fahateren-tsaina ve, sa tsy fahalalana, sa koltora?

21. rakaroka ( 12/04/2007 08:09)
ikaretsaka:

tsy misy tsara mihoatra nohon'ny fivelarana sy ny fandalinana anefa..
fa raha vao borné @ resaka rehetra na finoana io na inona dia toy ny trondro ao anaty bocal ...tsy mahita afa tsy ny ao anatin'ny ranony ihany



Marina mihitsy izany ry Ika: dia ho tsapa tokoa hoe ny "tontolo" anie no efa nomen'Atra mba ianoka @ izany ny "richesse" nomeny izany ny olony, fa tsy ho voafetran'ny "univers restreint" kely.Sady tombon-tsoa foana ny "fahalalàna": miverina matetika ao @ ohabolana hoe mahazoa "fahalalàna sy fahendrena"
toa tsy misaraka loatra izy ireo, ka ny fahotako ilay fitezana , ilay fanabeazam-pinoana mihitsy no misy "FAHAVOAZANA", ohatra izao ao @ fpma tsy mahazo mandihy, anefa ap anaty baiboly misy hoe midérà an'Atra @ dihy,ohatra hamarinina MAIMAIPOANA hoy rizareo dia manome vahana ny olona hiaina BARANAHANA izany: NA atao hoe marina aza izany izaho Rakaroka kosa aloh dé tsy mba hampiesona olon @ fampianarana tahaka izany indrindra hoe tsy dia misy zavatra GRATUIT izany fa "clientèlisme" koa 'ngamba lé izy!
Lasa tsy manao "ezaka intsony lé olona avy eo".
Ny loza aza dia lasa mianoka @ lé fampianaran-diso.
Jesoa nilaza hoe mialà amiko ianareo mpanao meloka/
tsy fantatro akory hoe izy,fa tsy hoe hamariniko MAIMAIMPOANA ianareo:roll::roll:
22. bichette ( 13/04/2007 14:21)
:^)
23. ikaretsaka ( 13/04/2007 19:43)
bichettety koa to lalina
24. prime ( 16/04/2007 14:18)
Marina ny fanamarihan'i xxx hoe "faux problème"...
25. ikaretsaka ( 16/04/2007 15:31)
de inona ny vrai ary @ prime e..
efa nanontany i rakaroka eo ambony eo..
le izy anie tsy probl aminay fa @ le olona romotra sy mitsikanikany eo ambony eo ireo e.. zahay efa zatra ary iznay ny fiantsonay azy!
26. prime ( 17/04/2007 13:38)
Ny tena \"vrai problème\" dia ny \"problème\"n\'Andriamanitra mikasika ny olona marobe ho very any amin\'ny helo... ka raha resaka zafindraony tokoa no hahavoavonjy izay mba handray an\'i Kristy noho izany inona ny olana?...

Ny fanamarihan\'i lapino rahateo koa dia mitombina mihitsy ho an\'izay milaza ho mpino, fa raha mety hahatonga fahatafintohinana ho an\'ny tsy mpino ny fiteny, na fihetsika, na fihira, na fanao... dia aleo tsy hatao (eo imason\'ilay tsy mpino)... fa tsy hoe rehefa nomen\'Andriamanitra fahalalahana hanao ny zavatra rehetra ny mpino dia manao tsinontsinona ny hafa (ireo tsy mpino) fa hadinin\'Andriamanitra amin\'izany ny mpino...
27. ikaretsaka ( 17/04/2007 14:07)
prime> voalohany indrindra aloha: tsy any mihitsy anie le resaka e! tsy resaka fitoriana intsony izy ity fa resaka momba ny fomba rehefa samy "ao am-bala" .. ary olona efa samy mpino aby no ao fa tsy misy resaka hoe tsy mpino mihitsy.

le "olona ho very any @ helo sns" araka ny filazanao ... iny resaka hafa mihitsy! ary efa tantara lavabe teto fa na ny fomba famonjena an'ireny koa aza misy bedebe samihafa mihitsy. Ohatra ny anao sola sciptura nanesorana kely dia amboamboarina mba hanana endrika fampitahorana na tsy haiko aby sy hoe grace de ampy , sy raha manaraka ny fombanao...minoa fotsiny ihany .... sns... ,(ny hitako ataonao eto io lazaiko io an)

ny anahy scripture and traditions,ny fitoriana fa mpampindra fo Andriamanitra ary manampy anao, ampiako fandraisana anjara @ asa sosialy fanampiana ny vatana sy ny saina koa! ny fiaraha mihosona .... falifaly lalandava!

