Aza mitsara

1. LazaDaddy ( 28/03/2007 00:25)
Rehefa nandinika aho hoe ahoana no tena endrika isehoan'ny "fitsaratsarana" olona eto dia ito ny hitako mateti-pitranga:

1) ny fitsarana olona ho "mpitsara"

2) ny fanamarinan-tena (fitsarana tena)
novalian'i prime ny 03/04/2007 11:47
2. cutie ( 28/03/2007 00:29)
ary in io ataon'i LD io:-D:-D:-D:-D
3. ikaretsaka ( 28/03/2007 00:31)
:-D
4. Fiffi ( 28/03/2007 05:49)
Aza mitsara hono......

Bdb ny zavatra mbola tsy zakan'ny sain'ny olombelona....

-Tsy azo hatao ny mitsikera

-Tsy azo hatao ny filazana ny marina

-Tsy azo hatao zao zavatra rehetra zao fa raha vao miteny ny olona tondé hoe MITSARA !

Tadidio anefa fa io fitsikerana io de tena ilaina satria tsy misy ny olona tongalafatra....@ fomba ahoana moh no hanatsara ny zavatra raha tsy misy ny fitsikerana ? fa tsy tokony ho raisina foana hoe "mitsara" zany !

Na izany aza de aleo Andriamanitra irery hiany no hitsara.....
5. pissoa ( 28/03/2007 06:10)
ito ray ito zao voasokajy ao amin'ilay 2 :^):-D:-D:-D
6. diamondra27 ( 28/03/2007 06:29)
za zany zao aiza?:-P
7. LazaDaddy ( 28/03/2007 06:38)
cutie, pisoa> Tsy hanamarin-tena aho satria izaho tsy mandah fahatany :) Ary izaho koa tsy mbola nisakana olona mihitsy hoe "aza mitsara" satria ilaiko araka io nambaran'i Fiffi io ilay tsikera :)
8. Fiffi ( 28/03/2007 08:58)
pissoa:
ito ray ito zao voasokajy ao amin'ilay 2 :^):-D:-D:-D
pissoa: tsy azoko ny tiandry lazaina an !


9. xxx ( 28/03/2007 10:34)
vocabulaire : inona ny atao hoe condamner ary inona ny critiquer ?

indraindray misy mi critiquer dia raisin\'ny andanniny ho condamnation
10. lapino ( 28/03/2007 10:55)
Ny hitako mahatonga an'izay dia mitoetra foana ao amin'ilay hoe : "ny anay marina, ny anareo diso".

Ka tsy any amin'ilay "marina" sa "diso" no ifantohan'ny resaka, fa any amin'ilay "anay" sy "anareo" na "an'ny hafa". Hany ka lasa mivaralila tanteraka ny resaka, lasa disadisa sy adiady.

Maninona ary raha mba miala amin'ny resaka tsy misy dikany, fa mba miresaka mampandroso e?
11. LazaDaddy ( 28/03/2007 11:14)
lapino> mahonena tokoa matetika fa misy mamadika ho "anay" sy "anareo" foana ny resaka eto na dia adihevitra tsy miresaka olona na vondron'olona akory aza.
12. pissoa ( 28/03/2007 12:15)
Fiffi : valin'i LD io fa tsy anjy ka :oops::-*

:-D:-D:-D
13. Rasiligaoma ( 28/03/2007 12:16)
Iza no nampiditra azy voalohany sy mpanao an'io matetika eto nefa?:lol:
rehefa tsy "'zahay" dia antikristy?
14. LazaDaddy ( 28/03/2007 12:22)
rehefa tsy "'zahay" dia antikristy?
Aiza tokoa ny misy an'izany Rasiligaoma? Tokony ho hita miharihary tokoa mantsy raha "matetika" araka izany filazanao azy izany.
15. Rasiligaoma ( 28/03/2007 12:27)
Tena tsy te hamongatra ny lasa aho ry Pastera Laza fa ao ny tantara sy ny voasoratra any amin'ny archives any hitsara azy.. ary ao ko ireo olona be dia be nahita azy niseho teto!
16. LazaDaddy ( 28/03/2007 12:35)
eeeeee! Raha zavatra lazainao fa "matetika" izany no tsy ahitanao porofo na dia iray monja aza dia mampanahy ny fahamarinany.

Mety ny eritreritra koa anie no mamosavy tena e(paranoid na paranoiac).
17. ikaretsaka ( 28/03/2007 14:41)
eee.. mandeha tokoa ny fotoana de misy ny mora manadino ny nataony!
18. LazaDaddy ( 28/03/2007 14:51)
=)) azo sokajiana ho "fitsarana" koa ve ny "paranoia"? =))
19. ikaretsaka ( 28/03/2007 14:53)
aleo aho tsy hiteny intsony:wink:
20. naughtyboy ( 28/03/2007 16:01)
de misy ko le karazan'olona mangataka fitsikerana oe
tsarao ary teniko..any @ 3 any ngamba io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2179