fanontaniana mipetraka ho antsika rehetra ity?

1. lemenakely ( 28/03/2007 16:06)
Raha omena anareo ny safidy dia iza no azo iafiana kokoa vehivavy iray niteraka tsy nanambady sa mangala-badin'olona ? misokatra ny adi-hevitra tompokolahy sy tompokovavy!...
novalian'i pimaso ny 10/04/2007 07:23
2. fasaly ( 28/03/2007 16:27)
fa ny vehivavy niteraka tsy manambady kosa angaha ry lemenakely dia ho vehivavy tsy misy lanjany kosa!:?
ny bandy ihany no namela anreny vehivavy teraka tsy manambady ireny......de tsy asina vidiny kosa veuh!:cry: palelo be izany....:?
mazava ho azy! zà tsy tia vevavy mpangala-bady n'oul zany.......grrrrrrrr:x
3. vegas ( 28/03/2007 16:35)
... mahagaga nefa fa misy karazamvehivavy tena manenjika vadin'olona fotsiny. Za mahakobo vitsivitsy.
Io tsy miaraka io ra tsy vadin'olona.
4. ikaretsaka ( 28/03/2007 16:54)
samy vehivavy letsy e...
ny 1 mangalatra moa ny 1 voan'ny nataony sy/na voafitaka
5. jaloko ( 28/03/2007 17:12)
Misy ny vehivavy dia sitrapony ny miteraka na dia tsy manambady aza satria efa mandroso ny taona , ao koa ireo miteraka satria tsy nampiasa satroka satria tsy nieritreritra ny ho avy ,ao koa ireo lehilahy tia tena manao firaisana@izay vehivavy manaiky azy ?ny fangalara-badin'olona aloha dia eran-tany , ny any Afrika dia ara-dalana ny fangalana vadin'olona , @ datin'andro ianantsika izao dia tsy misafidy aho satria samy manao izay mahafinaritra ny tenany ? Fa ny tena mampalahelo dia ireo miteraka tsy fidiny .
6. lanto ( 28/03/2007 17:45)
Ary raha miteraka tsy manam-bady amina vadin'olona ?

... mahagaga nefa fa misy karazamvehivavy tena manenjika vadin'olona fotsiny


Misy lhl ohatr'izany koa ka ! :-)

7. sipagasy ( 28/03/2007 18:19)
:-D:-D:-D fiainana aby izany zanakoooooooo
8. patrick2002 ( 28/03/2007 18:34)
ny ahy aloha dia samy azoko hiafina daholo eh! ny niteraka tsy nanam-bady ,tsy fidiny ho azy ,ny nangala-padin'olona mba mitady ny anjara ho azy izy kou :lol:
Ka tsy haka ny vadin'alika koa izy fa vadin'olona ihany :-D:-D
9. fasaly ( 28/03/2007 19:11)
10. bozylove ( 28/03/2007 19:11)
Lohateny : fanontaniana mipetraka ho antsika rehetra ity?
lemenakely:
Raha omena anareo ny safidy dia iza no azo iafiana kokoa vehivavy iray niteraka tsy nanambady sa mangala-badin'olona ? misokatra ny adi-hevitra tompokolahy sy tompokovavy!...


Ilay fanontaninao aloha mahagaga ihany, fa enao anga mieritreritra hiaraka @ vehivavy?? ka ny safidinao sois vehivavy teraka tsy manambady na vehivavy mpangalabadin'olona :-); enao izany ilay vady hangalarina ve 8) :D ???
11. lanto ( 28/03/2007 19:19)
Ihafio aby re ry lemenakely a hihihihih
12. tynah ( 28/03/2007 19:57)
Lay miteraka tsy manam bady aloha mety safidin'ilay vahivavy iny eh fa ilay mangala badin'ol kosa toa tsy lasa koh:? satria amiko tsy tiako halain'ol ny vadiko d aleoko tsy maka ny an'ol.
13. fijo ( 28/03/2007 20:16)
tsy misy mangalatra izany e;fa ngaha izy ity fanana no hoe hangalarina?????
ary raha hoe efa niteraka tsy manambady izy,vadio de hiterao koa de miteraka manambady izy avy eo.
aiza ary ny olana.
14. melody ( 28/03/2007 20:24)
fijo, mampmé koa enao ity an:-D:-D
15. cutie ( 28/03/2007 23:23)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 28-03-2007 22:16:55
Lohateny : Re : fanontaniana mipetraka ho antsika rehetra ity?
tsy misy mangalatra izany e;fa ngaha izy ity fanana no hoe hangalarina?????
ary raha hoe efa niteraka tsy manambady izy,vadio de hiterao koa de miteraka manambady izy avy eo.
aiza ary ny olana.

eny wa :-D
16. Vahinala ( 28/03/2007 23:40)
vegas:

... mahagaga nefa fa misy karazamvehivavy tena manenjika vadin'olona fotsiny. Za mahakobo vitsivitsy.
Io tsy miaraka io ra tsy vadin'olona.