dia ny amaranako azy dia hoe ..any ananonanona any mihaona... raha samy any!
28. prime ( 27/04/2007 08:20)
Ikaretsaka> Tena any mihitsy ilay resaka... tsy ny fanajàna koltora na tsy fanajàna no hahavoavonjy... ary ny tenin\'Andriamanitra mihitsy no nampianatra toy izao amin\'ny anaran\'i Kristy ,

\"31 Koa amin\'izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr\'Andriamanitra izany rehetra izany.32 Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan\'Andriamanitra,\" I Korintiana 10:31-32...

Amim-pahendrena ny fanompoana an\'Andriamanitra ka raha vao misy ny tafintohina na ny mino (indrindra moa ny tsy mino) dia tsara ny miverina ka manontany tena tsara sao mahatafintohina ny sasany...
ikaretsaka:
le \"olona ho very any @ helo sns\" araka ny filazanao ... iny resaka hafa mihitsy! ary efa tantara lavabe teto fa na ny fomba famonjena an\'ireny koa aza misy bedebe samihafa mihitsy. Ohatra ny anao sola sciptura nanesorana kely dia amboamboarina mba hanana endrika fampitahorana na tsy haiko aby sy hoe grace de ampy , sy raha manaraka ny fombanao...minoa fotsiny ihany .... sns... ,(ny hitako ataonao eto io lazaiko io an)

ny anahy scripture and traditions,ny fitoriana fa mpampindra fo Andriamanitra ary manampy anao, ampiako fandraisana anjara @ asa sosialy fanampiana ny vatana sy ny saina koa! ny fiaraha mihosona .... falifaly lalandava!
... :-D:-D:-D Tsy ny fiangonako na ny anao no marina ry ikaretsaka ka handeha iadiana hevitra eto a... Jesosy Kristy irery ihany no marina ary nanambara ny tenany hoe \"...Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin\'ny Ray, afa-tsy amin\'ny alalako.\" Jaona 14:6...

Izaho mbola tsy niteny mihitsy na dia indray mandeha aza toa anao ka hanamarina ny fiangonana sy ny ataony... azo ambara ny fomban\'ny fiangonana fa ny hanamarina azy toy ny ataonao dia zavatra hafa mihitsy... izaho dia tsy hitompo teny fantatra mihitsy na ahoana na ahoana hoe marina sy tanteraka ny ataon\'ny FJKM (izaho ts\'inona FJKM)...:wink: manana ny fahalemeny ny fiangonana rehetra lazaiko anao izany ary ny fahalemen\'ny eglizy katôlika dia tsy izao ihany ny olona no efa niteny, fa maro ny zavatra tsy nety tao anatiny nefa niziriziriana na dia efa lasa \"traditions\" indrindra araka ny lazainao aza... efa tsy fahamarinana intsony satria nanohitra mihitsy ny nolazain\'ny soratra masina tamin\'ny fotoan\'andro... raha tsy hiteny ny \"indulgences\", ny \"purgatoire\", ny \"inquisition\", ny \"ex-communiation\", ny \"mariologie\"... nefa dia hazonina mafy na dia tsy misy tenin\'Andriamanitra manamarina azy aza... Ka raha lazainao fa tsy marina ny ataon\'ny \"reformée\" dia sahinao ve ny hiteny fa marina ny ataon\'ny EKAR??? aoka lehiretsy a...:-D:-D

Izay ilay lazaiko hoe mampitombina ilay fanamarihan\'i xxx satria ilay tena \"vrai problème\" mikasika ny fitoriana filazantsara mba hahavoavonjy olona maro tsy iadian-kevitra firy fa ny fomba sy ny fanao indray no atao ventin-kevitra...

