omeko 2segondra...

1. lanto ( 04/04/2007 11:47)
Tsy dia hoe mitady maika le tonony aho fa sendra nandalo tao an-tsaiko ity hira ity, misy hoe :


Orokoro'olon-tiana sy tia lery e
Omeko roa segondra ianareo....

Asa raha izay marina le tonony, asa mba inona no titre, an'iza le hira :-)

Eritreritra mandalo ngamba no tena izy :-)
novalian'i lanto ny 05/04/2007 06:46
2. Fiffi ( 04/04/2007 12:08)
kiiiiii !!! Lanto raha omendry 2segondra ve akia de ho tafavoaka le izy ? :-D:-D:-D (vazi2 iny an!) fa tena tsy aiko le hira....
3. Vahinala ( 04/04/2007 12:29)
tsy azoko antsaina mintsy zany hira zany ry reto
4. cutie ( 04/04/2007 23:25)
Eritreritra mandalo ngamba no tena izy

marina zany :-D
5. rabilabila ( 05/04/2007 01:58)
Tselonina no mihira azy


D'efa izy ,izy mihintsy anie,
Rafitiavana(x2)
No vatsy entinao mandehandeha
D'efa izy e! izy lehibe.

D'efa io 'lay fo voatorotoro
Feno fitiavana(x2)
No entinao mandrava ny tontolo
D'efa izy e!izy manontolo

Horokorok'olon-tiana tsy tia lery e!
Omeko roa segondra ialàny
Tantànan'olon-tiana ka tia ô!
Satriko tsy hiala eo ihany.

Tantanan'olontiana tsy tia lery ô!
manaikitra toa rojon-djandary
an-tanan'olon-tiana ka tia ô!!
Manitra tantely ny akany.

Fa io 'lay izy
Io raha vao mahita
fitia tsy vidiana ve lery!
Ka tsy hozaraiko amin'ny tary sy ekipa(fehezan-teny tsy iombonako amin'i Rainitse)
6. lanto ( 05/04/2007 06:46)
Misaotra an'i rabilabila :-) Hay na ilay sombiny tadidiko aza tsy marina. :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0609