Antony (+10 mihoatra )tsy amakiana baiboly???

21. niryna ( 19/03/2007 05:23)
Salut:

Ataoko fa tsy mety ny mamaritra hoe izao sy izao no mahatonga ny olona tsy hamaky ny baiboly. Raha tena tianao moa ny hahalala dia tsara ny manao fanadihadina mivantana.
Ny zavatra tsapako anefa dia efa misy zavatra fantatrao manontany io, ka raha misy ny antony hitanao mahatonga izany dia lazao, hojerena raha mitombina na tsia. Ny fanamarihana tiako atao fotsiny dia hoe: tsy tena mitovy ny zavatra ianarana sy ny tena zava-misy marina, ka aza aorina amin'ny Soratra ny finoana fa amin'i Kristy, ilay velona miaraka amintsika.

Marina izany fa aleo ny olona no mamaly aloha fa tsy tiako ny manome izay eritreretiko dia avy indray xxx hiteny hoe efa fantatrao koa mbola anontanianao,sy ny hoe izy ihany no mamaly kanefa izy ihany no nanontany.Ady hevitra handraisan'ny tsirairay izy ity dia avy eo samy mifameno sa tsy izany

22. niryna ( 19/03/2007 05:45)
[quote=Stretch]
aoka alou haka sofila.


Amiko aloha dia tsy hoe: tsy misy hilana azy mihintsy

Io izany no antony faharoa ka anjaran-tsika no manome fanazavana ny hevitra na manampy na mitsipaka




Dia iray koa ity : misy an'ireo fitanisana ny taranaka aby aby ndry abokadnazra niteraka an'i annnn iannn niteraka an'i annnn.
De ataoko innn ary ny arbre genialogikan dry zareo ny ahy aza tsy poinsa akory nefa tsy nnisy siecle 2 akory.

Io koa izany dia misy antony iray

Mametraka fanotaniana i nyrina hoe : inn no antony.
Dia nareo raha hitanareo fa tena ilainareo am fiainanareo le izy de mamaky.

Valiny iray io izany ,satria tsy ilainy amin'ny fiainany ary ho an'ny olona izay mila azy dia izay ilaina amin'ny fiainana izay izy.
Fa za zao mila mianatra teny japoné ao anatin'ny fotoana fohy dia tsy hamaky boky sady kely soratra kely no sady film efa nandé a !

Antony iray koa io hono kely soratra ary miverimberina.

Mampiasa teny 6 mandritra ny tontolo androko , tsy ao zany ny teny gasy , sy langage de signe.
ny nahaizako an'ireo tsy hoe :nandohalika nivavaka de iny fa nivadika ny lelako, fa mila nibôsy be nifanjevo mintsy.

Antony hafa ihany koa io hitany tsy hamakiana baiboly
Mbola averiko eto ndray lay hoe : perimé, tsy perimé ko ary fa tena vrai semblable . dia manantena zany tsika hoe : ho tanteraka amtsika koa reny .

Mbola misy antony iray ihany koa ity.
Misy firenena ny 99% ny mponina ao am , tsy mino , ny fiangonana mivoha indray alahady isam-bolana, ny fiangonana sasany lasa musée tsidihina fotsiny noho ireo sculpture sy sary nataon'ny ol taloha.
Nefa isan'ny firenena matanjaka indrindra eto an tany.

Io koa dia anisany iray

Tsy haka alavitra aho M/kara 99% mponina mino sy matahotra fadiranovana ny baiboly sns,
tsy haiko hoe fahafiry avy any ariana izao itsika./[quote]
Hitanareo,mbola nahita antony ihany koa izy !8)
[quote]Misy iray tsy ekeko mihintsy ko ity , ilay fahafolo karena , za lo de tsy afaka ny anomé an'i pasitera ny 10% ny karamako mintry e !
hitako tsy logika mintsy le pastera efa kala be zao le vahoaka entina efa mila famonjena iny ndray no mbola manomé an ra pasy , tsia tsia tsia cha manao aho .

