Araka ny fahazahoako azy

41. cutie ( 25/03/2007 01:43)
i Masoandro ,izany hoe i Zanahary (=dieu soleil).

dia hoy aho hoe ahoana rehefa alina zany ny andro??

42. tsimiandravola ( 25/03/2007 06:26)
cutie:

i Masoandro ,izany hoe i Zanahary (=dieu soleil).

dia hoy aho hoe ahoana rehefa alina zany ny andro??



Rehefa lasa i zanahary ny alina dia asainy miala sasatra aho.Saingy indraindray aho manao fahotana=miaritory eto amin'ny forum fa ampirisihin'ny dieu kely antsoina hoe "ampoule75watt".De fohazin'i Zanahary aho ny ampitso dia mbola didy maso be dia tratrany dia saziany amin'ny "afo fandiovana"...:-D


43. tsimiandravola ( 25/03/2007 06:44)
tynah:

tsimiandravola: tazomy ho anao irery ny tsy finoanao fa zahay aza taritina am zany. D any am piangonana ry zareo ny fotoana rahampitso ah!
Ny resaka toy ity dia miverimberina foana ary tena anisan'ny tena mahasososososo...mampahory mihitsy:-P

Ny finoanareo ve !Hirainareo eran'izao vazantany rehetra izao,ary tsy mitsahatra mihitsy ianareo mandefa izany poizina (intoxication) izany amin'ny tanora sy ny zaza sy ny lehibe...Ka maninona raha tazonina ho anareo any amponareo any izany finoanareo izany fa tsy aely!!

Fantaro koa fa tsy dia ny handresy lahatra anareo no tanjoko eto,fa farafaharatsiny ahay mba ahafantaran'ny olona mety mandalo mamaky ka mety hisaina kely.Mba ahafatarany koa fa misy ny mpanohitra.Mba ahafantarany koa fa hay ve ka resaka matavy fotsiny ny finoana kristiana fa tsisy ventiny raha ny tena izy.Hay azo kianina ihany ny baiboly fa tsy hoe infallible toy ny lazaina.Tsy tsara mantsy ny hanarahan'ny olona be fahatany fotsyny ny finoana kristiana amin'ny alalan'ny "effet de masse" toy ny miseho any amin'ny tany silamo:Na mpino ianao na tsy mpino dia voatery,tsipihiko tsara:voatery,manaraka ny fombafomba,voatery miseho ho mpino ,na lasa mpino fotsiny koa aza satria ny olona mpino daholo etc etcIzany no atao hoe "tiank'hano tsy tiank'hano" amintsika.

Misaotra ary dia tazomy ho anareo manokana ary ny fampirisihana ny hanampenan'ny hafa ny vavany ( tsy miteny akory aho hoe tazony ho anareo any izany finoanareo manokana kristiana izany na dia iriko aza izany,manana liberté ianareo,sauf ny manampimbava)
:lol:


44. pissoa ( 25/03/2007 09:55)
tsimiandravola:
-1-Tsy nisy fiandohana ary tsy misy fiafarana ny misy rehetra ,satria tsy misy zavatra afaka niforona avy amin'ny tsy fisiana (néant).Izay rehetra misy kosa etsy andanin'izany dia tsy afaka hho any amin'ny tsy fisiana (anéantissement).Eo isika dia tonga amin'ny théorie de Lavoisier manao hoe :"rien ne se crée,rien ne se perd mais tout se transforme".

-2-Noho izany:izay rehetra misy dia efa nisy ary hitohy ny fisiany.

-3-Ny "espace" dia tsy misy farany (pas de "fond).Ny chiffre 15 milliards d'année lumière mety ho rentsika any amin'ny resaka astronomie dia "arbitraire" satria izay ihany no chiffre tiana aseho sy raisonnable eo anatrehan'ny mety ho takatry ny instrument.

-4-Ny resaka fotoana:tsy misy ny resaka fotoana,tsy misy fiandohany,ary tsy misy fiafarany fa manao "cycle".Ny datation misy ankehitriny dia arbitraire ary natao mifandraika fotsiny amin'ny fihodin'ny tany manodidina ny masoandro.

Fehiny:araka ireo dia mora azontsika angamba ny nahatonga ny aziatika hiresaka re-incarnation:tsy tena sûr amin'izany aho nefa hitako fa lojika kokoa ilay izy nohon'ny "résurection kristianna.Satria raha misy ny "concience",dia azo atao ny mieritreritra fa efa nisy izy ary koa misy ankehitriny ka mbola hisy any aoriana.Ny antony dia satria tsy misy ny miforona avy amin'ny tsy misy,ary ny misy tsy ho lasa foana.

