Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?

21. niryna ( 22/03/2007 16:01)
dadie:

niryna
za zao mieritreritra oe na any alavitra any aza ka lé oul tsy mahalala Azy d sure za fa itan'ilay Nahary daolo zany sa.........? ka satria na ny miafina aza anie hitany e


Marina izany fa misy tsy mahalala Azy ka eto indray dia ny asa no hitsarana azy fa tsy ny finoany satria Atra dia tsara ary maharipo(righteousness).Ho an'ny tsy mahalala mihitsy izany fa tsy ny mpino satria matoa izy tsy mpino dia efa nahalala izy izany fa nandaha no dikany.Ho an'ireo izay tsy nahalala mihitsy dia ny tantara no aoka hitsara hoy ny fiteny.Ny tsara vitany na ny ratsy vitany no hitsaran'Atra azy.Vakio Romana2:12 na izy rehetra .
22. niryna ( 22/03/2007 16:14)
Zina:

Matoa maty ny olona 1 dia efa nandre ny filazantsara izy izay.


Diams... zany ve?
amiko indray dia misy ny maty nefa tsy nahalala ny tenin'Andriamanitra kanefa kosa Andriamanitra dia hi-juger an'izay nataony tamin'ny fahavelony ka raha tsara ny nataony baser amin'izay fahalalany fa tsara (tia ny namany izy, nanampy ny mahantra etc...) izay ilay fitiavana namana dia voavonjy izy, ratsy moa no nataony dia very izy...

Izaho koa mitovy izany
Romana 2:12-15 no ahitana io.Hitsara ny mahalala ny lalana ary hitsara ny tsy mahalala ny lalana Izy.
Ity koa misy iray Nahoma 1:3 Mahari-po Jehovah sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka:Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah .Ary rahona no vovoky ny tongony


23. Zina ( 22/03/2007 16:27)
prime [ Valio ] 21-03-2007 16:33:04
Lohateny : Re : Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?
Efa niteny Kristy fa tsy ho tonga ny farany raha tsy efa nandre ny teny avokoa ny olona rehetra...


prime a za ko manaiky anio, fa zao fotsiny raha tsy vitan-tsika ilay izy dia ataon'i Jesosy...

Ilay fotoana anefa izay tsy fantantsika, kenefa efa itan-tsika kosa ka efa akaiky
(fa tsy ho tonga tokoa ny farany raha tsy nandre ny teny avokoa.)
24. Zina ( 22/03/2007 16:28)
prime [ Valio ] 21-03-2007 16:33:04
Lohateny : Re : Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?
Efa niteny Kristy fa tsy ho tonga ny farany raha tsy efa nandre ny teny avokoa ny olona rehetra...


prime a za ko manaiky anio, fa zao fotsiny raha tsy vitan-tsika ilay izy dia ataon'i Jesosy...

