fahateren-tsaina ve, sa tsy fahalalana, sa koltora?

1. ikaretsaka ( 11/04/2007 15:46)
Ahoana marina isika ity e?
Izao mantsy
Tsy maka lavitra aho fa eto madagasikara fotsiny:

Raha any amin'iny faritra betsileo sy zafindraony sy ambanivohitra vakinakaratra iny ianao no mivavaka sy miresaka momban'ny fivavahana, dia ny azy asiany "Ra" aby ny anaran'ny olona ao @ baiboly: RaJehova, Razezo, Ramaria, ramoizy, Rapiera, razozefa, sns...
(mihainoa hira zafindraony raha tsy mbola nahita)

Raha any amin'ny faritra sasany ao atsinanana ao , ilay milaza azy ho misy origine Jiosy ny olona any.. dia tsy azo lazaina mihitsy izany anaranan'andriamanitra izany fa fady hono, (tsy haiko io na araka ilay voalazan'ny didy faharoan'andriamanitra na koltora fotsiny) fa dia ny heo Tompo, Ray. Zanaka. Izy, Azy, Fanahy, sns no iantsoana an'Andriamanitra sy kristy.


Raha Faritra atsimo, ilay ambanivohitra tsy tena mbola mahay taratasy (faritra bara sy androy iny indrindra indrindra) dia misy olona sasany manao hoe Le ndaty be Volombava, na Iaban'ilay ndaty, ... no filazany azy

dia Nisy hevitra ary niseho nandritra an'iny paka iny.. hoe aleo atao style zafindraony ny passion sy ny evanjely @ teny gasy sy ny fanaovana ilay tableau vivant.. sady mba hoe mampanjaka sy hizarana ny kolotora koa amin'izay. moa ilay mompera nitarika moa izany hatrany amin'iny faritra iny no niasanay (vazaha1 sy gasy1)
Dia nampianarina ny ankizy.. dia natao tokoa ary ilay izy t@ "tridium an'ny paka"!

Dia nandeha.. de nisy an'ilay part hoe " Aia Razezo?... dia mamaly jesoa manao hoe .. A ro IY"
sy le hoe "ity ro vatako atolotra ho agnareo abiaby"
sy le hoe "Ia ro tadiavina? ...Razezo? tsary ato tsotry izy fa efa nitsangana fa ndeso malaky any galilea ny mpianany dia ambarao aminy hoa any ro mihaona hoe!"

..tena izany tokoa le izy amin'ny fi teny sy fomba Zafindraony.

dia misy olona Gasy tao manao hoe maniratsira hono izany zavatra izany...
indrindra ireo Gasy lehibe tao Tana sy antitra ..
Dia averiko @ izany ary ny fanontaniana: fahaterentsaina ve ny andraisanareo azy, sa tsy fahalalana, sa tsy fahampiana koltora, sa de tena faniratsirana tokoa?
novalian'i prime ny 10/05/2007 11:11
2. pissoa ( 11/04/2007 15:52)
:-D:-D:-D

Ka sao tsy tokony antsoina amin'ny teny gasy koa "Andriamanitra" raha izany ! Sao tsy tokony antsoina hoe Jesosy i Jesoa, na Jesoa i Jesosy raha izany avy ka atao problem. :-D:-D:-D
3. tywa68 ( 11/04/2007 15:53)
Tonga dia mampime koa ! ohatrany hoe mananihany satria tonga d ohatrany maheno an'i Francis Turbo :-D:-D Fa tsy olana amiko aloha e (afaka miomehy koa anie anaty fiangonana e !):wink:
4. lapino ( 11/04/2007 16:03)
Io ve tsy mitady hiverina ihany amin'ilay hoe :
- hisotro alikaola sa tsia ?
- hihinana kisoa sa tsia ?
- ...

Fa hoe fotsiny : aza mahatonga fahatafintohinana, na Razezo hoy izy na Iaban'i Zezo

ika:
(tsy haiko io na araka ilay voalazan'ny didy faharoan'andriamanitra na koltora fotsiny)
Ny an'ny jiosy ireny lasa kolontsaina mihitsy.
5. ikaretsaka ( 11/04/2007 16:08)
ka zay le izy.. ny zavatra serieuz lazain'ny sasany faniratsirana.. ny zavatra faniratsirana lazain'ny sasany ho serieux... tsy haiko intsony e

fomban'ilay olona izao anefa le izy..fa isika tsy zatra
ary raha namonjy sy nahita faritra Zafindraony ianao .. dia sahy hiteny ny any hoe maniratsira ve?
na ilay teny gasy ofisialy no ataonao any.. dia hisy hiteny anao heo maniratsira ve any ? na hoe mampihomehy izany?
o re olona:roll:
6. rakaroka ( 11/04/2007 16:08)
Io dé arakaraka ny to-tsaina Rakaretsaka ô:wink::fa misy gasy tokoa aloh raha Jazz-é-nao ny hira dia Faaaavvvy Bbbe @ rizareo, na blues-zé-na ha "techno" toa ankafizin'ny sainy mahitsy =D=D=Dfa raha "zavindraony" na ataonao vako-drazana lé izy toa manavia ny sofiny:-w:-w,raha tsy hoe:-$ somary amboarina ohatran'ny stylen'ireo mpihira ankehitriny 'gnamba ny prononciation: izany hoe somary asiana "épice" kely vao afaka manao "effort" mihaino rizareo:-D:-D:-D
7. ikaretsaka ( 11/04/2007 16:22)
eeeeee.
de hi rrrrrrroulerrrrrr rrrrrr ihany zany i mompera ny hiafarany. aoka re!

