MAHALEO ZANDRINY (Faha-35 taona Tarika MAHALEO)
1. naritsimba
(
10/04/2007 12:11)
Miarahaba antsika rehetra.
Nanaraka ny fifaninanana Mahaleo zandriny ny tenako.
Ny zavatra azo lazaina dia tsotra:
1-Ankafizin'ny olona rehetra ny tarika Mahaleo.
2-Mankasitraka ny tompon-kevitra ka nahatontosa antsakany sy andavany.
3-Aoka ho ao an-tsaintsika rehetra, fa matoa tsy rava mihitsy ny tarika Mahaleo nandritra ny 35 taona dia ireto no azo lazaina:
-Nanana ny asany daholo rizareo mpikambana rehetra fa tsy nivelona t@ mozika akory, noho izany dia tsy nibahana mihitsy ny resa-bola na manao fampisehoana na tsy manao.
-Ny fifankatiavana sy ny maha mpinamana no voalohany vao resaka hafa.
Ny teo @ fifaninanana dia mankasitraka ireo mpitsara izay nitsara t@ maso tsy miangatra. Raha toy ireny foana no fomba fitsarana atao rehefa misy fifaninanana dia mazoto ny mpifaninana. Ny tenako manokana dia nankafy ny tao @ groupe MZ 3, fa rehefa nandeha ny famaranana dia hita avy hatrany fa ho lasan'ny Groupe MZ 1 ny fifaninanana, raha ny fitendrena gitara dia lasan'ny groupe MZ3.
Ara-dalana tsy iadiana hevitra ny vokatra, isaorana ny mpitsara tena nitsara araka ny maha mpitsara azy.
Ny irariana dia ny hananan'ny mpitsara fahalalahana tahaka an'ireny rehefa misy fifaninanana, ary ny mpanentana rahateo tena nahay nanentana araka ny tokony ho izy ary tsy nampiseho fihetsika nitongilana na t@ tarika iza na iza.
Misaotra e!

novalian'i lanissa ny 20/04/2007 14:43
3. xxx
(
10/04/2007 21:32)
tsy mba misy sombin-tsary na raki-kira angah izy izany azafady indrindra fa liana ny hahalala ihany koa ny aty azafady ô
4. naritsimba
(
11/04/2007 05:33)
Fiffi>>>>> raha izaho manokana aloha dia izay vao nahita fifaninanana madio sy tena ara-dalana, ny mpandray anjara nifaninana rehetra ihany koa tena nahay nankasitraka tanteraka ary tsy nanao fanakianana satria tsy misy ny ho kianina, ilay izy rahateo tsy nisy filazana hoe izao ny loka ho azo fa vita ny fifaninanana ary fantatra ny filaharana vao fantatra hoe izao avy ny loka azo.
efa betsaka ange izay fifaninanana natao teto izay fa dia tsy maintsy izay azoazon'ny mpikarakara ihany no tafita e.
Ny raki-tsarin'izany dia inoana fa hivoaka tsy ho ela, sady ny Tarika Mahaleo rahateo hanao fampisehoana any Frantsa any ato ho ato, ka inoana fa tsy ho diso anjara ianareo any ivelan'i Madagasikara rehetra.

6. dadie
(
11/04/2007 09:12)
misaotra an'i narintsimba nampitaha ny vaovao tam namana rehetra e ,efa henoko tam bimanoa koa io vaovao io ary tena mahafinaritra tokoa izany
[IMG] http://smileys.inzenet.org/repository/Musique/0012.gif[/IMG]