mila fanazavana

1. boubounezy ( 06/04/2007 19:01)
itako fa maro bé ny oull mahay baiboly ato ka mba atoroy anah réoull ny lalana tokony aleako fa mbola tena tsy aiko mintsy wé aiza na dé maita iany aza za wé mila araina ny ao @ baiboly. nisy toriteny t@za mbola kely tany ampiangonana wé zaro @ lalana tokony aleany ny zaza fa refa lb izy dé lasa otrizay lé nitondrana azy mbola kely zany ; zao za nefa refa lhb dé tsy itako tsony ny lalana aleako wé aiza, nefa mba mangétaeta an'Atra ny tenako. marihiko fa hatraminy natonga ahy taty andafy dé tsy mba mandé ampéngonana za ra tsy ny krismasy na rare bé refa inviter @ mariage oatra na invitény fianakavina mba amonjy gala évangélique.
tena manqué anah zany miangona zany nefa za refa mandé krismasy dé mikaly bé sy mihira2 mampirevy pokona ao ampéngonana fotsiny dé mody la tête baissée.
AMPIO FA MPANOTA VELL!!!!!:°)
2. cutie ( 06/04/2007 19:07)
vakio hatramin'ny 1 ka hatramin'ny farany ny baiboly :lol:
3. Vahinala ( 06/04/2007 19:14)
Vakio manontolo ny baiboly ataovy toy ny mamaky boky ihany dia ezahana hiainana ilay izy, na koa tsy haiko boubounezy raha eto Mada na tsia fa efa misy izao ilay fianarana soratra masina hoany olondehibe.
4. boubounezy ( 06/04/2007 19:32)
cutie ke lé dikany mintsy no tiko ampianarina anah mba andéanako @ lalamaintsy c tout fa ny oull retra @ko afaka mamaky baiboly hatramifarany otrany mamaky roman retra ny encyclopédie zao dé misy fanazavana tsara fa ny baiboly tena mila ampianarina tsara satry codé dôly lé soratra ao dé lé fanazavany oull retra ato zany no afahako mmafantatra wé aiza ny lalana aléako.^:^
5. cutie ( 06/04/2007 19:34)
Mpandefa : boubounezy [ Valio ] 06-04-2007 21:32:58
Lohateny : Re : mila fanazavana
cutie ke lé dikany mintsy no tiko ampianarina anah mba andéanako @ lalamaintsy c tout fa ny oull retra @ko afaka mamaky baiboly hatramifarany otrany mamaky roman retra ny encyclopédie zao dé misy fanazavana tsara fa ny baiboly tena mila ampianarina tsara satry codé dôly lé soratra ao dé lé fanazavany oull retra ato zany no afahako mmafantatra wé aiza ny lalana aléako.

de raha zay njay de mila mamonjy fampianarana baiboly njy koa
le lezain'i vahinala io arahina:lol:
6. boubounezy ( 06/04/2007 19:34)
tsy any dago za aloui vahinala a! fa tena tiko azava mintsy lé resaka lalamaintsy! méçii enao=D
7. cutie ( 06/04/2007 19:41)
de any France ve de tsy ho hisy :roll:
8. tynah ( 06/04/2007 20:10)
Tsy ny miditra am piangonana ihany no atao hoe mivavaka sy mahalala an Andriamanitra. Refa ao an trano iny ianao ka hitanao fa malalaka ny fotoananao tsy misy mpanelingelina d afaka miresaka am Andriamanitra teneno aminy daolo ny zavatra manahirana anao, ny zavatra ilainao,ny zavatra tsy tinao sy ny tinao, hangatao aminy ary dongio azy mafy fa omeny anao izany ary manaova fifonana sy fisaorana. Tsy misy fianarana ny mivavaka fa ataovy otran'ny miresaka aminy RAR nao, zany hoe tokony ho fantatrao aloha hoe iza io Andriamanitra resahinao io d inona no antony hiresahanao azy. Mila mamaky baiboly koa ianao nefa tsy dia arahina ara bakiteny be koa izay ao fa misy heviny tiany ho lazaina daolo ohatra hoe: raha misy mamelaka anao am ankavia d omeo azy koa ny havanana. Refa hamaky baiboly koa d zao hatao , mangataha aminy d mivavaha aloha d avy eo ianao miteny aminy hoe: Andriamanitra o! teneno ahy anio zay hafatra tinao ho ahy anio fa omeny anao zany, ary na ratsy vosokatra ao na tsara d misy dikany daolo zany. D mazotoa ary mivavaka eh! :-*
9. tynah ( 06/04/2007 20:14)
misy adino kely azafady, sokafana ilay baiboly d ao am zay vosokatra ao no vakiana.Mila manaraka ny didiny koa ary manaja azy am fo.
10. lamie ( 06/04/2007 20:34)
marina ny an'i tynah,vao manana fotoana dia sokafy ny baibolinao,zay voasokatra eo no vakiana, ianaro ny "rainay izay any andanitra.....)mitory ny làlana iainana isan'andro io vavaka io,aza kivy fa matoa tonga ao aminao ny filàna an'Andriamanitra dia ho voavonjy ianao ary isan'ny voaantso ianao!mazotoa e!ho tahin'Andriamanitra!
11. Fiffi ( 06/04/2007 20:59)
de mandeha miangona koh.....na ny fihainoana ny tori-teny aza de efa tena manampy beeeeeee
12. ikaretsaka ( 06/04/2007 22:14)
lamie:

