Divorsa

21. Vahinala ( 18/03/2007 10:18)
sakaizakely:

Vahinala> Izany izao no ataoko hoe divorsa réussi, hoe tsy mifandaginina isaky zay mihaona, ny ankizy no tsinjovina. Zay dia ampy e !

Mahatonga ahy sensible @ ty resaka divorsa ity dia satria manko efa niasa t@ reny centre d'accueil d'urgence ireny ny tenako fony mbola étudiante fa tena hitanao hoe vonjy aina ny an'ny sasany matoa mitsoaka ny trano zara raha ny ankanjo anaovany fotsiny no eny aminy fa na biberons njaza aza tsy voaraokany. Nampi deprime ilay asa klou e ! Soa fa tsy naharitra ela fa mila manana carapace matanjaka vao mahatanty azy.

Ny ataoko hoe fitiavantena angamba dia ny fikipiana maso atao odiantsy fantatra izany toejavatra izany fa ny fiainany manokana no entina atao ohatra eto.



sakaizakely > Raha otrizany ndray aloa dia angamba efa tena galère mintsy no hiainanle olona ao, mifamono sns, araka ny voalazandry hoe fitiavantena koa ny any sasany e !
22. bozylove ( 18/03/2007 15:28)
Ny anareo resaka extrema no resahina , ny divorce olona roa misaraka fa tsy mifanaraka satria tsy manao izay tiko sy araka ny hevitro ilay vady.

vahinala; t@ nisaraka ny ray amandreninao, ahona ny réaction nao???? :?:
23. Vahinala ( 18/03/2007 16:58)
bozylove:

Ny anareo resaka extrema no resahina , ny divorce olona roa misaraka fa tsy mifanaraka satria tsy manao izay tiko sy araka ny hevitro ilay vady.



Aminao angamba izany, tsy resaka fitiavantena mihitsy irery ihany no mampisaraka fa betsaka, rehefa misy ny tsy fitoviankevitra tsy midika mihitsy hoe tia tena; ary tsy ny mpivady ihany no tsy mitovy hevitra. Aleo misaraka toy izay tabataba lava.
Ny fisarahany ray amandreniko, nampalahelo mazava hoazy saingy nanome soulagement koa satria ady foana ny tao antrano, aleo lavitra mahita azy ireo samy miaina tsara aradalàna amzao fotoana nefa mifanaja koa satria mananjanaka hiarahana.
24. nikopol ( 22/03/2007 09:29)
marina zany vahinala a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0501