Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?
1. niryna
(
21/03/2007 15:12)
Efa miely erak'izao tontolo izao ny fitoriana ny filazan-tsara ary Jesosy mihitsy no nanambara fa mihoatra ny zavatra hataony no hataon'ireo izay mino azy.Ny fiheverako izany dia tsy voatery mandeha lavitra intsony fa na ao anaty karazana web aza ny olona dia afaka mianatra ny teniny.Lasa nisy fomba maro ihany koa ahafahan'izao tontolo izao mandray ny teniny.Ny finoana izany dia hoe mbola miandry ny fitsarana ny olona rehefa maty ary miandry Azy hitsara ny tsirairay.
Raha nahalala ka nino na nahafantatra fa tsy nino dia samy ho tsaraina daholo.
Ny fanontaniana dia hoe raha tena tsy tonga tany amin'ilay firenena kely mihitsy ilay tenin'Atra dia ahoana no mety ho fomba hitsaran'Atra ireo olona tsy nahalala Azy?

novalian'i Zina ny 23/03/2007 18:17
2. prime
(
21/03/2007 15:33)
Efa niteny Kristy fa tsy ho tonga ny farany raha tsy efa nandre ny teny avokoa ny olona rehetra...
3. ikaretsaka
(
21/03/2007 15:36)
mandre fa tsy voatery miaina indray hono e sady nisento tokana aby! ...:roll:
ahitan-draha any reto olona ireto ry prime a....za ve rangaha mba mamerina aminy ze lazainareo de zany no avaliny anahy!

4. Zina
(
21/03/2007 16:09)
Ny fanontaniana dia hoe raha tena tsy tonga tany amin'ilay firenena kely mihitsy ilay tenin'Atra dia ahoana no mety ho fomba hitsaran'Atra ireo olona tsy nahalala Azy?
Mety tsy ho vita-tsika ny mitory ny rehetra fa Jesosy dia manana ny heriny tsy fantatsika fa tsy maintsy ahalala doly...
No doubt about it:wink:
5. diamondra27
(
21/03/2007 16:47)
be dia be ny fomba itoriana ny filazantsara fa tsy voatery hihaino toriteny any ampiangonanana ihany vao hoe: voatory ny tenin'Andriamanitra.
Matoa maty ny olona 1 dia efa nandre ny filazantsara izy izay.
Izany no voasoratra ao@ SM hamafisin'i Prime etsy ambony io
Samia aza mandinika hoe: efa notoriana tamiko ve ny filazantsara?

6. dadie
(
21/03/2007 17:31)
niryna
za zao mieritreritra oe na any alavitra any aza ka lé oul tsy mahalala Azy d sure za fa itan'ilay Nahary daolo zany sa.........? ka satria na ny miafina aza anie hitany e

7. Zina
(
21/03/2007 17:32)
Matoa maty ny olona 1 dia efa nandre ny filazantsara izy izay.
Diams... zany ve?
amiko indray dia misy ny maty nefa tsy nahalala ny tenin'Andriamanitra kanefa kosa Andriamanitra dia hi-juger an'izay nataony tamin'ny fahavelony ka raha tsara ny nataony baser amin'izay fahalalany fa tsara (tia ny namany izy, nanampy ny mahantra etc...) izay ilay fitiavana namana dia voavonjy izy, ratsy moa no nataony dia very izy...
8. LazaDaddy
(
21/03/2007 18:20)
Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?Betsaka ny zavatra azo resahina eto fa ireto no mba tena tiako ambara:
1)Adidin'ny Kristianina ny mitory ny Filazan-tsara. "Betsaka ny vokatra fa ny mpiasa no tsy ampy". Dia samy manontany tena hoe: niasa ve aho sa menatra ny anaran'i Jesoa sy nitory ny Filazantsarany?
2) Mahagaga matetika fa aleon'ny olona mieritreritra ny fitsarana ny hafa toy izay mieritreritra ny fitoriana Filazantsara sy ny famonjena azy ireo.
Ho valiako amin'izay ilay fanontaniana: "Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?"
=> Dia tsy nahavita ny adidiny ny Kristianina
9. ikaretsaka
(
21/03/2007 18:36)
diams> misy oloma maty tsy nandre mihitsy ka
raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara euh.. mety efa tonga tany ihany i jesoa fa t@ lafiny hafa..
fa anjarantsika ny mamoaka azy.
Dia toa misy Vocations koa ny fitoriana ny Filazantsara fa tsy izay milaza ho Kristianina rehetra dia izy aby...
io ilay hoe 12 lahy aloha no nalainy fa tsy isika mianakavy.

