JP II : fihetsika kristianina

1. nikopol ( 16/03/2007 08:19)
Ny zavatra anisan'ny nahamarika ahy, dia tamin'i Papa Jean Paul II niahona tamin'ilay bandy nikatsaka ny hamono azy iny. Tony dia tony ny endriny, ary mbola feno fitiavana sy compréhension teny amin'ny tarehiny.

Ny fihetsika toy ireny amiko no fihetsika kristianina.

Matetika nefa ireo mafana fo amin'ny fivavahana dia ny mifanohitra amin'le théorie de base daholo no miseho ... wawawa fa ny fihetsehampo farany basika aza tsy voafehy akory ... variana miady amile le we ny "anay no marina".... fa ny fiainana andavanadro mbola lavitry ny afo ny kitay...

Raha resaka karaté ohatra, dia ilay bandy ceinture noire manana dan dia normalement mafy be !

fa eo amin'ny fivavahana toa 7ème Dan amin'ny théorie daholo na "kata " fa rehefa tena eo amin'ny fiainana na combat de rue dia hita fa misy maro ireo tsy hita ny maha samy hafa azy amin'ny ceinture blanche

répondu par ikaretsaka le 18/03/2007 13:30
2. kelly13 ( 16/03/2007 08:31)
za kou ry nikopol d tena midoka an'iny Papa iray iny a! sady manana endrika doux b lery fa i Papa Benoit ôtran'ny masika maso b zany. asa ianareo raha ohatra ahy fa za d ôtran'ny mbola mieritreritra hoe i JP II iany no Papa @ zao! enfin...
3. prime ( 16/03/2007 11:46)
niko:
Matetika nefa ireo mafana fo amin'ny fivavahana dia ny mifanohitra amin'le théorie de base daholo no miseho ... wawawa fa ny fihetsehampo farany basika aza tsy voafehy akory ... variana miady amile le we ny "anay no marina".... fa ny fiainana andavanadro mbola lavitry ny afo ny kitay...
... Indrisy, izany indrindra no nahatonga an'i Kristy niteny hoe :

"Fa maro no antsoina, nefa vitsy no fidina." Matio 22:14

Fa ny tsara koa nefa dia ny mandinin-tena mandrakariva fa tsy variana mitsikera ny hafa... aleo izay hanao wawawa hanao izany fa samy mbola handalo eo anoloan'i Kristy avokoa ny tsirairay avy ary mbola asain'i Kristy hamoaka avy hampahibemaso izay nataony na dia ny tany amin'ny miafina indrindra aza indray andro araka ny voasoratra hoe :

"Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony." Matio 12:36

sy ny hoe :

"Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra." Romana 14:12
4. xxx ( 16/03/2007 12:10)
prime
5. piste ( 16/03/2007 12:12)
Marina tsy misy iadina hevitra ny an'i Nikopol momba ny atao hoe : fihetsika kristianina. FA ny olana dia mbola betsaka ny kristianina vosasa ati-doha @ boky sy fampianarana tsy izy ka manjary tsy mahita izany atao hoe "valeur humaine" intsony dia ny fifankatiavana, fifanajana, famindram-po,sns. Hany ka mitsara sy manenjika ny tsy mitovy firehana na finoana aminy. Ohatra : lazain'ny sasany fa bibidia indray hono ny Papa. Faharoa, dia ilay teny malaza fahiny fa mbola tazonin'ny sasany : "en dehors de l?Eglise pas de Salut" na raha adika malalaka dia : raha tsy kristianina mitovy aminay dia tsy voavonjy.
6. ikaretsaka ( 16/03/2007 12:19)
Joany paoly Faharoa.

