finoana

1. fijo ( 06/04/2007 21:33)
mba jereo nareo mpivavaka ny vokadratsin'io finoana io any filipina sy ny karazany iny izao.
misy olona homboina,ny sasany mandratra tena.de mbola hoavy koa ny inona????
novalian'i cutie ny 03/05/2007 22:11
2. cutie ( 06/04/2007 21:36)
aza minomino foana ve zany no tian'i fijo lazaina:lol:
3. lanissa ( 07/04/2007 03:02)
raha tena mino marina r' ise ny olona anakiray mahalala ny vokatry ny fanahy a, matoa izy zay manaonao fahatany de tsy hainy ny nanavaka ny fanahy mamitaka. Ny tena finoana dia avy @ Fanahy Masina (FM), ka izany FM zany no manoro ny tokony hatao, ary mitondra any @ tsara izy fa tsy any @ ratsy sy ny tsy fisainana akory.:)
4. poly ( 07/04/2007 03:38)
inona moa no atao hoe"FINOANA"
5. prime ( 07/04/2007 05:50)
fijo> Ireny "auto-flagelation" sy "auto-crucifixion" ireny dia anisan'ny endrika fahatsiarovana ny fanehoam-piaraha-miombona amin'ny fahoriana nodiavin'i Kristy 2000 taona lasa izay ao amin'ny finoana katôlika ka anehoana ny nenina rehetra noho ny nataon'ny tena nefa i Kristy no nanolotra ny tenany hisolo heloka... Efa maro ny fiangonana, na dia ny congregasiona sasany ao amin'ny katôlika aza no tsy mankasitraka ireny intsony, nefa raha ireny moa no fomba anehoany ny fiatiavany an'i Kristy?...
6. lanissa ( 07/04/2007 06:08)
inona moa no atao hoe"FINOANA"


«heb 11:1 dia milaza fa ny FINOANA no fahatokiana ny zavatra antenaina fanehoana ny zavatra tsy hita.»
tsy ampy ny fanekena ny fisiana fotsiny raha milaza fa mino fa tokony matoky ihany koa, ary ilaina izany fahatokisana izany.
7. Fiffi ( 07/04/2007 06:22)
finoana sy fitiavana an'i Jesoa daholo izany....Mahatsapa-tena le olona ny fijalian'i Jesoa ka hanaovany an'zany.....izay novonohina sy nampijaliana nohon'ny helontsika olombelona ka hanomezan-tsiny azy ve ?
8. mpanota ( 07/04/2007 13:00)
Tsy nanenenako alh hatramizao ny tsy finoko eh
Zay zao sady tsy mandratra tena no tsy maninona
Fa ny mahagaga ahy aloha d zay lazan'ny baiboly hoe hitranga any amin'ny afo b dia toa efa mianjady amtsika eto madagasikara avokoa eh
Isika anie zao ry olona efa miaina ami'ny atao hoe andro voaozona eh ; nateraka hanota sy ho mpanota isika eh
Jereo ny atao hoe fijangajangana eh ,Raha vao manana fanirina amnolona hono d mijangajanga eh(samy manana ny atao hoe ratsy sy tsarany io fa aza mifganome tsiny ,ny tsara amnao mety ho ratsy amin'ny sasany)
Nefa ohatra misy koa ny passage hoe n:nateraka hifanitona ny lahy sy ny vavy , zao zany d tsy hay intsony ny marina eh
Tsy zay namorona nagamba aloha no tena homena tsiny fa izay nampita eh

Mbola hitohy
9. Vahinala ( 07/04/2007 13:18)
fijo, mifankaiza am fahoriana sy fijaliana nahazo any Jesosy zany, ny olona manao dia mihezaka mampijaly tena mba ahatsapany ny fijaliana nahazo any Kristy koa vokatry ny fahotan'ny olombelona, ka tsy misy mahadiso azy amzany mihitsy.
10. ikaretsaka ( 07/04/2007 14:18)
fijo> aleoko kosa amin'io no mandratra tena toy izay @ ilay raha hafa ka!
tsary anona ka!
11. cutie ( 07/04/2007 15:17)
Mpandefa : poly [ Valio ] 07-04-2007 05:38:03
Lohateny : Re : finoana
inona moa no atao hoe"FINOANA

ny finoana amiko de hery iray tsy hita maso fa manosika sy mampahery anao @ ze zavatra ataonao rehetra.
Tsy voatery we jesoa, sy ny tariny fa any anatinao le izy. :lol:
12. soanja ( 07/04/2007 23:09)
cutie:

Mpandefa : poly [ Valio ] 07-04-2007 05:38:03
Lohateny : Re : finoana
inona moa no atao hoe"FINOANA

ny finoana amiko de hery iray tsy hita maso fa manosika sy mampahery anao @ ze zavatra ataonao rehetra.


Voalazanjy ry Cutie. =D=D=D^:^

Amin'izao andron'i Paka izao kosa dia tsara ny mankalaza an'i Kristy satria Izy dia anisan'ny manampy amin'izany fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra izany eo anivontsika.
Andriamanitra dia tia antsika ary Izy tsy manary!


