ny blaogy.com angamba raka ny fahitako azy dia antitra koakoa noho ny blaogy.org. Ohatra izao ilay hira ao amin'ny blaogin'ialahy iny mety tsy mandeha raha any amin'ny .com no atao. Ny fampidirana sary koa tsy mitovy, ny .com mbola mila ampidirina any amin'ny toerana hafa aloha ny sary vao antsoina indray. Ny .org ndray atao tovana fotsiny tonga dia basy.
Dia tsy haiko fa moramora koakoa ho ahy ny mampiasa .org noho ny .com raha resaka multimedia. Fa raha lahatsoratra dia toa .com no tsara. Iny mantsy mety amboaromboarina ny endrika sy ny soratra. Mety lokolokoina :-D.