Misy iray hafa ihany koa dia ny tsy anekena ny 10%


Strech> misaotra betsaka anao nanome ny valiny maromaro.Hitanareo,izay ilay teneniko,afaka manome hoy aho isika ilay valiny fa tsy hoe omeo izay fantatrao dia iny no dinihina.Alefaso ary ny dinika fa io stretch nahita valiny maromarao:P:P



23. niryna ( 19/03/2007 05:53)
-Ary raha hiteny indray aho hoe "mankaleo ilay izy na
borina be tsy hita izay iraisina fa mampatory fotsiny
tsy misy soavaly miady na olona mifanenjika
mifampitifitra toy ny filma?
-Ary ny hoe Aiza ary no hanombohana azy fa tsy
fantatray izay atao. sy hatomboka ?
-Boky ngezabe io koa rahoviana vao ho voavaky ?
-Tena tsy mifanaraka ny fiainako mihitsy, koa inona no
andaniako andro amin'io sy hivadiako loha eo.

Mety anisany mitombina hialana pas ny tsy hamakiana
azy ve ireo antony ireo?:roll:
24. Fiffi ( 19/03/2007 07:10)
Stretch: ok akia fa mazava be an ! :):-*
25. prime ( 19/03/2007 09:16)
tsy Ilaina ve ny mamaky baiboly?... eny hoy ny tsy mino... tsia hoy aho... ny antony tsy hamakiako baiboly raha izaho dia ireto :
- tsy fahaizako mandamina fotoana ka na dia 5mn isanandro aza dia sarotra amiko ny mahita izay nefa manam-potoana betsaka hamakiana gazety sy ihainoana radio na ijerena TV...
- tsy fahaizako mihaino ny Tenin\'Andriamanitra ka amitahan\'ilay ratsy ahy fa Teny efa miverimberina ny voavaky sy hovakiana
- tsy fahaizako miaina ny Tenin\'Andriamanitra ka iheverako fa tsy ilaiko loatra indray2 ny mamaky baiboly fa afaka miteny amiko amin\'ny fomba hafa Andriamanitra
- ny fanadinoana
- ny fanamarinan-tena indray2 mba tsy iheverana ny ota vita izay tsikafonin\'ny Tenin\'Andriamanitra foana...
- ny fahalemena amin\'ny fianteherana amin\'ny herin\'ny tena indray2 manakatra ny Tenin\'Andriamanitra ka lasa toy ny mandreraka ny mamaky ny Tenin\'Andriamanitra...
- ny fangatsiatsiahin\'ny fifandraisako amin\'Andriamanitra indray2 noho ny fahatezerako Aminy na ny alaheloko Aminy satria mihevi-tena ho tsy mendrika fizahan-toetra mahamay...

Amin\'ireo rehetra ireo, isaorako an\'Andriamanitra lehibe ny famindrapony amiko fa mbola tiany mandrakariva aho na dia tsy mpamaky baiboly mahafatrapo sy modely aza...
26. rush ( 19/03/2007 10:19)
prime:
tsy Ilaina ve ny mamaky baiboly?... eny hoy ny tsy mino... tsia hoy aho... ny antony tsy hamakiako baiboly raha izaho dia ireto :
Aminy na ny alaheloko Aminy satria mihevi-tena ho tsy mendrika fizahan-toetra mahamay...
eny hoy ny tsy mino!dia maninona no milaza ny antony ny mpino tahaka anao milaza hoe"tsia hoy aho"ny antony tsy hamakianao baiboly raha ianao!midika izany fa misy ny doute!izaho aloha milaza hoe ilaina ny famakiana baiboly ary tsy andeha hi-inventer aho hoe izao sy izao ny antony mahatonga ny tsy mpino hamaky baiboly satria @ fomba ahoana no ahafantarako ka hisahiako hilaza an'izao sy izao hoe izao ny antony?


27. cutie ( 19/03/2007 13:27)
eny hoy ny tsy mino!dia maninona no milaza ny antony ny mpino tahaka anao milaza hoe"tsia hoy aho"ny antony tsy hamakianao baiboly raha ianao!midika izany fa misy ny doute

:-D:-D:-D:-D:-D
28. ikaretsaka ( 19/03/2007 14:38)
ny ahy aloha ny antony tsy VOATERY hamakiako ny baiboly dia:

-Vao mifoha aho dia mahita ny lakroa ery andoham-pandrianako dia tonga dia tonga saina tampoka dia miakatra ny fisaorana sy ny vavaka fanolorana ny andro fa tsy mbola voatery handeha hikaroka ilay boky sy hamadibadika hoe page firy androany na hanao tsabo 3 sy tsato piso ao!
lany ihany ny 5 minitran'i Prime..kozy e

-Vao mameno ny anjelisy dia tsy voatery hitady ny baiboliko atsy sy eroa aho fa tonga de sady mandeha ihany aho no manao ny anjelisiko any am-poko any.

