Loza ho an'izay

21. ikaretsaka ( 02/04/2007 13:37)
lapino:
Tsy tokony ho jamba no mitarika jamba. Fa raha jamba no mamitaka ny jamba namany ka hitarika azy any amin'ny lalan'ny fahaverezana, dia loza ho azy.

nefa izay seho izay no betsaka mitranga ko..indrisy!
22. cutie ( 02/04/2007 13:49)
za zao mitady tsy jamba e :-D
23. lapino ( 02/04/2007 13:53)
cutie > valin-teny otran'iza? fa maninn?

Ikaretsaka > Tena betsaka mihitsy.

Ary izany no ilazana ombieny ombieny, fa raha misy olona te hahita na hahafantatra an'Andriamanitra marina, dia tokony hitady Azy fatratra ao am-pony izy, ary tokony hivoky amin'ny Teniny ka hitandrina izany. Fa tsy lavitra Andriamanitra, fa ho hitan'izay mitady Azy. Dia tsy ho azon'ny fitaka ny olona ohatra an'izany.
24. cutie ( 02/04/2007 13:55)
: lapino [ Valio ] 02-04-2007 15:25:31
Lohateny : Re : Loza ho an'izay
Hoy i cutie:
ka iza no mahalala we manan ny FM io oul mampianatar io
le oul ampianarina ve nefa le oul aza tsy mahalala we manan ny FM izy
Tsy tokony ho jamba no mitarika jamba. Fa raha jamba no mamitaka ny jamba namany ka hitarika azy any amin'ny lalan'ny fahaverezana, dia loza ho azy.

lapino io ka
tsy mazava mitsy :roll:
25. prime ( 02/04/2007 13:55)
Misaora fa aza manozona hoy ny tenin'Andriamanitra... ary fitahiana no miandry ny olona manetry tena ka manaiky havaozin'Andriamanitra ao amin'i Kristy na dia nandeha tamin'ireo loza marobe ireo aza...
26. cutie ( 02/04/2007 13:57)
Mpandefa : prime [ Valio ] 02-04-2007 15:55:47
Lohateny : Re : Loza ho an'izay
Misaora fa aza manozona hoy ny tenin'Andriamanitra... ary fitahiana no miandry ny olona manetry tena ka manaiky havaozin'Andriamanitra ao amin'i Kristy na dia nandeha tamin'ireo loza marobe ireo aza...

amen:lol:
27. ikaretsaka ( 02/04/2007 13:58)
prime> misy tsy azoko kely..
hoy ny tenin'andriamanitra: "aza manozona".... dia hoy ny tenin'andriamanitra "lozanao..."
Mba afaka velavelarina ve?
28. lapino ( 02/04/2007 14:05)
cutie > azafady raha tsy mazava e
Ary manazava azy ve ilay teniko ho an'Ikatretsaka?
Ary izany no ilazana ombieny ombieny, fa raha misy olona te hahita na hahafantatra an'Andriamanitra marina, dia tokony hitady Azy fatratra ao am-pony izy, ary tokony hivoky amin'ny Teniny ka hitandrina izany. Fa tsy lavitra Andriamanitra, fa ho hitan'izay mitady Azy. Dia tsy ho azon'ny fitaka ny olona ohatra an'izany.

Raha ohatra manko ianao ampianarin'olona fampianaran-diso, dia mety handray an'izany koa, dia tsy haiko ny hiteny ny hoe diso ianao na tsia amin'izay, fa dia ho lasa any amin'ny fahaverezana miaraka amin'izay jamba mitarika anao ianao.
Ny vahaolana hialana amin'izay mety ho fitaka izany, eo amin'ny toeran'ilay ampianarina, dia io voalaza teo io.
29. cutie ( 02/04/2007 14:12)
Mpandefa : lapino [ Valio ] 02-04-2007 16:05:13
Lohateny : Re : Loza ho an'izay
cutie > azafady raha tsy mazava e
Ary manazava azy ve ilay teniko ho an'Ikatretsaka?

Voalaza teo :
Ary izany no ilazana ombieny ombieny, fa raha misy olona te hahita na hahafantatra an'Andriamanitra marina, dia tokony hitady Azy fatratra ao am-pony izy, ary tokony hivoky amin'ny Teniny ka hitandrina izany. Fa tsy lavitra Andriamanitra, fa ho hitan'izay mitady Azy. Dia tsy ho azon'ny fitaka ny olona ohatra an'izany.