- "Niandry ny ondrin'ny Tompo" miisa 1 050 000 000 eran-tany
- Pretra katolika nandritry ny 58 taona
- Miteny tsy am-pihambahambana tenim-pirenena 8
- Nahatety firenena 133 (anisany i madagasikara)
- nandeha nihoatra ny 1 000 000 Kilometatra raha atambatra
- nanokana olona (ni canonize) 482 ho lasa olomasina
- Mpiaro sy mpivavaka ho an' ireo "zaza nesorina" (abortion/ unborn child)
- Mpandimby an'i Md Piera faha 263
- Velona na dia nisy nikasa hamono aza, ary tsy nitana alahelo ilay olona nanao izany
- Nanoratra "encylicals" 14
- Papa ray masina nandritra ny 1/4 siekla mihoatra kely
- Notarihin'ny Fanahy Masina
- Fotoana laniny t@ vavaka... Ny Tompo irery no mahalala!
7. xxx ( 16/03/2007 13:06)
kelly13:

za kou ry nikopol d tena midoka an'iny Papa iray iny a! sady manana endrika doux b lery fa i Papa Benoit ôtran'ny masika maso b zany. asa ianareo raha ohatra ahy fa za d ôtran'ny mbola mieritreritra hoe i JP II iany no Papa @ zao! enfin...

Tsara ny asa vitany toy ny olona madinika izay manampy ny mahantra toa azy ihany.Saingy ny olana dia lasa izy ireo no hivavahana fa tsy ilay Jesosy Tokana.Tena tsy mahita irika ny hoe Andriamanitra mihitsy aho rehefa mitety faritany izy ireo fa io no andriamanitra kely ho an'ny mpanaraka azy ary tapitra manoroka ny tanany daholo ny olona.Raha mba toy izany tokoa re ny fitiavana ilay Andriamanitra velona e!Aza miankohoka amin'ny olona toa anao satria olona ihany izy ireo.

8. miarina ( 16/03/2007 13:11)
Ny ahy Saddam na efa ho vonoina aza mbola mahavita miteny foana Allah est grand
9. ikaretsaka ( 16/03/2007 13:54)
XXX> tsy mivavaka sy miankohoka aminy fa miezaka manaraka ny zava -bitany sy mianatra ny nataony. mino koa olona nahazo fahasoavana izy matoa lasa papa sy nahavit aireo voatanisa ao ambony ireo , dia mba mino fa @ fanorohana ny tananay iny dia mba hahazo izay mba sombim- pahasoavana kely e.
ohatranao avy amaky baiboly ihany io dia manoroka ilay teny avy eo.
10. Salut ( 16/03/2007 13:57)
Ilay olona mampiasa ny xxx aloha dia hita fa tsy ho tompon'andraikitra amin'ny teny lazainy. Noho izany tsy tena resy lahatra fa marina ny teny ambarany.
Na izany aza anefa dia tsy raisiko ho fankahalana ny katolika velively ny teny. Noho ny tsy fahalalana no mahatonga azy miteny izany. Ary isaorako an'Andriamanitra fa tsy Katolika izy, raha tsy izany dia tena nanompo sampy tokoa.
Izao ary ny fanazavana azo omena mikasika io fihetsika lazainy io: Voalohany aloha dia tokony ho hay ny manavaka ny antsoina hoe fanajana sy ny atao hoe Fitsahona. Ny olona rehetra amin'ny maha olona azy dia samy mendrika ny hajaina avokoa. Indrindra ireo ray aman-dreny. Misy fihetsika maro anehoana io fanajana io. Samy manana ny azy ny firenene sy ny foko maro. Raha makany Fianaratsoa ianao dia hahita fa tena miondrika ambany dia ambany ny olona rehefa miarahaba vahiny. Mari-panajana izany fa tsy sanatria hoe iny vahiny iny akory no ivavahany. Noho izany raha manoroka ny tanan'ny eveka na ny Papa ny olona dia mari-panajana azy izany. Efa nambaran'i Kristy koa fa izay mandray izay nirahiny dia mandray azy. Raha maneho fitiavana amin'ireo olona nirahin'Andriamanitra dia maneho fitiavana azy Kristy koa.
Ny fitsahona kosa dia natokana ho an'Andriamanitra irery ihany.
Aza afangaro ireo fa zavatra roa tena samihafa mihitsy.
11. ikaretsaka ( 16/03/2007 14:03)
fanamarihana kely koa> ny papa koa manoroka ilay tany amin'ny firenena vangiany.
tsy manao ilay firenena vangiany ho masina izy na mivavaka @ ilay firenena sanatria fa mari-panajana ilay izy
12. rakaroka ( 16/03/2007 14:25)
piste:

Marina tsy misy iadina hevitra ny an'i Nikopol momba ny atao hoe : fihetsika kristianina. FA ny olana dia mbola betsaka ny kristianina vosasa ati-doha @ boky sy fampianarana tsy izy ka manjary tsy mahita izany atao hoe "valeur humaine" intsony dia ny fifankatiavana, fifanajana, famindram-po,sns. Hany ka mitsara sy manenjika ny tsy mitovy firehana na finoana aminy. Ohatra : lazain'ny sasany fa bibidia indray hono ny Papa. Faharoa, dia ilay teny malaza fahiny fa mbola tazonin'ny sasany : "en dehors de l?Eglise pas de Salut" na raha adika malalaka dia : raha tsy kristianina mitovy aminay dia tsy voavonjy.


Dia marina mihitsy ity "fanamarihan'i "Piste" ity:
rehefa ny hafa no iharan-doza dia "kapok'Atra":evil: hoy rizareo, fa rehefa rizareo dia "fitsapan'Atra":wink:,
rehefa rizareo no mampisa ny soratra dia hoe tenin'Atra fa rehefa ny hafa dia "ny devoly koa
mahay ny teny hono:-D. ...rizareo: "voafidy" fa ny hafa:?::?::roll:8O
....anefa ity Pape Benoit ity aza hitako nivavaka tany @ silamo mba ho famitranana ny "fihavanana" taorian'ilay nanenjehana azy noho ny teny nolazainy iry!:wink:8O
13. ikaretsaka ( 16/03/2007 15:08)
Piste, rakaroka> misaotra eee.. :wink:
14. cutie ( 16/03/2007 20:49)
rehefa ny hafa no iharan-doza dia "kapok'Atra" hoy rizareo, fa rehefa rizareo dia "fitsapan'Atra",
rehefa rizareo no mampisa ny soratra dia hoe tenin'Atra fa rehefa ny hafa dia "ny devoly koa
mahay ny teny hono. ...rizareo: "voafidy" fa ny hafa
....anefa ity Pape Benoit ity aza hitako nivavaka tany @ silamo mba ho famitranana

:-D:-D:-D:-D:-D
eisy e
15. niryna ( 16/03/2007 21:23)
miarina:

Ny ahy Saddam na efa ho vonoina aza mbola mahavita miteny foana Allah est grand



8-)8-) ka io no antsoiny Andriamanitra aminy kou!
16. fijo ( 16/03/2007 22:36)
niko an,ka io kristianisma io anie wa zavtra nampidirina tao an tsain'ny gasy ka tena nanimba azy e.tsy azy io ,fa no terena hoazy.de izay.
fa raha i paoly faha II kosa aloha,na zaho aza dia midera azy satria iny no mba mpitarika fiangonana nahay nangataka famelana tamin'ny famonoananataon'ny fiangonana taloha.
17. Fiffi ( 18/03/2007 12:21)
xxx:

Saingy ny olana dia lasa izy ireo no hivavahana fa tsy ilay Jesosy Tokana.Tena tsy mahita irika ny hoe Andriamanitra mihitsy aho rehefa mitety faritany izy ireo fa io no andriamanitra kely ho an'ny mpanaraka azy ary tapitra manoroka ny tanany daholo ny olona.Raha mba toy izany tokoa re ny fitiavana ilay Andriamanitra velona e!Aza miankohoka amin'ny olona toa anao satria olona ihany izy ireo.
xxx: misy ny hatao hoe HAJA....manaja....ny pape raha izany no fijerinao , fiheritreretanao azy de diso tanteraka enao....ny pape de olom-mpiangonana hajaina...tahaka anao manaja ny RAD-nao ...ny maha-samy hafa azy fotsiny de ny RAD-nao mijanona ao @ cercle familiale-nao...fa ny pape tsy mifidy firenena fa alehany avokoa ny tany zay azony haleha ...d'où io no hanajana azy fa tsy hivavahana akory....


18. ikaretsaka ( 18/03/2007 13:30)
ny fahitako azy dia tsy azon'ny olona ny mitsaoka sy ny manaja

Ny mi worship sy ny mi venerate mihitsy no mifangaro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0471