Fitiavana ny Tenin'Andriamanitra

21. ikaretsaka ( 21/03/2007 06:06)
kiranil> Disoiko tanteraka:

1) fantaro aloha ny dikan'ny hoe "venerate" sy "worship"
fa samihafa be ireo!!

2)Ny katolika mi "venerate" an reo sarisary rehetra ireo fa tsy mi "worship" an reo

3) ary tsy misy mivavaka amin'ireo fa mangataka fivavahana @ alalan'ireo!
ohatra: ra anona ... Mivavaha ho anay sy/na mivavaha ho anay mpanota no tadiaviny katolika sy teneniny ary ilainy fa tsy hoe mivavaka aminao zahay ry sarivongana andriamanitray!

4) aide memoire ho an'ny katolika ny fisian'ireo satria manampy ny katolika handinika sy hahatsiaro ny oha-piainan'ireny olona ireny raha vao mitodika any dia mitarika ny tena hijery ny an'ny tena koa sy hangata-pivavahana amin'ny alalan'ireny
toy izay mbola hikaroka boky any amin'izay misy azy any!

fa ny hamehezako azy angamba dia hoe .. samy manana ny lalany, ny an'ny sasany "am zao fotsiny" ny an'ny katolika "mila road sign sy "fanarahan-tosika kely @ alalan'ireny"
"Fa izay tonga any ihany no arahabaina.... any mihaona e"

ny fijeriko manokana: 2000 taona mahery io zavatra io nety... ka tsy izay 500 taona taty afara no inoako raha miteny hoe tsy mety io..sorry!
22. maliang ( 21/03/2007 08:57)

raha tianao hitombo ny fitiavanao ny tenin'Andriamanitra dia tsotra ihany no atao vakio isan'adro , saintsaino andro aman'alina , ankatoavo ary zarao @ hafa izay rehetra noraisinao tao anatin'ny tenin'Andriamanitra na fanitsina na fananarana na fitahina na fanasitranana ary rehefa mivavaka ianao dia mangataha ilay Fanahin'ny fitiava hanajaka ao anatinao atovy mihintsy hoe " foray ny foko ho tianao " satria isika dia tsy mahay mitia na dia ny tenantsika aza .Tsara be ny hetehetanao , mino aho fa Andriamanitra efa mahita izany ao anatinao .
23. prime ( 21/03/2007 09:46)
LD> Raha ny fahitako azy dia zavatra roa no tianao resahina... izaho tsy manoro hevitra satria tsy manam-pahefàna hanao izany fa mizara no azoko atao...

  1. Fitiavana ny Tenin\'Andriamanitra: ny ahy ry Laza dia zavatra telo no fanaoko rehefa mitady hangatsitsiaka izay, dia ny fiaraha-mivavaka amina olona hafa iray finoana (na mamonjy vondrom-bavaka, na mamonjy asa fankaherezana, na midinika sy miara-mivavaka amina Ray aman-dReny am-panahy) sy ny fangatahana amin\'Andriamanitra ny anomezany fitiavana feno ny Tenin\'Andriamanitra ary ny fangatahana amin\'Andriamanitra mandrakariva mba hohazavainy am-pitiavana ny Teny rehetra izay omeny amin\'ny alalan\'ny Fanahy Masina...
  2. Hebreo 4:12... Tsy dia manan-kambara aho afatsy ny hoe, fitiavana hatrany no ilazàn\'Andriamanitra amintsika fa fantany ny am-po sy ny an-tsaina tsy miloaka ka tokony hifonantsika mandrakariva izay rehetra tsy fahamendrehana sy tsy fahatanterahana any anaty... eny fa na dia ny faniriana heverintsika ho tsara any anaty aza dia tsara averina Aminy Izy Andriamanitra mba handraisany an-tanana feno ny momba antsika ka tsy hananantsika ahiahy ny amin\'ny anio sy ny ho avy... Matetika mantsy ny faniriana anaty izay heverintsika ho tsara dia mbola ahitàn\'Andriamanitra fomba maro itahiana izany ka hatsarainy sy dioviny ka ahazoana valiny tsy takatry ny saina

... tsy torohevitra io hoy aho fa fizaràna... raha misy azo raisina dia isaorana an\'Andriamanitra... raha toa ka heverinao fa tsy mitombina na tsy mety dia isaorana an\'Andriamanitra ka aoka hiverina amiko ny nolazaiko...
24. kiranil ( 21/03/2007 12:35)
ikaretsaka>
ny fijeriko manokana: 2000 taona mahery io zavatra io nety... ka tsy izay 500 taona taty afara no inoako raha miteny hoe tsy mety io..sorry!


Ianao ve miheritreritra fa efa 2000 taona io?

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/catholic_heresies-a_list.htm
25. ikaretsaka ( 21/03/2007 12:42)
kiranil> iee

de http://socrates58.blogspot.com/2005/09/150-reasons-why-i-am-catholic-revised.html
eto koa!
26. niryna ( 21/03/2007 14:17)
maliang:


raha tianao hitombo ny fitiavanao ny tenin'Andriamanitra dia tsotra ihany no atao vakio isan'adro , saintsaino andro aman'alina , ankatoavo ary zarao @ hafa izay rehetra noraisinao tao anatin'ny tenin'Andriamanitra na fanitsina na fananarana na fitahina na fanasitranana ary rehefa mivavaka ianao dia mangataha ilay Fanahin'ny fitiava hanajaka ao anatinao atovy mihintsy hoe " foray ny foko ho tianao " satria isika dia tsy mahay mitia na dia ny tenantsika aza

=D=D=D^:^
Izay mihitsy ilay izy,samy mahafantatra daholo isika raha ohatra ka mamaky ny baiboly ka tena miezaka ny hanaraka izay lazaina ao.

