Fitia (tsy) voarara

21. nikopol ( 21/03/2007 12:12)
efa nivoka dvd ve io film io Ds ?
22. ds ( 22/03/2007 23:51)
sakaizakely>jereo http://www.littlechildren-lefilm.com/
nikopol>tsy haiko...
23. fasaly ( 23/03/2007 06:47)
kay ! otran'ny liana be te hijery anzany film zany aho ry ds:? aleo hijery anzany raha misy ôkaziô!!!
24. Fiffi ( 23/03/2007 20:40)
tsara be io film io an !
25. ds ( 25/03/2007 00:43)
Meloka

Fantatro fa tsy azo atao
Meloka aho ny mitia anao
saingy tsy voatana ny fo
Hitia anao an-tsokosoko.

Ireo tanako am-po tsy hilaoka
Noferako tsy navelako hivaoka
Anefa toa hery tsy hay tohaina
Tiako hodradradradraina

Fa eo ianao anilako eo
Hitako sy reko feo
Toa akaiky nefa tsy takatro
Tsy ho ahy ianao fa fantatro

Fa ny anao ny fo efa mana-tandrify
efa eny an-tratrany eny ianao no mitampify
Ny ahy misy tady eny am-bohozonana
midiridiry tsy hay takonana

Ny taonantsika koa manelanelana
izaho efa halazo ianao vao voa hamelana
Ianao ary elatra enti-hisidina
izaho efa hitsingidina

Ny tanantsika dia hifanantona
Nefa tsy mihaona akory indreny miantona
Samy tia nefa tsy manantena
Ny lalantsika tsy hifanena...

Mahaleo
26. ds ( 25/03/2007 00:58)
Ny tiako ahatongavana amin'ity resaka momba ny atifanahy (pisikôlôjia) ity, dia ny "fanaovana" na "fampiharana" (passage à l'acte). Raha zohina ny fihetsiky ny gasy, dia matetika mianona amin'ny faniriana fa tsy miroso avy hatrany any amin'ny lalindalina izay mety mandrendrika. Izany no hita amin'ireny tononkira samihafa momba ny fitiavana izay lazaina fa voarara ireny. Fahendrena gasy angamba izany. Ka hoy aho hoe : raha tsy mbola manao na mampihatra ny fitiavana an-tsokosoko na voarara, dia tsy meloka. Koa aza sakanana ny fo tsy ho tia na dia voarara aza izany kanefa aoka ho tsaroana lalandava fa ny fanahy no (maha)olona fa tsy ny fo.
27. Fiffi ( 25/03/2007 07:30)
ds:
Koa aza sakanana ny fo tsy ho tia na dia voarara aza izany kanefa aoka ho tsaroana lalandava fa ny fanahy no (maha)olona fa tsy ny fo.
heu.....de ahoana akia zany ? de tsy hijaly eo ve raha toa ka efa fantatra fa voarara le fitia de mbola tsy hihetsika hiany hoe aleo tsy atao satria voarara ?


28. mandrindra ( 25/03/2007 07:52)
ny fitia tsy voarara, ny fampiharana azy koa tsy voarara.
ds, tsy dia mazava amiko ny tiana ambara amin'io hevitra anverin'i fiffi io. inn no ifandraisan'ny fo sy ny fanahy? ny fitiavana, na ny famehezana azy angamba, sy ny maha-olona?
29. ds ( 25/03/2007 12:41)
f-an-AHY => fanahy
man-AHY => manahy
manahy (matoantenin'ny mpanao) = matahotra, tsy mety mitony SAINA
fanahy (anarana) = zavatra ao amin'ny olombelona (mampiavaka azy amin'ny biby) entiny manahy amin'ny tenany, mampahatsiaro tena azy.
Ny fanahy dia vokatry ny fitambaran'ny SAINA amin'ny sitra-PO.
Tamin'ny fiantombohana, dia samy nanana ny f-an-AHI-ny ny tsirairay. Ireo no nitambatra ka nanome toetra iombonana teo amin'ny olombelona antsoina hoe fanahy maha-olona.
Fiffi:
heu.....de ahoana akia zany ? de tsy hijaly eo ve raha toa ka efa fantatra fa voarara le fitia de mbola tsy hihetsika hiany hoe aleo tsy atao satria voarara ?
Ilay fitiavana mitsiry ao anaty ange ka mandeha ho azy e. Ny fanahy no manakana ny fanatanterahana azy satria voarara. Sanatria tsy mampitovy ny olombelona amin'ny biby fa ny alika ohatra no avy dia mitaingana izay tiany hotaingenana.
Ahoana ary no atao ?
Fanandratan-ko ambony dia ambony (sublimation) ny fitiavana : atao izay ahasambatra ilay olon-tiana eo anilan'ny tiany na izay (efa) miaraka aminy. Mialoha an'izay anefa, dia ny hirahiran'i Poopy sy Mahaleo no atao :-)
30. Fiffi ( 25/03/2007 19:43)
ka le hiran'ny Mahaleo hoe meloka koh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.478