Antony (+10 mihoatra )tsy amakiana baiboly???

41. rush ( 20/03/2007 15:09)
ikaretsaka:
io.
io ngamba ilay hoe mpitari bato vilambava lazalazain'i fijo fa indraindray tokoa anie ireny ka tsy mahita akory hoe mivilana ny vavany ?
satria ry zareo mihevitra fa tsy manao fahadisoana mihintsy,ary ny azy hiany no marina ka lasa mandreraka be na ny famakiana ny zavatra lazainy aza e!


42. ikaretsaka ( 20/03/2007 17:55)
ka ny fahitako azy an, dia vokatr'ilay firehana @ kristianina sasany hoe lasa tsy misy mikonfesy, manao karemy sns ... dia ny vokany lasa tsy manana fotoana hijerevana ny tena sy ny konsiansy manokana intsony hoe inona no tsy nety teto @ fiainako teto sns... , fa vitan'ilay "ary mamela ny helokay" fotsiny ... fa kosa ilay hitenenana ny hafa no betsaka, iny kosa aloha de hay tsara, le hoe mpanota ianoa...mibebaha fa doran'i jesosy... blablabla!

fijeriko fotsiny io an! fa za tsy mitsara an!
43. pissoa ( 22/03/2007 18:22)
ikaretsaka:

de hiandry devoly foana kosa ve?:wink:

tsy mianjy an'devoly zany za fa io no valin'ny fantaniana eto matetika de mba mangala-tahaka fotsiny zah kou :oops::-D:-D:-D:-D:-D
44. prime ( 23/03/2007 10:10)
rush> :-D:-D:-D... Ny fanontaniana dia mitodika aminao mahay mitsikera ahy manao hoe : \"misy doute\", \"manana complexe de supériorité\", \"mihevitra ho tsy manam-pahadisoana\"...:-D:-D:-D hoe inona no antony tsy hamakianao baiboly? izay no ataoko hoe \"ary ianao mba ahoana?... ny ahy efa ireo voalazako ireo ny antony...

Dia mamerina indray aho eto, rehefa tsy misy raisina dia aza mamaky akory!!!:lol: na holavinao daholo aza izay lazaiko tsy olana izany raha ny amiko... fa raha ny Tenin\'Andriamanitra no holavinao dia tsara lavitra ianao miverina mandinin-tena toy ny ambaranao ahy... Jesosy Kristy tsy maintsy ambara na hihodina havia ianao na hihodina havanana... Jesosy Kristy mamonjy ny olona rehetra miaiky heloka sy mibebaka ary mameno Fanahy Masina ireo olona miverina Aminy... ary mbola vovona ny hamindra fo amin\'izay mafy fo koa Izy... araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :

\"raha ny oloko izay nantsoina amin\'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin\'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.\" II Tantara 7:14

Tsy miteny aho na dia kely aza hoe ny ahy no marina... Izaho koa mba mety diso ihany, fa raha ny Tenin\'Andriamanitra kosa dia miala tsiny aminao aho fa marina fanaperana, ka raha mankaloiloy anao na tsy dia itovianao hevitra loatra dia izay aloha no izy... azonao tsy inoana rahateo...:lol::-D

ikaretsaka> Tsy mitsara an...:lol::-D:-D:-D Sao ny olona mieritreritra ny hafa ho manana \"complexes de supériorité\" no tena mila mandinin-tena sao izy no manana \"complexes d\'infériorité\"...:-D:-D:-D Ny olona rehetra tsy misy mieritreritra ny tenany ho ambony na ho ambany noho ny hafa dia misy mahita tampoka hoe toa misy \"complexes de supériorité\":-D:-D:-D... izay ilay mahatonga ny tenin\'Andriamanitra miteny hoe :

\"Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin\'ny masonao, ary amin\'izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin\'ny mason\'ny rahalahinao.\" Matio 7:5... Mora ny mitsikera ny hafa fa rehefa ny tena dia sarotra dia sarotra...^^:-D:-D
45. Stretch ( 23/03/2007 10:44)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 20-03-2007 00:53:24
Lohateny : Re : Antony (+10 mihoatra )tsy amakiana baiboly???
strech> tena ........ namaste hihihihi


ikaretsaka> tsy azoko ndray le oe : namaste :?::idea::?:
46. Rasiligaoma ( 23/03/2007 12:55)
ny antony tsy hamakiana baiboly (ireo hitako aloha an)

1-Tsy mahay mamaky teny

2- Indraindray tsy tonga ny Patriarka /pastera/mompera/diakona ... fa any @ dezaka ny fiangonana

3- manontany tena indraindray hoe tena izany tokoa ve ny vakin'io?

4- Tsy misy teny na vokablera mahalaza ilay tena teny sy hevitra fototra hatrany amboalohany ilay teny nandikana azy hany ka dia niova na tsy ampy intsony ny hevitra tena tiany hambara.


5-Samy manana ny fandraisany azy sy ny interpretation-ny izay olona sendra mba mitory. I Pasitera milaza fa tsy azo atao izao , I mompera hafa ny lazainy, ny patriarka hafa koa.... dia tsy hay intsony hoe iza no henoina sy hinoana.

6- Indraindray ataony fampitahorana ilay boky: raha olona tsy mahay mihitsy dia hanontany ihany hoe inona koa ny ataon'ity @ iny boky maintimainty eny an-tanany iny.. Izany hoe lasa mitovy lenta amin'ny mpitazona tandroka feno ody dia iny no entina mandehandeha hoe ..ny andriamanitra ato anatin'ity no miteny!
lasa karazana biby fampitahorana izany ilay izy e!

