homo ny zanako

1. xxx ( 06/04/2007 00:42)
tsy fantatro na inona no mety antony fa homosexuel ny zanako lahy,27 ans izy zao ary manana copain ,mipetraka aty andafy izahay ,nanabe azy @ fomba kristianina ihany aho,ary nitandrina ny frquentation-ny ,inona no tokony ho reaction-ko fa vao haingana izy vao namboraka tamiko ny zava-misy,diso fanantenana aho satria lahy tokana,ary tsy mbola nilaza ny vadiko aho,nilaza izy fa mety hananjanaka ihany satria afaka mametraka sperme any @ banque de sperme na afaka mifanaraka @ tovovavy manaiky ny hiterahany saingy tsy haiko re ny atao,hipresenter ny copain-ny amiko izy refa d'accord aho,nilaza izy fa efa 3ans ry zareo no niaraka ary efa hatry ny ela no nahatsapa fa voasarika t@ lehilahy izy saingy tsy sahy nampiseho tamiko
2. nikopol ( 06/04/2007 07:48)
Efa resaka nandalo teto io, saingy ny fahitako azy raha araky ny tantarainao dia tena Homo marina ilay zanakao fa tsy redraredra na andrana no nataony, izany hoe any anatiny lalina any no mitak'izany fa tsy filana ara-batana fotsiny ihany.

Tsy avy aminao ny antony naha-Homo azy, ary tsy ny fitaizana kristianina na tsia no nahatonga izany. Fa raha io karazany iray io, dia tena ny maha-izy azy iray manontolo no efa "izay". Tahaky ny bandy hetero voasinton'ny sipa no mahazo azy fa ny azy fotsiny olona mitovy sexe aminy. Tsy norma ve ? Tsy mahazatra aloha e ...:lol:

Io karazany iray io kalo dia tsy misy fitsaboana e , (tsy fitsaboana moa izany satria tsy aretina ilay izy!) fa atao hoe tsy misy afaka ampiova an'io. Fa anjaranao ny mahalala izay tokony ataonao.

Normal ilay fahadisoam-panantenana eo aminao satria tsy tao anatin'ny kajy rehetra ilay izy, saingy zanakao foana io, ary araky ny maha-ray anao dia tokony ny hahasambatra ny rehetra no tadiavina.

Sura aho fa efa nijaly io zanakao io, ary mbola hijaly ihany nohon'ny "vava-bahoaka" sy ny tsy fahafahany milaza na miaina malalaka ny fiainana mifanaraka amin'ny "maha-izy " azy.

Mety ho mafy, fa ny solution tsara indrindra dia ny fandraisana azy toy ny "zanakao" ohatran'ny nataonao hatramizay. Sura aho fa manana ny maha-izy azy izy akoatr'ny ny maha -Homo azy ...

Ankoatr'izay kalo dia arabaina zany nahazo vinantolahy e :-D:-D:-D

3. Vahinala ( 06/04/2007 10:45)
Sarotra tokoa aloha ny toeranao satria reny ny tena sady mba maniry koa hananjafy kely surtout hoe lahy tokana izy.
Aza manamelo tena anefa ianao hoe mety avy taminao ve no nahatonga izany na otrizany fa karazana aretina ihany ange io, ny vatany lhl fa ny fisainany zany mety tsy mifanaraka amin'izay, tsy mora ny manaiky toejavatra toy izao satria misy aza ireo ray amandreny mitovy cas aminao tonga dia mahavita mi ignorer tanteraka ilay zanany, nefa raha za no eo am toeranao dia hiala izay tranganjavatra izay, efa dingana lehibe hoazy ny nahasahiany nilaza taminao, mba manantena avy aminao koa izy hoe hi comprendre azy ianao, safudy ny azy tsinona ataoko fa tsy misy zavatra betsaka azonao atao hanakanana izany satria aza izy zany efa 3taona no niaraka tamle olona. Resaho izy, ataovy izay hatokisany anao amzay koa mba mety ho lazainy misimisy kokoa aminao ny antony nahatonga azy toy izany, ary aza manary azy fa na mbola zanakao foana izy ary tsy crime anie izany e, miaraka am fotoana d manaiky hoazy eny foana ny eritreritrao, ampio izy hitady solution hiterahany amzay mba mahazo zafikely mafatifaty ianao ! Courage
4. booboo ( 06/04/2007 11:15)
xxx > Misy cousin-ko izay koa mitovitovy cas @ zanakao : 27 taona, lahitokana, 3 taona niarahana t@ copain-ny, notaizaina t@ raha kristiana. Nony nampahafantariny an'i mamany hoe homosexuel izy dia nandratra beeeeeeeeeee ny fony ilay fihetsiky ny mamany (misy devoly sns). Izao izy tsy mifandray intsony na kely aza @ zay rehetra mifampikasoka @ mamany ... no-zappé-ny tanteraka ...Ankoatra zay miombon-kevitra @ Nikopol zà. :-*
5. sipagasy ( 06/04/2007 16:33)
miarahaba,


