Nantsoin'ny Ray !

1. majesty ( 27/03/2007 13:58)
Amin'reny taratasy filazana manjo ireny matetika ahitana hoe:@ alahelo lehibe no ampandrenesanay anareo fa ny havana malalanay dia nantsoin'ny Ray nody any aminy ...sns

Tsy haiko ianareo raha mandinika fa io ve tsy midika hoe rehefa maty dia mody any @ Ray (=mankany an-danitra),
1)noho izany na eo aza ny alahelo dia tokony mora hionona ny fo satria mankany an-danitra izy zany,
2)izay maty rehetra zany na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy dia mody any an-danitra daholo
3)ny vatan'ireo maty ireo anefa ao am-pasana daholo dia inona izany fa tsy matoatoa (fanahy tsy misy nofo aman-drà) no mameno ny lanitra.
4)Nantsoin'ny Ray hody any aminy = maty (Atra ve zany mamono olona

Raha tsy hilaza afa tsy ireo fotsiny,tsy hitanareo hoe misy zavatra tsy ara-dalana ve ? mba ahoana ny hevitrareo
novalian'i prime ny 06/04/2007 10:11
2. ikaretsaka ( 27/03/2007 14:17)
Ny Ray no manome sy maka ka.. izy no mandahatra fa tsy hay fotsiny hoe alainy any aminy dia entiny/alefany mankaiza aveo ..... mpandahatra toavina hoy ilay hira izay.

tsy dia fanao loatra any amintsika koa moa ilay manao filazana zaza teraka ireny fa amin'ireny koa matetika misy hoe "nomen'ny Ray hiara hivelona aminay sy ho zanakay i Ra anona"
3. Fiffi ( 27/03/2007 14:25)
Nantsohin'ny Ray hody any aminy satria ny Ray no nanomé ny fanahy ....d'où rehefa maty le olona de ny Ray no niantso azy.....
4. ari.malala ( 27/03/2007 14:41)
Efa nentiko io dinika io, fa ny nanontaniako t@ zay ndray d raha sanatria namono tena ilay olona, dia mbola ny Ray iany ve no naka azy, fa tsy mbola nahazoako valiny nahafapo ana mintsy!
5. cutie ( 27/03/2007 14:51)
Mpandefa : ari.malala [ Valio ] 27-03-2007 16:41:02
Lohateny : Re : Nantsoin'ny Ray !
Efa nentiko io dinika io, fa ny nanontaniako t@ zay ndray d raha sanatria namono tena ilay olona, dia mbola ny Ray iany ve no naka azy, fa tsy mbola nahazoako valiny nahafapo ana mintsy

raha ny fahazahoako azy de mbola ny Ray ihany satria raha tsy maty izy de tsy mbola sitraky ny Ray zany ny ahafatesany, fa raha maty kosa izy de sitraky ny Ray :lol::lol::lol:
6. xxx ( 27/03/2007 15:24)
[quote=ikaretsaka]
Ny Ray no manome sy maka ka.. izy no mandahatra fa tsy hay fotsiny hoe alainy any aminy dia entiny/alefany mankaiza aveo ..... mpandahatra toavina hoy ilay hira izay.

Dia mino ve karetsaka fa ny olona iray namono tena dia ny Ray no naka azy? anefa mazava be fa famonoan olona ihany koa ny fangalana ny ain ny tena?

Ary ny olona tsy manana fahendrena fa mbola lasa ihany mitondra tomobilina a 200km/ heure amin ny toerana izay tena miodikodina be.

Dia ahoana ihany koa ny resaka fahalavan ny fianan ny tany mahantra fohy kely, ny any andafy lava be? satria ve ny Ray te haka aloha ny olona any @ tany mahantra.

De ahoana koa ilay hoe hoe lava andro hiainana inao raha mankatoa ny RAD nao? tsy midika ve izany fa hihafohy ny andronao raha tsy mankatoa sns....