"raaaaaaaaa mibanjineu ny lanitraaaaaw aw rrrrrrrrrrryyyy tompou"

fa amin'ny fomba ahoana moa ny hi jazzevana hira any ambanivohitra be le any @ tanina zafindraony??


"aoka aloha fa tsy mbola izao" hoy i Md Augustin izay!
8. ikaretsaka ( 11/04/2007 16:27)
averiko ny fanontaniana:
ikaretsaka:
fahateren-tsaina ve, sa tsy fahalalana, sa koltora?
message
9. sonwin ( 11/04/2007 16:42)
koltora.
10. Zina ( 11/04/2007 16:59)
iny fa nipoitra i sonwin :wink::-D
11. xxx ( 11/04/2007 17:30)
izao ilay hoe faux probleme
12. rakaroka ( 11/04/2007 17:34)
xxx:

izao ilay hoe faux probleme


Ka inn aza lé tena "vrai blem"?....:roll::roll::roll::?:
13. ikaretsaka ( 11/04/2007 18:41)
eny toko hoa
14. sakaizakely ( 11/04/2007 20:15)
tsy haiko raha misy azo ampifandraisana azy fa izahay dia lehibe tao Ambositra, izay faritanin'i Fianarantsoa donky betsileo.

Tany @ 1998 tany dia nahazo Pasitera vaovao ny fiangonana fa betsileo ilay izy. Dia betsaka ny olona nimenomenona hoe raha tsy inona koa Manarintsoa ka hoentina Pasitera betsileo. Betsaka ary ny nigrevy fiangonana tamin'izany.

Mahamenatra be ilay toetsaina :-o :-o

Mitombina eto koa ny fanontanian'ikaretsaka. Inona no azo amaliana azy ?
15. fijo ( 11/04/2007 20:39)
io resaka io ry ika,aza jerena mitambatra,fa rehefa mijery zavatra hoatra an'ireny dia tsimaintsy mijery arakaraky ilay toerana.eto dia ilaina tokoa ny fananana koltora maro mba ahafahana mandrindra izay zavatra izay,fa manjary mampiady.
ohatra iray tsy misy hifandraisany amin'ny resaka fivavahana )fa mitovy kosa amin'io.
any majunga rehefa miresaka dia fiteny mazatra ny hoe "laolo "ity
tany diego aho nampiasa an'io,fa raha tsy hoe za mbola vaovao dia efa novizanindry zalahy.satria io any ompa.
ka zay le ilazako hoe aza atao jery faobe,fa jereo isaky ny misy ilay faritra
16. ikaretsaka ( 11/04/2007 20:56)
de inona ny fandraisan'i fijo azy? fahateren-tsaian , sa koltora sa fomba?
dia iza sy inona no tombotsoa azo?
17. rakaroka ( 11/04/2007 21:30)
Mazava ao an-tsaiko "tsara" ny position de problème eto satria niainako tokoa:
1- samy manana ny nibeazana sy mety aminy noho izany ary mandala izany!
2- Samy manana ambom-po ampanjaka ny maha-"izy azy sy ny heveriny ho mety. Ary misy fotoana tsy "tsapa" akory hoe "on n'a pas vraiment raison" raha tsy mandia sehatra maro. Misy hevitra marina dans une "domaine" fa tsy valable any an-kafa. Tahaka izany koa misy raisonnement valable arakaraka ny
"hypothèse" @ toerana mety tsy ho araky ny saina akory.
3- Monsieur "Condominat ao @ "Hautes études Paris dia nanao fanamarihana fa "égocentrique" loatra hono ny "Mérina am-povoantany": Izay ny fahitany sy ny "analyse-ny"N Donk vokatr'izany koa ny fihetsika na "fihevitra" tsy mihevitra loatra na ny rahalahy samy gasy aza.
I Maitreya voabahana ara-panombanana izay (mahatsapa ny tsy fetezan'ny présetation-drizareo maro koa aho fa tsy babo à 100% tahaka ny fihevitry ny maro. Izany hoe ny tsara raisina, ny tsy mety avela! fa rizareo mi-suggère ny hoe tsy "tsara ny "égoiste" sy
"égocentrique": ce n'est pas spirituel" dia mamporisika ny olona hi-coopère koa rizareo satria
hitondra "soa" izany: finoana koa moa izany!
18. cutie ( 11/04/2007 23:32)
Dia nandeha.. de nisy an'ilay part hoe " Aia Razezo?... dia mamaly jesoa manao hoe .. A ro IY"
sy le hoe "ity ro vatako atolotra ho agnareo abiaby"
sy le hoe "Ia ro tadiavina? ...Razezo? tsary ato tsotry izy fa efa nitsangana fa ndeso malaky any galilea ny mpianany dia ambarao aminy hoa any ro mihaona hoe!"

tapaka foana ny tsinaiko fa azafady alou :-D:-D:-D:-D
19. ikaretsaka ( 11/04/2007 23:33)
tsy misy tsara mihoatra nohon'ny fivelarana sy ny fandalinana anefa..
fa raha vao borné @ resaka rehetra na finoana io na inona dia toy ny trondro ao anaty bocal ...tsy mahita afa tsy ny ao anatin'ny ranony ihany
20. cutie ( 11/04/2007 23:33)
Dia averiko @ izany ary ny fanontaniana: fahaterentsaina ve ny andraisanareo azy, sa tsy fahalalana, sa tsy fahampiana koltora, sa de tena faniratsirana tokoa?

izy rehetra:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4486