Ka na misy aza ny "être supérieur" (s) dia tsy ho mpiteniteny foana sy mpanaonao foana toa an'i Jehova.


1 - Azavao aloha ny zavatra nisy talohan'ny Big Bang ! Dia azavao tsara, fa aza atao amin'ny alalan'ny Big Bang "theory". Rehefa mazava io dia afaka miteny amiko i tsimiandravola mikasika ny fiandohana fotsiny aloha ! Ny fiafarana mbola resaka "supposons que" no betsaka angamba fa mbola "tsisy nahita" (ozizy i Fijo izay) :-D

2 - Sady miteny ve fa "infini" ny espace no miteny fa misy "dilatation" ? :-D

3 - Ny resaka fotoana tsy misy fiafarana dia aza hadino koa fa i Jesoa anie ka tamin'ny 2000 taona lasa dia efa niresaka "Fiainana Mandrakizay" e ! Ka matoa misy ny "Fiainana Mandrakizay" (na ho an'ny nofo na ho an'ny fanahy) dia misy ny "Fotoana Mandrakizay" hiainany. Ny resaka cycle dia mbola resaka "supposons que" sy "we think that" an'ny siantifika daholo no mandrakotra azy ! Ka sao hanaporofo ny tenin'ilay lazaina fa "TSY MISY" ary no atao amin'ity fotoana tsy misy fiafarana ity ry tsimiandravola a :-D

4 - Marihina fa tamin'ny Fevrier 2007 dia nisy niresaka ny porofo ara-tsiansa amin'ny nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty.:-D
45. Fiffi ( 25/03/2007 20:54)
tsimiandravola:
Ny resaka toy ity dia miverimberina foana ary tena anisan'ny tena mahasososososo...mampahory mihitsy:-P
heu.....de rehefa manorisory anao de aza valiana fotsiny an ! ny antonin'ny hamalian'ny olona anao tahak'zao ange ka niankina @ zavatra nolazainao hiany eh ! de avy eo enao tsy mahatanty.......


46. cutie ( 25/03/2007 21:01)
:-D:-D:-D:-D:-D:-D:-D
47. tsimiandravola ( 25/03/2007 21:35)
pissoa:
1 - Azavao aloha ny zavatra nisy talohan\'ny Big Bang ! Dia azavao tsara, fa aza atao amin\'ny alalan\'ny Big Bang \"theory\". Rehefa mazava io dia afaka miteny amiko i tsimiandravola mikasika ny fiandohana fotsiny aloha !
Fantatro fa ny conclusion tianao hambara dia tsotra=rehefa tsy mahavaly izany araka izay mety hahafapo anao aho dia ho lazainao tsotra ihany hoe misy i Jesoa sy i Jehova ary marina ny baiboly.

Aoka hazava:tsy hoe tsy misy akory ny valiny mahafa-po anareo azon\'ny siansa atolotra dia porofo izany fa ny baibolinareo no fahamarinana!Raha resaka bib bang no resahana dia théorie io ary déduction.Izaho tsy manao hoe marina io fa anjaran\'ny siantifika no manao izany.Amiko ,raha marina izany théorie du big bang izany,dia tsotra ny hevitro:tsy voatery ho io no big bang \"voalohany\" fa efa nisy \"maro\" ary mbola hisy;tsy voatery io no \"big\" sy \"unique\" ,fa mety efa nisy beaucoup plus big sy maro lavitra.Ny théorie du big bang unique mantsy dia mi-supposer sahady fa nisy ny fiandohana ary limitée ihany ny fisian\'ny \"misy\".Ka eo aho no tsy d\'accord amin\'ny vision\'ny siantifika satria amiko dia matetika izy ireny sous influencen\'ny \"culture judéochrétienne\" na tsy manampinoana aza.

