Tsy te-ihinana fanafody intsony aho// mety hanampy ity!!!

1. niryna ( 19/03/2007 14:40)
Misy zavatra maro tsy dia andaniana vola akory kanefa manampy ny fahasalamana.
Isan'andro no atao raha mazoto sy misy fotoana
-Ny fisotroana rano matimaty vao maraina isan'andro arahina vinaigre eran'ny sotrobe raha ohatra ianao ka tsy marary vavony sy tsy milelalela ny ambavafo.
Ho an'ireo dia rano matimaty ihany.
-Vahona izay alaina ilay madity ao anatiny ary akambana amin'ny tantely iray sotro Maka kely ary tetehina tokony ho 5cm eo ka io no ohanina.Aza atao betsaka fa mangidy.Tantely amam-bahona ny fiainana( honey +aloe vera).Raha tsy voatelina ilay izy dia ataovy amin'ny jus kely fa tsy betsaka satria feno siramamy ny jus,asiojus+ rano tapaky ny kopy ary ataovy ao amin'ny machine fanaovana jus na akambano dia potehina amin'ny fourchette ilay vahona.Jereo tsara ilay vahona fa mety misy karazany a
-Mihinana tongolo gasy roa isan'andro ka na atao ao anaty salady miaraka ny tongolo be na atao amin'ny laoka fa tsy atao masaka be.
-Ny rano in-8 kaopy moa dia efa resahina matetika io
-Ny fanantanjahantena koa moa dia tsy ho adino.
-Ny maka sasatra(mila misento kely fa tsy manao raharaha tsy haki-janona rehefa henonao hoe reraka ny vatana na ny saina)
-Fisotroa ranon-karoty+celery+poma + betterave(raha mazaka ny fofony fa toy ny tany indraindray) raha tsy mazaka moa dia andrahoy ka asio vinaigrette kely na citron.
-Voatabia asiana foana ny sakafo na salade ary izy manta iny no tena tsara na raha mahita ilay paste ianao dia maka sotrokely rehefa ho masaka ny sakafo.
Anareo indray izao raha mbola mahita :P
(l)niryna
novalian'i meva2 ny 27/03/2007 07:48
2. cutie ( 19/03/2007 16:48)
merci niryna :lol::lol::lol::lol:
3. Vahinala ( 19/03/2007 19:27)
Humm misaotra fa mety hanampy marina !:)
4. niryna ( 20/03/2007 05:03)
Fanitsiana kely ilay vahona dia tetehina ka tokony ho refin'ny ho kely fotsiny no tetehina mety ho diso refy ny fiteniko 5cm fa ny refy aty aminay tsy io no ampiasaina.Raha atao refy gasy dia antsasak'akihibe:roll: Raha atao ao anaty fanaovana jus izy ka asian jus kely dia tsy aheno ny ngidiny firy.
Masoava ary
5. Zina ( 20/03/2007 15:53)
oy i nirina oe:

Fisotroa ranon-karoty+celery+poma + betterave(raha mazaka ny fofony fa toy ny tany indraindray) raha tsy mazaka moa dia andrahoy ka asio vinaigrette kely na citron


tsara mihitsy io fa ny "hic" kely dia ilay vinaigrette.. fadio io
Ny citron no Tena Tsara hihihih:wink:
6. niryna ( 21/03/2007 15:18)
Zina:

oy i nirina oe:

Fisotroa ranon-karoty+celery+poma + betterave(raha mazaka ny fofony fa toy ny tany indraindray) raha tsy mazaka moa dia andrahoy ka asio vinaigrette kely na citron


tsara mihitsy io fa ny "hic" kely dia ilay vinaigrette.. fadio io
Ny citron no Tena Tsara hihihih:wink:

Ny karoty dia tena manampy ny maso tokoa ,ny celery dia manampy ny aretina sy fery any anaty Inflammation sns,ny betterave dia mampiakatra ny olona tsy ampy ra.
Io vahona io dia tena manampy ny ao anaty rehetra,manampy ny fanaintaina sy ny tanana manakotsako na ny arthritis, manadio ny colon, ny ra ,manadio

7. Zina ( 22/03/2007 15:58)
nyrina a tsy laviko mihitsy ny teninao ka fa raha ihinana zavatra natoraly ihany dia ilay citron no atao wa fa tsy vinaigrette e hihihihih

raha tsy mazaka moa dia andrahoy ka asio vinaigrette kely na citron.



8. meva2 ( 27/03/2007 07:48)
Io vahona io dia tena zavatra tsara mihitsy non seulement préventif fa koa curatif. Na ny olona voan\'ny cancer aza dia misy effet be mihitsy izy io.Ny fangarony dia misy tantely ary koa whisky \"kely\".Hoan\'ireo mahare havizanana, apetraho eo ambony takotra mafana ny vahona(tsy nataoko tao anaty micro ondes), avy eo rehefa somary mafana iny dia sasahana roa, alaina ilay dintiny iny dia ahosotra @ vatana iray manontolo hatramin\'ny loha ,tarehy.mety hihevitra ianareo hoe hadity sy ho lena, non,non,non!!!segondra vitsy dia maina toy ny tsy nisy inona. Ny vokany: matory be tsy misy ohatr\'izany ary tena afa-bizana mihitsy, ny hoditra koa dia mihatsara.Dokotera no nanoro ahy io zavatra io ary tena efficace tokoa.Misy délai anefa ny fihinanana an\'izy io raha tsy diso aho dia 3 cs mandritra ny 20jrs dia mijanona 10 jrs.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4749