Ilay fotoana anefa izay tsy fantantsika, kenefa efa itan-tsika kosa ka efa akaiky
(fa tsy ho tonga tokoa ny farany raha tsy nandre ny teny avokoa.)
Nyrina misy marina io lazain'i Prime io ka
25. niryna ( 23/03/2007 06:02)
Zina > dia ahoana izany ny Rom 2:12-15 io.Ho an'izay mino dia misy lalana mifehy azy satria izy manana lalana,fa ho an'izay tsy mino dia ny zavatra ataony no hitsarana azy.
A@ fiainana misy antsika izao ohatra dia efa maro ireo olona nodimandry kanefa mbola tsy naheno ny tenin'Atra dia ahoana no hitsarana azy ireny amin'ny farany?Dia lasa diso indray izany ny Rom 2:12
Ny fahazoko an'io dia toy izao:Ireo rehetra izay nanota ka tsy nahalala lalana dia voaheloka araka ny otany izy,satria nanana fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
26. niryna ( 23/03/2007 06:38)
150 taona no sazin'ity rangahy silamo.
Naheno hira toa tsy mbola fahenony izy tao am-pigadrana ary dia lasa nanantona ilay toerana.Niditra izy ary ireo lehilahy gadra namany no hitany tao.Niheno ny toroteny izy ary dia nasain'ireo namany hiaraka hianatra soratra masina.Hafa mihitsy ny fomba fiainandry zareo,ny zavatra tsapako dia nisy fifaliana aho izay tsy nananako mihitsy satria ny namono olona,habibiana,faty etsy sy eroa,izany foana no nanazarana ahy.Nanatrika ny foto-pivavahana toy ny rehetra aho ary rehefa tonga ilay mpitandrina niantso izay afaka mba hijora ho vavolombelona dia nitsangana aho.Nolazaiko azy fa mbola tsy nahita fifaliana toy izany aho hatramin'izay nihainako.Tsy afaka mivoaka ato intsony aho hoy izy fa hamita ny 150 taonako saingy manana fanantenana kosa aho fa voavonjy ny fanahiko satria nandray an'i Jesosy ho mpamonjiko sy tompoko.
27. niryna ( 23/03/2007 06:51)
Tanora nalefa nandrato fianarana tany Puerto Rico
Olona ambony teo amin'ny fitondrana ity rainy ary nalefany handrato fianarana tany P.R ity zanany.Ramatoa somary efa lehibe ihany no nipetrahako ary toa manana hery tsy fantatra izany izy.Taty aoriana aho vao nahafantatra fa hay izy olon'Atra ary nomeny fahasoavana.Nanomboka noentina niangona aho ary nanomboka namaky baiboly niaraka taminy ary dia nampianariny soratra masina .Nahafinaritra ahy ny nihaino ny toroteny sy ny fikirizan'ity olona nipetrahako ary dia nanolontena an'Atra aho.Nisy fifaliana izay tsy haiko izany ny manazava azy tato anatiko.Tsy fantan'ny rainy fa fianarana no nandefasana azy kanjo fialana amin'ny finoany silamo no setrin'izany.Vita soa aman-tsara ny fianarako,niverina tany an-tanindrazako aho.Indray andro hitan'ity mpanampy ny baiboliko ary dia nasehony ny raiko.Nantsoiny aho ary tonga dia nomeny ny felaka ny takolako."Inona ity boky ity hoy izy?"-baiboly ho aho.Nampakatra ny tanany avo dia avo izy andeha hamely ahy fanindroany ary dia hoy aho taminy"Nanolotena ho an'i Jesosy Kristy aho,tandreno ny tananao hamely ahy iny fa sao hanenenao."-tsy namaly izy fa nidina moramora ny tanany.
Izao izaho manoratra izao dia lasa mpitondra fiangonana any P.R izy ary nilaozany ny tanindrazany.
28. niryna ( 23/03/2007 07:03)
Jiolahimboto nivadika ho mpitory any am-ponja
Maso iray ihany no hananany ary ny iray mitapina solomaso voridamba maity.Noheveriko fa lamaody ilay izy kanefa izaho tsy sahy nanontany.Rehefa lasa ny fianarana soratra masina tao am-piasana dia mifanontany izay zavatra manitikitika eo izahay ary isaky ny misy vavolombelona tantarainy dia milatsaka ny ranomasony ary dia mirotsaka koa ny ilany mitapina.Fafany amin'ny mosara ilay rano miraraka.
Tsy naharitra intsony aho satria tsy alany ilay solomaso misy ranomaso miraraka fa fafany fotsiny.
Noho ny ditrako hoy izy dia nifamono tamin'ny bandy kely aho ary dia voatrobaky ny antsy ny masoko.Naditra aho ary noho ny ditrako dia iray sisa ny masoko.Nanolotena aho ary nozaraiko any am-ponja ny fotoanako omeko an'i Tompo.In-telo isam-bolana izy no mitety any am-ponja mitory ny filazan-tsara ankoatrany ny fandraisany anjara ao amin'ny fiangonana ny alahady rehefa tsy miasa izy
29. niryna ( 23/03/2007 07:07)
Pasitera vavy,tsy nahavita fianarana
Voaantso ho mpitondra fiangonana izy kanefa tsy nandalina izany fianarana maha-pasitera izany.Rehefa miresaka andavan'andro izy dia misy teny miambakavaka ataony kanefa rehefa mitory teny izy dia vaky ny trano amin'ny fanomezam-pahasoavana hananany.
30. niryna ( 23/03/2007 07:15)
Niahy ahy Izy na dia tsy niraharaha aza aho
Nenjehin'ireto namany izay nivadika taminy izy satria tsy nety nanaraka ny nataon'izy ireo intsony.Im-betsaka no nitady hanala ny aina izy ireo fa nisy olona miaro azy foana.Indray andro vaki-vava ity mpamono raha sendra nifanena taminy ary dia niteny hoe:"Reraka ny fanenjehina an'ialahy aho fa nakaiza ilay mpiaro an'ilay manao akanjo fotsifotsy iny foana?".Ity enjehina nahalala fa tsy naniraka olona na nanakarama olona hanaraka azy izy.
Nanana anjely mpiaro aho teny an-dalana ka izay zavatra izay no nahatonga azy nanantona an'Atra ary dia niova fo izy fa na dia naditra aza izy niaro aza tamin'ny zavatra tsy nampoiziny Atra.Ary dia nijoro ho vavolombelona izy noho izany.
31. niryna ( 23/03/2007 07:16)
Niahy ahy Izy na dia tsy niraharaha aza aho
Nenjehin'ireto namany izay nivadika taminy izy satria tsy nety nanaraka ny nataon'izy ireo intsony.Im-betsaka no nitady hanala ny aina izy ireo fa nisy olona miaro azy foana.Indray andro vaki-vava ity mpamono raha sendra nifanena taminy ary dia niteny hoe:"Reraka ny fanenjehina an'ialahy aho fa nakaiza ilay mpiaro an'ilay manao akanjo fotsifotsy iny foana?".Ity enjehina nahalala fa tsy naniraka olona na nanakarama olona hanaraka azy izy.Nanana anjely mpiaro aho hoy izy ary dia niova fo izy fa na dia naditra aza izy niaro aza tamin'ny zavatra tsy nampoiziny Atra.Ary dia nijoro ho vavolombelona izy noho izany
32. niryna ( 23/03/2007 07:18)
Niahy ahy Izy na dia tsy niraharaha aza aho
Nenjehin'ireto namany izay nivadika taminy izy satria tsy nety nanaraka ny nataon'izy ireo intsony.Im-betsaka no nitady hanala ny aina izy ireo fa nisy olona miaro azy foana.Indray andro vaki-vava ity mpamono raha sendra nifanena taminy ary dia niteny hoe:"Reraka ny fanenjehina an'ialahy aho fa nakaiza ilay mpiaro an'ilay manao akanjo fotsifotsy iny foana?".Ity enjehina nahalala fa tsy naniraka olona na nanakarama olona hanaraka azy izy.Nanana anjely mpiaro aho hoy izy ary dia niova fo izy fa na dia naditra aza izy niaro aza tamin'ny zavatra tsy nampoiziny Atra.Ary dia nijoro ho vavolombelona izy noho izany.^:^^:^
33. niryna ( 23/03/2007 07:26)
Niahy ahy izy na dia tsy niraharaha aza aho
dia olona iray nijoro ho vavolombelona ny fisian'Atra.
34. diamondra27 ( 23/03/2007 07:55)
dia ahoana aza hoy ianareo ny@ireny zaza tsy azo ireny.