Voalohany aloha, TSY ARETINA io fa fombam-piainana, izay efa nisy ary misy ary tsy hitsahatra ny tsy hisy akory..
Tsy hoe ratsy taiza akory ilay olona mba tsy hatao hoe zaza izany 27 taona izany, fa safidy malalaka ny azy, tsy mbola eken'ny fisainan'ny maro tokoa ny fisian'io nefa dia zavatra iainana an-davan'andro ilay izy,

Tsy misy hoe toro hevitra arahina mba tsy haha homo ny olona 1 tsy akory e! voajanahary ho an'ny sasany izy ary mety hifoha aty aoriana ho an'ny sasany ihany koa.

Nahoana moa ianao no hanafina @ vadinao rain'io "zaza 27 taona" io?? zanakareo foooona io na hendry na maditra( omeo kely ny famaritana ny hoe zaza maditra aloha aho hihihi)ianareo no niaraka namolavola io ho tojo izao faniriany izao, tokony misaotra azy aza ianareo @ hanarahany ny safidiny hatramin'ny farany fa tsy ho voarebireby na koa ho henjehin'ny sasany izy @ safidiny, ADIDINAREO ray sy reny niteraka ny manaja ny safidiny @ izany,Ny vavan'ny manodidina ve????? shhhh tsy olana izany hatrizay ka hatrizao aloha tsy mbola nisy olona velona na maty nohon'izay vavan'olona any e!
Omeo tso-drano izy fa zanaka tojo ny faniriany, aza atao an-kilabao fa tsy nahatanteraka ny SITRAPONAREO,zafikely ve no notadiavinao?? tsy ny zanaka ateraky ny zanakao ihany anie no mety ataonao hoe zafikely e!!!! misy ny zanaky ny rahavavinao angamba na ny zanak'havana, zanaka dahoooooolo ireny ary zafikelinao dahooooolo koa fa AZA MALAHELO, avelao ny zanakao iaina malalaka ny fiainany, tohano izy @ izany fa mety ho sarotra ny lalany,

Izay fa mahereza hatrany e!:-*
6. Vahinala ( 06/04/2007 16:37)
sipagasy > Tsy hoe aretina am vatana ange ny tiko lazaina e fa efa any am lohany mintsy no efa zay iz d tsy afaka ny hanova azy.
7. sakaizakely ( 06/04/2007 17:57)
miombonkevitra @ rehetra

Mipetraka atsy andafy efa ela ve ianao dia mbola tsy mivelatra aratsaina ihany ? Tsy aretina ny maha homo ary tsy tokony atao hahamenatra. Araho am'zay mahafaly azy izy ary ombao tsodrano ny tokantranony hahasambatra azy. Zaranao aza izy manana olontiana tokana toy izay ilay mibolila etsy sy eroa farany voan'ny sida.