-Vao mahita ny zavatra rehetra miseho eny an-dalana sy ny fiainako androany aho dia mahatsapa: .. ireto izany ny zavaboarin'andriamanitra nomeny handalinana ny finoako misimisy kokoa sy hifampizarako sy hiasako ho Azy androany

-Misy zavatra mahalasalasa saina ahy ohatra dia sendra voatsapako ny peratra "disainier" eo am tanako de efa lasa ny saple ...

-Misy Tranga miseho amin'ny fiainako ohatra tonga de azoko hoe ah.. "ilay tenin'andriamanitra ohatran zao zany no tokony hataoko hifandraika amin'iny.. haiko @ hevi dehibe fotsiny ilay izy ary tsy tadidiko akory hoe bokin'iza sy iza ao @ tokon'iza akory an ... fa tadidiko fotsiny ilay tantara sy ny nataon'Andriamanitra/ jesoa/apostoly /olomasina sns..../ tao @ ilay tantara.

-Alohan'ny hatory aho dia miverina mahita ilay Crucifix dia tonga de miainga ny examen de conscience sy ny vavaka fanolorana ny alina...

Vita!

raha eo ny baiboliko.. tsara.. raha tsy eo izy tsy maninona fa tsy mahasakana ahy hivavaka ny maha eo sy tsy maha eo azy
29. prime ( 19/03/2007 15:11)
rush:
eny hoy ny tsy mino!dia maninona no milaza ny antony ny mpino tahaka anao milaza hoe"tsia hoy aho"ny antony tsy hamakianao baiboly raha ianao!midika izany fa misy ny doute!izaho aloha milaza hoe ilaina ny famakiana baiboly ary tsy andeha hi-inventer aho hoe izao sy izao ny antony mahatonga ny tsy mpino hamaky baiboly satria @ fomba ahoana no ahafantarako ka hisahiako hilaza an'izao sy izao hoe izao ny antony?
...:-D:-D:-D Ianao ve aloha mamaky tsara e... izay ilay resahina hoe alohan'ny hamaliana na itenenana dia vakio tsara aloha...

Eny hoy aho satria ilaina ny mamaky baiboly, (ianao indray ve no ampianarina hoe "tsy...tsia"="eny"):wink:

Izaho no ambarako eo io fa tsy miresaka na mamorona izay tsy mino any aho... matoa ny tsy mino tsy mamaky, manana izay antony tsy hamakiany izy...

Na tsarainao ho misy "doute" aza dia vao maika tsara amiko izany handinihako tena...:)

Fa raha ny amiko dia tsy misalasala velively mihitsy ny amin'ny finoako aho ary miombon-kevitra feno amin'i Paoly Apostoly manao hoe :

"Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." Galatiana 2:20

Ary ianao mba ahoana?...:-D:-D:-D
30. ikaretsaka ( 19/03/2007 15:18)
de hono ho aho> dia ahoana kay ny ahalalan'i prime heo tokony hamaky baiboly aho na ohatra hoe any anaty taki be misisika tsy misy iodinana le @ 12 atoandro ohatra i prime dia ilay baiboly any anaty sac au dos ... de ahoana?
31. prime ( 19/03/2007 15:39)
ikaretsaka> Ka ianao ihany no efa miteny hoe eny anaty "taxibe" misisika tsy misy ihodinana... dia miandry fotoana sy toerana mba milamina hamakiana azy tsara... rehefa tsy misy izany dia miandry any an-trano na any am-piasàna mba maka fotoana kely hamakiana...

