JJR

1. soanja ( 26/03/2007 00:13)
Hoy i JJ Rousseau:
" Teraka Olon'Afaka ny olombelona nefa n'aiza n'aiza izy dia voarohy sy voageja." Ekenao ve?
novalian'i cutie ny 02/04/2007 03:14
2. cutie ( 26/03/2007 00:57)
ekeko:lol:
3. ikaretsaka ( 26/03/2007 01:53)
ekeko koa!
4. majesty ( 26/03/2007 05:30)
hatramin'zao aloha dia mety ho izay,
5. Fiffi ( 26/03/2007 05:34)
satria mafy ny fiainana , eny na de hoe manana aza...
6. booboo ( 26/03/2007 09:40)
ekeko kounkou

noheveriko fa Jean Joseph Rabeariavelo ilay JJR :-D:-D
7. piste ( 26/03/2007 10:36)
la liberté est une valeur à acquérir et la verité qui vous rendra libre.
8. cutie ( 26/03/2007 12:21)
Mpandefa : soanja [ Valio ] 26-03-2007 02:13:26
Lohateny : JJR
Hoy i JJ Rousseau:
" Teraka Olon'Afaka ny olombelona nefa n'aiza n'aiza izy dia voarohy sy voageja." Ekenao ve?

fa in no nahatonga an'njy nametraka an'io size io :lol:
9. soanja ( 26/03/2007 14:07)
Tsy ekeko
satria hozy i Gautama Buddha hoe:
" Sambatra izay afaka nanala ny fitiavan-tenany (Ego)... Ireo izay nahatratra ny fitoniana (Peace)... Ary ireo izay nahita ny Fahamarinana (The Truth)"
Ny Fahamarinana ihany no hanome anao Fahafahana (Freedom). Manana izany fahafahana izany isika olombelona raha hiantsika ny mikatsaka ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana dia Andriamanitra Iray Tsy Toha. :-*:-*:-*:-*

Hoy Jesoa hoe: "Izaho no lalana sy Fahamarinana ary ny Fiainana." Izy izany no lakile hanala antsika amin'ny fangejana. Katsaho Izy fa Tsara!
10. cutie ( 26/03/2007 14:33)
soanja
afaka ny olombelona
fa afaka anaty io ( Fanahy). Raha we ndry irery ( na olona irery) de mety tokoa, fa tsy maintsy jerena ihany ny fiaraha monina iainan-jy .
Sambatra izay afaka nanala ny fitiavan-tenany (Ego)... Ireo izay nahatratra ny fitoniana (Peace)... Ary ireo izay nahita ny Fahamarinana (The Truth)"
Ny Fahamarinana ihany no hanome anao Fahafahana (Freedom). Manana izany fahafahana izany isika olombelona raha hiantsika ny mikatsaka ny tsara indrindra eo amin'ny fiainana dia Andriamanitra Iray Tsy Toha.

Marina mitsy io , fa io le ao anatin-jy:lol:
11. cutie ( 26/03/2007 14:35)
soanja
raha entina @ resaka finoana le izy de marina ny an-jy we tsy ekena:lol::lol::lol::lol:
12. prime ( 27/03/2007 12:48)
Izaho tsy manaiky...

Hoy ny tenin'Andriamanitra :

"Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo." Jaona 8:36

... dia hoy koa Kristy :

"Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin'ny jamba, Hanafaka izay nampahorina," Lioka 4:18

... dia hoy koa Jehovah :

"Ary hanafaka anao amin'ny tanan'ny ity ratsy fanahy Aho sy hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpampahory." Jeremia 15:21

Mila fandinihan-tena lalina ny mpino raha milaza fa voavonjy ao amin'i Kristy nefa mbola miaiky ho voarohy sy voageja araka ny lazain'i JJR.

Kristy efa nanafaka, izany no nanolorany ny ainy teo amin'ny hazofijaliana ary nandreseny ny fahavalo rehetra, eny fa na dia ny fahafatesana aza ka nitsanganany t@ maty... tsy angano anie izany na tsianjery fa tena nisy ary tena tanteraka e... koa raha Kristy tokoa no manafaka dia mbola manaiky ihany ve ny mpino ho voarohy sy voageja? O lehiretsy a...:lol:
13. cutie ( 27/03/2007 12:50)
mr be finoana :lol::lol::lol::lol:
14. rush ( 27/03/2007 12:58)
ka tsy izany ve no maha-Pasitera azy?ny azy hiany no marina!
Mora dia mora Pasitera Prime no mi-se reférencier izay voalaza ao anaty baiboly e!nataonao fahazarana io!ny rehetra ange afaka mamaky izay voalazan'ny baiboly avokoa e!fa ny hevitra dia tsy mba misy fa zatra an'io hoe "hoy ny tenin'Andriamanitra"
15. cutie ( 27/03/2007 13:08)
:-D
16. prime ( 27/03/2007 13:30)
rush> Ie... satria tsy izaho intsony no velona hoy i Paoly izay... ary Kristy no antony ahavelomako... ka inona no hahamenatra ahy hilaza izay voasoratra?...

Efa imbetsaka aho no mamerina, fa raha ny amiko dia tsy manan-kambara afatsy izay lazain'ny soratra masina raha ny eto amin'ny dinika "finoana sy fivavahana"... indray2 aho milaza ny hevitro manokana fa manisy fanamarihana amin'izay hoe "raha ny hevitro dia..." raha tsy izany dia tsy hitako ny olana... sa inona ny olanao amin'ny lazain'ny tenin'Andriamanitra? sa koa aza hoe inona no olanao amiko?...

Mba ilay lohahevitra aloha ifantohana fa aza lany andro ny amiko fa sady tsy hahavonjy no tsy hahavery ny fanahinao ny fandaniana andro hitsikera ahy eo...:-D:-D
17. ikaretsaka ( 27/03/2007 16:33)
saingy miaina ao anaty society foana isika .. raha reality nefa no jerena ...

18. cutie ( 27/03/2007 18:29)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 27-03-2007 18:33:56
Lohateny : Re : JJR
saingy miaina ao anaty society foana isika .. raha reality nefa no jerena ...

namaste:lol:
mahatsiaro an'i Ikaretsaka za fa misy namanay avy any Irak manoratra de refa mamarana ttsy izy de namaste hoy izy :lol:
HS kely :oops::P
19. ikaretsaka ( 28/03/2007 14:10)
ny akamaroan'ny olona manko rehefa lasa miakatra loatra izay ny sainy sy ny fanahiny .. dia manadino indraindray hoe mbola ao anaty society ange no misy azy e!
20. cutie ( 28/03/2007 22:21)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D
ka olon'afaka hono koa :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0697