Batisa @ rano/Batisa @ Fanahy Masina???

1. niryna ( 19/03/2007 15:15)
Mba misy afaka ny hanaza ny namana ve eto ny maha samy faha ireo na mifanampy ireo na hoe iza no atao batisa amin'ny rano ary ahoana indray ilay batisa amin'ny fanahy masina?
(l)niryna
répondu par Zina le 21/03/2007 17:02
2. diamondra27 ( 19/03/2007 15:30)
Miala tsiny @ nyrina raha manitsy fa misy diso.

Tsy hoe: batisa @rano no filaza fa batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina.


zavatra roa samy hafa ireo
ny batisan'ny rano dia olona efa tonga saina no manaiky hatao batisa fa tsy le mbola zazakely ireny.

Ny batisan'ny Fanahy Masina dia ny olona nilatsahan'ny Fanahy Masina ka lasa miteny @ fiteny tsy fantatra.

de aleo koa ny namana hafa hanazava

3. diamondra27 ( 19/03/2007 15:32)
Ny fiteny tsy fantatra tiana lazaina eto dia ny langues des autres pays fa tsy ny teny fiteninao isanandro.
Fa tsy hoe fiteniteny foana akory.
4. cutie ( 19/03/2007 15:39)
batisa @rano =le mbola le zazakely ny natao batisa
batisa @ FM= refa nandray ny FM (nino ny famonjena t@ alalan'ny ran'i kristy)
tsy haiko alou e :lol:
5. ikaretsaka ( 19/03/2007 17:09)
le izy aloha samihafa satria ny 1 efa hoe rano..ny 1 efa hoe fanahy masina..
fa ny atokom-pivavahana, sns dia samy manana ny interpretations-ny @ momba an'io...
ka tsy sahy miditra lalina amin'io sao samihafa fijery dia hifampitsaratsara foana eo ndray
6. lapino ( 19/03/2007 17:23)
Raha efa vita batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina ianao, dia fantatrao mazava tsara izy.
7. LazaDaddy ( 19/03/2007 23:10)
diamondra:
Ny batisan'ny Fanahy Masina dia ny olona nilatsahan'ny Fanahy Masina ka lasa miteny @ fiteny tsy fantatra.
tandremo sao lasa "charismaniac".

1) Tsy voatery fiteny @ tenim-pirenena vahiny no fisehoan'ny "asan'ny Fanahy"

2) I Paoly aza dia nananatra ohatra fa tsara kokoa ny "faminaniana" toa izay ny fitenenana teny vahiny raha tsy misy mandika teny.
8. bimanoa ( 20/03/2007 05:32)
ny Batisa d atao @ anaran' ny Ray, Zanaka, Fanahy Masina,
ny rano d mariky ny fanadiovana ihany, fanadiovana anao hiala @ fahotana ho tonga olom-baovao ( fahateraham-baovao ),
izay le oe " tsy maintsy ateraka indray ny olona ",
le oe zazakely no atao batisa : misy fanekena ataon' ny RAD mitondra ny zanany atao batisa oe " manaiky hampianatra azy ny anton' izao fanaovam-batisa azy izao ", ary ny zazakely d efa misy ota ihany kou,arak' ilay fiteny oe " tsy misy marina na dia iray akory aza "
le olona oe miteny @ fiteny tsy fantatra sa miteny tenim-pirenena hafa : tsy fantatro indray aloha na tena iasan' ny fanahy masina tokoa na manaraka fahatany ny baiboly !
9. niryna ( 20/03/2007 05:35)
diamondra27:

Miala tsiny @ nyrina raha manitsy fa misy diso.

Tsy hoe: batisa @rano no filaza fa batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina.



Misaotra betsaka diamondra nanao fanitsiana !

10. niryna ( 20/03/2007 05:36)
diamondra27:

Ny fiteny tsy fantatra tiana lazaina eto dia ny langues des autres pays fa tsy ny teny fiteninao isanandro.
Fa tsy hoe fiteniteny foana akory.

