Fitiavana ny Tenin'Andriamanitra

1. LazaDaddy ( 21/03/2007 01:38)
Mba mila torohevitra kely e :) Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra?

Indraindray mantsy misy Tenin'Andriamanitra tena manindrona ahy mihitsy (Hebreo 4:12) ka mitadady ho resin'ny fakam-panahy aho hampangatsiaka ny fitiavako ny Teniny. Kanefa koa ao anatin'izay hitako fa misy zava-tsoa tiany ampitaina amiko.
novalian'i Zina ny 22/03/2007 15:01
2. ikaretsaka ( 21/03/2007 03:20)
ny ahy ry LD tena Izy no tiko fa tsy ny teniny le.
de diso ve za?:cry:
3. LazaDaddy ( 21/03/2007 03:31)
mazava ho azy fa raha tena tia Azy dia tia ny Teniny, ka raha tsy tia ny Teniny dia angamba tsy tena tia Azy.

Fa aleo miverina @ ilay lohahevitra raha tsy mety azafady
4. ikaretsaka ( 21/03/2007 03:34)
ka io nomenao io anie.... ny tena votoatin io de hafatr'i paoly de ho an'ny kristianina jiosy e!
sa i laza koa kristianina jiosy?
5. LazaDaddy ( 21/03/2007 03:53)
ikaretsaka> hay koa i Paoly manavaka ny hoe kristianina jiosy sy jiosy? Noheveriko fa niteny mantsy izy hoe "tsy misy intsony na jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo", sy hoe "any an-danitra ny fanjakantsika"
6. LazaDaddy ( 21/03/2007 03:58)
diso tsipelina fa azafady:

ikaretsaka> hay koa i Paoly manavaka ny hoe kristianina jiosy sy TSY jiosy? Noheveriko fa niteny mantsy izy hoe "tsy misy intsony na jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo", sy hoe "any an-danitra ny fanjakantsika"

Dia tsy mendrika hamaky sy hampiatra ny Epistilin'i Paoly izany ny teratany Malagasy? =))

Tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny iny fa mety ho azo raisina hampitombo ny fitiavana ny Tenin'Andriamanitra ny fitiavana an'Andriamanitra. Io ilay nataon'i Jesoa hoe "raha tia Ahy ianareo dia mankatoa ny Teniko"
7. ikaretsaka ( 21/03/2007 04:02)
ie.. nanavaka izy..
dinio tsara ny momba ireny taratasiny bedebe ireny
tsy nataony io hoe ho an'ny jiosy safobemantsina..
na ho an'ny korintianina safobemasina...
fa ho an'ny communaute kristianina tany @ le faritra

ho an'ny kristianina sy ny fiangonana voalohany tany @ ireny toerana ireny!

de raha nisy olona d'orizinina jentilisa sy andevo tao @ le communaute .. dia izay no ataony hoe 1 ihany
8. LazaDaddy ( 21/03/2007 04:06)
=))

dia aiza ho aiza ao @ Hebreo i Paoly no nanavakavaka toy izany ry ikaretsaka?:)
9. soanja ( 21/03/2007 04:13)
LazaDaddy:

Mba mila torohevitra kely e :) Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra?

Indraindray mantsy misy Tenin'Andriamanitra tena manindrona ahy mihitsy (Hebreo 4:12) ka mitadady ho resin'ny fakam-panahy aho hampangatsiaka ny fitiavako ny Teniny. Kanefa koa ao anatin'izay hitako fa misy zava-tsoa tiany ampitaina amiko.

Matoa manindrona anao de tsy Izy zay. Marina e. Ny teniny dia sakafom-panahy. Tokony hankahery foana sady mamelombelona.

10. LazaDaddy ( 21/03/2007 04:18)
soanja> izany ve dia sahinao anaovana marina tsy misy fandanjalanjana ry Soanja? :)

Hebreo 4:12:
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
11. soanja ( 21/03/2007 04:23)

Tsy isalasalako mihitsy ry lazadaddy ny hiteny aminao fa Sakafom-panahy, mpankahery sy mpamelombelona ny tenin'Andriamanitra. Fa matoa ianao misalasala sy maharary dia ao raha. Izy tsy Mamitaka ary tsy Manary!

12. LazaDaddy ( 21/03/2007 04:29)
soanja:
Matoa manindrona anao de tsy Izy zay. Marina e.
Kanefa io Hebreo 4:12 io dia manambara sy manamafy fa tena Izy :)
soanja:
Ny teniny dia sakafom-panahy.
ekeko tanteraka :)
soanja:
Tokony hankahery foana sady mamelombelona.
Ho an'izay manda ny tenany tanteraka dia ENY.