Fitiavana tsotra izao tsisy takalo no anjarantsika ray amandreny. Rehefa sambatra fotsiny izy dia tokony ho faly sy hanaja izay mba safidiny isika fa tsy handeha hiteny hoe izao no nantenaiko ho ataonao sns...

ho an'ilay vadinao indray dia resaho tsotra toy ny firesakareo isaky ny misy dinika lehibe ireny. Andefimandrinao tsisy tokony hoe iafenanao na hampiahotra anao. Miantsoa ny info Sida dia mangataha conseils fa hainireo mpiasa ao ny hanoro hevitra anao sy ny vadinao.

Farany, betsaka ny lhl mandao vady amanjanaka dia lasa manao homo rehefa manambady taona maromaro. Ny antony matetika ? Ilay filàna refoulée fahiny no mahatonga an'io. Efa tao anatiny hatramin'ny ela ilay homosexualité-ny fa natahotra fony tanora, sao handiso fanantenana an'i dada sy neny, ny image eo anoloan'ny fiaraha-monina, dia manaraka ny convention tsy fidiny, nefa ny saina tsy eo mihintsy. farany anefa dia rava ihany ny tokantrano satria chasser le naturel, il revient au galop. Ilay zafikely nirinao hananana mafy iny no hijaly voalohany...

Mahereza :-*
8. sakaizakely ( 06/04/2007 18:00)
Azafady, tsy hoe sanatria manohatra ny homosexualité n'ny zanakao @ sida, fa Info sida no tonga tato antsaiko voalohany, nefa misy betsaka associations hafa afaka manampy anareo. Fa ny Info Sida afaka mi-aiguiller anareo amin'ireo associations ireo ohatra.
Azatsiny indrindra raha toa mifangaro resaka
9. salmo1 ( 06/04/2007 18:15)
xxx:
homo ny zanako
amiko manokana alou de tsy asiako olana, zay zany no tiany kou inn no olana:?:
10. xxx ( 06/04/2007 18:17)
tsy de any @ le oe tsy mivelatra ara tsaina loatra ry sakaiza kely fa tsy eo aminao ny toerana sady za koa tsy de mbola nahita olona akaiky ahy niaina io aho,tsy choquée koa sanatria fa gaga sy taitra

misaotra antsika rehetra namaly fa mba tehanotany ho an'izay mahalala na mahafantatar olona miaina io fiainana io aho hoe manahoana ny fifandraisany @ fiarahamonina surtout gasy,manahoana ny fandraisan'ny malagasy izany homsexualité zany

raha toa ka hi^petraka any dao io zanako io indray andro any,hanahoana ny mety ho fifandraisany @ manodidina,resaka asa ,mpiray tanàna ary raha hananjanaka izy ,hisy hanenjika ve ny zaza,sns

misaotra mialoha
11. boubounezy ( 06/04/2007 18:36)
xxx:

tsy fantatro na inona no mety antony fa homosexuel ny zanako lahy,27 ans izy zao ary manana copain ,mipetraka aty andafy izahay ,nanabe azy @ fomba kristianina ihany aho,ary nitandrina ny frquentation-ny ,inona no tokony ho reaction-ko fa vao haingana izy vao namboraka tamiko ny zava-misy,diso fanantenana aho satria lahy tokana,ary tsy mbola nilaza ny vadiko aho,nilaza izy fa mety hananjanaka ihany satria afaka mametraka sperme any @ banque de sperme na afaka mifanaraka @ tovovavy manaiky ny hiterahany saingy tsy haiko re ny atao,hipresenter ny copain-ny amiko izy refa d'accord aho,nilaza izy fa efa 3ans ry zareo no niaraka ary efa hatry ny ela no nahatsapa fa voasarika t@ lehilahy izy saingy tsy sahy nampiseho tamiko



ekeo ny maha homo azy fa zanakao izy ary tsy o very ny tsy o zanakao; tsofirano izy ra tinao ny zanakao fa refa zay ny masambatra azy tsisy maratsy ny ma homo @ko satry efa zany ny nature nomen'A/tra azy fa tsy fananiny akory ny ho otrizany. ny momba ny vadinao ndray dé ra tinao ny zanakao ainao fona ny miresaka @.