7- Lasa terena ilay olona hamaky sy hihaino ilay izy dia lasa tsy amin'ny fo intsony ny hanaovany azy fa mba izay hahafaly ilay mpitory fotsiny

8- betsaka ireo mamano TIM (ny teo ihany no miverina) Indrindra ireo mpitanisa andalana... dia indraindray aza izy ireny tsy comprendre ny contexte "nahatonga io andalana ataony tsianjery maimbo io" akory fa ilay andalana sy ny fahazoany azy no abosibosiny any an-tsain'ny hafa koa.

Ikar sy i prime> tsy haiko hoe iza aminareo mirahalahy no tena misy "sombin-kakazo eo amin'ny masony" Ilay mikofesy sy maka fotoana handinihan-tena ve sa ilay mitoritory fahatany? aoka mba samy hieritreritra fa tsy mitsara an'iza na iza aho
A bon entendeur
47. prime ( 23/03/2007 13:49)
rasiligaoma> :-D:-D... tsy izany ny size...:lol::-D:-D:-D
48. ikaretsaka ( 23/03/2007 17:47)
rasiligaoma> ka zahay samy tsy manana fitaratra dia lasa samy hoe ny an'i anona no misy hazo tokoa ...na misy 1 tena tsisy ary misy 1 misy be aza !
dia tsy hay tsony hoe iza no tena misy sy tsia
49. Rasiligaoma ( 24/03/2007 13:09)
de iza no tena mandainga sy miseho azy ho savony luxe? nefa savony reva ?
50. prime ( 26/03/2007 09:23)
rasiligaoma> Tsotra fotsiny : Aza mitsara... (hoy ilay fitsimponana izay)...:-D:-D misy complexes de supériorité indray izao izay sa...:wink::-D:-D
51. ikaretsaka ( 28/03/2007 14:47)
:wink:
52. prime ( 30/03/2007 11:19)
niryna> Ny tena sarotra anie dia ilay fiverenana na ilay fiakarana rehefa latsaka ambany dia ambany izay... faly ery ny tena rehefa mahazo fidinana fa ilay valiny rehefa avy eo tena tantara be mihitsy...

Izaho tena mahatsapa mihitsy fa mora dia mora ilay fanadinoana tsy mamaky ny tenin\'Andriamanitra fa tena sarotra ilay fiverenana rehefa za-dratsy hoe handeha hiverina hamaky indray... izaho aloha mahatsapa an\'io mihitsy...
53. Rasiligaoma ( 30/03/2007 11:37)
ka izao ange Prime e..
tsy misy mahalala akory hoe midina ny tenany sa miakatra .
misy mieritreritra hoe miakatra izy nefa hay Midina eo imason'Andriamanitra.

tsy misy mahalala an'io afa-tsy IZY e

54. Zina ( 30/03/2007 21:05)
tsy misy mahalala akory hoe midina ny tenany sa miakatra .
misy mieritreritra hoe miakatra izy nefa hay Midina eo imason'Andriamanitra


tsy ho fantatrao izany raha tsy misy ny Fanahin'Andriamanitra..

prime [ Valio ] 30-03-2007 13:19:28
Lohateny : Re : Antony (+10 mihoatra )tsy amakiana baiboly???
niryna> Ny tena sarotra anie dia ilay fiverenana na ilay fiakarana rehefa latsaka ambany dia ambany izay... faly ery ny tena rehefa mahazo fidinana fa ilay valiny rehefa avy eo tena tantara be mihitsy...

Izaho tena mahatsapa mihitsy fa mora dia mora ilay fanadinoana tsy mamaky ny tenin'Andriamanitra fa tena sarotra ilay fiverenana rehefa za-dratsy hoe handeha hiverina hamaky indray... izaho aloha mahatsapa an'io mihitsy...


itovizana lesy a:wink:
55. ikaretsaka ( 30/03/2007 22:32)
Oka kely aloha:
tsy miditra amin'ity resaka ity lalina loatra intsony ahako fa fanamarihana kely fotsiny fa hitako misy tsy mahay akory ity raha nosoratan'i hery ity...

azafady Hery raha "nitsimpona" an

hery:

Ny tsara ho fantatra dia:

. Ho an'ny katolika dia tsy ny baiboly irery ihany no ahitana ny hafatr'Andriamanitra. Raha tsy izany dia kely loatra ilay hafatra... hoy i Jaona ao amin'ny filazantsarany hoe na ny tany rehetra aza tsy ho omby raha soratana ao anaty Baiboly daholo izay fampianarana sy zavatra nitranga. Ho an'ny katolika dia misy tsy voalaza ao anaty baiboly ny fampianarana fa nifampitàna teo anivon'ny Fiangonana. (Ny teny hoe Trinite sy ny fanazavana momba izany ohatra tsy ao anaty baiboly kanefa inoan'ny rehetra)
56. prime ( 02/04/2007 13:15)
Ikaretsaka> Dia izany ve no tsy hamakiana azy na tsy anekena azy satria "maro no tsy voalaza ao"?...
rasiligaoma> Ekena... fa ny tsy famakiana baiboly dia porofo fanalavirana an'Andriamanitra... mamaky aza ny tena mbola misy tsy fahamendrehana ihany manoloana ny sitrapon'Andriamanitra... sa ahoana hoy ianao?
zina> :wink::)
57. ikaretsaka ( 02/04/2007 13:43)
prime:

Ikaretsaka> Dia izany ve no tsy hamakiana azy na tsy anekena azy satria "maro no tsy voalaza ao"?...


mamaky ange e.. fa tsy hoe ao de ao de ao de tsy te hahalala afa tsy ao!


58. prime ( 03/04/2007 07:36)
Ikaretsaka: Mazava... mamaky izany... ary inn no antony tsy hamakiana... izay mantsy ilay tena lohahevitra fa tsy hoe mamaky sa tsia...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081