13. cutie ( 07/04/2007 23:11)
Amin'izao andron'i Paka izao kosa dia tsara ny mankalaza an'i Kristy satria Izy dia anisan'ny manampy amin'izany fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra izany eo anivontsika.
Andriamanitra dia tia antsika ary Izy tsy manary!

eny e , raha kristiana le oul :lol:
14. cutie ( 07/04/2007 23:11)
Amin'izao andron'i Paka izao kosa dia tsara ny mankalaza an'i Kristy satria Izy dia anisan'ny manampy amin'izany fanehoana ny fitiavan'Andriamanitra izany eo anivontsika.
Andriamanitra dia tia antsika ary Izy tsy manary!

za zao tsy afaka mankalaza radem, de in no ataoko hoy njy :lol::roll::oops:
15. soanja ( 07/04/2007 23:17)
fijo:

mba jereo nareo mpivavaka ny vokadratsin'io finoana io any filipina sy ny karazany iny izao.
misy olona homboina,ny sasany mandratra tena.de mbola hoavy koa ny inona????


Ny fitiavana anie Fijo tsy ho voatery ampisehoana amin'ny alalan'ny fahafinaretana ihany e. Ny fijalianao koa amin'ny zavatra iray dia milaza fa tia azy ianao sady miafy ary manaja azy.
Ny fanehoana an' Io Fitiavana an'Andriamanitra io dia samihafa ny fitrangany amintsika olomeblona. Ny azy moa izany dia ny fampijalian-tena.
Anisan'ny manampy tokoa amin'ny fahatsapana ny fazahoana ny Fanahy Masina ny fiafiana sy ny fampijaliana tena: ny fifadiana hanina anisan'izany, ny tsy fiaretan-tory sns... Rehfa miray amin'i Kristy anefa ianao dia tsy hahatsapa fa marary sy mijaly fa vao maika mahatsapa ilay fiakarana amin'ny ambonimbony kokoa amin'ny fifandraisany.
Sarotra be ny fanazavana an'io ho an'izay tsy mino saingy te hiteny aminao aho hoe rehefa tia dia vonona hijaly koa.
Sa ahoana hozy ianao? Hitanao ilay fitiavam-bady? Toy izay koa, mila fiafiana sy fandavan-tena ary fanomezana ny aina ho an'ilay tiana. Mihoatra noho io anefa ny tsapa rehefa Andriamanitra no resahina.
:-*:-*:-*:-*:-*:-*



16. pissoa ( 08/04/2007 16:02)
fijo:

mba jereo nareo mpivavaka ny vokadratsin'io finoana io any filipina sy ny karazany iny izao.
misy olona homboina,ny sasany mandratra tena.de mbola hoavy koa ny inona????

ary inona ny voka-dratsin'ny "tsy finoana" ! mba efa nojeren'i Fijo ve ? Izaho mantsy eny amin'ny fianana sy fiaraha-monina eny dia mahita vokatra ratsin'ny tsy finoana na vokatra ratsin'ny tsy fanarahana antsakany sy andavany an'ilay Kristy inoana. :-D:-D:-D

Happy Easter :wink:
17. ikaretsaka ( 08/04/2007 17:27)
voka dratsy ve izany?
18. pissoa ( 09/04/2007 17:15)
tsy azoko ny tian'i Ika lazaina ... :oops::-D:-D:-D
19. Mandefitra ( 11/04/2007 10:06)
ary inona ny voka-dratsin'ny "tsy finoana" !
Sao tokony hovelabelarina marina ahatsapan ny tsy mino fa ratsy ny tantara raha samy mandeha @ saim-pantany ny olona na samy manao ny tenany ho andriamaniny... Ohatra hoe tsy olona ny mifoka rongony sy mivarilavo @ toaka satria tsy tempolin'Andriamanitra tsinn ka.Tsy olana ny mampirafy na firy na firy fa refa mahazo "orgasme" hozy ilay namana iray zay de milay fa foana ilay didy "aza mijangajanga".Tsy misy ny paradisa sady tsy misy ny helo,ka na hanao vyvery ny aina aza aho,hanapoaka baomba ao anaty bus ho an ny tanindrazako tsy maninona misy.Araka ilay fitenenana hoe "Misotro maty tsy misotro maty" ... de anjaran i Fijo no manohy azy e ....
Hamaranako azy angaha de hoe "Fidionareo anio ary zay ho Tompoinareo,fa raha izaho sy ny ankohonako de Hanompo an'i Jehovah izahay"
20. cutie ( 11/04/2007 23:24)
Sao tokony hovelabelarina marina ahatsapan ny tsy mino fa ratsy ny tantara raha samy mandeha @ saim-pantany ny olona na samy manao ny tenany ho andriamaniny...

tsy misy oul tsy mino zany alou e , samy manana ny finoana inonany fotsiny io . Fa refa tsy mitovy @ le we
Hamaranako azy angaha de hoe "Fidionareo anio ary zay ho Tompoinareo,fa raha izaho sy ny ankohonako de Hanompo an'i Jehovah izahay"

de lazaina fa tsy mpino .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.55