marina ny an'i tynah,vao manana fotoana dia sokafy ny baibolinao,zay voasokatra eo no vakiana, ianaro ny "rainay izay any andanitra.....)mitory ny làlana iainana isan'andro io vavaka io,aza kivy fa matoa tonga ao aminao ny filàna an'Andriamanitra dia ho voavonjy ianao ary isan'ny voaantso ianao!mazotoa e!ho tahin'Andriamanitra!



ko raha ts'inona ko... ko raha tsy tsabo 3 ny baiboly ko sokatsiokafana fotsiny!:roll:

mandehana miangona sy mianatra katesizy/sekoly alahady raha te handalina misimisy kokoa na manaova sy maka cours na theology
13. vale ( 06/04/2007 22:38)
Fiffi:

de mandeha miangona koh.....na ny fihainoana ny tori-teny aza de efa tena manampy beeeeeee
ie, manampy @ fahazoana ny teny voalaza ao anaty baiboly ny tori-teny!!
ilaina ny mande any am-piangonana ry zareo a!! natao in ftsn ireny fiangonana ireny? :?


14. vale ( 06/04/2007 22:41)
tsy atao tsabo telo tokoa nybaiboly! tandremofa hadisoana ireny, zah talou anisany panao andrenyfa rhf nihoana t@ ol papianatra ny tenin'Atra a, de nahitsin'izy ireo!
ilaina ny mianatra ny soratra masina, fa tsy mampiana-tena, ilaina koa ny fandehanana any an-deglizy, :wink:
15. diamondra27 ( 06/04/2007 23:45)
bbnz: matoa ianao mametra-panontaniana dia tsy hasard zany fa efa lahatra. Aza hajanona antenatenany ny hetahetanao fa tohizo hatr@ farany.
Mangataha ny Fanahy Masina hanampy sy hitari-dalana anao ary hanoro anao @izay tokony hataonao.
Mieux vaut tard que jamais na dia hoe: tsy nanaraka ilay lalana antoron'ny RAD aza ianao.
Mivavaha dia aza mitsahatra ambara -pahazoanao io zavatra takianao io, Atra ô atoroy lalana aho, aiza no tokony alehako.
Raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ianareo dia ataoko izany? Hoy ny voalaza ao @ baiboly. Koa aza kivy fa hamaly anao Izy e!

Momba ny famakiana ny baiboly indray dia tsy d'accord @ ilay hoe: sokafy ny baiboly dia izay voasokatra no vakiana.Ny tokony hatao dia mivavaka foana alohan'ny hanao zavatra, donc raha hamaky baiboly ianao dia mivavaha hoe: aiza ho aiza no tianao hampianarina ahy androany Tompo ô! na raha tsy izany dia misy ireny famakiana baiboly annuel ireny varotana @ librairie
jereo eto:http://www.labonnesemence.com/

raha te-hianatra Soratra Masina indray ianao dia be dia be ny rohy ahitavanao azo isafidianana
ohatra ity izao misy iray:http://www.guadadvent.org/lecon_sabbat.php
na koa mihainoa ilay http://www.faniloradio.com/faniloradio.html

dia afaka mihaino toriteny ianao @ ilay hoe: mana io

Farany: resaka momba ny vhv dia ity koa tsara
http://www.topchretien.com/topfeminin/?/3899/faites-le-menage-dans-vos-pensees