Raha vao niray ny mpifankatia na mpivady ka hahazo ny anjarany ilay spermatozoïde an'ny lahy, dia efa aina no ilazana izany, ary izany no tokony tsy hanaovana IVG, dia raha maty anefa le zaza na tsy azo @ fomba nanao ahoana no nahenoany ny tenin'Atra?

Izay angamba ilay lazainareo hoe:tsy nahalala an'Atra ilay olona, asa aloha e!
Izaho izao nihevitra hoe: mety ilay reniny nihaino radio na nijery vidéo momba ny finoana dia voarain'ilay zaza ny msg...


T@ireny tsunami ireny ve 'zao ohatra dia nisy olona mbola tsy nahalala ny filazantsara?

zina sy nyrina: zaho tsy mandà ny hevitrareo fa lasa eritreritra fotsiny hoe:ahoana aza no tsy hahalalan'ilay olona ny filazantsara alohan'izy maty?
35. Zina ( 23/03/2007 18:07)
niryna [ Valio ] 23-03-2007 07:02:35
Lohateny : Re : Raha tsy tonga any mihitsy ny filazantsara dia ahoana?
Zina > dia ahoana izany ny Rom 2:12-15 io.Ho an'izay mino dia misy lalana mifehy azy satria izy manana lalana,fa ho an'izay tsy mino dia ny zavatra ataony no hitsarana azy.
A@ fiainana misy antsika izao ohatra dia efa maro ireo olona nodimandry kanefa mbola tsy naheno ny tenin'Atra dia ahoana no hitsarana azy ireny amin'ny farany?Dia lasa diso indray izany ny Rom 2:12
Ny fahazoko an'io dia toy izao:Ireo rehetra izay nanota ka tsy nahalala lalana dia voaheloka araka ny otany izy,satria nanana fahalalana ny tsara sy ny ratsy.


Niryna a,
tsy lasa diso ilay rom 2:12 fa zavatra roa samy hafa ireo amiko
raha jereko ireo versets roa nomenao ireo dia otran'izao no fahitako azy.
misy karazany roa ny olona naheno momban'andriamanitra dia ho jugena @ fahalalany an'Atra...
ny iray kosa dia jugena @ 'ny good deeds izay nataony aky ry zareo...:-*
36. Zina ( 23/03/2007 18:17)
diamondra a
dia ahoana aza hoy ianareo ny@ireny zaza tsy azo ireny.

mystera ho antsika aky ireny a...sa ahona oy injy?
andriamanitra aky no mahafantatra...
Tsy aiko aloha ny momban'io e...:wink:

T@ireny tsunami ireny ve 'zao ohatra dia nisy olona mbola tsy nahalala ny filazantsara?

possible mihitsy ....

zaho tsy mandà ny hevitrareo fa lasa eritreritra fotsiny
miteny an'io injy dia ity misy tsetsatsetra tsy aritra... Asa raha mba fantatrareo fa raha misy zavatra mihotra ny fieritreretan-tsika ka mikiry ny ahafantatra azy dia fahotana // efa henonareo ve zany?

ahoana aza no tsy hahalalan'ilay olona ny filazantsara alohan'izy maty?

mety village kely mbola tsy nandehanan'ny misionera aky zany no fieritreretako azy.:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079