10. LazaDaddy
(
21/03/2007 18:54)
hamafisiko tsara fa ADIDY na "didy" nomen'i Kristy ireo mpanara-dia Azy ny fitoriana ny Filazantsara fa tsy "soso-kevitra" sanatria.
mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra. 2 Tim 4:2

11. ikaretsaka
(
21/03/2007 20:19)
raha ny famakiana an'io dia : toa i paoly manafatra an'i timoty io notsiponina io ko.
12. rakaroka
(
21/03/2007 20:38)
ikaretsaka:
raha ny famakiana an'io dia : toa i paoly manafatra an'i timoty io notsiponina io ko.
'Zaho koa miombon-kevitra @ i Ika : Tena mahatsapa mihitsy aho rehefa nandinika LALINA fa misy
"contexte" nisiany ny resak'i Paoly ary "vilan'ny
mpanao "safobemantsona fotsiny". Ohatra izao ny fametrahana avy hatrany hoe: i Jesoa no vatofehizoro,
zary foana sy hadino tanteraka ilay fampianarany hoe:
nisy fitondra-tena "tsara" napetrapetrany tsara anie:
nataony aza hoe "raha tsy mihoatra ny an'ny fariseo sy ny... ny fahamarinanareo dia tsy...".Notakiany hatrany ny fanajariana ny "fanjakan'ny lanitra",ny fikatsahana ny sitrapon'Atra tsy @ fijerena ny zanany ihany fa @ lafim-piainana manontolo!... anefa zary "Négligé" ireny rehetra ireny noho ny
fanarahana @ fampianaean'i Paoly!...Tsapako koa ilay "dérive"!:roll::roll::?::idea:
13. ikaretsaka
(
22/03/2007 02:14)
mila mijery tsara rehefa "hitsimpona ihany"... manjary lasa voavaky sy voatsimppona an-tendrony ka lasa mivoana @ ilay tena tian'ny mpanoratra lazaina ....
vakiana sy fantarina aby aloha ilay votoatin'ilay tena tantara na hafatra... (hoe inona ny nitranga sy ny zavatra tiana ampitaina, na ho an'iza ilay hafatra sns..)
izay vao mitsimpona sy manao commentaire.
Satria diniho fa na amin'ny fiainana andavanandro aza ka hafatra nosoratanao ho an-drasoa no tonga ho an-drakoto ary lasa tapatapaka dia toa hafahafa ihany..

