenany.. dia izay tena tsy manao izany tokoa no aoka hitoraka vato voalohany sady mijery ny Tompo ihany!
... F'angaha ianao anisan'ny mbola manao izany? miambena r'ise fa tena loza ny mbola itoerana amin'izany toerana izany a...

Tsy tsianjery r'ise ny hoe izay tsy nanao izany no aoka hitorabato azy fa diniho ny "contextes" a, aoka tsy hadino fa niaiky heloka ilay vehivavy tratra nijangajanga (tratra teo am-panaovana izany) ary nanetry tena, tsy menatra olona intsony nifona ary nandohalika teo amin'i Kristy ary nibebaka tamin'ny nataony... Ka amin'ireo notanisaina ireo raha mibebaka ilay milaza ho mpino dia mitombina ny ambaranao hoe izay tsy nanao no aoka hitorabato fa raha mbola mitoetra ao dia loza... Mibebaha faingana f'andrao hahita ny fahatezeran'i Kristy ao raha tonga Izy ka mbola milona ao ihany... Ary ny tena zavadehibe tamin'ny fampianaran'i Kristy tamin'io dia tsy ilay hoe izay tsy nanota no aoka hitora-bato azy fotsiny fa indrindra ilay teniny tamin'ilay vehivavy nanao hoe, "ary amin'izao sisa izao dia aza manota intsony"...
38. Rasiligaoma ( 30/04/2007 15:43)
mamaky tsara aho ka: fa fanahy izao foana no asesisesinao isaky ny mihetsika.. tsy haiko hoe iza no mamaky amin'izany?

fa ny fiofanana @ toby angaha moa no atao hoe "fifohazam-panahy"??:roll:
ka ny katolika raha manana ny "tobiny" manokana dia tsy mankany ko

pissoa:
Raha tsy ao ianao dia tsy mahafantatra izay mitranga ao fa ny be resaka ety ivelany fotsiny no tena talenta Ny an'ny Eglizy Katolika mantsy dia ny zanany tsirairay mihitsy no ampianariny hiavao isan'andro.




... Io tsy fomba fiady araka ny sain'olombelona r'ise a ka hoe ataoko an'izatsy sy zaroa...

ny fiadiana @ satana dia samy manana ny fombany r'ise an, ny nataon'i Paoly aza samihafa @ nataon'i Piera raha araky ny ao @ soratra masina no jerena,

hoy i rasily:
aoka samy handinika ny tenany.. dia izay tena tsy manao izany tokoa no aoka hitoraka vato voalohany sady mijery ny Tompo ihany!
... F'angaha ianao anisan'ny mbola manao izany? miambena r'ise fa tena loza ny mbola itoerana amin'izany toerana izany a.
..

i prime angaha tsy manao an'izany intsony? ha! sambatra lahy nareo itony sahy mitompo teny fatratra hoe tsy manota intsony ka.. da tsy holombelona intsony ka de. tsy miloloha lanitra sy mandia tany intsony, sady tsy lena no tsy solafaka!
39. prime ( 02/05/2007 12:05)
rasily:
mamaky tsara aho ka: fa fanahy izao foana no asesisesinao isaky ny mihetsika.. tsy haiko hoe iza no mamaky amin\'izany?
... Izay ilay ataoko hoe vakio tsara... tsy hoe asesika fa fanazavàna ny fomba fijery protestanta no tonga dia nidiranao, ka vakio aloha fa tsy mitohy ilay resaka amin\'ilay hoe ny olona anie vatana sy fanahy sns...
rasily:
fa ny fiofanana @ toby angaha moa no atao hoe \"fifohazam-panahy\"??
ka ny katolika raha manana ny \"tobiny\" manokana dia tsy mankany ko
... Tsy fiofanana amin\'ny toby r\'ise a... fa fifohazana amin\'ny torimasom-panahy ka mbola variana ao amin\'ny fomba amam-panao ka manadino ilay tena fototra dia i Kristy...

Ny katôlika tsy manana toby izany r\'ise fa aza mamorona a...:-D
rasily:
Raha tsy ao ianao dia tsy mahafantatra izay mitranga ao fa ny be resaka ety ivelany fotsiny no tena talenta Ny an\'ny Eglizy Katolika mantsy dia ny zanany tsirairay mihitsy no ampianariny hiavao isan\'andro.
... Efa fijery efa somary voadingana ihany izany fa ny fivavahana katôlika tsy misy miery amin\'ny olona intsony...:-D ka na hohamarinina io na henjehina dia tsy any no tokony isian\'ny adihevitra fa ny fiverenana amin\'i Kristy...
rasily:
ny fiadiana @ satana dia samy manana ny fombany r\'ise an, ny nataon\'i Paoly aza samihafa @ nataon\'i Piera raha araky ny ao @ soratra masina no jerena,
... Ahoana ny nataon\'i Paoly samihafa amin\'ny amin\'ny an\'i Petera izany ? mba omeo hoe ny boky milaza izany? (boky, toko sy andininy?...)