tsy ny vhv ihany fa misy lhl koa, karazan'olona tsy tia engagement be ny fahitako anreny tia miaraka am vadin'olona ireny, mety hoe aventure no hitiavany azy mety koa hoe arakaraka ny maha manambady azy no itiavany azy satria mety manome plaisir ny sainy ny hoe hananany rafy io olona donko tsara izy zany aminy.
Ny resaka miteraka ts manambady ndray d misy karazany 2, misy safidin'ilay vhv mintsy ilay izy misy koa hoe nilaozan'ilay bandy na koa nisaraka fa tsy mety ny fiarahana; amzay fotoana zay d le bandy no fopla indrindra ra tsy mandray andraikitra am famelonanjaza izy.
Amiko aloha d tsisy hoe iza no tsara na iza no ratsy fa samy manana ny fiheverany azy ilay olona manao azy, sady mety tsy d mitombina koa ilay hoe mangalabady ko sitraponle lhl koa anie no niaraka taminy e !
17. patrick2002 ( 29/03/2007 00:19)
vahinala : marina izay teninao izay raha ny lehilahy
fa hanampiako kjely azy dia misy koa tena tia manao defi an'ilay tompom-bady mihintsy ilay bandy .
Fa ny vevhivavy mangala-badin'olona indray dia maro amin'izy ireny no tena tsy fidiny ho azy mihintsy ,tsy manome tsiny azy ireny izao ,satria hitako fa tena mijaly ny vehivavy mono-parental sy ny vehivavy celibat, psychologiquement ,emotionellement ,tena hitanao hoe tsy manana estime de soi izany ireny vehivavy ireny,mahatsiaro ny tenany insecure izy hany ka ny vadin'olona sisa no ramotana.
18. soanja ( 29/03/2007 04:00)
lemenakely:

Raha omena anareo ny safidy dia iza no azo iafiana kokoa vehivavy iray niteraka tsy nanambady sa mangala-badin'olona ? misokatra ny adi-hevitra tompokolahy sy tompokovavy!...


Oh lahy, raha samy hisafidy dia aleoko ny mangalam-badin'olona satria ireny anie le lehilahy no diso fa tsy le vehivavy mihitsiny e.
Ny vehivavy anie ka betsaka ny tsy dia manisy siran'izay hoe manambady sy tsy manambady izany fa rehefa tia de tia izy. Matetika mandainga ny lehilahy ary rehefa tafiditra ao sarotra be ny mihemotra. Misy koa ny vehivavy tena tia vadin'olona satria io no TSY AZO KASIHANA. Dia ireny no tena manaitaitra azy. Toy ny vehivavy tia miaraka amin'ny relijiozy ihany io. Ilay hoe "Fady" mihitsy no manaitra azy. Resaka fantasme ka tanteraka daholo zany. Rehefa hendry ny lehilahy iray manambady dia ho hendry izy fa aza manahy.

Tantaraiko zavatra ianareo fa nisy namako izay manambady zany izy fa ke vadiny mbola tany Tulear. Nony tonga tamile tanana hono izy dia nikoty sipa fa tsy nahazo mihitsiny. Nony tonga anefa ny vadiny ka nahita ny hatsaran-tarehin'ity vadiny ny tovovavy teo an-tanana dia lasa nahazo sipa be dia be le rangahy. Izy indray no tsy naharaka. Izy no mitantara hoe "mahazo sipa tsara hono izay manambady tsara tarehy". Hitanareo amzany le toetsaina. Tsy hoe ratsy fa mahagaga, tsy ampoizina daholo e. Culture le izy raha ny ao Mada ny fahitako azy.

Le miteraka tsy manam-bady indray dia miankina amin'ny zavamisy fa raha raped na natao amboletra izy de tsy diso na mbola kely loatra de tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin'ny atao hoe vatana sy ny firaisana, fa raha safidy ny nanaovany firaisana dia avy eo ilaozan'ny lehilahy dia somary hadisoana ihany izany na tsy fahampian'ny fandinihina. Tokony hitandrin-tena fa tsy hanaonao foana zany mihitsy. Indrindra raha amin'izao fotoana efa malaza ny SIDA ary efa misy ny fiarovan-tena isan-karazany.

Ka ny tena hitako mampalahelo dia ny miteraka amin'ny vadin'olona. Ny zaza no tena voabe. Tsy rariny loatra. :(


19. fasaly ( 29/03/2007 05:34)
lanto:

Ary raha miteraka tsy manam-bady amina vadin'olona ?

... mahagaga nefa fa misy karazamvehivavy tena manenjika vadin'olona fotsiny


Misy lhl ohatr'izany koa ka ! :-)




:-D:-D:-D:-D ié! marina mitsy io:^)


20. fasaly ( 29/03/2007 05:35)
normal ve zany lay miaraka am vadin'oul:?::^):^):^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5987