Ohatra fotsiny izao:momba ny niandohan\'ny olombelona dia voalaza fa avy any afrika.Dia ataony ny arbre généalogique dia lazainy fa ny humanité entière dia avy amin\'io.Dia nahoana no tsy avy amin\'ny origine multiple ny olombelona fa avy amin\'ny origine unique????La seule explication de cette théorie biaisée n\'est autre que l\'influence judéochrétienne sur les scientifiques qui fait descendre l\'humanité d\'Adam et D\'Eve,nos soit disant parents uniques.

pissoa:
Sady miteny ve fa \"infini\" ny espace no miteny fa misy \"dilatation\" ?
Tsy hitako izay contradictoire amin\'izany na dia tsy izaho aza no nanao ny \"théorie\".Jereo koa ny théorie momba ny \"black hole\" qui aspire tout et ejecte le tout vers un autre \"monde\" (parait-il!)Dia inona ny manakana ny \"dilatation\" mankany amin\'ny infini surtout s\'il y a d\'autres dilatations qui viendraient nous \"cogner\" à notre tour! Tout comme une confrontation possible de deux galaxies,ou tout simplement deux astres....

mbola tohizako amin\'ny manaraka.
48. diamondra27 ( 25/03/2007 22:27)
tsimiandravola:

Soanja:
Amiko

Andriamanitra = Universe
Saonjo:
Universe= Ny tsapa sy ny tsy tsapa. Manerana.

Amiko,averiko ihany fa diso ianareo raha tsy mi-preciser ny andriamanitrareo.Désolé mais celui ci n'est en aucun cas universel.Ma teneno hoe i Jehova no andriamanitray na i Jesoa,amin'izay dia mba mazava ny andriamanitra virainay.

Ny olana mantsy dia toa ataonareo ho anareo ,izany hoe ho toy ny "breveté" ilay titre hoe andriamanitra.Sahala amin'ny hoe rehefa dentifrice dia colgate 'zay:dia mba ahoana hoy tompon'ny Signal???

Ny ahy mantsy (ary eto aho dia mamaly an'i cutie amin'ilay fanontaniana hoe mba inona izany no inoan'i Tsimiandravola?)ny andriamanitro mandritra ny 5 miliards taona dia i Masoandro ,izany hoe i Zanahary (=dieu soleil).Efa nazavaiko teto io fa averiko kely.Zana dia avy amin'ny sanskrita hoe Yan=dieu,ny hary=hari dia avy amin'ny teny indonesiana hoe hari ka nahatonga ny tenintsika hoe "bary","miharihary","sary"(?),"manjary"...hari=andro=jour=soleil.

Ny fantatro fotsiny koa dia tsy andriamanitra ivavahako toy ny ataonareo amin'i Jehova ny Zanahariko,sao dia lazaina indray aho fa mpanompo "sampy".:lol:



dia iza hono no namorona ny soleil?
Sa avy aiza ny soleil?

Raha ny finoana Xna de hoe: asa-tanan'Andriamanitra io soleil io ary ny fahazavan'Andriamanitra dia mihoatra lavitra noho ny soleil

mba zarao ny rohy momba izany resaka efa nataonao teto izany fa tara train ny tenanay fa sao dia misy mahaso?
49. Salut ( 26/03/2007 13:03)
tsimiandravola:
Ny baiboly dia ekeko fa boky maromaro no natambatra no nahazoana azy. Tsy midika anefa izany fa hevitra notsopotsopona tetsy sy teroa toy io ataonao io no ao.
Hazavaiko: Ireo boky rehetra mitambatra manome ny Baiboly dia mitantara ny fiainan'ireo olona (experience) niaraka tamin'Andriamanitra. Tsy boky mirakitra hevitra akory ireo fa mirakitra FIAINANA. Zavatra tokana no ijoroan'ireo Boky rehetra ireo hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany dia ny fampafantarana fa: Andriamanitra dia Fitiavana. Nihanivoatra ny fahazoan'ny olona io fitiavany io ary i Kristy tonga nofo no tena nampiharihary azy.

Azo tsohaina avy amin'izany koa fa misy ny Andriamanitra inoan'ny Mpino rehetra, ary misy Jesoa satria ny misy ihany no afaka miaina sy manana experience.

Dia inona no eritreretinao havaliko anao ny amin'izany?Moa va tsy ny baiboly ao amin'ny Apokalipsa no miresaka an'izany?Dia izaho izay contre an'i Jesoa sy Jehova indray no tediavinao hiseho ho andriamanitra?Koa tsy ho mora foana aminao kristiana indray ny hanao ahy ho antikrista toy ny mahazatra,na koa hoe marary saina!!!
Eisy fotsiny ho'aho ra-kristiana!