Anisany iray io koa moa ve mahazo an'io daholo ny olona izay mino?

11. niryna ( 20/03/2007 05:40)
cutie:

batisa @rano =le mbola le zazakely ny natao batisa
batisa @ FM= refa nandray ny FM (nino ny famonjena t@ alalan'ny ran'i kristy)
tsy haiko alou e :lol:

Mitombona io batisa rano zazakely io fa rehefa lehibe dia tokony mbola atao batisa indray satria izay vao nanana fanampahankevitra amin'ny fonao tanteraka ianao.Izay no fahalalako an'io.Mety izay no nahatonga ny an'ny sasany atao kominio voalohana sns sy ny katekomena.Sa ahoana hoy ianareo?

12. niryna ( 20/03/2007 05:43)
LazaDaddy:

diamondra:
Ny batisan'ny Fanahy Masina dia ny olona nilatsahan'ny Fanahy Masina ka lasa miteny @ fiteny tsy fantatra.
tandremo sao lasa "charismaniac".

1) Tsy voatery fiteny @ tenim-pirenena vahiny no fisehoan'ny "asan'ny Fanahy"

2) I Paoly aza dia nananatra ohatra fa tsara kokoa ny "faminaniana" toa izay ny fitenenana teny vahiny raha tsy misy mandika teny.

Anisany iray io fa ny fanirian'i Paoly dia aleo mpaminany satria ilay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mila olona handika ilay teny

13. diamondra27 ( 20/03/2007 09:28)
LazaDaddy:

diamondra:
Ny batisan'ny Fanahy Masina dia ny olona nilatsahan'ny Fanahy Masina ka lasa miteny @ fiteny tsy fantatra.
tandremo sao lasa "charismaniac".

1) Tsy voatery fiteny @ tenim-pirenena vahiny no fisehoan'ny "asan'ny Fanahy"

2) I Paoly aza dia nananatra ohatra fa tsara kokoa ny "faminaniana" toa izay ny fitenenana teny vahiny raha tsy misy mandika teny.



io ihany aloha no tena fantako fa tsy midika akory hoe: tsy misy hafa ka!

fa fantako hoe: misy ny asan'ny fanahy masina be dia be fa tsy haiko hoe:azo antsoina hoe: batisan'ny FM izy ireny
Haiko tsara hoe: misy ny maminany, manasitrana, etc...
14. diamondra27 ( 20/03/2007 09:33)
niryna:
tsy ny mpino rehetra no mahazo io langues
tsy ny olona rehetra ihany koa no afaka manasitrana

'Zao ny tenin'SM:"zarazaraina samy hanana ny fanomezam-pahasoavana"


15. naej ( 20/03/2007 09:45)
nisy olona nandresy lahatra ahy fa tsy maintsy ajoboka any anaty rano mihitsy rehefa atao batisa fa tsy ampy ilay ataon'ny pasteur rehefa raisina mpandray iny , fa izany ve tsy fombafomba fotsiny ? fa anga tsy ny fanoloran-tena amam-panahy no zava dehibe.
Raha tsy miteny @ fiteny tsy fantatra zany dia mbola tsy manana ny fanahy masina?
ary hono hoa : maninona no teny tsy fantatra ihany no marika hahafantarana ny fisian'ny fanahy masina ao @ olona iray ?
Tsy izy zany raha tsara fanahy,raha tsara toetra, raha be fiantrana sns...
16. diamondra27 ( 20/03/2007 10:14)
naej:tsara ho fantatra hoe: inona no atao hoe: batisa dia ho fantatrao hoe: maninona no rehefa lehibe vao atao batisa
raha mbola zaza no atao batisa araka ny fahafantaran'ny olona azy dia: amiko fitsofandrano iny no anaran'iny fa tsy batisa , satria ny RAD no manolotra azy mianiana mba hanolotra azy ho an'i Tompo, hanaraka ny fomba kristiana etc...
Fa tokony ho izy izany dia hoe: ianao en personne no tokony miaiky ny fahotanao fa tsy ny RAD dia izay no hanaovana iny batisa mijoboka @ rano iny = symbole(mila chapitre 1 zany fa tsy voatantara eto)satria sao dia diso fandray ny olona
Jesosy Kristy izany natao an'io sy nanome modely dia tokony hanaraka ny ataony ny mpanara dia Azy
Tsy midika izany akory fa mana-forcé anao aho fa ny fanapahan-kevitra dia TSY AZO TERENA mihintsy amiko indrindra fa ity resaka fanarahana an'i Jesosy ity no lazaina