Fa ilay fanontaniako dia hoe ahoana no hialana @ ilay fo mangatsiaka raha sendra ilay Teny manindrona iny. Manindrona ahy ilay izy mantsy rehefa mitady iantehitra @ herin'ny tenako manokana aho :-*
13. ikaretsaka ( 21/03/2007 04:34)
LazaDaddy:

=))

dia aiza ho aiza ao @ Hebreo i Paoly no nanavakavaka toy izany ry ikaretsaka?:)

ny epistily rehetra jerena.. fa ny tena dikan'io raha atao dikanteny malalaka avy amin'ny teny latinina dia hoe:
"Taratasin'i Paoly ho an'ny "kristianina"Tany Hebrio" (communaute kristianina)
satria izy tamin'izany ilay mivahiny mitety faritra dia karazan'ny instructions ireny
14. soanja ( 21/03/2007 04:35)
LazaDaddy:

Mba mila torohevitra kely e :) Ahoana ny ataonareo mba hampitombo ny fitiavanareo ny Tenin'Andriamanitra?

Indraindray mantsy misy Tenin'Andriamanitra tena manindrona ahy mihitsy (Hebreo 4:12) ka mitadady ho resin'ny fakam-panahy aho hampangatsiaka ny fitiavako ny Teniny. Kanefa koa ao anatin'izay hitako fa misy zava-tsoa tiany ampitaina amiko.

Amiko dia midika fa misy fisalasalana sy tsy fahatokisana ny teniny.

Avereno amboarina ilay size ry LD fa toa tsy mahatafavoaka ny tianao tenenina a!

Raha io ambony io mantsy dia manome lavaka ny tenin'Andriamanitra ianao. Tsy misy lavaka ny tenin'Andriamanitra fa tokony mahitsy sady tsy mamilivily. Diso aho raha hitanao fa diso fa averiko indray fa MAHERY sy SAKAFOM-PANAHY ary MAMELONA ny tenin'ny Ray.

15. LazaDaddy ( 21/03/2007 04:37)
soanja> ekeko tanteraka fa "MAHERY sy SAKAFOM-PANAHY ary MAMELONA ny tenin'ny Ray." Toheriko kosa ny fanambaranao fa "tsy manindrona ny Teniny" :)
16. LazaDaddy ( 21/03/2007 04:39)
soanja> tsy manisy "lavaka" araka ny teninao mihitsy ka :). Avy aty amiko ilay "lavaka" fa tsy avy @ Teniny. Izay no angatahako torohevitra hoe ahoana ny ataonareo mba hampitombo fitiavana ilay Teniny? :-*
17. ikaretsaka ( 21/03/2007 04:45)
de voatsindrona deia naninona anefa?
18. soanja ( 21/03/2007 05:02)
LazaDaddy:

soanja> tsy manisy "lavaka" araka ny teninao mihitsy ka :). Avy aty amiko ilay "lavaka" fa tsy avy @ Teniny. Izay no angatahako torohevitra hoe ahoana ny ataonareo mba hampitombo fitiavana ilay Teniny? :-*

Ok zany LD fa mazava ny teninao. Ny ahy mantsy i Andriamanitra no tiaviko de izay le tsy mampitovy antsika. Raha ny baiboly ihany ry LD dia efa ela aho no tsy Mpino ary tsy Kristianina intsony.
Fa satria hitako sy miasa ary mampiseho ny momba azy Andriamanitra amin'ny lafiny rehetra ary tsy ao anaty baiboly irery ihany no teniny fa manerana ary tsy voatery amin'ny alalan'ny soratra mipetraka no nahatonga ahy mbola manana Azy matanjaka ato anatiko. MAFANA be.

Izay le hitenenako hoe aza dia mifikitra loatra amin'i Baiboly ho teny TO daholo fa vakio io de any amin'ny rehetra any no hijerena sy ampiharina ary tsapa ny fiasan'Andriamanitra.

Isika olombelona koa tsy MASINA e. Solafaka indraindray ka aza atao ho olana izany fa raha mahatsiro mangatsiatsiaka ianao dia mandehana haingana mivavaka sy miresaka aminy fa IZY mihaino sy mandray anao foana satria fantany ilay namboariny.

20. kiranil ( 21/03/2007 06:00)
Io hevitra lazain\'i Soanja io dia hevitry ny olona manohana ny New Age Movement: .

The New Age Movement (NAM) is a religious movement that is centered in SELF- all you need is within - with no defined order of sin, repentance or salvation! You become your own god! The people worship the god of forces.

New Agers are obviously part of a religion of idolatry and self-worship.

http://www.rapidnet.com/~jbeard/bdm/Cults/newage.htm

Raha adika tsotsotra dia io voalazan\'i Soanja io na hoe ao anatinao ihany no ahafatanrana an\'Andriamanitra fa tsy mila Tenin\'Andriamanitra izany. Kanefa izay dia mifanohitra amin\'ny lazain\'ny Baiboly na Soratra Masina. Ka izay iray alehany na ny hevitr\'olombelona no marina na ny Tenin\'Andriamanitra.

Raha izaho manokana aloha tsy mahalala ny sitrapon\' Andriamanitra izany aho raha tsy mamaky ary manaja ny teny nampanoratiny, izay io voalazan\'i LD io fa mety misy manindrona tokoa indraindray satria tsy hevitr\'olombelona ny ao.

****************

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm#new

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581