Rarana mafy ny manary fako fa ho saziana izay azo!!

1. niryna ( 16/03/2007 04:41)
Inona no petadrindrina nampihomehy anareo indrindra?
Sendra nihinana sakafo maivana izahay teny amin'ny hotely ambanivohitra .Maro moa ny mpividy no mifamezivezy ary dia samy mihinana mofo sy kafe eo daholo ny olona.Matetika moa dia midina ambany foana ny tanana hay efa misy akoho eo ambanin'ny seza manao taty reraka.Asa aloha na be loatra ny olona mitaraina na ahoana fa misy peta-drindrina hoe "TANDREMO NY MOFONAREO SAO TSAINGOHON'NY AKOHO.!"
novalian'i niryna ny 16/03/2007 20:47
2. sitlo ( 16/03/2007 04:45)
ny ahy ilay hoe:

CELUI QUI LIT CECI EST UN CON
3. fasaly ( 16/03/2007 06:52)
hoe raràna ny manao maloto eto nefa feno caca sy pipi bdb eo :x any madà mazava ho azy:roll: taloha fa izao tsy haiko efa madio zao ka!
4. Simpona ( 16/03/2007 10:31)
Ny ahy tsy peta drindrina fa le soratsoratra ataon'ny olona ireny de we:
"Avoahy Jose kely"
dia misy mamaly eo ambany hoe "Tsy ato izy" :lol::lol:

Tany tolanaro indray, tsy haiko raha mbola ao Tanambao ao le we "Sanzina izay manao maloto eto"
5. booboo ( 16/03/2007 10:39)
Tany Fianarantsoa ndray ity no hitako. Plaque manondro hoe "Pharmacie à 50mm" :-D:-D:-D:-D
6. xxx ( 16/03/2007 12:18)
Ny ahy indray ilay hoe Toyota fiara vaovao io ary dia soratan'ny ankizy eny ambanivohitra eraky ny arabe.
Aza adino ny hoe LOLA=HERY raha misy mahalala fa misipa ireo ka manafina:roll:
Tsis izay tsy mahalala ny olona fa sipan'i lola i hery
7. ikaretsaka ( 16/03/2007 13:20)
Ilay hoe " ny alika no mamany eto" fa tsy mbola nahita alika nivalandrano teo aho hatr@ izay fa toa olona foana no hitako.. ary izay olona nanao teo dia toa mbola nijanona olona foana hatr@ izao!
8. sitlo ( 16/03/2007 13:34)
Ary le menu ao am hotely

petipoa sy henakisoa

Dia ilay
Rarana ny manao maloto eto.
Dia misy mamaly hoe, fa etsy atao.

Dia ilay
Rarana ny manao maloto eto.
Sazy 5ooo Ariary + daroka be
9. kally ( 16/03/2007 13:58)
Ny ahy eo akaikin'i Oasis any Antsirabe misy mpanao solomaso dia hoe manao asa rehetra momba ny solomaso : verres, monthir..
10. rush ( 16/03/2007 14:43)
ary le oe "alika no mamany eto"dia le lelilahy poritra be iny sady mandefa,mamaky, manozona,manonona andra-lena mafy!
11. 2gasy ( 16/03/2007 15:40)
Teo @ tsenakely iray :
MISY JUS PETROL
12. fasaly ( 16/03/2007 16:04)
kally::-D:-D:-D:-D
13. sakaizakely ( 16/03/2007 16:41)
ary lay hoe

Hotel ***

nefa vary mitsangana ary ankodahoda ary tsisy rano @ paompy, wc turc tsy misy rano masiso be
14. kelly13 ( 16/03/2007 16:56)
wc turc, dray dray dray, ialako ôtran'ny tsy teo! mampitahotsa
15. sakaizakely ( 16/03/2007 17:18)
kelly13> sady am'zay hitandry tsara ery le olitra be mibalady bradési-bradésou :twisted: :twisted:
16. booboo ( 16/03/2007 17:40)
:{:{:{:{:{:{
17. sakaizakely ( 16/03/2007 17:58)
ary nareo ve mbola tsy sendra an'le mpivarotra tsakitsaky manisindelo @ ratsantanana dia atsipy ery ananona ery le lelo, dia fafafafana @ ankanjo le tanana, avy eo de manapaka sosisy :-D :-D :-D :-D
18. Samoana ( 16/03/2007 18:25)
T@ fivarotana iray tany Ankadifotsy nahitako soratra toy izao: " Mivarotra bol pik pok ato ":-D
19. niryna ( 16/03/2007 20:42)
sitlo:

Ary le menu ao am hotely

petipoa sy henakisoa

Dia ilay
Rarana ny manao maloto eto.
Dia misy mamaly hoe, fa etsy atao.

Dia ilay
Rarana ny manao maloto eto.
Sazy 5ooo Ariary + daroka be



=))
20. niryna ( 16/03/2007 20:47)
Nisy ramatoa izay nasiany nanoratra ity zanany ho an'ny dadany miasa lavitra.Iny koa izy mba nanoratra dia izao no nosoratany.Izaoze miarahabana-o =)) Izaho izay miarahaba anao no tiany ho soratana fa tsy dia nahay nanoratra izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.177