Tsy misy samy manana ny fombany izany... Jesosy Kristy irery ihany no tena fahavalon\'ny satàna... raha milaza ho kristiana ianao dia mitafy an\'i Kristy ary lasa fahavalon\'ny satàna ihany koa ka na ianao miady araka ny fomban\'i Kristy, na ianao misandoka ho kristiana ka ny manimba ny zanak\'Andriamanitra sy manendrikendrika ary mitsara azy aza no ataonao...
rasily:
prime angaha tsy manao an\'izany intsony?
... Sanatria aho raha hiverina amin\'izany intsony...
rasily:
ha! sambatra lahy nareo itony sahy mitompo teny fatratra hoe tsy manota intsony ka.. da tsy holombelona intsony ka de. tsy miloloha lanitra sy mandia tany intsony, sady tsy lena no tsy solafaka!
...:-D:-D Hay moa izany no dikany aminao? mila miverina mamaky ny momba ahy sy ny nolazaiko ianao raha izany, mikasika ny hoe \"tsy mpanota intsony aho fa zanak\'Andriamanitra\", nefa mbola mety lavon\'ny ota satria mitafy nofo... ny hoe tsy lena no sady tsy solafaka ny zanak\'Andriamanitra dia tena fahadisoan-kevitra lehibe...

Tsy indray mandeha aho no miteny hoe arakaraky ny irosoan\'ny mpino no maharomotra an\'i satàna ka tsy hamelàny mora foana ny mpino... tsarovy ny tantaran\'i Joba fa arakaraky ny ifotorany finoana tao amin\'Andriamanitra no nizahàna toetra azy mafy kokoa ka sady nahafongana ny harem-beny no nahafaty ny vady aman-janany ary nivelomany tamin\'ny fahoriana lehibe fa aretina hatrany an-doha ka hatrany am-paladia no nandrakotra azy... nefa tsy nampihemotra azy izany...
Efa nolalovako izany fizahan-toetra mahamay izany ary mbola ao anatiny aza aho ankehitriny (ijoroako vavolombelona etoana) raha tianao ho fantatra nefa tsy hampihemotra ahy velively...

Sa ny anareo ny hoe mino dia tsy lena no tsy solafaka fa miadana sy misonanina tokoa?... hita tokoa aloha izany amin\'ireo mpitondra fivavahana ao amin\'ny ortôdôksa fa tena miraratra mihitsy an... ny Papa amin\'izany dia tena volamena manomboka any an-doha ka hatrany am-paladia... asa nefa???!!! ianao moa eo hanazava misimisy kokoa...
40. ikaretsaka ( 02/05/2007 13:03)
Hoy i rasily:
fa ny fiofanana @ toby angaha moa no atao hoe "fifohazam-panahy"??
ka ny katolika raha manana ny "tobiny" manokana dia tsy mankany ko
... Tsy fiofanana amin'ny toby r'ise a... fa fifohazana amin'ny torimasom-panahy ka mbola variana ao amin'ny fomba amam-panao ka manadino ilay tena fototra dia i Kristy...


ka ilay fomba amam-panao anie nolovaina t@ Kristy sy ny dimbiny fa tsy namboarin'i lotera sy i kalvino e! izay ny olana:wink:
Ny tompo no namorona azy nanoro aantsika hoe izao no atao, dia avy eo nampitainy t@ apostoly sy ny dimbiny .. ka atao ahoana ny tsy hanao ny zavatra nasain'ny tompo natao sy noforoniny?
sa ny an'i Lotera sy kalvino mbola avo lavitra?

ary ny fombafomba anie ry prime ka tsy hoe teny ratsy ary voalaza tsara ao anaty baiboly koa ny tokony hanarahana azy ee
Korintianina voalohany toko faha 11,2 miteny hoe aza miala amin'ny fombafomba
ary averimberin'i paoly rehefa manafatra an'i timoty izy!



Ny katôlika tsy manana toby izany r'ise fa aza mamorona a...

inona aloha ilay atao hoe toby?! Raha ohatran'Ankaramalaza sy farihimena sns..
efa misy efa ela ny , centre de retraite , recollection, ny tany sy toerana masina (lourdes, fatima, anosivolakely ....) sns... izay mivoha isanandro ho an'izay mila ary betsaka ny nifoha fanahy t@ ireny ny katolika ka
mitovy fa tsy sahala
.. samy mivavaka no atao any ary samy fikolokoloana ny fanahy !
sa le rehefa tsy ireny le an'ny fifohazana ireny dia tsy izy?:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1778