7. simplex ( 27/03/2007 17:14)
majesty:
1)noho izany na eo aza ny alahelo dia tokony mora hionona ny fo satria mankany an-danitra izy zany,
Tsy mora lesy ny ilaozan'ny olona ankamamiana a. Tsy hoe maniry loza hoan'la ah, fa mora ny miteny azy fa refa tonga ny tokoa malahelo ihany :-*

majesty:
2)izay maty rehetra zany na ny tsara fanahy na ny ratsy fanahy dia mody any an-danitra daholo
le izy ngambany tsy d le hoe natsoin'ny Ray hody any aminy e. Fanirian'ireo velona fotsiny ngamba hoy aho, ary fombafomba rahateo. Ra an'la ve ohatra ny razana, na tena faran'ze ratsy fanahy tahaka ny in aza d nde hatao hoe natsoin'i satana ho any aminy ny havanay malalanay :°):-D:-D
3)ny vatan'ireo maty ireo anefa ao am-pasana daholo dia inona izany fa tsy matoatoa (fanahy tsy misy nofo aman-drà) no mameno ny lanitra.
Ekena, en theorie, fanahy doly no any. Ny tsy fantatra fotsiny hoe mba betsaka ve any sa mbola azo isaina @ ratsan-tanana 8)
majesty:
4)Nantsoin'ny Ray hody any aminy = maty (Atra ve zany mamono olona
efa novaliako teo ihany. Faniriana, fomba fiteny. Ohatry ny hoe gidraka be zany tonga d hoe jokotra i an :°) Tsy mamono A/tra, na d efa fantany aza, fa safidy, lahatra, anjara an'ny tsirairay.

majesty:
Raha tsy hilaza afa tsy ireo fotsiny,tsy hitanareo hoe misy zavatra tsy ara-dalana ve ? mba ahoana ny hevitrareo
:D misy ny miteny hoe nodimandry t@ zao ora sy zao minitra ny andro izao ny havanay malalanay ;-)8)8)
8. Zina ( 27/03/2007 17:43)
Nantsoin'ny Ray

io dia tradition ny gasy mbola tsy afaka mihitsy..
ita fa tsy misy lasa any @ Andriamanitra na IRAY aza...

fa

oy i simplex oe:

misy ny miteny hoe nodimandry t@ zao ora sy zao minitra ny andro izao ny havanay malalanay


io no tokony ho fiteny.

Mpitoriteny 12: 7
ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo...