27. ikaretsaka ( 21/03/2007 14:58)
tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny ity:

raha tsy mahay mamaky teny ilay olona ao @ communaute 1 ka atao hoe any @ le tany very le dezaka be ireny..

indray isaky ny 3 volana ihany i mompera na i pastera no mandalo any... manana karazana katesista ihany izy ireo fa ilay rangahy io koa tsy mahay mamaky teny! dia ahoana?

dia nanao fara teny mihitsy moa le mba zokizokiny tamin'i le mponina tao @ le Tanana nalehako izay hoe

izy io ve moa Rafrera de toa natokana ho anareo mahay mamaky teny ihany?
28. cutie ( 21/03/2007 15:59)

Fa ilay fanontaniako dia hoe ahoana no hialana @ ilay fo mangatsiaka raha sendra ilay Teny manindrona iny. Manindrona ahy ilay izy mantsy rehefa mitady iantehitra @ herin'ny tenako manokana aho

gaga njay za we ny valiny ve de tsy hain'i LD:-D:-D:-D
29. pissoa ( 21/03/2007 16:28)
kiranil:

Soanja, ikaretsaka> Sao dia mitovy amin'ireto ny hevitrareo.

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/catholic_vs_bible.htm

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/Roman%20Catholicism/a_picture_says%20it_all.htm

na ito:

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/New%20Age/7_teachings.htm

:-D:-D:-D:-D:-D io njay le rohy prefere an'i Kiranil fa mivoaka :-D:-D:-D

Ika : efa impiry naverina io fa ny sasany tsy mahay mamaky teny fa manaparitaka ny rohy pefere-ny iany no hainy :-D:-D:-D

30. Zina ( 21/03/2007 16:30)
Indraindray mantsy misy Tenin'Andriamanitra tena manindrona ahy mihitsy (Hebreo 4:12) ka mitadady ho resin'ny fakam-panahy aho hampangatsiaka ny fitiavako ny Teniny. Kanefa koa ao anatin'izay hitako fa misy zava-tsoa tiany ampitaina amiko.


LD a marina mihitsy io
oy ny gasy oe ao anatin'ny mangidy no ahitana ny mamy...
ao @ ny fahotana no ahitan-tsika ny fahasoavana, ny fitiavana etc.. nomen'andriamanitra ho antsika..
misy ny manindrona satria izay tian-tsika atoa ihany no tian-tsika atao ka rehefa tratra @ ilay adalana dia tsy manaiky oe diso satria ao ilay (pride). fierte nefa tokony ho humble isika.

Heb 4: 12
Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
31. kiranil ( 21/03/2007 20:28)
pissoa> tsy hoe akory rehefa rohy alefan'i kiranil na izay lazainao hoe "prefere-ako" dia marina
fa dinihin'izay mamaky eto fotsiny ireny anampy ahy hampitako ny hevitra ananako, dia anjarany ny mieritreritra na marina na tsia.

Raha hoy ny mpamaky hoe diso, dia izay zany koa inona moa no azoko atao ankoatra izay!
Andeha hifanasavangy eto ve?

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm

32. pissoa ( 21/03/2007 20:35)
:-D:-D:-D:-D:-D

tsisy idiran'ny mifanasa vangy mitsy io fa fanamarihana toy ny hafa rehetra. :-D:-D:-D
33. soanja ( 22/03/2007 00:10)
kiranil:

Io hevitra lazain\'i Soanja io dia hevitry ny olona manohana ny New Age Movement: .

The New Age Movement (NAM) is a religious movement that is centered in SELF- all you need is within - with no defined order of sin, repentance or salvation! You become your own god! The people worship the god of forces.


New Agers are obviously part of a religion of idolatry and self-worship.

http://www.rapidnet.com/~jbeard/bdm/Cults/newage.htm

Raha adika tsotsotra dia io voalazan\'i Soanja io na hoe ao anatinao ihany no ahafatanrana an\'Andriamanitra fa tsy mila Tenin\'Andriamanitra izany. Kanefa izay dia mifanohitra amin\'ny lazain\'ny Baiboly na Soratra Masina. Ka izay iray alehany na ny hevitr\'olombelona no marina na ny Tenin\'Andriamanitra.

Raha izaho manokana aloha tsy mahalala ny sitrapon\' Andriamanitra izany aho raha tsy mamaky ary manaja ny teny nampanoratiny, izay io voalazan\'i LD io fa mety misy manindrona tokoa indraindray satria tsy hevitr\'olombelona ny ao.

****************

http://jesus-is-savior.com/False%20Religions/false_religions.htm#new

Misaotra


Ny an'i Kiranil koa efa tena vonomokan'ny marary hatoka. Izay mifanandrify ihany no voa. :lol::-*

Aza ampijalianao io link io fa tsy mahafaty azy io e!




34. ikaretsaka ( 22/03/2007 00:28)
ary kiranil tia mandefa film efa nande
35. LazaDaddy ( 22/03/2007 02:36)
maliang, prime, zina> misaotra anareo erem=po sy eran-tsaina. Ilaina tokoa ny mangataka ilay fitiavana sy faniriana amin'Andriamanitra mba tsy ho voarebirebin'ny fakam-panahy manodidina.

"Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao, dia homeny anao izay irin'ny fonao." Salamo 37:4
36. Zina ( 22/03/2007 15:01)
LD :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5772