14. routa
(
22/03/2007 09:26)
za ko aloha manaiky fa nisy maty tsy nahafantatra ny tenin'ANDRIAMANITRA e .
15. diamondra27
(
22/03/2007 10:06)
Zina:
Matoa maty ny olona 1 dia efa nandre ny filazantsara izy izay.
Diams... zany ve?
amiko indray dia misy ny maty nefa tsy nahalala ny tenin'Andriamanitra kanefa kosa Andriamanitra dia hi-juger an'izay nataony tamin'ny fahavelony ka raha tsara ny nataony baser amin'izay fahalalany fa tsara (tia ny namany izy, nanampy ny mahantra etc...) izay ilay fitiavana namana dia voavonjy izy, ratsy moa no nataony dia very izy...
ka handika io teny ao @ SM io izany ve?
Mety hoe: t@ fahalalantsika tsy naheno ny filazantsara izy fa teo @ Andriamanitra dia naheno izy. Asa aloha fa izany no ahazoako azy.Tsy voatery mitovy @izany daholo ny fihevitry ny hafa. Ny zava-dehibe dia hoe: personnel le izy entre ny olona sy Andriamanitra; efa voasoratra daholo ny fiainantsika eo @Atra , izay ilay hoe: tsy takatry ny olomvelona ny fisainan'Atra e!
16. Zina
(
22/03/2007 14:54)
Diams a, ekeko mihitsy ity ka...
ie samy manana ny fijeriny amin'ilay izy mihitsy.:wink:
amikoa aloha betsaka mihitsy ny maty nefa tsy nahafantatra an'andriamanitra (hatramin'izay naha nisy ny tany 6000 ans)
tsy takatry ny olomvelona ny fisainan'Atra e!
ie samy manana ny fijeriny amin'ilay izy mihitsy.:wink:
amikoa aloha betsaka mihitsy ny maty nefa tsy nahafantatra an'andriamanitra (hatramin'izay naha nisy ny tany 6000 ans)
17. niryna
(
22/03/2007 15:43)
prime:
Efa niteny Kristy fa tsy ho tonga ny farany raha tsy efa nandre ny teny avokoa ny olona rehetra...
Toa mahalasa saina ahy indray izany raha io ilay izy.
Ahoana? Satria hoy Jesosy hoe na Izy aza tsy mahafantatra izay ora na fotoana.Mety anio na rahampitso na andro hafa.Ka raha hieritreritra indray aho hoe mbola hotoriana izao tontolo izao vao tonga ilay fotoana dia lasa mahazo aina daholo ny rehetra indrindra ny tsy mpino fa tsy ho anio na rahampitso na afaka herintaona mihitsy izany ny fahatongavany.Dia aleo ary hanao izay mahamety ny fiainana fa rehefa tonga izy hibebaka aho.:roll::idea: Asa aloha e fa izany izao mety ho tonga ao anaty saina a
Eritreritra adaladala ny ahy io ry prime:roll:
18. niryna
(
22/03/2007 15:44)
ikaretsaka:
mandre fa tsy voatery miaina indray hono e sady nisento tokana aby! ...:roll:
ahitan-draha any reto olona ireto ry prime a....za ve rangaha mba mamerina aminy ze lazainareo de zany no avaliny anahy!
Izaho kou vao lasa nieritreritra izany hay ika efa niteny !
19. niryna
(
22/03/2007 15:46)
Zina:
Ny fanontaniana dia hoe raha tena tsy tonga tany amin'ilay firenena kely mihitsy ilay tenin'Atra dia ahoana no mety ho fomba hitsaran'Atra ireo olona tsy nahalala Azy?
Mety tsy ho vita-tsika ny mitory ny rehetra fa Jesosy dia manana ny heriny tsy fantatsika fa tsy maintsy ahalala doly...
No doubt about it:wink:
Mitombona io inona tokoa no tsy ho vitany
20. niryna
(
22/03/2007 15:55)
[quote=diamondra27]
marina izany
Aiza no misy izany ao amin'ny baiboly raha tsy mahadiso.
Romana 2:12" Fa izay nanota tsy nanana ny lalana dia ho very tsy manana ny lalana.Fa izay nanota nanana ny lalana kosa dia ho tsaraina araka ny lalana.
Ho antsika io dia marina fa ho an'ireo olona any ambanivohitra na andrenivohitra rehefa nanao fanadihadihana ny fiangonana iray ka nanontaniana "Iza Jesosy Kritsy" dia samy nanana ny filazany daholo izy rehetra fa tena tsy nahafantatra azy.Izany hoe tsy voatery lavitra izany ireo tsy mahalala azy