Io sahala ilay nomarihan\'ny Mpitandrina RAVELOSON Eugène tamin\'ny andro Noely indray mandeha nanao hoe, aza lany andro amin\'ny lamban-jaza lehiretsy a hoe lasa aiza izao ny fitafian\'i Kristy tamin\'Izy teraka na ny hoe aiza ho aiza izay ilay tranon\'omby fa Kristy banjinina raha tena nandray azy marina ny tena fa saodia ilay fombafomba fotsiny no anompoana an\'Andriamanitra fa tsy hanana anjara ao ianao hoy izy, ndrao voafitaka...
29. Rasiligaoma ( 27/04/2007 08:31)
amiko aloha toa ...ilaina ihany ilay mandinika hoe aiza ho aiza na mijery ilay tranon'omby sy lambanjaza mba hanampy anao hisaina ..variana mibanjina eo i pasitera RAVELOSONA ka tsy mijery lalana ka tafitohina eo ny hiafaranny:-P
ilaina jerena ny manodidina ramose an.. sady ilay kristy amin'ny noely mbola zazakely ka tsy afaka hiteny anao hoe tandremo fa vato io!
30. prime ( 27/04/2007 10:39)
rasily> :-D:-D
31. Rasiligaoma ( 27/04/2007 14:28)
kozy izany an! fantatro i Pastera Raveloson ary nataoko an'io izy dia niaiky...
fa tena marina fa
mila mijery ny manodidina anao ianao aloha amin'ny situation rehetra vao mibanjina zavatra iray.

fiainana tsotra tsy misy fotony ity aza lehiretsy dia mila mijery hoe cours d'anglais ve aloha ato, zay vao mamoaka ny boky anglais ohatra raha mianatra.. fa tsy hoe votom-pianarana be sy miondana be amim-boky ka hanao maths @ anglais
na manao sport ka hanao godasy eny @ terrain de basket.:°)
lasa Mr Bean be amin'izay!
32. prime ( 27/04/2007 15:17)
rasily> Ka raha izany dia aleo indray mihidy saina sy tsy misy fahalalàna sy tsy mpanaja koltiora satria tsy mifantoka amin'ny antony sy ny fototra hanaovana fa ilay fomba sy ny manodidina no andaniana ny fotoana...:-D
33. ikaretsaka ( 27/04/2007 23:59)
miara ifantohana izy 2 ka.
marina ny an'i Sily hoe raha fianarana ka kajy no atao ka anglais no ianaranao dia tsy mety tokoa.
marina heo samy fianarana fa hafahafa kosa kle.

dia inoako fa toa izany koa raha ara-pinoana: tsy hoe mino de mino fa misy klasiny io
34. prime ( 30/04/2007 07:30)
Ika> Inona avy ilay kilasy amin'ny hoe mino na ny finoana? mba zarao ary e...:)
35. Rasiligaoma ( 30/04/2007 15:04)
raha mijery amin'ny fiainana andavanandro fotsiny ary dia efa misy klasiny sy ordre ny zavatra rehetra kah .

saino kely anie eh
raha miakanjo fotsiny aza ianao dia
tsy ny slipy akory no atao sarondoha satria hoe samy akanjo!

toy izany koa: tsy tokony ho raisina hoe finoana io dia finoana .. tsy mety izany lehiretsy a
mila jerena koa hoe inona sy ahoana ny manodidina, avy aiza aho dia mandeha ho aiza?
ny erreur manko dia vao tafiditra ao @ engrenage ilay olona dia mipetraka ny bornes.. mino aho dia izay, fa tsy mijery ny ivelan'iny intsony
36. ikaretsaka ( 04/05/2007 00:05)
Rasiligaoma:

raha mijery amin'ny fiainana andavanandro fotsiny ary dia efa misy klasiny sy ordre ny zavatra rehetra kah .

saino kely anie eh
raha miakanjo fotsiny aza ianao dia
tsy ny slipy akory no atao sarondoha satria hoe samy akanjo!

toy izany koa: tsy tokony ho raisina hoe finoana io dia finoana .. tsy mety izany lehiretsy a
mila jerena koa hoe inona sy ahoana ny manodidina, avy aiza aho dia mandeha ho aiza?
ny erreur manko dia vao tafiditra ao @ engrenage ilay olona dia mipetraka ny bornes.. mino aho dia izay, fa tsy mijery ny ivelan'iny intsony



voalazanao ny tiko lazaina:-*
37. prime ( 10/05/2007 11:11)
Rasily,Ika: Tsy mahavaly fanontaniana ny voambaranareo hatramin'izao...:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4005