9. rakaroka ( 27/03/2007 18:25)
Nisy boky novakiako izay"enseinement de la sagesse étérnelle " auteur Benjamin C" nanazava ny fizotran'ny fiainana toa izao:
"raha ohatra hono tsy nahatratra ny "niveau d'évolution" ilay olona dia dotoana fohy ihany no ipetrahany ivelan'ny "incarnation" ary hiréincarne haingana izy.
Raha toa ny "staden'ilay olona efa somary "évolué dia mijanona maharitraritra any @ toerana antsoina hoe :"pralaya" izy: io no mifandraika @ antsoin'ny kristiana hoe "paradisa": Tsy misy inn miseho fa " un état de félicité"....dia anefa mety mbola hisy mission hanirahana indray fa toa ny miandry "numéro"....
Voasoratra ato @ boky fa mora kokoa hono ny mandao izao fiainana izao noho ny miverina @ izany!....
10. rakaroka ( 27/03/2007 18:45)
Ny mahalasa saina koa manoloana izany dia ny "état"n'ny vhv sy ny lhl nolazaina fa ny iray avy any @ planète "Mars" ny iray "Nénus"... fa fiteny aloha ny hoe "nantsoin'ny Ray..." fa i Randja Z nanao hoe:
"mankaiza marina ny maty?....:8O
11. rakaroka ( 27/03/2007 18:48)
Miala tsiny fa be tsipelina diso izy izany ; hadino ny "g" @ enseignement": fotoana fa tsy dotoana ,sns... somary maika mantsy aho no maoratra eto!
12. Salut ( 27/03/2007 22:07)
Mihamivaotra ny fahazoan'ny olona ny tenin'Andriamanitra. Isany zavatra iray isehoan'izany io resaka filazana manjoio. Ny fahatsapa fa misy hevitra tsy tena mazava, sy tsy tena araka ny vaovao mahafaly ny filazana hoe: " Nantson'ny Ray hody any aminy ny havanay malalanay..." Dia efa maro ankehitriny no nanova azy io hoe: " Amin'ny finoana ny fitsanganan-ko velona no ilazanay aminareo fa nody mandry androany ny havanay...." na koa hoe " amin'ny fanantenana lehibe ny fitsanganan-ko velona no ilazanay aminareo fa...."
13. ikaretsaka ( 27/03/2007 22:12)
na gasy mpanaja ny fomban-drazana aza ry salut misy manao an'io @ feraparany an..
tsy ampidirina fiangonana ilay razana fa tonga de le asitrika amzao fotsiny
14. Salut ( 27/03/2007 22:24)
ikaretsaka: fa samy hafa ny olona miaina amin'ny fombafomba sy ny olona miaina amin'ny finoana marina. Ny iray manao filazana manjo manoratra izay hitany ataon'ny hafa, fa ny iray kosa manoratra izay iainany sy tsapany.
15. Salut ( 27/03/2007 22:28)
ikaretsaka: fa samy hafa ny olona manao io fomba io amin'ny maha fomba azy fotsiny, sy ny olona mandray azy ho zava-dehibe, na fijorona ho vavolombelon'ny finoana mihitsy. Ny iray manao filazana manjo manoratra izay hitany ataon'ny hafa, fa ny iray kosa manoratra izay iainany sy tsapany.
16. Vahinala ( 27/03/2007 22:30)
Andriamanitra no tompony aina sy nanome ny aina dia izy ihany koa no maka azy.
17. majesty ( 28/03/2007 05:01)
Vao izay fotsiny zao no loha-hevitra resahantsika dia efa samy manana ny fomba andraisany azy ny olona tsirairay,koa tsy mahagaga raha betsaka ny antokom-pinoana miorina etsy sy eroa satria samy mandray ny soratra masina araka izay ahazoany azy:D
18. majesty ( 28/03/2007 05:16)
Hoy simplex:

Hoy i majesty:
1)noho izany na eo aza ny alahelo dia tokony mora hionona ny fo satria mankany an-danitra izy zany,
Tsy mora lesy ny ilaozan'ny olona ankamamiana a. Tsy hoe maniry loza hoan'la ah, fa mora ny miteny azy fa refa tonga ny tokoa malahelo ihany


Razoky zany anie mora mahazo resaka ihany rehefa averimberina matetika le fanazavana e,fa za angah niteny hoe izaho no miaina amin'io fa raha ny fijeriko ny olona izay manoratra an'io eo @ taratasy filazana manjo wa,:D
19. Rainikarabo ( 29/03/2007 11:27)
ka ny mahatonga io teny io miverimberina dia rehefa hanao fair part ny olona amin'ny ankapobeny tsy mamorona fa mitady fair part alaina tahaka. Dia mifampaka tahaka eo. Dia avy eo mahita hoe toa izay indray hono ny filaza azy e, dia toy izay hatrany!
20. Zina ( 29/03/2007 19:21)
Rainikarabo [ Valio ] 29-03-2007 13:27:22
Lohateny : Re : Nantsoin'ny Ray !
ka ny mahatonga io teny io miverimberina dia rehefa hanao fair part ny olona amin'ny ankapobeny tsy mamorona fa mitady fair part alaina tahaka. Dia mifampaka tahaka eo. Dia avy eo mahita hoe toa izay indray hono ny filaza azy e, dia toy izay hatrany!


Izay ilay atao hoe: Fahazarana:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081