Arakaraka ny dingana eo @ fiainana ny famonjena ry naej amiko. Raha anio no farany ahenoinao ny famoknjena ka ananaiky ianao , na dia ianao aza no jiolahy , mpamono olona etc... dia mino aho fa ho voavonjy ianao satria niaiky ny fahotanao sy nandray an'i Kristy
Fa raha oohatra kosa hoe: mbola misy fotoana manoloana anao, nitoriana ny famonjena, tsara toetra manao soa , mpitory , manao ny asan'ny Tompo, TSY AMPY IO fa MILA FANOLORANTENA isanandro sy TOKONY OMENAO an'i JESOSY foana ny FIAINANA à tout moment? satria be de be ny fakampanahy, ny ady ka mety ho reraka eny ampandehanana eny
Efa nolaizan'i Jesosy any @ TV any io , nanomezany ohatra ilay olona nanontany azy dia izao no valiny hoe: TSY LAVITRA NY FANJAKAN'ny lanitra ianao = tsy tafiditra...

Tsy voatery hoe: tsy maintsy miteny @ fiteny tsy fantatra ka (iny resaka personnel entre toi et Dieu) ary voalaza fa tokony hisy mpandika mba hampandroso ny fiangonana (mpiara-mivavaka aminao) satria message avy any @Andriamanitra iny ary misy olona ao @ ilay culte tian'Atra omena iny msg iny

ilay miteny @ fiteny tsy fantatra ange tsy azoazo fotsiny io fa tena mila hoe: tena sincère devant Dieu ianao miaiky ny fahotanao ary manenina tena manenina be , mitalaho ary Atra ihany no mi-décider na mahazo ianao na tsia, tsy midika akory hoe: rehefa tsy mahazo ianao dia tsy masina

Pendant iny moment iny ianao no tena tsy manatsiny @ Tompo satria voalaza fa tsy afaka itoeran'ny ota izy

dia tahaka izany koa ireny olona mpaminany ireny, tsy afaka maminany daholo ny olona fa Atra no mifidy azy

Koa anjaranao izany mamantatra hoe: inona ny ahy ny don azoko avy @Atra?

MARIHINA: fa raha tsy ampiasainao io don nomena anao io dia mety ho faty

17. tsiafoi1 ( 20/03/2007 13:19)
Zavatra roa samihafa nefa mifameno sy mifampitohy ireo, fa hanombohako azy dia ity :
Batisan'ny Fanahy Masina : Mialoha sy aorian'ny Batisan'ny rano.
Jaona 14/16 - Jaona 16/8 - Jaona 16/13 Mampianatra, Mandresy lahatra, ary Mampiaiky ny fahamarinana ny Fanahy Masina.
Rehefa miasa ny Fanahy Masina dia miroso amin'ny fibebahana sy fanoloran-tena ny olona iray, dia mandalo ny batisan'ny rano ho fanadiovana sy fandevenana ny lasany rehetra.Io lay batisan'ny Fanahy Masina mialoha ny batisan'ny rano
Aorian'ny batisan'ny rano indray dia mbola mitohy mandray ny asan'ny Fanahy masina mandrakariva ilay olona.
18. niryna ( 20/03/2007 13:26)
diamondra27:

niryna:
tsy ny mpino rehetra no mahazo io langues
tsy ny olona rehetra ihany koa no afaka manasitrana

'Zao ny tenin'SM:"zarazaraina samy hanana ny fanomezam-pahasoavana"




