Mila fitandremana, satria ny filazana fa \"nantsoin\'ny Ray hody any aminy\", dia toy ny blasphème satria midika fa :
1)Andriamanitra ihany izany no Mpamono olona, dia logique ve hoe ilay miteny hoe : \"Aza mamono olona\" ao @\'ny didiny no Hamono olona. Raha mitombina izany na izaho aza tsy ihantehatra @\'ny tenin\'Andriamanitra satria na Izy niteny aza tsy manaja ny teniny??
2)Andriamanitra no Mpamorona antsika, dia logique ve hoe Izy nisasatra namorona no handeha hanapotika ny zavatra noforoniny??
3)Andriamanitra dia Fitiavana; Ary Izy niteny tao amin\'ny Ezekiela hoe : \"Tsy sitrako na dia ny hahafatesan\'ny ratsy fanahy aza, fa ny ialany @\'ny ratsy fanaony mba ho velona izy\"??
Aoka hotadidiana fa misy hery roa mifanandrina eto an-tany : Andriamanitra//Losifera ; Marina//Diso ; Tsara//Ratsy ; Mamorona//Mandrava ; Velona//Maty... Sehatra ifanandrinan\'ireo hery roa ireo ny tany sy izay rehetra eo aminy (na dia isika olombelona aza), ary ireo hery roa ireo dia samy manana ny source-ny avy. Nomen\'Andriamanitra faharanitan-tsaina isika mba ahafantatra izany. Aoka tsy ho voafitaka fa handinika tsara.
Fa efa fomban\'i Losifera, izay adversaire direct an\'Andriamanitra io manendrikendrika io. Ary toa ohatran\'ny marina izay ny teniny, nefa lainga sy fitaka.