ahoana ny handraisanareo ity ....

1. bobone ( 12/04/2007 13:22)
salama daholo ô!
ahoana no andraisanareo ity !
" hihinana mba ho velona ny olona sa velona mba hihinana!"
misokatra ny hevitra e!
novalian'i bobone ny 30/04/2007 14:40
2. Fiffi ( 12/04/2007 13:35)
heu.....andraso aloha hireritreritra kely hoe .....
3. mandrindra ( 12/04/2007 13:56)
velona vao mihinana, hihihi

4. ikaretsaka ( 12/04/2007 15:12)
tena nieritreritra aho fa arakaraky ny fitiavana ilay sakafo io kle..


misy sakafo hoanina mba hahavelona na tsy tiana aza

misy sakafo tena mampite hanao hoe soa aho fa velona dia afaka mihinana an'ity fa matsiro loatra izy izany
5. Fiffi ( 12/04/2007 15:20)
mandrindra:
velona vao mihinana, hihihi
ka raha tsy mihinana ve ho velona ?


6. booboo ( 12/04/2007 15:41)
"velona mba hihinana" :°)...satria na hihinana aza nefa tsy mankafy lé motika tô tsy velona tsara kouh...
7. kally ( 12/04/2007 16:03)
Misy olona mihinana mba ho velona, mihinana hanome hery fa tsy ho fahafinaretana ilay sakafo na io no andanian'andro.

Misy velona mba hihinana,izany hoe ny misakafo no antom-pahavelomany, ohatry ny hoe hisakafo no nahatongavany ety an-tany e!:lol:

Raha izaho tsy aleoko mba asiana fahafinaretana ihany ilay misakafo saingy ny Ntaolo moa tsy dia nanisy filirolirony tamin'izany sakafo izany fa volavolam-bary sy fen'akoho ihany (io no hitako tany anaty angano).
8. mandrindra ( 12/04/2007 16:27)
fiffi, velona aloha izay vao mihinana. izay vao mihinana mba ho velona no sady mihinana maka tsirony
9. simplex ( 12/04/2007 21:04)

tsy aleo misotro dite :P
10. soanja ( 13/04/2007 02:26)
Raisina amin'ny hoe:

Teraka ny zaza iray avy eo nomena sakafo mba hamelomana azy, notafiana, nomena fitiavana ary nokarakaraina tsara. Rehefa hita io vao afaka jerena hoe iza inona no mandeha aloha zany.

Afaran'io refa lehibe ny olona iray dia jerena indray hoe :miankina amin'ilay tompon'ny vatana na hamelona ny ainy amin'ny sakafo fotsiny izy na hamelona ny aina koa amin'ny zavatra hafa.

Ny mahavelona mantsy tsy sakafo ny kibo fotsiny fa zavatra isan-karazany koa.
Ohatra ny tenin'Andriamanitra dia mahavelona tokoa!
11. bobone ( 13/04/2007 05:36)
:D:D:Dmisaotra anareo fa izao apetrao tsara ny anjara toeran'ny 'mba" aza afangaro ny "vao"
amiko !
misy marina ny an'i saonja
fa hanamafisako azy de!
hihinana mba ho velona na velona mba hihinana de mitovy fa tsy sahala! arakaraky ny fisehon-javatra
nefa raha nandinika koa za de izao no fahitako azy:

hihinana mba ho velona ,marina io satria raha tsy mihinana anie ny olona mety ratsy ilay fahavelomana !velona ihany fa mitsipozipozy! tsy mahazo fy @ hakanton'ny zavaboary!

fa ilay velona mba hihinana de ny antom-pivelomany izany tsy misy afatsy ny hihinana fona , mihinana fona
izay aloha ny fahalalako azy e!

12. Fiffi ( 13/04/2007 06:05)
sa hoe il faut vivre pour manger sa.....il faut manger pour vivre ?
13. tisera ( 13/04/2007 06:47)
amiko aloha an! raha velona mba hihinana dia toa lasa sain-kanina be eo fotsiny é:?! izany hoe tsy misy hafa tsy ny hihinana no masaka ao an-doha dia lasa voafetran'ny sakafo ihany ny antom-piainana ka na fialam-boly, na fitiavana na inona na inona dia sakafo sy kaly ihany no tena mba tiana sy lalaina ary ahazoana tsirony , fa raha mihinana mba ho velona kosa dia mihinana izay sahaza sy mahafantatra ny onony mba ahafahana mivelona ara-dalàna sy mba ho afaka miatrika ny fiainana tsy ao anatin'ny hanoanana fa ampy sakafo ara-dàlana :raha be loatra mety hanimba ny fahasalamananefa raha tsy ampy koa dia mety hiteraka tsy "fahampiana" (carence....) ka ny ahy izany dia tsoriko fa aleoko mihinana mba ho velona é! satria na manankarena na mahantra dia izay no tena tokony ho izy!
14. diamondra27 ( 13/04/2007 08:34)
bobone:karakoly laolo

huummm iza ndray no nahatonga andry nanao an'ity size 'ty?:wink: ngah misy velona mba hihinana any ho any....,;-)?

ny ahy de izao: je sais pourkoi je vis? fa tena misy piège le size an! hummm haiko doly zao zany ny antony hahavelomanareo, lol...:lol:

Tena na dia atao dissertation lavabe aza ity tsy vita fa aleo any ambadika za mamaly azy, hihiih

15. mandrindra ( 13/04/2007 10:17)
simplex, lasa hoe velona mba hisotro dite sa misotro dite mba ho velona izany izy ity an?
16. dailynews ( 13/04/2007 13:20)
simplex:


tsy aleo misotro dite :P

:roll::D


17. simplex ( 13/04/2007 17:45)

DN: mangateta nga ndriko :°):P:roll::D

mandrindra: ze mahasoa hataon'A/tra less e ;-)
18. pissoa ( 13/04/2007 18:03)
rehefa maty dia tsy mihinana intsony, donc tsy possible ilay hoe mihinana mba ho velona :-D:-D:-D

velona mba hihinana : ie ! dia hanina daholo ze azo hanina ... na ara-tsaina na ara-batana na ara-panahy :-D:-D:-D
19. Stretch ( 13/04/2007 20:17)
Euuuuh !
io arakarakin'ny situation misy an lay ol io an !
ny mafy ady zao mihinana mba ho velona , satria ny ho hanina anio aza hifampitadiavany vao mihinana.

fa ny matretre kosa velona mba hihinana , feno ny frigogidera , sahirana ndray aza hoe innn ndray re ry lanitra sy zay azo ngosona retra zao ny hohanina amreto kaly bdb reto e !

de cas hafa ndray nefa ty :ary tena klouna:-D
tsy mihinana mba ho top , top inn ? top model.
milendalenda fotriny, matahotra ny hatavy, aza mavoa ny gavo manta . . .kay kay kay .

atsy ambadika atsy zao ny sôsisy sy ny henakisoa sns efa mivalapatra miandry mpahandro.

Mihinana ra mahita fa ny faty tsy hitahita.
20. tisera ( 14/04/2007 07:13)
:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6621