Dia mazotoa akia a!
Mahareta hatr@ farany ary miezaha mba hatratra ilay loka

Bizz:-*:-*
16. diamondra27 ( 06/04/2007 23:50)
bbnz:Dia hitako ihany koa ho andry mba andramo henoina ho'aho sur internet na radio ilay radio notre dame rehefa Alarobbia @ 20H sa 22H izy izay fandaharana miaraka @ Père Guilbert.

Mazotoa mivavaka dia araho fisaorana izany na dia tsy mifanaraka @ sitraponao aza ny valiny
Dia mahaiza mangataka an!
17. diamondra27 ( 06/04/2007 23:54)
saika adinoko ny zava-dehibe

Jean 14:6
Jesosy no lalana, fahamarinana ary fiainana

Mitady lalana ianao dia io izany,araho Izy
18. prime ( 07/04/2007 06:07)
Ikaretsaka,diamondra27> =D=D=D...
Marina mihitsy io lazain'i Ikaretsaka sy diams io...

Raha misy antso aminao dia tsarovy fa tian'Andriamanitra ianao ary tena tiany hiverina Aminy ary tiany hiaina ao amin'izany tena hoe fiadanany izany...

Te-hizara ny fahasoavany sy ny fitahiany feno aminao Andriamanitra nefa tokana ihany no dingana tiany hataonao... Manatona Azy amin'ny fanetren-tena, mibebaha amin'ny ratsy rehetra izay vita, mivavaha ka aza mitsahatra raha tsy mahita ny voninahitr'Andriamanitra ao am-ponao ka anorony lalana anao ny tokony hatao rehetra...

Manaraka dia, mahereza dia mamakia ny tenin'Andriamanitra ka manaraha ny torolalan'ny Mpitondra fivavahana, Pretra, Pasitera, Presbytera... Manatona fiangonana izay akaiky anao indrindra, raha katôlika ianao dia manatona ny fiangonana katôlika akaiky anao indrindra, raha protestanta ianao dia manatona ny fiangonana protestanta akaiky anao indrindra, raha Advantista dia toy izany ihany (Andriamanitra tsy mijery izay fiangonana idiranao fa mitahiry anao amin'izay nitaizàna anao)... dia mahereza ihany koa mivavaka sy miakatra miangona isaky ny fotoana fiangonana... raha mazoto ianao dia manatona ny Mpitandrina ao amin'ny Fiangonana dia mangataha aminy raha afaka mampianatra izy na manoro toerana azo antoka fa mampianatra marina ny tenin'Andriamanitra...

Ireo dingana ireo dia anisan'ny hitarika anao hanakaiky an'Andriamanitra ka hanomezany anao ny fahasoavany rehetra...

Marina ireo fanamarihana ireo, fa tsy tsabo telo akory ny famakiana baiboly fa angatahana amin'Andriamanitra mialoha ka tsara lavitra ny miaina amin'ny "mana" isanandro na ireny perikôpa ireny mba ahazoanao ny tenin'Andriamanitra sahaza isanandro...
19. Fiffi ( 07/04/2007 06:32)
ikaretsaka:
ko raha ts'inona ko... ko raha tsy tsabo 3 ny baiboly ko sokatsiokafana fotsiny!:roll:
nga kosa de hoe sokatsokafana fotsiny ? heu...de inona koh no maha-ratsy an'le manokatra baiboly raha vao misy fotoana ? tsy aleo aza ve manao an'zany raha manana fotoana kely enao toa zay mijery BD ?


20. prime ( 07/04/2007 06:52)
fiffi> Tsy ny famakiana baiboly no lavina ho tsy mety io ambony io fa ny fanaovana tsabo telo ny famakiana baiboly manao hoe raisina ny baiboly rehefa hamaky azy dia sokafana "au hasard" dia izay teny hita ao amin'izay (pejy, boky, toko, andininy hita eo) no vakiana... tsy izany no famakiana baiboly... (Maro ny manao toy izany fa tsy mety izany)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0517