Misy milaza fa tokony hiteny an'io daholo ny mpino rehetra kanefa voalazan'i Paoly fa tokony hagataka ny ahazoana ny mpaminany satria io afaka miteny ny fiangonana rehetra ,ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia izy irery ihany no miresaka an'Atra na ny fanahy masina ary raha tsy mahay mandika teny moa izy na tsy mahazo izany dia tokony hisy olona mpandika ilay hafatra eo.Ny aty aminay aloha dia nahita aho ary matetika ka rehefa tonga ny herin'ny fanahy masina dia misy olona manomboka miteny ary misy mamaly hoe "izao no nolazain'ny tompo.Indraindray olona efatra na dimy samy toerana hafa no mifanohy hatrany.
Toy ny fanomezam-pahasoavana dia raha te ahazo aza isika tsy afaka fa Izy irery ihany no manome izay tiany ho mena sy fantany omena.

19. niryna ( 20/03/2007 13:37)
diso tsy pelina angataka no izy.oops!8O
Diamondra a,izay rehetra mety ho latsahan'ny fanahy masina no mahazo azy amin'ny fotoana izay mahamety azy omeny ny olona.Marina izany fa tsy ny rehetra
Ny olona dia mety tsy mahatsikaritra fa raha tsy misy ny Fanahy Masina dia tsy misy mpamorina (creation),izao tontolo izao(universe),ary ny olombelona maro karazany(human race).
Joba 33:4Ny Fanahin'Atra efa nanao ahy,ary ny fofonain'ny Tsitoha no namelona ahy
20. Zina ( 20/03/2007 15:39)
oy i diams oe:

raha mbola zaza no atao batisa araka ny fahafantaran'ny olona azy dia: amiko fitsofandrano iny no anaran'iny fa tsy batisa , satria ny RAD no manolotra azy mianiana mba hanolotra azy ho an'i Tompo, hanaraka ny fomba kristiana etc...

marina mihitsy izany. (dedication) Hivavahana ny zaza.
Arakaraka ny dingana eo @ fiainana ny famonjena ry naej amiko. Raha anio no farany ahenoinao ny famoknjena ka ananaiky ianao , na dia ianao aza no jiolahy , mpamono olona etc... dia mino aho fa ho voavonjy ianao satria niaiky ny fahotanao sy nandray an'i Kristy
Fa raha oohatra kosa hoe: mbola misy fotoana manoloana anao, nitoriana ny famonjena, tsara toetra manao soa , mpitory , manao ny asan'ny Tompo, TSY AMPY IO fa MILA FANOLORANTENA isanandro sy TOKONY OMENAO an'i JESOSY foana ny FIAINANA à tout moment? satria be de be ny fakampanahy, ny ady ka mety ho reraka eny ampandehanana eny
Efa nolaizan'i Jesosy any @ TV any io , nanomezany ohatra ilay olona nanontany azy dia izao no valiny hoe: TSY LAVITRA NY FANJAKAN'ny lanitra ianao = tsy tafiditra...


ekena tanteraka...

Tsy voatery hoe: tsy maintsy miteny @ fiteny tsy fantatra ka (iny resaka personnel entre toi et Dieu) ary voalaza fa tokony hisy mpandika mba hampandroso ny fiangonana (mpiara-mivavaka aminao) satria message avy any @Andriamanitra iny ary misy olona ao @ ilay culte tian'Atra omena iny msg iny


marina ny anao

oy i nirina oe:

Misy milaza fa tokony hiteny an'io daholo ny mpino rehetra kanefa voalazan'i Paoly fa tokony hagataka ny ahazoana ny mpaminany satria io afaka miteny ny fiangonana rehetra ,ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia izy irery ihany no miresaka an'Atra na ny fanahy masina ary raha tsy mahay mandika teny moa izy na tsy mahazo izany dia tokony hisy olona mpandika ilay hafatra eo

raha mi-babling izy nefa tsy misy mahafantatra an'izay lazainy dia tena mi-babling mihitsy izy...
ary marina ny lazani'i diams oe:
tsy ny mpino rehetra no mahazo io langues
tsy ny olona rehetra ihany koa no afaka manasitrana
:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0593