Mahavarina ilay olona. Toa hita ho miseho mahay nefa tsy mahalala izay zavatra ambarany. Inona no maha samifaha ny hoe: antikristy, sy ny hoe manao izay fomba rehetra hanafoanana an'i Kristy mba tsy hisy ?
Manaraka izay inona no mahadiso ny zavatra lazaiko eto hoe: ianao ihany no mamorona ny andriamanitra ho anao. Jereo fa na dia ny lohan-teny nomenao ity dinika ity aza dia efa mitory an'izany: "Araka ny fahazahoko azy". Fa tsy hoe araka ny tena marina na araka ny zava-misy sns... Dia jereo koa fa tsy misy hevitra tena ijoroanao afatsy ny hoe: "amiko dia tsy misy Jesosy, ary ny Andriamanitra dia tsy Jehovah". Azo tsohana avy amin'io fa fankahalana no mitondra anao. Izay anefa dia manamafy fa misy Jesoa ary Andriamanitra tokana Yaveh, na Jehovah, ...(samy anarany avy ireo) satria, averiko ihany, olona salama saina ianao ka tsy hiady amin'ny tsy misy.

Raha fankahalana no entinao manafoana an'Andriamanitra, Fitiavana kosa no avaliny izany mba hampisy anao. Manajana anao tanteraka satria mendrika izany ianao
50. tsimiandravola ( 26/03/2007 16:00)
Salut:
....Jereo fa na dia ny lohan-teny nomenao ity dinika ity aza dia efa mitory an\'izany: \"Araka ny fahazahoko azy\". Fa tsy hoe araka ny tena marina na araka ny zava-misy sns...
Ny anton\'ny titre Tompokolahy dia fihatahana amin\'ny fitompona teny fantatra toy ny mahazatra ny \"finoana\".Izany dia hampidirana ady hevitra malalaka mazava loatra fa tsy \"infraction\" toy ny ataon\'ny teny finoana any amin\'ny consciencen\'ny olombelona.Asa raha marihinao fa misy ny toerana tsy maha d\'accord ahy amin\'ny siansa dia lazaiko mazava etsy ambony.
Salut:
Dia jereo koa fa tsy misy hevitra tena ijoroanao afatsy ny hoe: \"amiko dia tsy misy Jesosy, ary ny Andriamanitra dia tsy Jehovah\"
.Matoa aho tsy mivoy afa-tsy io ,raha izany no tianao ho lazaina,dia io no azoko antoka fa mitombina sy matotra.
Salut:
Azo tsohana avy amin\'io fa fankahalana no mitondra anao.
Ny fankahalana dia tsy tongatonga ho azy fa ao raha,andriamatoa.Ary indrindra fa efa nadefa post momba izany antony izany aho ka mitondra ny lohateny hoe \"fisolokiana lehibe ny kristianisma\"
Salut:
Izay anefa dia manamafy fa misy Jesoa ary Andriamanitra tokana Yaveh, na Jehovah, ...(samy anarany avy ireo) satria, averiko ihany, olona salama saina ianao ka tsy hiady amin\'ny tsy misy.
Salama saina tokoa aho ka tsy hiady amin\'ny tsy misy.Marina tokoa io.Mazava ho azy noho izany fa hevitra no iadivako,filozofia ,finoanoampoana ka iatrehako an\'ireo mpampihely izany.Ny marihiko kosa nefa dia ianareo no mieritreritra fa miady amin\'ny tsy misy aho,nefa ny tena marina dia amin\'ny mpino aho no mampiady hevitra,dia asisiny eo amin\'ny resaka ho toy ny misy i Jehova sy i Jesoa.Averiko eto fa amin\'izay efa noteneniko rehetra izay momba an\'i Jehova sy i Jesoa dia efa lasa \"vongatsira\" aho wa raha nisy izy ireo.
Tsy izany nefa no ataoko ampy hanamporofoana fa tsy misy i Jehova sy i Jesoa fa eo amin\'ny \"absurdités\" asosan\'ny baiboly fotsiny de efa ampy.:P
51. naughtyboy ( 26/03/2007 16:29)
tsimiandravola,tantara lavabe mandranitra saina ny itady momba fiandohany zanak\'olombelona sy ny fisiany zao tontolo zao ary tsy mbola nahazahoana valiny mahafapo ara-tsiansa nefa ilay namorona sy mifehy azy ireo angamba no tena lehibe mibahantoerana @ resaka eto ka aleo averiko @ andalany tsimiandra oe:

