Mpivady

21. soanja ( 27/03/2007 02:20)
nikopol:

tena mbola tsy mazava amiko soanja


Tsotra be anie izany raha toa ka Mpino isika fa rehefa maty dia miala amintsika ity vatana ity ary ny fanahy kosa no mijanona.
Zany hoe Lo le vatana zany. Ka ny vatana ihany no misy ny firaisana ara-nofo fa ny fanahy kosa antsoina Fiombonana ara-panahy. Asa na mahazatra anareo hoe Miombom-bavaka sns. Firaisana ara-panahy daholo ireny. Hadino, esory ao antsaina hoe mbola hisy ny hoe filahina sy ny fivavina sns fa dia lasa Fanahy aby.
Ny tokony ho izy anefa raha Kristianina ka mino ny voalaza ao amin'i baiboly dia hisy ny afobe sy ny Paradisa. Tsy io vatana io akory ny ho may any fa ny fanahy, raha hisy izany, hoy aho an. Io fanahy io izany dia tsy hanana fandriampahalemana rehefa any amin'i afobe fa hijaly foana. Matetika na ety ambonin'ny tany die efa manomboka le izy de mitohy hatrany amin'ilay dify tsy fantatra.
Ny any amin'ny paradisa kosa izay ho fiombonana amin'Andriamanitra, izay ahita tava indray an'i Kristy , tsy izy vatana akory fa izy Fanahy dia zanana aby isika raha hihoana any. Zany hoe tamporaika, kiboraika, mifanapa-tsinay ao amin'i Kristy. Io no hahatonga antsika ho Mpirahalahy sy Mpianadahy ary Mpirahavavy ao amin'i Kristy. Any tsy misy ny fijaliana isan-karazany tsapan'ny vatana satria sambatra foana satria miray lalandava amin'i Jesoa. Manompo sy miravoa ry filaminan-tsaina no iainana any. Tsy ilaina intsony izany hoe zanak'iza ity na ity fa mpianadahy avy , noho izany ka na hitako any aza ny vadiko dia tsy hanana ilay filana tety ambonin'ny tany izahay fa hitsiky aminy aho dia hiteny hoe : Good Heaven Ranadahy!


22. ndrena ( 27/03/2007 07:02)
Efa nisy valiny mazava voalazan'i Kiranyl teo ambony fa toa tsy nasiaa resaka kosa e.Raha ny saintsika fotsiny no hieritreretana izay ho valiny dia tsy tafavoaka isika fa ny tenin'Andriamanitra ihany no fanilon'ny tongotra sy mpitaridalana ka dia io no tokony jerena.Avereno vakiana ary ny Matio 22/23-33 dia hohitanareo aho ny valin'io fanontaniana io .
23. piste ( 27/03/2007 13:03)
Tena marina io voalazan'ny Kiranyl io. Ka mba vakio ihany.
Fa ny tiako marihina fotsiny dia : ity fanindrahindrana fa ny fanahy ihany no miakatra any an-danitra fa ny vatana dia ho lò eto an-tany. Filòzofia nolovaina t@ Platon izay tendance manambany ny vatana izay ka nahazo laka teo @ kristianina t@ voalohany. Ka izay no nahabetsaka an'ireo mpivavaka nampijaly ny tenany satria noheverina fa tsy misy dikany ny vatana ary sakana @ fandrosoan'ny fanahy.
Indray mandeha izay aza i Paoly apostoly raha mba nitory momba ny fitsanganan'ny vatana ho velona t@ ireo aéropage grika( na ireo philosophe grika) dia nilaozan-dry zareo teo satria zavatra inadmissible aminy ary tsy azon'ny sainy eritreretina.
Tadidio ary fa izay no mahasamihafa ny finoantsika kristianina: vatantsika dia hitsangana indray androany( tempolin'Andriamanitra io) dia izay no miakatra any an-danitra raha voavonjy moa isika. Tsy corps organique(mety simba) intsony anefa @ izay fa corps glorieux( na vatana be voninahitra) tsy mety lò, tsy voafetran'ny fotoana sy ny andro. Ary afaka mibanjina ny Voninahitr'Andriamanitra.
Tadidio raha nitsangan-ko velona niaraka t@ vatany i Kristy dia izay koa ny lalan-kizorantsika manaraka azy.
Ny vatana be voninahitra dia tsy mila miteraka satria efa mandrakizay izy.
24. majesty ( 27/03/2007 13:44)
Piste:marina tanteraka =D=D=D
25. dadie ( 27/03/2007 14:48)
mba betsaka iany ny reportage itako momban'ireny olona diso antson'Andriamanitra reny d mitantara ny zavatra itany tany fa ra efa maty vady izy tsy nasiany resaka zany fanotanian'i nikopol zany satria izy ary tsy nijanona .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.007