Na koa isa-maraina vao mifoha, na rehefa alohan'ny hatory toy ny anao... samy mety aby... tsy misy hoe tsy maintsy izao na izao fa malalaka ny fotoana... nefa na izaho miteny aza dia miaiky fa tsy tomombana ho tena mpamaky tsy tapaka... izay fotoana omen'Andriamanitra ahafahana mamaky baiboly dia ezahina araka izay azo atao aloha...
32. ikaretsaka ( 19/03/2007 16:46)
Prime izany hiandry fotoana milamina vao ao?
ka raha sendra feno be ny programanao.. na sendra tsy tadidy?
dia inona ny anao no mba aide memoire anao?
33. pissoa ( 19/03/2007 19:57)
rebireben'i Devoly :-D:-D:-D:-D:-D
34. ikaretsaka ( 19/03/2007 20:14)
de hiandry devoly foana kosa ve?:wink:
35. Stretch ( 19/03/2007 20:39)
Mpandefa : Rasiligaoma [ Valio ] 19-03-2007 02:36:08
Lohateny : Re : Antony (+10 mihoatra )tsy amakiana baiboly???
tena ndao isika sy i strech anangana secte de sitranyahay mahazo 1/10 eme kle


:-D :-D

fombako marina ny mivanivany atsy ambadika atsy fa resaka ray an dalana fa tsy haiko io ty kely io , hatramin\'ny fony kely, zay tena mpianatra sekoly alahady tsy laitra mintry, isany zavatra tena tsara nipetraka tam fananana tahotra Atra(tam zany)
Nefa refa tena natao ny fandinihana tsy tokony ho tahotra ny nitondrana azy fa fahaizana mandrindra ny maitrise de soi.
Za alo tia mitady vola e !
Tam ny asako teo aloha nikarama aho 3000€, nahita bizna hafa a ! nanomé tolotra 5000€.

dia nareo milaza hoe mankato ze lazain\'ny baiboly ve ohatra: misy an zay ko ao mandrara ny ol tsy ho tia vola , na hoy izy Jehovah na mamona.
dia raha ianareo ve hoy aho : dia misy tolotr\'asa , ahazoanareo be be kokoa noho izay raisinareo ankitrio,dia ho lavinareo ve satria nareo tsy tia vola,
ko dia tsy hitako oe maninona no miasa mamono tena , fa mitanina andro fotriny de velona tsotsofin\'ny rivotra eo :-D
de tonga ny fahavalopolo taona de gly.

ka ao ko aza misy oe, ny vorona sns tsy miasa tsy mivoly farihy , fa iza no milaza fa tsy miasa ny vorona ,ny an reny aza hitako eto antokotaninay eo gidragidra be mintry le goaika sa papango le mihinana le fody kely reny, refa misy ray mahazo remby ady tsy vita , :-D fifandroritana sy zarazarao hanjakana.

ôtrizany ko ny zavamaniry , hoe ny lisy mo maninnn nisy nilaza tery ambony tery.
fa ra tsy miasa reny mitroka lay rano atondraka sy mikopakopaka maka rivotra nga velona, fa tsy oe plastika vonikazo kory ko atsatoka eo dia tsara tarehy ôtran\'ny immortel eo.

raha mba sendra mijery ireny jeu televisé reny nareo : raha vao hoe resaka fanontaniana momba ny bible de aotra aby aby .
na fotsiny aza hoe iza ny zanak\'i adama vôlou , kaina sa abela , tsy mahay e !
nefa misafidy fotriny fa tsy hoe : mila mitady am le mitarozaka be am le an zanak\'i annn.

Enyndray ary alou e !^:^
36. ikaretsaka ( 19/03/2007 23:53)
strech> tena ........ namaste hihihihi
37. niryna ( 20/03/2007 06:41)
-Ny fahalalako azy indray dia mitady izay marimaritra iraisana ny olona ka raha tsy mifanaraka ny fiainany ilay izy dia tsy mampiraika azy ny amaky an'io.
-Matahotra ny hiatrika ny fahamarinana satria izay zavatra hatao rehetra dia voalaza ao anaty baiboly ka ny filan'ny nofo mbola mahery tsy mahatohatra ny fakam-panahy koa aleo izao aloha.
-Ny filazana fa tsy misy zavatra manintona ao anaty baiboly kanefa raha omen'ny olon-tianao taratasim-pitiavana ianao im-piry no avadibadika vakiana iny noho ilay fitiavana ilay olon-tiana!
-Mankaleo hoy ny hafa satria tsy mifanaraka ny tiany ilay izy,marina fa misy lava ny teny ary misy fohy,misy ny tsy mifandraika ny fiainanao fa mifameno daholo ireo.
-Tsy mba toy ny boky rehetra indray hoy ny hafa,misy ny tia boky tantara fitiavana, ady,zvtra mampatahotra,sns.Hita taratra ao anaty baiboly daholo izay rehetra hiainantsika,hitady tantarana fitiavana ianao misy ao,hitady ady ianao misy ao sns.
-Satria ihany koa tsy natao ambony noho ny zavatra rehetra ilay baiboly ka rehefa misy ilaina ihany vao mety hitady na hamaky azy.
-Mino koa aho anefa fa saiky manana baiboly daholo isika fa saingy ny fotoana andaniana no tsy mitady na miandry izay mifanaraka ny tsy maha sahirana dia eo.