Raha ohatra manko ianao ampianarin'olona fampianaran-diso, dia mety handray an'izany koa, dia tsy haiko ny hiteny ny hoe diso ianao na tsia amin'izay, fa dia ho lasa any amin'ny fahaverezana miaraka amin'izay jamba mitarika anao ianao.
Ny vahaolana hialana amin'izay mety ho fitaka izany, eo amin'ny toeran'ilay ampianarina, dia io voalaza teo io.

de efa tsy mila mpampianatra tsony nge raha zany e :lol:
30. soanja ( 02/04/2007 14:15)
Ianareo ry namako dia aza dia maNdany fotoana loatra mandany rora amin'izay BORNES.

Asa, asa no ilaintsika!

Raiso ny angady sy ny harona. Ndao hampihatra ny tenin'Andriamanitra amin'ny fahafantaranao azy ao amponao lalina satria izy no miresaka lalandava aminao ary manome anao ny fahamarinana.

Katsaho izy fa TSARA!
31. cutie ( 02/04/2007 14:17)
eny wa ry soanja a
Fa mila manana ny FM hono alou koa:-D
32. lapino ( 02/04/2007 14:31)
cutie:
de efa tsy mila mpampianatra tsony nge raha zany e :lol:
nampoiziko ihany io nony voasoratro le teo :)
Kanefa ilaina ny olona mampianatra, raha tena olon'Andriamanitra marina izy :
- ho an'ireo izay mila hitoriana, ilay mety ho tratran'ny fitaka : hanan-tombony ireo raha maharay ny fampianarana marina tsy misy kilema.
- ho an'ireo izay mila hitoriana koa, fa ilay tsy ho tratran'ny fitaka satria nitady mafy an'Andriamanitra tao am-pony : satria hotahian'ny Fanahy Masina ny Teny izay holazainy.
33. cutie ( 02/04/2007 14:33)
mbola omen'i lapino safidy ihany za kle :-D:-D:-D:-D
34. naughtyboy ( 02/04/2007 16:15)
8-) loza ho an'izay maniry loza mitombina ve io eto @ ty resaka ty
35. lapino ( 02/04/2007 16:17)
Fa iza moa no maniry loza eto amin'ity resaka ity ?
36. simplex ( 02/04/2007 16:30)

Loza hoan'ze mahalala ny mahatonga ny loza kanefa variana mitanisa ny mety ho loza fa tsy mampihatra ny tsy mampidi-doza
37. lapino ( 02/04/2007 16:39)
...
38. pissoa ( 02/04/2007 16:45)
lapino:

- manafangaro lainga amin'ny fahamarinana ka mamitaka ny olona
- misakana ny olona tsy hiditra ny fanjakan'Andriamanitra na mitarika azy ho any amin'ny fahaverezana
- manarona ny Tenin'Andriamanitra tsy ho hitan'ny olona, na manoso-potaka ny Tenin'Andriamanitra mba tsy hinoan'ny olona Azy
- mitondra fampianarana tsy izy eo amin'ny olona

Ka :
- izay mampianatra, azonao antoka, tsapanao sy itompoanao mihitsy ve fa tena manana ny Fanahy Masina ianao, tena manana ny fahasoavan'Andriamanitra marina ?
- raha vao tsy izany, aleo miankina mandrakariva amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Nga tsy refa tsy ao ny Fanahy Masina dia na de ny Tenin'Andriamanitra aza hahafahana mitarika fampianaran-diso !

Fa na izany aza, ankoatra ny asan'ny mpampianatra dia manana adidy handalina ny finoany ny tsirairay. Henoy ny mpampianatra dia halalino ny finoana. (Hihi - amin'ny fiomanana amin'ny Konfesy misy fanontaniana : --- Moa mandalina ny finoanao ve ianao ? --- )
39. cutie ( 02/04/2007 16:46)
Nga tsy refa tsy ao ny Fanahy Masina dia na de ny Tenin'Andriamanitra aza hahafahana mitarika fampianaran-diso !

hum hum
40. simplex ( 02/04/2007 16:47)

matetika za, indrindra refa nerveux, arakaraky ny hitandremako ny tsy hitrangan'ny loza vao mia otran'ny miantso an'nedala. :)

Refa tsy ivakiako bombina nefa otran'ny mety ihany :P

paradoxe? :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.2226