12. Vahinala ( 07/04/2007 11:49)
xxx > Taloha no mbola nisy ilay toetsaina am samy mpiara monina hoe ailikilika refa tsy mitovy fiaina aminy, amzao fotoana kosa ef tsy misy anzany tsony fa ny ankamaroany malagasy efa nivotra ny fisainana. Na homo aza izy tsy mampaninona izany fa efa betsaka zao ny lhl malagasy no lasa nirona tamin'io ary taloha niafinkafina fa zao kosa efa sahy mijoro ny izy ireo ary tsy menatra maneho ny safidiny. Za hoa manana havana akaiky be homo mintsy fa tsitako izay olana, marina fa somary choqué kely ny fianakaviana tam voalohany fa niravona hoazy teny izany.
Sady resaka vavan'olona izany koa anie tsy tokony atao hanisy olana eo am fiainana e, tsarovy fa na tsara na ratsy ny ataonao, mahita tenenina foana ny olona rehefa te hanenjika fa tadidio.
Ianareo ray amandreniny no tokony hamporisika azy hijoro am maha izy azy rehefa tena izay no safidiny.
13. 147 ( 07/04/2007 18:03)
tsy malahelo, mahatsiaro tsy nahavita ny adidiny ny ray amandreny anoloan'ny homosexualitén'ny zanany,efa erantany anefa dia ekena ny fitiavan'ny tanora samy lahy na samy vavy,aza atao mahakivy ry namana fa fiainana daholo izany!tsy aretina, fa tena fomba fiainana!complexe no naha tonga azy io ary ny fanandramana ny fiaianana e!mahereza ary aza ariana na atosika ny zanaka fa na mioso-tay aza hoy ny fiteny zanaka foana mandrakizay!
14. pimaso ( 10/04/2007 14:52)
Raha misy andininy mahafafa ny hoe : "miteraha ka mamenoa ny tany" ao @ baiboly momba ny adama sy eva dia manaiky aho ry xxx,
sakaizakely > fa raha izay hoe tery saina, ny demony no mampalala-tsaina anareo
sipagasy > raha ny zanakao no toa an'io tsy hiréagir toy io ianao
Mankahery an'i xxx mba hitondra ambavaka le lahy tokanao fa zava-doza izany, contre la nature humaine,
aza manaiky hadalain'izay zaza 27 taona fa faizo tanteraka, aza ampandovaina raha be loha , gadrao fa sodoma fiaina,
forcero hanao mopera rehefa tsy hanambady vehivavy afaka miteraka,
omeo ahy ny adresse e-mailny hidresserko azy,
Misaotra anao nilaza dia mirary soa sy fankaherezana e!
15. booboo ( 10/04/2007 15:11)
hum hum :-w
16. cutie ( 10/04/2007 15:41)
forcero hanao mopera rehefa tsy hanambady vehivavy afaka miteraka

any no vo maika ho loza:-D:-D:-D:-D
17. cutie ( 10/04/2007 16:06)
fa nga moa ny fanaovana mopera mila forcer-na zany :roll:
nga reny mopera reny tsy nahazo antso:roll:
mba hafa njay zany ry pimaso:roll:
aza omena an'i pimaso zany ny email-n'le zanakao ry xxx a:wink:
18. nikopol ( 10/04/2007 17:19)
=))=))=))=))
19. cutie ( 10/04/2007 17:22)
nikopol tsy mime loza e :-D:-D:-D:-D
20. sakaizakely ( 10/04/2007 18:07)
aza manaiky hadalain'izay zaza 27 taona fa faizo tanteraka, aza ampandovaina raha be loha , gadrao fa sodoma fiaina


loza koa izany mba toetsain'ty !!!

tena faraidiny 8-) 8-)

aza mba miteraka fa hijaly izay zanaka raha sendra dada tery atidoha toy izao

ialao fa :evil: :evil: :evil: demony tokanify :evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2711