Mazava tsara etsy ambony fa :
Dia inona no manakana ny \"dilatation\" makany @ infini surtout s\'il y a d\'autres dilatation qui viendraient nous \"cogner\" a notre tour!tout comme une confrontation possible de deux galaxies ou tout simplement deux astres...
Fitiavana ozy salut etsy ambony no nampisy anao ary
zay ko nahatonga reo galaxies na astres tsy ifandona ...
Io lay Ultimate force mampiodina ty tany ity de io
fitiavana io no ezaho fantarina fa tsy ho voasakanao sy ireo olony saina ny fisiany


52. pissoa ( 26/03/2007 17:07)
Fantatro fa ny conclusion tianao hambara dia tsotra=rehefa tsy mahavaly izany araka izay mety hahafapo anao aho dia ho lazainao tsotra ihany hoe misy i Jesoa sy i Jehova ary marina ny baiboly.

Hihihi - tena tsy fantatrao mihitsy ny Conclusion tiako ambara amin'ilay izy ! :-D:-D:-D

Ny tiako ambara nefa dia efa nambarako taminao tatsy ambadika ihany :
[Izaho manokana aloha tsy dia liana amin'ny hevitr'ireo "Siantista" amin'ny resaka fivavahana ! Ny siansa aza tsy zakan'ny kitapo-tsainy fa izay lazain'ny olona iray fa marina androany dia disoin'ny hafa rahampitso, na disoin'ny nilaza azy ho marina ihany ! Fa vao maika tsy mahaliana ny hevitry ny tsy siantifika akory, nefa midongy ho siantista


Fa ataoko inona porofoina moa ny fahamarinan'ny Baiboly ry tsimiandravola ? :-D:-D:-D

Ny fisian'i Jesoa dia tsy ilaiko porofoina ihany koa na ara-baiboly na ara-tsiansa fa aza matahotra ! :-D:-D:-D

Tsy hitako izay contradictoire amin'izany na dia tsy izaho aza no nanao ny "théorie".Jereo koa ny théorie momba ny "black hole" qui aspire tout et ejecte le tout vers un autre "monde" (parait-il!)Dia inona ny manakana ny "dilatation" mankany amin'ny infini surtout s'il y a d'autres dilatations qui viendraient nous "cogner" à notre tour! Tout comme une confrontation possible de deux galaxies,ou tout simplement deux astres....

:-D:-D:-D fa aiza ho aiza amin'ny soratro no milaza fa tsy mety ny dilatation mankany amin'ny infini aloha ?
53. Salut ( 26/03/2007 19:16)
tsimiandravola
Averiko eto fa amin'izay efa noteneniko rehetra izay momba an'i Jehova sy i Jesoa dia efa lasa "vongatsira" aho wa raha nisy izy ireo.

Diso tanteraka ny fahalalanao an'Andriamanitra. Tiako ny manamafy fa Fitiavana izy. Ary noho izay maha fitiavana azy izay no mbola mampisy anao.

Matoa aho tsy mivoy afa-tsy io ,raha izany no tianao ho lazaina,dia io no azoko antoka fa mitombina sy matotra

Izaho indray sy ny kristiana namako eto dia mahita ary manamafy fa diso tanteraka ianao. Tsy afaka manafoana ny fisian'Andriamanitra ianao, satria misy izy. Manamafy izany ny experience-n'ireo olona miaraka aminy, tsy tambo isaina.

Ny tena mahadiso hevitra anao koa dia terenao hanaraka izay mahafinaritra anao Andriamanitra. Ny tsy fahatanterahan'izany no mahatonga anao hikomy aminy. Tsy izy anefa no nahatonga anao ho tojo ny tsy rarany isan-karazany. Fantaro fa na i Jesoa koa aza dia niharan'ny tsy rariny teto an-tany. Miaraka amin'ireo hiharan'izany izy. Ao anatin'izay ady mafy izay anefa dia hain'Andriamanitra ny manome hafaliana ny olona, sy manototra fahasoavana ho azy. Angamba ianao hiteny hoe: izaho dia noho ny herin-tsaiko sy herim-batako no nahatonga ahy ho toy izao. Dia hoy aho hoe: fa avy aiza moa ny fahefana afahanao misaina sy mandinika ary miasa?

Izaho mahita fa mila mandinin-tena ianao satria, averiko ihany: Fankahalana no mitondra anao, ary io Fankahalana io no manakona ny masom-panahinao tsy ahita ny marina, sy mahatonga anao hamorona izao atsanga tsy aman'orana rehetra izao.
Misaotra anao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0898