38. niryna ( 20/03/2007 13:14)
Fiffi:

@ fomba ahoana moh no ahafantarana hoe maniona i anona sy ranona no tsy mamaky babiboly ? na hoe inona no antony ?

fiffi a tsy misy fomba ahalalana azy ka,eritreritra mandalo ny ahy iny ary ho an'izay tsy tia mamaky no hiantefan'ny fanontaniana,afaka manontany tena aho ohatra ny antony tsy hitiavako na tsy mampazoto ahy hamaky baiboly.
Fiffi a miala-tsiny fa ato no hamaliako azy a.
Misy antony maro saingy ilay antony indraindray dia mety tsy hitombona fa hanaromana ilay tena votoatiny tsy hamakiana azy.
Ohatra: Tsy manana fotoana aho,izany aloha dia mety tsy mitombona satria nomena fotoana mitovy daholo isika rehetra fa saingy ny andaniana ny famakiana ny baiboly no tsy nomeko fotoana na dia iray minitra aza.
- Tsy misy ilaiko @ny fiainana:mety tsy nifanaraka ny fiainako ny pejy novakiako ka nahatonga ahy hiala-pas
-Tsy misy soavaly miady,tantaram-pitiavana: Raha samy nijery ny film passion de Jesus ny olona taty aminay dia nitomany,nalahelo,natahotra, ontsa ny fo,lehilahy torana,ny vehivavy izany moa dia tsy hita intsony no safotra sy nitomany ary izaho anisany niaraka ny fianakaviana maro,ny rano novidiana tao amin'ny fijerena ilay film dia lany iray minitra satria samy nanana ny fihetsem-po daholo izahay valo mianadahy niara-nijery ary mbola voton-dranomaso rehefa avy eo:P.
Ny dikany raha ny maso no mahita ny fahorian'i Jesosy sy ny ra miparitaka,vono sy ny sisa ao anaty baiboly izany dia efa nahitana taratra an'io na dia tsy nijery aza.
Ny tiako ho lazaina dia hoe izay fiainana misy antsika dia hita taratra ao daholo fa ilay finiavana ny hamaky ilay boky no mila mitady andro izay mahamety ahy na ny hafa raha ekeny ny hamaky azy.
39. rush ( 20/03/2007 13:35)
prime:
Ary ianao mba ahoana?...:-D:-D:-D
manana komplexe de superiorité be loatra ianao raprime aaa!fantaro nefa fa tsy ianao irery no mahafantatra sy mahay mamaky e!tsy ny maha-laïka na mpiandry anao akory dia hoe ianao irery hiany na izay zavatra lazainao dia marina avokoa!mila mandinin-tena fa tsy mety izao e!


40. ikaretsaka ( 20/03/2007 14:26)
tsara fipetraka ilay an'i rush:
za aloha tsy mahay mamaky e :oops:

izay no toa mahavoa tokoa matetika... io kompleksa io...
lasa adino ny mijery ny tena fa faly any @ le hoe "ianao mba ahoana?" io.
io ngamba ilay hoe mpitari bato vilambava lazalazain'i fijo fa indraindray tokoa anie ireny ka tsy mahita akory hoe mivilana ny vavany ?

asa re fa mba gaga fotsiny aho:roll::wink: eritreritra sendra nandalo iny ary sarobabay ka ze voa aza tezitra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.7842